You are here: home > Forum

RAVA! RAVA BABYLONA LEHIBE!

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Re: RAVA! RAVA BABYLONA LEHIBE!
Valiny : 0
Pejy:  < 1 2
rhaj0 - 31/10/2019 01:34
midrouRaha mba fantatrao tokoa mantsy hoe iza ilay vehivavy mitafy masoandro voasoratra ao @ Apok.12 ...

Izaho aloha TSY "mahafantatra" ilay vehivavy lazain'i Apokalipsa fa ... maninona izy teo? ilay hoe makorelina izay nasian'ireo mpanjaka t@ izany fotoan'androny.. ka mifangaroharo koa ilay tantara legende, misy dragona milatsaka avy any an-danitra, miady @ anjely, an an... tsy hay(ko) intsony

sa i Midrou malala ity Ravehivavy??

Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 05/11/2019 13:26
Aleo tohizana kely indray aloha ary e!
Iza moa i babylona lehibe ?
Araka ny nambara dia olon'Andriamanitra ihany izy io fa saingy lasa nanompo Andriamanitra hafa sady nivadika tamin'ny fanekena izay nataony tamin'i Jehovah!

Izy ihany koa dia voalaza fa hoe renin'ny mpijangajanga (izany hoe niandohan'ny mpijangajana) na koa hoe nipoiran'ny mpijangajanga izy no lohalaharana tamin'ny fivadihana tamin'i Jehovah ary nampianatra ny olona rehetra tety ambonin'ny tany mba hivadika amin'i Jehovah ihany koa.....(hiala amin'ny fanekena izay nifanaovan'i JEhovah amin'ny olony (Apok.18 :3)

Ka iza ary izany?

Mila miverina lavitra be mihitsy isika raha te hamantatra ny marina....

Tany amin'ny andron'i Abrahama mihitsy....
Niteraka 2 lahy Abrahama, Ismaela sy Isaaka. Ireo zaza 2 ireo dia samy notazain'i Abrahama rainy, samy nampahafantarina tsara an'ilay Andriamanitra tokony hivavahana sy ny fanekena izay nifanaovana taminy...

Tamin'ny andron'i Abrahama dia ity no tena fanekena napetrany....
« Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. » (Genesisy 17:7)
« Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. » (Genesisy 17:11)
« Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. » (Genesisy 17:13)

Taty aoriana rehefa nandao an'i Abrahama i ismaela zanany dia nipoitra avy tao amin'ny taranany ny "silamo" na koa hoe islam, ka ny zavatra tena manamarika ny bokin'ny silamo dia ny tsy fisian'ilay famorana intsony ...Izay ilay hoe niala tamin'ny fanekena ry zareo......na dia mahafantatra tsara ihany aza ny momba ilay Andriamanitra tokony hivavahana sy hoe ny famorana no fanekena natao tamin’izany (afaka manao recherche isika fa tsy voasoratra ao amin'ny coran intsony ilay famorana....)
Ny manamarina fa hoe nipoitra avy tao amin’ny Abrahama ihany marina tokoa ny silamo dia ao amin'ny Coran Sorate 3 dia mitantara ny momba ny tantaran'i Abrahama.....(na dia tsy mitovy amin'ny fitantaran'ny testameta taloha aza ny fitantarany ao....)
Valio | Miverina eny ambony
midrou - 05/11/2019 16:32
Mbola tsy novalinao toko RBNIR ilay fanontaniana hoe:
IZA MARINA I BABYLONA LEHIBE?

Mino aho fa maro no tsy mahafantatra ny tena marina momba azy io
voalaza toko amantsy fa izy no RENIN NY MPIJANGAJANA @ TANY.izany hoe niala voalohany t@ Andriamanitra

Dia tohizo fa mahaliana,indrindra fa ny momba azy roalahy zanak i Abrahama dia Isaaka sy Ismael

Dia akoatra ilay famorana dia inona ihany koa

Mba tohizo fa mahalina tokoa
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 07/11/2019 17:11
Mbola hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra midrou....
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 07/11/2019 22:57
hi hi hi... tena manintona be an'i Midrou ilay Vehivavy renin'ny mpijangajanga

Ilay vehivavy dia nitaingina bibidia mivolon-jaky ... nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tanany, feno zava-betaveta .. mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy.... Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dRavehivavy.... Ny rano hitanao izay ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia olona, vahoaka betsaka, ary firenena maro ary samihafa fiteny. Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy...


IMAZINER-o tsara ao ry Midrou aa.. IMAZINER-o tsara ao...
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  < 1 2