jereo zany mba toe tsaina minisitra,

1. tovorandria ( 07/10/2019 17:37)
Jereo eo @ 3- 4 minutes ny valin tenin i ramatoa minisitra (minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana )ny zanak io no mianatra any ivelany d ny zanak ny gasy aleo ihinan ny tainy any ozio an eritreritra any, d mbola tokony ho minisitra ve ny ny olona irresponsable, incompetent sady arrogant ôtr io???
Ny ho avin ny ankizy gasy no potehina
Jereo ao @ You Tube vaovao 03 octobre 2019 TV plus madagascar
2. elienantenaina ( 07/10/2019 17:45)
fa ahona kosa zany e tsy mety kosa zany fantaro fa tsimantsy hampamoahana anao ny teninano io
3. tovorandria ( 08/10/2019 22:29)
1- Victime t@ io ny havako ary tsy mora zany matoa aho miteny,!!
2- fanehoako ny hevitro no nataoko fa tsy nanompa olona aho sanatri ( Liberte d expression io ra Tinao ho fantatra ra ohatra ka tsy nianatra izany ianao )!!!
4. Tara-masoandro ( 09/10/2019 20:29)
Mety ho nisy fahamarinany kely ihany aloha ny valin-tenin'ilay ramatoa minisitra raha toa ka hoe: tsy nisy ny fikorontanana mahakasika ny fanadinana (baccalauréat), fa hoe nanotany tsotra momba ny resaka fampianarana...sns fotsiny ny olona, kanefa tsy toerana tokony hiresahana momba izany ilay toerana...
Saingy kosa tena tafahoatra loatra raha tsy mba nisy valin-teny nomeny akory, nefa dia tena ao anaty fitaintainana mafy ny rehetra, ny mpianatra, ny ray aman-dreny sns. Raha ny fahazoako ny heviny dia rehefa vita sy mivoaka indray ve izany ny valim-panadinana vao tokony hifampidinika ambony latabatra ny rehetra... ? Ao aorian'ny vokatry ny olana indray izany vao mitady vahaolana fa tsy tao anatin'ilay olana. Tena mampieritreritra...
Ary fa nahoana koa izy no tonga dia manilika ny andraikitra tokony ho raisiny any amin'ny "office du bacc"? Amiko aloha, na toerana aiza na aiza no misy azy tokony hiditra an-tsehatra foana izy, manazava ny antony mahatonga ny fikorotanam-panadianam-panjakana izany rehefa tena tsy mahatombona ny rehetra, ary indrindra mandray andraikitra amin'ny maha MINISITRY NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY azy, na manome hevitra fotsiny amahana ny olana, na dia ataoko hoe: teny iraim-bava farafaharatsiny, satria ny ho avy ny mpianatra malagasy no voakasika amin'izany, ary tompon'andraikitra ao anatin'izany izy.
BEPC efa ireny no vokany, dia ny Bacc koa izany anao ahoana? Tena hoe tongotra vakivaky ka sady marary no mahamenatra marina ka. Kanefa dia ny ray aman-dreny no manao ny ataony, dia ny ankizy no mandraingiraingy.
Tena mampalahelo tanteraka ny fivoaran'ny firenena. Ny tanora mba handrandraina hanavotra ny Gasikara rahampitso indray ve no atao ratsy karakara sy atao ambanin-javatra?
Mizotra mankaiza ianao ry tanindrazana malalako? :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4602