Dia hoe ...

321. RBNIR ( 05/01/2020 09:21)
olona 1 ao anatin'ny milliard mahazo izany fahefan'ny lanitra izany......izay antony tsy fantatro fa angamba mety ho tirage au sort hoy aho....Andriamanitra no mahafantatra....
322. gasy1zay ( 06/01/2020 14:14)

RBNIR:

Gasy1zay na ireo apostoly hafa aza tsy nomen iJesosy ilay fahefan ny lanitra.....

Matio 16:19
[19]Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao et? ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.

Petera irery no nahazo an io teny io,.....

Homeko anao fa tsy hoe homeko anareo...

Tsy afaka mampiasa io fahefana io afatsy i petera sy ny olona nahazo ny fahefan ny lanitra mivantana avy @Jesosy tahaka azy ihany.,

Hay ve efa ampitovinareo @ trinite koa i Petera e?
323. gasy1zay ( 06/01/2020 14:53)
Aleo aloha adiadiana tsara ilay voasoratra mba tsy hihinana ambolony, ianao no petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no ahoriko ny fiangonako...
Aona no fazahoanao izany ry RBNIR?
324. gasy1zay ( 06/01/2020 17:58)
Aleo omeko indice RBNIR, ilay vato nolavin'ny mpanao trano ve Petera?
325. RBNIR ( 07/01/2020 05:37)

gasy1zay:

RBNIR:

Gasy1zay na ireo apostoly hafa aza tsy nomen iJesosy ilay fahefan ny lanitra.....

Matio 16:19
[19]Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao et? ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.

Petera irery no nahazo an io teny io,.....

Homeko anao fa tsy hoe homeko anareo...

Tsy afaka mampiasa io fahefana io afatsy i petera sy ny olona nahazo ny fahefan ny lanitra mivantana avy @Jesosy tahaka azy ihany.,

Hay ve efa ampitovinareo @ trinite koa i Petera e?

Ilay fahefana avy any an-danitra no nomena an'i Petera....

« Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 16:19)

Ilay fahefana avy any an-danitra no takiana rehefa hanao batisa :

« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. » (Marka 11:30)
326. RBNIR ( 07/01/2020 11:07)
Io gasy1zay tahakan'ny olona iray hirahan'ny manampahefana lehibe iray dia ampitondraina "sceau" hanaporofona fa nahazo fahefana avy any marina ilay olona...

Dia fanampiny afaka manapaka amin'ny anaran'ilay manampahefana lehibe avy hatrany koa ilay olona nomena ilay sceau..

Vakio ny tantaran'i Josefa fa otraotran'izay no mety hoe afaka hanazavana azy....

Tsy mitovy ary tsy ambonin'Andriamanitra akory i petera, fa kosa nomena fahefahana (avy any an-danitra) hanantanteraka asa amin'ny Anaran'Andriamanitra....ary izay ataony eo avy dia ankasitrahana any an-danitra...;

Saingy averiko ihany tsy ny fiangonana manontolo no nahazo izay fahefana izay fa i petera irery ihany (na ireo apostoly namany aza tsy nahazo)

Olona 1 ao anatin'ny milliard hoy aho.....
327. gasy1zay ( 07/01/2020 13:24)

Tsy i petera irery ry RBNIR no nomena ilay fahefana fa izay rehetra mpianany a, jereo matio 18:18, ary vakio fa ilay vato nanorenana fiangonana dia i Jesoa fa tsy Petera, vakio tsara ny baibolinao, mediter ( saintsaino) fa tsy lire fa mandrary mandray antendrony
Ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra dia fomba ahafanao miditra ao dia izay mino ilay fanambarana ( revelation de Dieu) nataon'i Petera hoe Jesoa no kristia ilay zanak'Andriamanitra velona

Ka mbola miverina @ resaka tany amboalohany isika RBNIR, manaiky ve ianao fa tsy mifanaraka @ baiboly ny voalazanao hoe tsy izay nahare feon'Andriamanitra na feon'i Jesoa na ny feon'ny FM audible ihany no afaka manao batisa?

