Dia hoe ...

201. RBNIR ( 17/12/2019 14:45)
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jaona 3:6)

Tsy te hanota intsony v ianao??? tsy te handika ny lalàn'Andriamanitra intsony????

Araho ilay fandaharana e!

Ny dingana voalohany dia ny famonoana an'io ota nampidirin'ny devoly io ao anatintsika ao???

Amin'ny fomba ahoana?????
202. gasy1zay ( 17/12/2019 15:03)
eo dia efa diso indray ny ambaranao RBNIR, ao @ Galatiana i Paoly dia nanindry fa tsy hanao batisa olona ny niantson' Andriamanitra azy nefa izy niteny hoe nanao batisa olona izy vakio tsara. Ny mpianatry Jesoa rehetra dia nohirahiny fa tsy ny apostoly 12 lahy ihany. Ka raha mpianany ianao dia afaka manao batisa fa tsy hoe apostoly, pasitera, evanjelista ihany. Ny olombelona no nametraka lalana hoe tokony izao ihany no afaka manao batisa, mamoaka devoly, mametratanana sns...

Ny mahavoa ny olona tsisy effet aminy ny batisa natao taminy araka ny ambaranao dia tsy hainy ny dikan'ny batisa, batisan'ny Fanahy Masina ( Jesoa kristy no manao azy) no ilainy nefa batisa ataon'ny mpianatra no azony ary tsy azony ny dikany matoa izy mbola manota

Farany, tsy mitovy ny batisa nanirahan'i Jesoa Kristy ny mpianany sy ny batisa nataon'i Jaona, izay antsoina hoe batisan'ny fibebahana.
203. gasy1zay ( 17/12/2019 15:17)
RBNIR >raha mitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina, dia Jesoa Kristy no velonao ao anatinao, inona no dikan'izany? Ny asa nataony no tokony ho ataonao koa...
204. RBNIR ( 17/12/2019 15:36)
gasy1zay:

Ny mpianatry Jesoa rehetra dia nohirahiny fa tsy ny apostoly 12 lahy ihany. Ka raha mpianany ianao dia afaka manao batisa fa tsy hoe apostoly, pasitera, evanjelista ihany. Ny olombelona no nametraka lalana hoe tokony izao ihany no afaka manao batisa, mamoaka devoly, mametratanana sns...

Izany hoe ianao izany dia nametraka ny tenanao (ho mpianany) sy ho isan'ny naharay iraka mivantana avy Aminy noho io teny io raha azoko tsara????
Dia mba nanao ahoana ny fiovan'ny olona nataonao batisa tao gasy1zay?????
Diniho tsara e! iraka mivantana ange hoy aho e! ary nitondra porofo ara-baiboly aho fa tsy namorona akory....


Hoy paoly hoe « Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy. » (1 Korintiana 1:17)

Izany hoe fantatr'i paoly tsara fa i Kristy dia maniraka olona hanao batisa ....Izay no manamafy ilay voalazako fa tena maniraka mivantana tokoa io Andriamanitra io rehefa misy olona tiany hanao batisa......

Karazana batisa 3 gasy1zay no voalaza ao anaty baiboly :
Batisan'ny rano (ireo voairaka mivantana no manantanteraka azy) sy ny Batisan'ny Fanahy Masina (Jesosy no manantanteraka azy).
Ny ankoatran'izay dia ny batisan'ny Afo (Jesosy ihany koa no manantanteraka izay)....

« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Matio 3:11)


Ka naninona ary i paoly no nanao batisa????? hovalina raha sitrapon'Andriamanitra fa tadidio isika tsy mitovy amin'i paoly (nofidin'i Jesosy mivantana sy nampianariny mivantana ihany koa)...


205. RBNIR ( 17/12/2019 15:43)

gasy1zay:

RBNIR >raha mitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina, dia Jesoa Kristy no velonao ao anatinao, inona no dikan'izany? Ny asa nataony no tokony ho ataonao koa...

Ny batisa dia misy hery entiny : manaisotra ny ota izay manandevo ny olona....

