IREO SATA ARA-KOLONTSAINA TSY NISY TETO IMERINA

1. RUZ9 ( 21/08/2019 09:16)
Tsy nisy mpitondra ara-drazana teto amin'ny faritanin'Antananarivo, hatramin'ny fanjanahantany no mankaty.
Tsy nisy teto anivon-tany sy teto madagasikara ny statut toy ny hoe : mpitana hasina, satria tsy zavatra tazonina ny hasina.
Tsynisy ary tsy misy eto Imerina koa ny atao hoe ampanjaka, taorian'ny nionganan'ny fitondrana mpanjaka, ary tsy nanangana isika satria kolontsaina tsy nisy teto koa izany.
Tsy nisy teto koa ny tangalamena.
Mpandalina fomban-drazana ihany no misy. Anisany ny tenako, ary olona manana ny hasiko manokana koa nefa, fa tsy lova moa izy ity.
Ireo ampanjaka tany amin'ny faritra ivelan'ny faritanin'Antananarivo ihany moa no naverina tamin'ny toerany, na tsy nokitihin'ny frantsay tamin'ny toerany.
Tsy toy izany ny teto, ary Andrianampoinimerina, izay tsy niteraka no fara-andriana, araka ny voalaza momba ny tantarany.
Tsy nisy teto amin'ny faritanin'Antananarivo koa ny hoe mpiandry tranobe, toy ny any amin'ny faritra hafa.
« Sécurités sy gardiens » no mpiandry tranobe sy tranokely aty, niandry ny tranon'olon-tsotra, miandry orinasa sy tranobe toy ny Carlton, niandry ny rovan'i Manjakamiadana koa, ary niditra am-ponja rehefa may ny rova.
Mazava ho azy, misy ny ratsy tarehy mangata-bady ka anaran-dRay no entina, anaran-dRain'olona aza ny an'ny sasany.
Tsy misy koa ny hoe mpisorona, mpisikidy sy mpanandro no nisy.
Ary noho izany no antony tsy nahasahian'Andrianampoinimerina nandray fotsiny ny santa-bokatry ny vahoaka fa notakalozany vola na zavatra hafa. mahafolaka an-dantony izany mantsy ka tsy azo solokiana.
i Davida mpanjakan'Israely izao sady mpanjaka no mpisorona, ary izy indray ilay voalazan'ny baiboly hiverina ho mpanjaka sy mpisoron'i Madagasikara, ary izy aho no niverina.
Ny tenako ilay Mpanjaka Mpisorona
Tsy mpisorona ny mpitondra fivavahana, ialana tsiny, fa ny mpisorona mifidy fotoana handraisana zavatra avy amin'ny olona.
Ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana kosa mandray raikitra sy ampahafolon-karena isaky ny fotoam-pivavahana.
Na profesora agrégé amin'ny teolojia aza ianao azafady, tsy mpisorona ianao, olombelona no nitokana anao ho mpitandrina, olombelona no nanome diplaoma nao, ary soratanana sy sora-printy no ao anaty diplaomanao, nataon'olombelona.
Ampahany tamin'ny pejy Ny hern'ny fanahy na Hasina : l Ny hern'ny fanahy na Hasina
novalian'i RUZ9 ny 02/01/2020 10:26
2. dongidongy ( 03/09/2019 11:39)
mahaliana !
3. Calinbrandon ( 23/10/2019 07:39)
Hevitrao manokana tokoa io
4. RUZ9 ( 13/12/2019 09:45)
hevitro manokana io ary tsy misy ny porofo ahafahana mandà an'io.
5. RUZ9 ( 02/01/2020 10:26)
Ny tenako moa no manoratra azy eto ka ataoko hoe hevitro manokana, saingy tsy hevitro irery io,
Tsy maintsy miresaka momba ny Mesia moa isika izany ka tsindrio ity rohy ity dia ho hitanao : Ny Mesia
Na ataovy fikarohana ity dia ho hitanao : http://cyrius.unblog.fr/?p=2306
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0746