328. RBNIR ( 07/01/2020 14:18)

Samy hafa ny resaka gasy1zay, ny matio18 dia miresaka famahana na fifehezana adin'olona 2 ao ampiangonana...;

ny zavatra nomena an'i petera kosa dia ny "fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra"....ary notsindrin'i Jesosy tsara hoe homeko ANAO.... feheziNAO....ary koa vahaNAO....

« Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 16:19)
329. gasy1zay ( 07/01/2020 15:14)
Aza aolakolaka ny resaka RBNIR fa valio hoe diso ve sa tsia ny nambaranao mikasika ilay iraka sy feon'Andriamanitra re @ resaka batisa?
330. rhaj0 ( 07/01/2020 15:14)
Ka iza aminareo roaroa @ izay ry Gasy1zay sy RBNIR no ho lasa any @ afobe satria TSY mahay ny Kristianisma-ny ee ?
:-)
331. gasy1zay ( 07/01/2020 15:48)
Izay mino an'i Jesoa Kristy dia ho vonjena rehefa nibebaka, tsy misy idiran'ny fahalalana baiboly :)

Eo @ fibebahana marina no problemen'ny olona maro, tiana ny lanitra fa tsy foina ny fahafinaretana eto an-tany
332. rhaj0 ( 07/01/2020 17:01)

gasy1zay:

Izay mino an'i Jesoa Kristy dia ho vonjena rehefa nibebaka, tsy misy idiran'ny fahalalana baiboly :)

Eo @ fibebahana marina no problemen'ny olona maro, tiana ny lanitra fa tsy foina ny fahafinaretana eto an-tany

Ka dia I RBNIR izany no ho lasa any @ afobe, hozy Gasy1zay.. Izay sa tsy izay? :-)
333. gasy1zay ( 07/01/2020 17:10)
Aza mitsara mba tsy ho tsaraina, aleo azy sy Andriamanitra izany fa izy no mahalala ny tena ao ampon'ny tsirairay
334. rhaj0 ( 07/01/2020 22:49)
Ka Izy ve izany no nandrisika ny "ao am-pon'ny tsirairay", na ny ao am-pon'i Gasy1zay, na ny ao am-pon'i RBNIR?

Dia nefa mifanipaka nareo roaroa ee?

Toa hotsahotsan'ny ny hampiady anareo roaroa izany no nataoNY?

Ary fataony mihintsy, satria, tsy nareo roaroa ihany, fa ohatra ny protestanta sy ny katolika fahiny, nifamono nandritra ny 100 taona tany Eoropa? Ary tsy mifanambady tao Dago?
335. RBNIR ( 08/01/2020 05:32)
gasy1zay:

Aza aolakolaka ny resaka RBNIR fa valio hoe diso ve sa tsia ny nambaranao mikasika ilay iraka sy feon'Andriamanitra re @ resaka batisa?

Raha azonao ny nahatonga an'i Jesosy nametraka ity fanontaniana ity...dia tsy tokony hisisika hamaly intsony ianao...;

« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. » (Marka 11:30)

Ireo olona nanontaniana an'io teny io dia nahafantatra tsara marina tokoa fa tokony hoe batisa avy any an-danitra no atao.....
336. RBNIR ( 08/01/2020 10:26)
rhaj0:

Ka Izy ve izany no nandrisika ny "ao am-pon'ny tsirairay", na ny ao am-pon'i Gasy1zay, na ny ao am-pon'i RBNIR?

Dia nefa mifanipaka nareo roaroa ee?

Toa hotsahotsan'ny ny hampiady anareo roaroa izany no nataoNY?

Ary fataony mihintsy, satria, tsy nareo roaroa ihany, fa ohatra ny protestanta sy ny katolika fahiny, nifamono nandritra ny 100 taona tany Eoropa? Ary tsy mifanambady tao Dago?

Izaho tonga eto tsy hiady, na hampiady, na hitsara na koa hanameloka an'iza na iza...

Tonga eto aho hanantanteraka ireo voalaza ao anatin'ity teny ity....

