kristiana pratiquant sy kristiana tsy pratiquant

41. RBNIR ( 18/07/2019 14:41)
Mihazakazaka be loatra ianao gasy1zay,
Voalohany, izaho mbola tsy nilaza mihitsy hoe inona ilay sitrapon'Andriamanitra mila hatao..

Faharoa, mazava ho azy, mbola tsy voalaza ihany koa hoe ahoana no hanantanterahina izany

Farany, ny tenin'Andriamanitra tsy misy mifanohitra fa mila mahay mandray ary mahafantatra tsara ny antony ny tsi11
Ka mbola hotohizana hoy aho raha sitrapon'Andriamanitra e!

Tandremo ireto teny ireto fa raha tsy mahay mandray teny tsara ianao dia mety ho very mihitsy...

« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)

« tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Petera 3:16)

Tandremo fa otran'ilay resaka finoana nazavaiko ery amboalohany ihany io....misy teny otran'ny.....nefa kay.......
42. RBNIR ( 22/07/2019 06:10)
Salama, aleo angamba hotohizana amin'izay...

araka ny nambara dia hoe asivo tanjona amin'izay ny antony hivavahanao manomboka anio...
Ny tanjona tokana dia ny hoe hahazoana fiaianana mandrakizay (vie éternel)

Raha izay no tanjonao sy mameno ny fonao, na dia ety aza ilay vavahady, ary koa tery ilay làlana, dia tsy hampaninona anao izany fa tsy maintsy ho tonga any amin'ilay tanjona ianao ary tsy mba ho isan'izay hanao kitoatoa fa tena hikatsaka tsara marina tokoa....

Alohan'ny hanambarana amin-tsika ilay sitrapon'Andriamanitra mila hatao dia ity misy teny iray nomen'i Jesosy...

« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)

Araka ireo teny ireo dia misy zioga tokony hoentina sy tokony entana lanjaina miaraka amin'i Jesosy....

Zioga : rehefa asiana zioga ny biby na olona iray dia tsy afaka intsony izy manao izay tiany atao (fa tsy maintsy izay tian'ilay nametraka zioga azy no ataony)..

Tahaka an'izany ny miaraka amin'i Jesosy mila manaiky ianao hitondra ny ziogany (mila mandà ny tenanao dia manaiky izay rehetra hitondrany anao kosa ho takalon'izay fandavan-tena izay)....

Ary araka ny teny dia ianao mihitsy no mila mandray ilay zioga ka mametraka azy eo ambozonao (tsy terena, na vozonana fa fanekena an-tsitrapo) satria hoy ny teny hoe Ento ny ziogako (manana safidy malalaka tsara ianao tsy hitondra izany ziogany izany...

Koa mampirisika anao aho hitondra satria hoy i Jesosy hoe « Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)

Zioga mora sy entana maivana no homena anao....saingy ianao no mila mandray fanapahakevitra hitondra azy...raiso ary ny fanapahakevitrao....

Raha manaiky ianao dia midika izay fa manamboka androany dia tsy ianao intsony no mitondra ny fiainanao fa Izy ka na aiza na aiza hitondrany anao dia hekenao izany...na inona na inona ampitondrainy anao dia holanjainao izany.....IZY NO MITONDRA SY MITARIKA NY FIANANAO MANOMBOKA ANIO RAHA HANAIKY IANAO....

AMIN'NY ALALAN'NY FANAHY MASINA NO HITARITANY ANAO RAHA HANAIKY IANAO....

« Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. » (Romana 8:14)
Izay manaiky hotarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanany ary rehefa zanany dia ho lasa mpiray lova amin'i Kristy Jesosy...

KOA ENTO NY ZIOGANY (MANEKE TARITINY IANAO MANOMBOKA ANIO)...IZY NO MITONDRA NY FIANANAO IRAY MANONTOLO... DIA AZO ANTOKA FA HO LASA ZANANY IANAO ARY HO LASA MPIARAMANDOVA SY MPIRAY LOVA AMIN'I KRISTY JESOSY....