Tsy ny olona rehetra no nomena fahefana hanantanteraka izany....misy hosotra mivantana apetrak'Andriamanitra amin'ny olona fidiny hanao an'izany...

Aza gaga raha be dia be ny fiangonana manao batisa ihany nefa....tsy misy afaka fahotana ny iray fiangonana....

Tsy fitsarana izany fa fanambarana ny marina, misy fitsipika tsy voahaja ao matoa tsy tanteraka amin'ilay fiangonana ny famonjena...

Ary fantatrao koa v fa na ny rano hanaovana batisa aza dia rano hafa mihitsy???? fa tsy araka ny heveran'ny sasany azy????

Misy secret daholo izany mba hampanakery ilay batisa atao amin'ny olona....
206. RBNIR ( 17/12/2019 15:48)
Hoy ny teny hoe « iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, » (Efesiana 4:5)

Tsy tokony hisy karazana batisa maromaro izany fa tokony karazana iray ihany ny batisan'ny rano iarahan'ny kristiana manao....

Tadiavo ilay source : ilay batisa original dia hotanteraka aminao ny teny ...rehefa tsy izay kosa dia normal raha hiteny ianao hoe iza no tsy hanota intsony??? nefa izany dia takina amin-tsika kristiana....

« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jaona 3:6)
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jaona 3:9)

Tianao v izany hoe lasa tsy mahay manota intsony izany (tsy mahay mandika ny lalàn'Andriamanitra intsony)????

Karohy ilay tena marina fa hotanteraka aminao izany...

207. RBNIR ( 17/12/2019 15:56)
gasy1zay:

Ka raha mpianany ianao dia afaka manao batisa fa tsy hoe apostoly, pasitera, evanjelista ihany. Ny olombelona no nametraka lalana hoe tokony izao ihany no afaka manao batisa, mamoaka devoly, mametratanana sns...

Fanandratantena izany gasy1zay, firy izany izao no efa vitanao batisa dia mba niova v?????
Diniho tsara hoe?????

P.S : izaho tsy namorona fa porofo ao anaty baiboly no nentiko teto....Ianao moa nampitovy ny tenanao amin'i paoly (ilay voafidy mivantana sy nampianarin'i Jesosy mivantana) ka akory atao...

N.B : rehefa mifidy mivantana i Jesosy dia misy feo re (fa tsy nofy akory) ary miteny amin'ny fiteny malagasy (raha gasy ianao).....fantatrao v izany???? oviana ianao no nitenenany mivantana sy noresahany tamin'ny fiteny malagasy gasy1zay????

Miandrasa antso hoy aho sao hanaonao foana ka lasa mpampianatra sandoka tsy fidiny....
208. gasy1zay ( 17/12/2019 16:11)
Tsy fireharehana izany ry RBNIR fa finoana ny voalazan'ny baiboly a! Zanak'Andriamanitra ianao sa tsia? Tempolin'ny Fanahy Masina ianao sa tsia?raha ny Fanahy Masina no mitarika anao hanao asan'Andriamanitra dia hanao ianao sa hiandry feo miteny gasy aminao? Tsy mbola nanao batisa olona aloha aho satria tsy toa ny hafa hoe hanangana fiangonana satria ny fiangonana misy ahy tsy mamela laika hanao izany. Fa amiko isika kristiana manana fahefana hanao izany avokoa, raha tena naterabaovao ary mitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina.
209. RBNIR ( 17/12/2019 16:33)
gasy1zay:

Tsy fireharehana izany ry RBNIR fa finoana ny voalazan'ny baiboly a! Zanak'Andriamanitra ianao sa tsia? Tempolin'ny Fanahy Masina ianao sa tsia?raha ny Fanahy Masina no mitarika anao hanao asan'Andriamanitra dia hanao ianao sa hiandry feo miteny gasy aminao? Tsy mbola nanao batisa olona aloha aho satria tsy toa ny hafa hoe hanangana fiangonana satria ny fiangonana misy ahy tsy mamela laika hanao izany. Fa amiko isika kristiana manana fahefana hanao izany avokoa, raha tena naterabaovao ary mitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina.

