You are here: home > Forum

TANTARA MIAFIN'I MADAGASIKARA

Lohahevitra : Kolotsaina
Fitohizan'ny hafatra : TANTARA MIAFIN'I MADAGASIKARA
Valiny : 7
RUZ9 - 20/09/2019 13:06
Tantara efa namboarina hifanaraka amin'izay tiana olombitsy sy hifanaraka amin'ny tombontsoany no nampianarina antsika hatramin'izay sy mbola voizina hatramin'izao,
eny, hatramin'ny angano aza namboarina hifanaraka amin'izany.
Ato amin'iity rohy ity ireo tantara nafenina : Tantara miafin'i Madagasikara,
Raha tsy misokatra dia ity atao reherche : http://cyrius.unblog.fr/?p=2281
Mazotoa manaraka toa an'ireo mpitsidika 52 360 nanaraka azy.
Valio | Miverina eny ambony
Jj.be - 25/09/2019 14:27
tena mahaliana ny zavatra toy tony.mankasitrak e!
Valio | Miverina eny ambony
Calinbrandon - 23/10/2019 09:36
Misaotra amin'ny fizarana toy itony.
Arabo ve, hoy ianao, ny rain'Andrianampoinimerina ? Arabo ve i Andriamiaramanjaka, mpanjakan'i Kaloy ?
Tena sarotra inoana io. Tena tsymarina.
Valio | Miverina eny ambony
RUZ9 - 13/12/2019 10:44
Avereno vakiana dia ho hitanao fa tsy Andriamiaramanjaka no tena ray niteraka an'Andrianampoinimerina, tsy nekeny ny mahazanany azy aryizany no antony nipetrahany teny amin'ny raibeny teny Ambohimanga.
Ity ny porofo ara-panandroana tsy mety mandainga : Andrianampoinimerina sy ny vintany
Ity atao fikarohana azafady raha tsy misokatra : http://cyrius.unblog.fr/?p=1994
Valio | Miverina eny ambony
Calinbrandon - 18/12/2019 10:14
Mila porofoina ny zavatra voalaza.
Fa Ranavalona III dia niteraka vavy tamin'ny vadiny izay tsy iza fa Ratrimoarivony.
Ranavalozafimanjaka no anaran'io zanany io.
Novonoin-dRainilaiarivony io vadiny io mba hahafahany maka vady an-dRazafindrahety.
Ankoatra izany dia tsy tsara ny manadino fa ny vehivavy no mitondra ny hasina eto fa tsy ny lehilahy.
Valio | Miverina eny ambony
RUZ9 - 30/12/2019 11:15
Miala tsiny aminao fa sy niteraka Ranavalona III, zanaky ny zanak'i Rasendranoro rahavaviny no natsangany satria maty teo am-piterahana ilay reniny, zafikelin-dRasendranoro io izany.
Andron'ny fandrosoana izao ka azo atao tsara ny test d'ADN ary tsy azo atao an-tsokosoko fa manan-kambra ny tenanay ny amin'izany.
Azo anaovana test d'ADN koa na ireo misora-tena ho taranak'i "Rainebebo sy Renibebo" rehetra ary hahita seho sampona isika.
raha ny [http://cyrius.unblog.fr/?p=1672]Hasina[/url] indray no resahinao, vakio ato ny atao hoe Hasina na herin'ny fanahy
Valio | Miverina eny ambony
RUZ9 - 02/01/2020 11:05
RUZ9
Miala tsiny aminao fa sy niteraka Ranavalona III, zanaky ny zanak'i Rasendranoro rahavaviny no natsangany satria maty teo am-piterahana ilay reniny, zafikelin-dRasendranoro io izany.
Andron'ny fandrosoana izao ka azo atao tsara ny test d'ADN ary tsy azo atao an-tsokosoko fa manan-kambra ny tenanay ny amin'izany.
Azo anaovana test d'ADN koa na ireo misora-tena ho taranak'i "Rainebebo sy Renibebo" rehetra ary hahita seho sampona isika.
tsy miankina amin'ny vatana sy ny rà ny hasina fa miankina amin'ny fanahy
Azonao jerena ato amin'ity rohy ity rohy ity ny momba izany : Ny herin'ny fanahy na hasina
Ity atao fikarohana raha sanatria tsy misokatra azafady : http://cyrius.unblog.fr/?p=1672
Valio | Miverina eny ambony