43. RBNIR ( 22/07/2019 06:24)
Araka izay ny atao hoe manaiky hitondra ny ziogan'i Kristy dia midika hoe manaiky handà ny tenantsika fa kosa manaiky hotarihin'ny Fanahin'Andriamanitra iray manontolo manomboka hatreo...

Fa maninona no tsy maintsy hoe izay ilay izy???

« Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. » (Galatiana 5:16)
« Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. » (Galatiana 5:17)

SATRIA MILA MANDEHA ARAKA NY FANAHINY NY OLONA FA RAHA TSY IZANY DIA HANDEHA ARAKA NY NOFO.....NEFA IREO MIFANOHITRA TSY AFAKA MIARAKA MIHITSY.....

KA MILA MISAFIDY ISIKA MANOMBOKA HATRETO ALOHA.. HANOHY HANDEHA ARAKA NY NOFO SA HANAIKY HOTARIHIN'NY FANAHIN'ANDRIAMANITRA DIA HANDEHA ARAKA NY FANAHY KA HO LASA ZANAK ANDRIAMANITRA.....

TADIDIO « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Korintiana 15:50)
44. rhaj0 ( 22/07/2019 11:01)
Ny fampianaran'i Paoly (Saoly) n'enao ry RBNIR fa tsy ny an'i Jesosy.

Dia mbola tsy takatrao foana ve ry RBNIR, fa izao no alehany rehefa be tsindrontsidroka fotsiny ao fa tsy mba mandalina sy mamahabaha mamakafaka?
45. RBNIR ( 22/07/2019 11:17)
rhaj0:

Ny fampianaran'i Paoly (Saoly) n'enao ry RBNIR fa tsy ny an'i Jesosy.

Fampianarana iray ihany ireo fa tsy samihafa saingy kosa izao no nolazain'i petera (isan'ny 12 lahy voafidy ho apostoly voalohany) mikasika ny fampianaran'i paoly...

« Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, » (2 Petera 3:15)
« tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Petera 3:16)

Paoly = rahalahy malala (fa tsy hoe mpanohitra na koa hafa akory...)
Nahazo fahendrena i paoly dia araka iny fahendrena azony iny no nanoratany
nanoratra epistily i paoly ary amin'ireny epistily ireny misy zavatra saro-pantarina...

Raha misy kely fahalalana na koa olona tsy miorina tsara amin'ny finoana (dia lasa manolana ny epistily nosoratan'i paoly izy (tsy ny nosoratan'i paoly ihany fa ny teny sasany ao amin'ny soratra masina ihany koa) dia mahatonga fahaverezana ho an'ny tenan'ilay olona sy izay mihaino ary manaraka azy izany

Ka fampianarana iray ihany io fa mila mahatakatra tsara isika sao manjary manolana tenin'Andriamanitra....
46. RBNIR ( 23/07/2019 06:16)
Araka ny voalaza ery ambony dia ilaina ny olona iray manaiky hitondra ny ziogan'i Jesosy (tsy terena fa manaiky an-tsitsapo satria ianao IHANY no tokony handray ny zioga dia hametraka izany eo ambozonao....hoy i Jesosy hoe ENTO NY ZIOGAKO...

Manaiky mitondra zioga = manaiky hotarihin'ny Fanahin'Andriamanitra amin'ny làlanao rehetra (tsy ianao intsony no mitondra ny tenanao fa ny Fanahin'Andriamanitra no ekenao hitarika manontolo anao)....

Raha manaiky ianao ny vokany dia ho lasa zanak'Andriamanitra ianao...« Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. » (Romana 8:14) Azo antoka fa ho lasa mpiray lova amin'i Kristy handova ilay fiainanana mandrakizay....

Fanampiny tiavo IZY tiavo amin'ny fonao sy ny fanahinao ary ny sainao sy ny herinao rehetra....tanteraho ampitiavana avokoa ny zavatra rehetra hotakiny aminao manomboka androany (aza raisina ho fombafomba na koa zioga mavesatra tsy maintsy atao) fa ataovy tahaka ny Ray niteraka anao Izy omeo Azy ny fitiavanao rehetra ary tanterao ampitiavana izay sitrapony hofantatrao rehetra....« Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana. » (1 Korintiana 16:14)

Dia ho hitanao fa hiravoravo ao aminy ianao ary tsy havesatra aminao ny sitrapony fa ho tanteraka aminao avokoa ireto teny rehetra ireto...

« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)


« Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, » (Habakoka 3:17)
« Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy. » (Habakoka 3:18)

Tadidio mandrakariva fa na inona na inona hampanaoviny anao manomboka eto dia ny TSARA IZAY ......

« Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra. » (3 Jaona 11)


KOA TIAVO NY TSARA REHETRA AVY AMINY DIA TSY INONA FA IZAY SITRAPONY REHETRA....

REHEFA TENA VONONA ARY IANAO HANAO NY SITRAPONY AMIN'IZAY... DIA HAMBARA AMINAO AMIN'IZAY NY SITRAPONY REHETRA.....



47. rhaj0 ( 23/07/2019 10:46)
Mahavariana fa ity adi(-hevitry) ny Mpino ity dia efa an-taon-jatony ka h@ izao, efa h@ Calvin sy ry Luther, ary hatrany Etazonia sy Eoropa ka hatreto @ serasera kely eto.

Vakio ity lahatsoratr'i CNN ity, fa dia hivanaka ianao, satria dia efa hita izao fa m(amp)ifandrirotra ity resak'ity, nefa dia tena tsisy mba mieritreritra hoe, fa dia maninona na hoe nahoana loatra no taritaritina lava toa io izy ity, ny taona ity efa mandroso, ny ambaratongam-pahalalana efa tsy tao @ ilay vohitra-kely maizina tao intsony

https://www.cnn.com/2019/07/20/opinions/god-of-love-had-a-really-bad-week-bass/index.html
[size=18]Same Bible. Different gods.[/size]


Dia ny hitako eto izany dia
- i Gasy1zay mahita (imazination) an'ilay hoe "God of Love", HONO
- i RBNIR mahita ao @ imazination an'ilay "Emperor-God", HONO

Fa dia ao izany nareo ee...
Samia masina ao @ imazination-ny ao...
Ary ataovy mihinan'ny tsakaokany ilay andaniny TERY-SAINA io, ao @ imazination-nao ao.
Bravo... tsara fa tohizo :-)

48. RBNIR ( 23/07/2019 11:21)
rhaj0:

Dia ny hitako eto izany dia
- i Gasy1zay mahita (imazination) an'ilay hoe "God of Love", HONO
- i RBNIR mahita ao @ imazination an'ilay "Emperor-God", HONO

Izao no secret tsy fantatry ny olona....

« Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona. » (Levitikosy 10:3)

Misy sokajin'olona 2 voatonona eo

Misy ilay sokajiany hoe "akaiky Azy "(ireo no hanehoany fa Masina sy Lehibe Izy) tsy maninona raha hoe Amperora no ilazanao Azy fa ny voasoratra dia hoe AVO INDRINDRA IZY...

Misy kosa ilay voasokajy hoe olona rehetra (sarambabembahoaka valala be mandry ) ireny indray no hanehoany ny voninahiny (io ilay fahagagana sy fahasoavana sns....)

Masiaka sady entitra Andriamanitra amin'ny olona akaiky Azy (hisehoany ho Masina).....miseho ho malefaka sy be fitiavana kosa Izy amin'ny olona sisa....

Ka izahay moa mitaona ny olona hanakaiky azy kokoa hatrany ry rhajo! (hiaraka honina Aminy any amin'ilay fiainana mandrakizay) dia mazava ho azy asehonay amin'ny olona dieny mbola ety fa Masina dia Masina Ilay Andriamanitra ka raha te ho any Aminy dieny mbola ety dia.....
49. RBNIR ( 23/07/2019 11:32)
Et Moise dit à Aaron: C'est là ce que l'Eternel prononça, en disant: Je serai sanctifie en ceux qui s'approchent de moi, et devant tout le peuple je serai glorifie. Et Aaron se tut.

