Mitovy endrika.

41. RBNIR ( 20/08/2019 15:35)

tealala:

ny fofon'aina izay nomena no hatao amin'ny teny hébre hoe "HOUAKH" ka ny olona rehetra ve no manana azy io sa ny taranak'i Adama ihany?

Ie ny olona velona rehetra (=olombelona) dia nomena fofon'aina avokoa....

Rehefa maty izy dia alaina aminy indray kosa ilay aina....
42. RBNIR ( 20/08/2019 15:39)
diso mandalina loatra ianao tealala a! mionona ary mahatokisa hoy aho amin'ny fampianaran'i Jesosy!

Jesosy ange tsy nitondra fampianarana ho Azy fa noraisiny tamin'ny Ray ireny fampianarana ireny e!

« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Matoa ireo jiosy talanjona tamin'ny fampianarany dia nisy antony lehibe tao...

« Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany? » (Matio 13:54)
« Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao? » (Marka 6:2)
43. tealala ( 20/08/2019 15:49)

RBNIR:

tealala:

Aiza no misy hoe "(avy tamin'Andriamanitra izay hiverina any Aminy rehefa maty ilay olona" ??

« ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. » (Mpitoriteny 12:7)

"fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny."
fanahy sa fofon'aina e?
44. RBNIR ( 20/08/2019 15:56)

Ity ary ny salamo manamarina fa aina ilay izy e!

« Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, » (Salamo 104:29)

Ao amin'ny baiboly ange indraindray ny fofon'aina lazaina fa fanahy ihany e!

« Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina] » (Isaia 57:16)

Fa tato izy anefa nosarahina mazava tsara ireo singa telo ao amin'ny olona ireo (Aina, vatana (na tena) ary fanahy)

« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)

45. RBNIR ( 21/08/2019 07:21)
Fa ny zavatra tsapako tealala hafangaronareo ny fanahy (f) fanahin'olombelona sy ny Fanahy (F) Fanahin'Andriamanitra,

Satria raha nijery ny famaritana an'ilay hoe HOUAKH aho dia nahita fa Fanahin'Andriamanitra (Fanahy Masina) no tiana ho lazaina eo

https://www.rencontrerdieu.com/plus/glossaire-des-termes-hebreux/
46. RBNIR ( 21/08/2019 07:56)
Fanontaniana mipetraka koa dia hoe taiza ho aiza no nanomezan'Andriamanitra ilay fanahy (f) tao anatin'ny olona...

Valiny ity : « Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina] » (Isaia 57:16)

Teo amin'ny nanomezana azy ilay fofon'aina ihany (sady nandray angovo mampihetsika ilay olona no nandray ilay fanahy (f)

Aiza no porofo manamarina fa misy fanahy (f) marina ny olona iray...« Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy. » (Genesisy 2:25)

Io teny io dia midika fa hoe nisy voninahitr'Andriamanitra nanakona ny mason'izireo...Ny voninahitr'Andriamanitra dia entin'ny Fanahy Masina (F) na koa hoe Fanahin'Andriamanitra...

Aiza ho aiza ao amin'ny olona ny Fanahy Masina (F) no mitoetra? tsy ao amin'ny vatana (tena na koa hoe nofo) fa ao amin'ny fanahy (f)....io ilay voasoratra hoe tempolin'Andriamanitra

« Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? » (1 Korintiana 3:16)

Ity teny ity no manamarina fa tsy ao amin'ny nofo ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra fa ao amin'ny fanahy (f)

« Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. » (Genesisy 6:3)

Rehefa ny olona no manao toetrana biby (nofo be mandehandeha fotsiny fa tsy misy fanahy) dia miala ny Fanahin'Andriamanitra...

Toetrana biby : « Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra* azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra] » (Mpitoriteny 3:18)

Biby = aina+nofo (tsy misy fanahy)

Ny nofo no mibaiko ny filany rehetra....rehefa tonga amin'izay stade izay ny olona dia miàla ny Fanahy Masina tsy manantona azy intsony satria "maty ilay fanahy(f) tao anatiny....

47. RBNIR ( 21/08/2019 08:07)
Rehefa Andriamanitra no mijery dia karazan'olona 2 no hitany :
1- olona maty fanahy (f) iny ilay hoe raha ny tenany ihany dia biby izy (toy ny biby no fijeriny azy)

2- olona manana fanahy (f) velona ao anatiny....

Hoy i Jesosy niteny indray andro....« Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy. » (Matio 8:22)

Tsy hoe faty no handeha hifandevina eo fa olona maty fanahy(f) no tian'i Jesosy lazaina teo...
48. RBNIR ( 21/08/2019 08:14)
Hidirako amin'izay ny lohahevitra tealala : mitovy endrika? ahoana izany?

Tsotra : « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)

Andriamanitra = Fanahy (F) fa tsy nofo.....

Ny olona irery tamin'ny zava-boary nataony no nohariny ho aina+vatana(nofo) ary fanahy

Ilay fanahy(f) (tsy hita maso) no mitovy endrika amin'Andriamanitra IZAY Fanahy (F).....