Izany an??? izany hoe maniratena izany i gasy1zay???
Tandremo fotsiny aza sao dia ho tonga aminao ity teny ity gasy1zay..« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jeremia 23:32)

Ny olona mantsy rehefa tsy irahiny dia mamafy lainga mampivily ny olony....hoy i teny io fa tsy hoy izaho an!!!
210. RBNIR ( 17/12/2019 16:35)
fantatrao v fa hoe misy olona mafana fo nefa hoy i Jehovah hoe tsy mahasoa ny firenena akory izy fa mampivily ny olony satria Izaho tsy naniraka azy hoy i Jehovah???? Enga anie ka tsy ianao izany gasy1zay....
211. rhaj0 ( 17/12/2019 16:37)
gasy1zay:
fa araka ny nosoratako tao aloha tao dia i Trump rery no assez ... courageux hideclarer en tant que president us hoe jerosalema no renivohotr'Israely

Ameo sarinao ry Gasy1zay ho photoshoper-na fa tena mila atsofoka ato ianao.
ataovy ilay sary mbo lahifotsy iny ianao ry Gasy1zay fa manjary ngo dia oainina be fa "tsy tena izy" raha mainty



Raha tsy izany dia
- mba ampiasao ilay coco ry Gasy1zay dia mba mandehana mandalina kely ny Zeopolitika ao moyen-orient ao, ahoana fotsiny ohatra ny "lalana iraisam-pirenena" ny @ io
- ary dia mba ampiasao koa ilay compassion ry Gasy1zay dia mba halalino ny fahorian'ireo palestiniana
212. RBNIR ( 17/12/2019 16:43)
MIANDRASA ANTSO GASY1ZAY A! BDB NY SECRET TSY FANTATRY NY OLONA ANKEHITRINY ....

izay no mahamaro ireo fampianaran-diso miparitaka etsy sy eroa....tandremo hoy aho fa tena fandrika mahafaty io an!!!

Na dia ireo olona nirahany mivantana ireo aza tsy sahy milaza zavatra hafa ankoatran'izay nomena azy ihany...

« Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, » (Romana 15:18)
213. gasy1zay ( 17/12/2019 16:54)
RBNIR a, tsy azonao mintsy ve fa efa andron'ny Fanahy Masina isika izao e? ny olona naterabaovao dia lasa tempolin'ny Fanahy Masina, ny Fanahy Masina no mitarika anao fa tsy toy ny tany @ Testamenta taloha antsoin'Andriamanitra

i Paoly nisehoan'i Jesoa mba hiova fo fa tsy nino mintsy izy raha tsy niseho taminy i Jesoa fa voagejan'ny fampianarana jiosy izy, vakio tsara ny asan'ny apostoly fa avy eo Paoly dia notarihin'ny Fanahy Masina, ohatra hoe niteny izy hoe ny Fanahy Masina nandrara anay tsy hoany

RBNIR a, rehefa ny Fanahy Masina no mitarika anao dia mahatanteraka ny antson'Andriamanitra sy ny sitrapony foana ianao , fa mila hianarana ny mihaino ny feony ary mila hamarininao hoe tena mifanaraka @ teniny ve mba tsy ho voafitaka ianao, sao eritreritrao na ny pasiteranao no noheverinao fa sitrapony
214. RBNIR ( 17/12/2019 17:04)
Ay va re e??? raha niteny taminao tahaka ny nitenenany tamin'i paoly (tamin'ny fiteny malagasy) ny Fanahy Masina dia marina izany fa raha tsy niteny Izy fa ianao no avy dia nihevitena ho irahiny dia tandremo hoy aho ilay Jer.23:32 fa marina foana io teny io na taloha na ankehitriny....