Arakaraka ny hanakakaizanao Azy no tokony.....

Tadidio, ireto olona ireto isehoany mivantana fa tsy tahakan'ny olona sasany akory....



50. RBNIR ( 23/07/2019 12:03)
Dia aza gaga ianao raha maheno version samihafa...tsy hoe mifanohitra fa arakaraky ny fomba nosokajiny ny olona io...misy hisehoany ho be fitiavana sy be fahasoavana marina tokoa...

Misy kosa tonga dia hisehoany ho entitra sy masina

Fa averiko hatrany izahay mitaona ny olona hanakaiky Azy hatrany....mitaona ny olona hiaraka honina Aminy any amin'ilay fiainana mandrakizay...

Ka dia ny ety dia ampianarina ny olona fa raha hanakaiky Azy ny olona dia mila mahafantatra fa Masina sady lehibe no mila hajaina marina tokoa Izy....

Raha ianao no misafidy....Iza no tianao ilay manakaiky Azy kokoa sa somary lavidavitra ????
51. RBNIR ( 23/07/2019 15:31)
Ny tanjona dia ny hahatongavan'ny olona rehetra tsy ankanavaka any amin'ilay fiainanana mandrakizay (eo akaikiny)...
Na izany aza dia mihezaka hatrany izahay manome ny hanina sahaza ny tsi11, misy ny mbola zaza (omena ronono) misy ny efa vatombatony (efa misara nono) misy ny efa tanora (matanjaka tsara omena ny sahaza azy koa) dia misy ny lehibe (efa mba tokony ho ventikanina amin'izay....
52. rhaj0 ( 24/07/2019 10:23)
rhaj0:
https://www.cnn.com/2019/07/20/opinions/god-of-love-had-a-really-bad-week-bass/index.html
[size=18]Same Bible. Different gods.[/size]

Dia i RBNIR Itsimahalalaafatsynysaimpantany angaha mamaky an'io akoriny fa ny azy ihany no asesiny.

Fa dia ataovy tsinontsinona any izany ry RBNIR ny 'God of Love' an'i Gasy1zay, fa maninona tokoany moa.
Bravo RBNIR :-) tsara fa tohizo
53. RBNIR ( 24/07/2019 12:10)

rhaj0:

rhaj0:
https://www.cnn.com/2019/07/20/opinions/god-of-love-had-a-really-bad-week-bass/index.html
[size=18]Same Bible. Different gods.[/size]

Dia i RBNIR Itsimahalalaafatsynysaimpantany angaha mamaky an'io akoriny fa ny azy ihany no asesiny.

Fa dia ataovy tsinontsinona any izany ry RBNIR ny 'God of Love' an'i Gasy1zay, fa maninona tokoany moa.
Bravo RBNIR :-) tsara fa tohizo

Izaho mahatoky an'ity tenin'i JEsosy ity rhajo...

« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)


Raha omby (fanjakany sy ny fahamarinany) no ataonao eo aloha dia hanampy ho anao ny ny zavatra rehetra (sarety)....

Fa tsy hoe ny sarety indray no atao aloha fa ny omby ao aoriana....
54. RBNIR ( 24/07/2019 12:20)
rhaj0:

Fa dia ataovy tsinontsinona any izany ry RBNIR ny 'God of Love' an'i Gasy1zay, fa maninona tokoany moa.
Bravo RBNIR :-) tsara fa tohizo

Tanteraka ho azy ny God of Love rhajo rehefa mahatanteraka ny sitrapony ianao (mitandrina ny didiny)....

« Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. » (Jaona 14:21)


vakio tsara fa ny manana ny didiny ka mitandriana izany no ho tiany...

Aza ampifamadihana hoy aho ny omby sy ny sarety e!

