'Zaho hanao mpitsabo

1. Jj.be ( 25/09/2019 12:39)
'Zaho hanao mpitsabo
Médechine hafa kely
Hikaroka sy hitady
Hivezivezy toy ny tantely
Tsy avelako raha tsy hitako
Ny fanefitry ny fahafatesana
Fa ny fasana efa feno
Toa misy fitsetsefana
2. Tara-masoandro ( 26/09/2019 12:19)
Indrisy anefa fa...

Toa zary nofy ihany
Ny fiainana eto an-tany,
Miserana, mandalo,
Tsy afahanao mikalo
maharitra ny vetsovetsonao,
Hoe: " 'zaho hanao mpitsabo"
No hiraina sy ventesina
Afahana manaisotra izany "fahafatesana",
Izay tsy ho fongotra na oviana
Na ho tiana na tsy ho tiana.
Mahery vaika mantsy ny heriny misintona
Ny tenantsika, mandositra mirintona,
Mba hanalavitra azy, kanefa zava-poana,
Fa izy dia hamoky, ny kibony izay noana.

Ny Rangolahy tsy handefitra
Tsy ho hita ny fanefitra
Fa hitelina ahy sy ianao hatrany
Izay no tanjony eto an-tany.
Ka ny marina sy soa no 'ndeha katsahintsika
Izay hampandroso hatrany, ny fanahintsika.
Aleo ny fo sy saina, no 'ndeha koloina tsara
Mba ho rehareha fatratra amin'ny zanaka amam-para.
Ka ho velona ao am-pony, tsy ho foana ny hatsarana,
Na dia levona aza isika, efa vovoka, lasana.





3. Jj.be ( 26/09/2019 12:41)
mety mifampitohy kosa ilay izy ko,,tsara be
4. Tara-masoandro ( 26/09/2019 12:42)
???? Mankasitraka e
5. Tara-masoandro ( 26/09/2019 12:43)
Mankasitra e :)
Hoatran nanainga fanahy tampoka ilay soratra nataonao koa.
6. Jj.be ( 26/09/2019 12:51)
Mety tsara ka, ny ahy iny mba fanirina de nenao nampahery ahy hoe tsy hisy mitsy zany fanefitry ny fahafatesana izany
7. Jj.be ( 26/09/2019 12:58)
de afaka wentiko indramiko ve io asa soratrao io mba ho tohiny fa mety amiko
8. Tara-masoandro ( 26/09/2019 13:00)
Inona no tena nanosika anao haniry ahita ny fanefitry ny fahafatesana?
9. Tara-masoandro ( 26/09/2019 13:02)
Ay, tsy maninona mihitsy fa azonao hindramina ka, aza adino fotsiny ny hoe nosoratan'i Tara-masoandro rehefa entino any rehetra any.
Ilay anao io koa ve mba azoko indramina?
10. Jj.be ( 26/09/2019 13:06)
ka nandinika aho hoe efa bediabe loatra izay ny olona maty nandao ny fiainana eto @zao tontolo zao,ary ho lany tamingana isika raha izao nu mitohy,Ka izany nu katsahiko mandrakariva ny fanefitry ny fahafatesana
11. Jj.be ( 26/09/2019 13:10)
Misaotra mialoha,,azonao ampiasaina ko ny ahy ka,,de ampifanaraho amzay ilaivanao azy,,Timoty Josto no anarako
12. Tara-masoandro ( 26/09/2019 13:19)
Ay va re e, azoko tsara ilay hevitrao makasika an'lay hoe hitady ny fanefitry ny fahafatesana ka.
Ok, ny mahakasika ilay tononkalonao. Misaotra indrindra, sady tena mahafinaritra ny fifampizarana.
Mety ho soratako ao amin'ny Tononkalo malagasy ihany.
13. Tara-masoandro ( 26/09/2019 13:25)
Fa tsara raha asiana lohateny hiombonana ilay tononkalo. Asa mety ahoana ny hevitrao?
14. Jj.be ( 26/09/2019 13:34)
araka ny hevitrao dia inona no atao lohateny
15. Tara-masoandro ( 26/09/2019 14:28)
Somary very hevitra kely aho :/
Sao dia mahita lohateny ianao?
16. Tara-masoandro ( 26/09/2019 14:34)
Andraso marina, ary ahoana raha ohatra hoe: "Vahom-pahafatesana" ?
Satria vahona mangidy, izany hoe mangidy amin'ny olombelona ny fahafatesana. Dia ao anaty ilay tononkalo manambara ny fitotototon'ny olombelona mitady ny fanefitra, saingy indrisy anefa fa tsy misy...
17. Jj.be ( 26/09/2019 14:52)
ny ahy manoka ndray de hoy "Toa nofy ihany" na "Redirediko" na "Zava-poana hiany"satria ny olona mitotototo mitady ny fanefitry ny fahafatesana nef zavatr ts hisy mitsy zany fa nofy ts ho tanteraka,,,afak mbola maneho hevitra koa anefa ianao
18. Tara-masoandro ( 26/09/2019 15:05)
Ay, tsy mifanalavitra amin'ity izany hoe: "Nofy ny ody faty"
Satria tsy hisy na oviana izany ody faty zany, any amin'ny nofy no tanteraka.
Fa mety daholo aloha ny fahitako ireo nosoratanao ireo e. Fa asa izay tena ho hevitra tapaka izany. Raha mbola mahita hafa dia lazao foana aloha.
19. Jj.be ( 26/09/2019 15:17)
HiHiHi,,otran mety daholo na ilay ahy na ilay anao fa ataovy zay mety e!! apetrako aminao de teneno ahy fotsny zay tapakao fa mety avokoa
20. Tara-masoandro ( 26/09/2019 15:26)
Maninona moa raha ilay anao hoe: "Toa nofy ihany" d apina kely fotsiny dia lasa mitovy amle soratra ao amin'ilay tononkalo hoe: "Toa zary nofy ihany". Tsy maninona na mitovy amin'ilay ao ary, fa hitako mahafehy ny rehetra voasoratra fotsiny ilay izy.
Hoatrany izay angamba no mety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.175