Ny fanahy(f) no afaka mifandray amin'ny Fanahy(F) = Andriamanitra fa ny nofo tsy afaka vakio tsara io Jao.4:24 eo ambony io dia ho azonao tsara ilay izy....
49. RBNIR ( 21/08/2019 08:17)
Dikany mila velomina indray ilay fanahy(f) maty ao anatin-tsika ao ry namana isany raha te hiverina hifandray amin'Andriamanitra indray ianao ka hiverina hitoetra ao aminao indray Izy manomboka androany raha tapakevitra ianao....
50. RBNIR ( 21/08/2019 08:17)
Dikany mila velomina indray ilay fanahy(f) maty ao anatin-tsika ao ry namana isany raha te hiverina hifandray amin'Andriamanitra indray ianao ka hiverina hitoetra ao aminao indray Izy manomboka androany raha tapakevitra ianao....
51. RBNIR ( 21/08/2019 08:18)
ka ahoana ary no famelomana azy io e????

Tsy maninona hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra!
52. tealala ( 21/08/2019 10:21)

RBNIR:

Fa ny zavatra tsapako tealala hafangaronareo ny fanahy (f) fanahin'olombelona sy ny Fanahy (F) Fanahin'Andriamanitra,

Satria raha nijery ny famaritana an'ilay hoe HOUAKH aho dia nahita fa Fanahin'Andriamanitra (Fanahy Masina) no tiana ho lazaina eo

https://www.rencontrerdieu.com/plus/glossaire-des-termes-hebreux/

Tsy hafangaroko ireo ka, izaho indray ve no ho atoronao an'ireny.
Ny antony tsy nanohizako resaka hatreto dia nafangaronao ny hatao hoe "olombelona" sy ny hoe "Adam" dia lasa resaky ny moana sy ny marenina ilay izy.
53. tealala ( 21/08/2019 10:30)
Fa tsara rehefa somary mba mijery ireny teny hebreu ireny ianao ohatra hoe "HOUAKH" sns.

Fa tsy ho takatrao anefa ny hatao hoe Torah raha toa ka baiboly efa vita dikateny no harahinao.
Tsy hoe hitanao ao anaty teny grika na teny hafa ny secret an'ny Torah raha tsy ilay original no harahinao na ny letera "beth" amin'ny teny hoe "B"ereshit (jenezy) aza tsy ho azonao akory ny dikany. Anefa dia miainga ao avokoa ny hatao hoe famoronana izao tontolo izao.
54. rhaj0 ( 21/08/2019 11:20)

F'angaha moa tsy efa no-borquer-n'i Jesosy daholo izany (revi)revy izany, fa vaovao kristiana indray izao no "tena izy" fa tsy ilay tonta(keli)n'ny Jiosy sy ny torah?

(... na dia Jiozy azany i Jesosy, ary nivavaka tany @ sinagaoga taloha)
55. tealala ( 21/08/2019 11:50)

rhaj0:

Izany hono e, na dia vao teraka ary ianao dia ampianarina hoe jesosy sns dia afaka ny hadisoana rehetra natao mandra-pahafaty hono izy io.. Abonnement à vie e sady gratuit.
56. RBNIR ( 21/08/2019 11:57)
tealala:

Fa tsara rehefa somary mba mijery ireny teny hebreu ireny ianao ohatra hoe "HOUAKH" sns.

Fa tsy ho takatrao anefa ny hatao hoe Torah raha toa ka baiboly efa vita dikateny no harahinao.
Tsy hoe hitanao ao anaty teny grika na teny hafa ny secret an'ny Torah raha tsy ilay original no harahinao na ny letera "beth" amin'ny teny hoe "B"ereshit (jenezy) aza tsy ho azonao akory ny dikany. Anefa dia miainga ao avokoa ny hatao hoe famoronana izao tontolo izao.

Io no olan'ny ankamaroan'ny olona ankehitriny, afaka ampiasaina avokoa ireo dikanteny hamantarana ny marina...fa tsy tokony hoe voafetra amin'ny dikanteny izao na izao....

Ny tanjona dia tokana hahafantarana ny marina....ankoatran'izany dia ity....na ireo milaza fa manana ny tena dikan-teny fototra aza dia hita fa mbola misy mahasamihafa azy ihany koa????

Ka iza ary no arahina ny anao v? ny baiboly amin'ny dikanteny malagasy efa hitako mazava be, ampy ahy izay satria mazava amiko tsara ny marina tealala...

Averiko ihany
Ilay fanahy(f) izay tsy hita maso no endrika hitovizan'ny olona amin'ilay Andriamanitra (=Fanahy(F))
57. tealala ( 21/08/2019 12:22)

Izay ilay nolazaiko t@ voalohany hoe tsy hifanerena tsy manery aho hoe io no marina fa amiko io no marina satria hiainana maneran-tany. Tsy ao amin'ny FVA izay olona tsy ampahafirin'izay mipetraka eto an-tany tsy ampahafirin'izay malagasy akory ny olona hovoavonjinareo ao.