Ka apetraho aminao ny fanontaniana hoe oviana ny FM no naniraka anao tahaka an'i paoly....satria niteny ny FM tamin'io fa tsy hoe eritreritr'i paoly akory....na fahatsapana fa tarihin'ny FM izy

« [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia » (Asan'ny Apostoly 16:6)

Vakio tsara fa misy presence divine eo (sora-mandry : ny niantsoan'Andriamanitra dia hoy koa ny teny hoe rehefa noraran'ny Fanahy Masina.....Izany hoe misy presence eo fa tsy hoe "fahatsapana" no nitaona an'i paoly hanao zavatra....;

Aza mamitatena hoy aho fa ankehitriny Andriamanitra dia miseho amin'izay tiany hisehoana, ary miresaka amin'izay tiany hiresahana....

MIANDRASA ANTSO SAO LASA MPAMPIANATRA SANDOKA!!! TSY MAHASOA NY OLONA AKORY... TSY MISY FAMELANA ANGE HOY AHO E!!! OZONA NO AZO AMIN'IZANY... SATRIA MAMPIVILY NY OLONY AMIN'NY FAMPIANARAN-DISO....
215. RBNIR ( 17/12/2019 17:26)
gasy1zay:

RBNIR a, rehefa ny Fanahy Masina no mitarika anao dia mahatanteraka ny antson'Andriamanitra sy ny sitrapony foana ianao , fa mila hianarana ny mihaino ny feony ary mila hamarininao hoe tena mifanaraka @ teniny ve mba tsy ho voafitaka ianao, sao eritreritrao na ny pasiteranao no noheverinao fa sitrapony

Io no mamitaka ny fisainan'ny olona maro ankehitriny, samihafa mihitsy ny presence réel FM sy ny hoe fahatsapana fa tarihin'ny FM.

Ilay voalohany : miteny mivantana IZy ary manambara ny heviny...Ilay faharoa dia tsy misy presence eo fa ilay olona no mihevitra ny tenany fa tarihin'ny FM hanao sy hampianatra an'izao sy izao....TANDREMO HOY AHO.....TSY MAHASOA HOY I JEHOVAH FA MAMPIVILY NY OLONY....
216. gasy1zay ( 17/12/2019 17:28)
RBNIR > taiza no nilaza hoe ohatran'izao no fitarihin'ny Fanahy Masina ry RBNIR, mikaza zany ianao hoe tsy tarihiny satria tsy naheno ny feony mazava niresaka t@ nao?
217. rhaj0 ( 18/12/2019 02:37)
gasy1zay:
fa araka ny nosoratako tao aloha tao dia i Trump rery no assez ... courageux hideclarer en tant que president us hoe jerosalema no renivohotr'Israely
rhaj0:
Ameo sarinao ry Gasy1zay ho photoshoper-na fa tena mila atsofoka ato ianao.
ataovy ilay sary mbo lahifotsy iny ianao ry Gasy1zay fa manjary ngo dia oainina be fa "tsy tena izy" raha mainty



Raha tsy izany dia
- mba ampiasao ilay coco ry Gasy1zay dia mba mandehana mandalina kely ny Zeopolitika ao moyen-orient ao, ahoana fotsiny ohatra ny "lalana iraisam-pirenena" ny @ io
- ary dia mba ampiasao koa ilay compassion ry Gasy1zay dia mba halalino ny fahorian'ireo palestiniana

Fa dia fransema ry Gasy1zay, dia tena TSISY SAINA, TSISY FO mihintsy nareo 'le "Kristiana te-ho-Lahifotsy" itony rahefa bornE @ io boky-tontanareo ao io.

Loza ho anareo ry Gasy1zay... manodiava!
218. RBNIR ( 18/12/2019 06:48)

gasy1zay:

RBNIR > taiza no nilaza hoe ohatran'izao no fitarihin'ny Fanahy Masina ry RBNIR, mikaza zany ianao hoe tsy tarihiny satria tsy naheno ny feony mazava niresaka t@ nao?


Aleo hazava : ny resaka ataon-tsika dia mazava, ny olona mpanao batisa hoy aho araka ny voasoratra ao amin'ny baiboly, dia olona irahina mivantana avokoa ka ny mpaniraka dia na ny Ray, na ny zanaka , na ny Fanahy Masina) izay aloha no voasoratra ao...