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)

Hampianatra
Handresy lahatra
Hanitsy ireo diso
Ary hitaiza ny olona amin'ny atao hoe fahamarinana

Nisy fampianarana nentin'i Jesosy 2000 taona lasa izay...nampianariny an'ireo mpianany ary ireo indray kosa nampianatra tamin'izao tontolo izao...Io ilay hoe fampianarana tsy misy kilema...tsy nisy kilema satria fampianarana avy any an-danitra...« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Rehefa maty avokoa ireo mpianany ireo dia indrisy nanomboka very io fampianarana io ary ireo olona nandimby taty aoriana dia samy nampianatra araka izay eritreritry ny sainy fotsiny ihany sisa....

Vokany, tsy hita tanteraka intsony ilay fampianarana tsy nisy kilema,

Ankehitriny dia niverina indray i Jesosy nampianatra an'io fampianarana io....

http://forum.serasera.org/forum/message/m59e4a77169330

Araka ny fanambarany ankehitriny dia hofaranana amin'izay ny tantaran'ity izao tontolo izao ity ka hotanterahina amin'izay izay voasoratra ao @ « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14)

Io filazantsara io no notoriny 2000 taona lasa, io ilay atao hoe fampianarana tsy misy kilema...

Izay no anton'izao fampianarana eto izao...

Ekena, mbola tena sarotra amin'ny maro no mandray azy io, dia somary miteraka "tension" kely tsindraindray rehefa miresaka....Nefa izany moa dia efa voasoratra avokoa fa ny hirariana dia mba ho olona manana fahendrena avokoa no iantefany....ka tsy halaky hisandoatra fa mba handray amin'ny fahendrena marina tokoa....

« Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jakoba 3:2)
337. gasy1zay ( 08/01/2020 11:32)

RBNIR:

gasy1zay:

Aza aolakolaka ny resaka RBNIR fa valio hoe diso ve sa tsia ny nambaranao mikasika ilay iraka sy feon'Andriamanitra re @ resaka batisa?

Raha azonao ny nahatonga an'i Jesosy nametraka ity fanontaniana ity...dia tsy tokony hisisika hamaly intsony ianao...;

« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. » (Marka 11:30)

Ireo olona nanontaniana an'io teny io dia nahafantatra tsara marina tokoa fa tokony hoe batisa avy any an-danitra no atao.....

Aza hovaina ny resaka RBNIR a, diso ve hoa sa tsia ny nambaranao fa tsy maintsy misy feo Andriamanitra na Jesoa na FM maniraka vao afaka manao batisa? Rehefa diso dia mba miaiky fa aza mijanona @ fampianarandiso fa hotsaraina amin'ny teny efa renao ianao.
338. gasy1zay ( 08/01/2020 11:35)

RBNIR:

gasy1zay:

Aza aolakolaka ny resaka RBNIR fa valio hoe diso ve sa tsia ny nambaranao mikasika ilay iraka sy feon'Andriamanitra re @ resaka batisa?

Raha azonao ny nahatonga an'i Jesosy nametraka ity fanontaniana ity...dia tsy tokony hisisika hamaly intsony ianao...;

« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. » (Marka 11:30)

Ireo olona nanontaniana an'io teny io dia nahafantatra tsara marina tokoa fa tokony hoe batisa avy any an-danitra no atao.....

Aza hovaina ny resaka RBNIR a, diso ve hoa sa tsia ny nambaranao fa tsy maintsy misy feo heno an'Andriamanitra na Jesoa na FM maniraka vao afaka manao batisa? Rehefa diso dia mba miaiky fa aza mijanona @ fampinarandiso fa mamitaka olona
339. rhaj0 ( 08/01/2020 13:07)
Dia tena tsy haiko hoe, inona no hizizozizon'i Gasy1zay @ RBNIR eto...

F'angaha indray, tsisy ilay "hotry ny manosika" an'i Gasy1zay hahalala (foana) ny marina izy ao?
340. gasy1zay ( 08/01/2020 13:46)
Tsy manaiky diso mintsy RBNIR satria manjary miaiky izy fa diso ny fampianaran'i pasitera Nirina momba ny iraka hanao batisa zao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1027