Izaho rehefa miteny hoe io ny marian dia zava-misy maneran-tany no hitsarako azy.

Ohatra : Israël efa aman'arivo taona no hoe Israël, novonoina tsy mbola ampy 100 taona akory ny vahoakany efa ho 5.000.000 nefa dia niverina ao amin'ny taniny mbola niatrika ady t@ arabo tafavoaka mpandresy izy ary tsy nitsipozipozy fa io hitantsika io hoe matanjaka vahoaka voafidy ireo ry RBNIR a. Manaraha vaovao raha efa naheno fa mora hidirana kely frontière an zareo ao. Fa izy ankehitriny dia manana ny armée isan'ny matanjaka indrindra eran-tany ary manana ny arme nucléaire isan'ny matanjaka indrindra.
Grèce, Rome, Egypte aiza ireo amin'izao fotoana hiainatsika izao??? izay fanjakana nanjanaka rehetra aiza amin'izao fotoana izao tsy any anaty Musée ve? Tantara sisa no mipetraka.
Ahirato ny maso dia mijereva ny manodidina dia mandiniha, izaho tsy miteny hoe manaraha ny diako fa jereo ny manodidina anao.
Raha misy teny ao amin'ny Torah hoe efa tsy vahoaka an'Andriamanitra intsony i Israël fa lasa izy nandeha tany amin'ny hafa firenena dia omeo eto ny toko sy andininy, raha miteny mazava tsara ny ao hoe hanangana Israely vahoaka vaovao izy dia ianareo izany no voafidy ianareo no lakile ny délivrance.
Raha i pasitera Herinirina izay imposteur izany amiko mamita-bahoaka firifiry ny tranony eny Iavoloha eny omeny ny havany, manangon-karena tahaka ireo pasitera hafa ihany izany manontania ianao olona eo amin'ny manodidina eny fa fantatry ny olona tsara zareo ao.
58. tealala ( 21/08/2019 12:28)
"Ka iza ary no arahina ny anao v? ny baiboly amin'ny dikanteny malagasy efa hitako mazava be, ampy ahy izay satria mazava amiko tsara ny marina tealala..."
Dikanteny malagasy lazainao fa mazava?
@ Torah dia misy 3 no fiantso ilay nahary : YHVH, Elohym, Adonai misy dikany daholo ireo amin'ny dikanteny malagasy ireo dia Andriamanitra daholo.
Nefa ianareo rehefa tenenina hoe Zanahary dia ireo razantsika mpanompo sampy no mpiteny izany hoe ianareo fa rehefa hoe Andriamanitra dia io no tena izy, samihafa ireo hoy ianareo nefa izany teny hoe andriamanitra izany dia mpanjaka maty no tena dikany.

"Averiko ihany
Ilay fanahy(f) izay tsy hita maso no endrika hitovizan'ny olona amin'ilay Andriamanitra (=Fanahy(F))"

Efa nahita endrika fanahy ianareo manko, dia ataoko vazivazy tahaka ilay fanaon'i Namana Rhajo hoe taktak ny ahoana ny endrik'ilay fanahy izany misy maso sy orona ve sa mazava endrika sa fotsy tahaka ny eropeana sa inona?
59. RBNIR ( 21/08/2019 12:57)
tealala:

Izay ilay nolazaiko t@ voalohany hoe tsy hifanerena tsy manery aho hoe io no marina fa amiko io no marina satria hiainana maneran-tany. Tsy ao amin'ny FVA izay olona tsy ampahafirin'izay mipetraka eto an-tany tsy ampahafirin'izay malagasy akory ny olona hovoavonjinareo ao.

Izaho rehefa miteny hoe io ny marian dia zava-misy maneran-tany no hitsarako azy.

Lasa mivoana be ange izany resakao izany ry tealala e!

Lasa otran'ny resaka affaire personnel no fandraisako ny hafatrao sa diso fandray aho???

Na dia misy aza moa izany tsy tokony vao maika ve hampino ny olona v ary ny fisiany satria tanteraka taminy ange izany ity teny ity e

« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Marka 10:30)

Ka raha nandray trano zato heny izy inona moa no olana tsy tokony ho faly ary v ny mpanara-dia aminy fa tanteraka ny tenin'i Jesosy???

Tsy aiko hoe fantatrao tsara v IZY(ILAY ANDRIAMANITRA) sa tsia????

Olona firy no teto ambonin'ny tany nefa NOA valo mianaka ihany no novonjeny???

Dia hoy koa i Jesosy nanamafy taty aoriana hoe « Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » (Matio 22:14)...
60. tealala ( 21/08/2019 13:04)

Noah valo mianaka moa tsy taranak'i Adam ara-nofo?

Dia ianareo mihevitra fa ny mpanara-dia an i Pasitera Herinirina ihany no voavonjy?
Fa ireo olona mitombo isanandro jiosy mody ao Israely tsy faminanina hita maso?
Sa ho arin'ilay mpahary ireo fa i FVA no Israely vaovao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2717