Tsy misy mihitsy ao olona nandeha nanao batisa satria nihevitra izy fa tarihin'ny FM, ny an'i paoly indray kosa dia 1 apostoly voafidy mivantana izy (ireny olona ireny nomena fahefana avy any an-danitra tsy afaka mihitsy ny olona tsotra hievitena hitovy aminy)...

Milaza ianao raha mahita hoe apostoly iray nanirak'olona hanao batisa olona???? na ny apostoly aza tsy manana fahefana amin'izany...izay aloha no voasoratra ao....

Ny mahazava-dehibe an'izay hoy aho dia misy hery andrasana amin'ilay batisa...ary rehefa tsy feno ny fepetra rehetra...dia aza gaga raha ohatra ka tsy mandaitra ny herin'ilay batisa dia lasa miteniteny foana hoe mandia an-tany tsy maintsy solafaka e! sns....nefa ilay batisa natao taminao tsy araka sitrapon'Andriamanitra dia tsy mandaitra aminao ny heriny....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

P.S : tsy izay eritreritrin'ny saina akory dia fitarihan'ny FM avokoa fa mila mandinika tsara vao manao zavatra e!
219. gasy1zay ( 18/12/2019 11:19)
Ka manaiky zany RBNIR fa ny Fanahy Masina koa afaka maniraka ny olona hanao batisa fa tsy Andriamanitra ray na Jesoa Kristy ihany

Faharoa, tarihin'ny Fanahy Masina ve zany amin'i RBNIR tsy manaiky irahiny?

Fahatelo, iza no milaza fa apostoly ihany no mahazo manao batisa? Ny apostoly anie nanao mpianatra ny firenena rehetra e, avy eo ireo mpianatra no manohy ny asa, hoy jesoa hoe zay mino ahy ny asa ataoko no hataony koa ary hanao mihoatra aza izy,

Ka RBNIR ve mino? Maninona tsy manao ny asan'ny Tompo? RBNIR ve mpianany? Maninona no hiandry an'i pasitera vao hanao zavatra

Eny ary fa tsy sahy hanao batisa ianao, tsy maninona zany satria tsy tao anaty fahamantarana manaraka ny mino iny fa kosa, RBNIR ve mametratanana hoan'ny marary, mandroaka demonia @ anarany, miteny @ fiteny tsy fantatra?
220. RBNIR ( 18/12/2019 11:52)
1 Ilay iraka mivantana ao avy amin'ny FM dia otran'izao....« Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. » (Asan'ny Apostoly 8:29)

Efa nahazo otran'izany v i gasy1zay?

2 Ilay hoe tarihin'ny FM araka ny baiboly dia ny mba hahatonga anao ho zanak'Andriamanitra...« Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. » (Romana 8:14)

Ny tena marina dia ny fandavana ny filan'ny nofo no atao hoe manaiky ho tarihin'ny FM raha araka ny baiboly.

« Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. » (Galatiana 5:16)
« Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. » (Galatiana 5:17)

Izany hoe mila misafidy ny olona na handeha araka ny nofo izy na handeha araka ny Fanahy (tarihin'ny FM)

3 izaho tsy niteny hoe ny apostoly ihany fa hoy aho hoe izay olona nahazo iraka mivantana avy amin'Andriamanitra toy i Jaona sns....

Ilay hoe mino an'i Jesosy no tsy mbola takatrao mihitsy (be dia be ange amin'izao fotoana izao no milaza fa hoe mino an'i Jesosy e! fa firy amin'izy ireny no mahavita ny nataon'i Jesosy marina....Dikany tsy araka ny hieveran'ny olona azy hatrizay ny tena dikan'ilay hoe Mino an'i Jesosy...

Efa samy manana ny anjara asa nanomanana azy ny olona tsi11 ary ny ts11 dia tokony hahafantatra tsara hoe inona marina moa no anjara nomena ahy amin'izao fanompoana izao... ...mba tsy hanaonao foana....batisa = famonjena (zava-dehibe io tsy atao kitoatoa) satria misy hery raisina amin'ny batisa....izay nahazo fahefana mivantana avy amin'Andriamanitra no afaka mampita an'io hery io amin'ny olona....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0992