Ho be dia be ange hoy i Jesosy ny ho diso fanantenana any amparany any e! vakio tsara ity ho fampieritreretana

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Matio 7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23)
55. RBNIR ( 24/07/2019 12:22)
fa maninona no holazainy hoe mpanao meloka ireo olona ireo???? satria nanadino ny nanao ny essentielle dia ny sitrapony (varina nialokaloka tao ambanin'ny ilay hoe FITIAVANA ANDRIAMANITRA! dia adino fa kay moa misy ny sitrapony tokony notanterahina....
56. NytenakoIhany ( 25/07/2019 04:46)
Tsy arako intsony ilay ady evitra hoe inona ilay tena votoatiny @ izao

Toa itako misongadina sy manaitra maso fotsiny ny hoe :
- Tery saina
- Same bible, differends Gods
- God of Love
- Emperor-God
- Imagination
- Mpivadidela

Dia hoy aho hoe, an an an

Aza miseho mahay noho Andriamanitra re e, lalin-tsaina lavitra noho tsika olombelona izay vovoka sy lavenona (tsy tompon'ny aina) io Andriamanitra io, mihotra lavitra fahazaintsika ny fahalalan'io Andrimanitra io

Valio ito fanontanina ao @ baiboly ito hoan'izay mahay ary e :

Joba 38

[b]Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba

1 Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?


3 Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?



Anontanio hoé raha mamaly ny razan-tsika be fahendrena taloha raha misy mahavovaly an'ireo? Anontanio hoé ny scientifique mahay indrindra raha mahavovaly izy ireo? Anontanio hoe izay mpandalina mahay retraretra sy manana diploma lehibe sy betsaka indrindra raha mahavaly ireo?
57. RBNIR ( 25/07/2019 06:40)
Tsy miala amin'ny lohahevitra isika fa mijanona ao ihany e!

Raha fintinina dia izao: lasa mahita Andriamanitra maromaro hono ry rhajo sy ny namany satria misy ny mino fa Andriamanitra dia fitiavana dia tsy mivaky loha intsony amin'izay didiny sy izay sitrapony any intsony...misy kosa anefa hoy izy tena mifanohitra amin'izay lasa otran'ny hoe amperora masika be sady mitaky ny hanaovana ny sitrapony Ilay Andriamanitra...

Ny tena marina anefa dia ity Andriamanitra iray ihany io fa arakaraka ny olona no hisehoany...

Rehefa akaiky Azy ilay olona dia miseho ho Masina tanteraka mihitsy Izy

Rehefa somary lavidavitra kosa ny olona dia tsy asehony izay toetrany Masina izay fa matetika ary Izy miseho ho toy ny be fitiavana sns....

Mamitaka anefa izay satria maro no sondriana hoe toa be fitiavana marina tokoa Ilay Andriamanitra dia lasa manadino tanteraka ny manao ny sitrapony sy mitandrina ireo didiny....

Dia ny olona tahakan'izay indrindra no hahazo ireo teny ao amin'ny matio.7:21-23 ireo rehefa miverina i Jesosy...

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Matio 7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23)

Izahay hoy aho dia mitaona ny olona hanakaiky hatrany an'ilay Andriamanitra ka dia mazava ho azy fa tsy maintsy mampianatra ny olona izahay hoe tena Masina Ilay Andriamanitra ka mila atao ny sitrapony (mila mipratika).......fa tsy mionona fotsiny hoe TSARA FANAHY SADY BE FITIAVANA ILAY ANDRIAMANITRA....sao dia ho diso fanantenana eo...
58. rhaj0 ( 25/07/2019 11:07)

NytenakoIhany:
Toa itako misongadina sy manaitra maso fotsiny ny hoe :
- Tery saina
- Same bible, differends Gods
- God of Love
- Emperor-God
- Imagination
- Mpivadidela

Dia hoy aho hoe, an an an

Aza miseho mahay noho Andriamanitra re e, lalin-tsaina lavitra noho tsika olombelona izay vovoka sy lavenona (tsy tompon'ny aina) io Andriamanitra io, mihotra lavitra fahazaintsika ny fahalalan'io Andrimanitra io...

Ny olona taloha, t@ l'an zero-3000 tao moyen-orient tao no namorona an'ireo resaka ireo re ry NytenakoIhany aaa..

- Ianao ve ry NytenakoIhany, efa mba tsy ilay nikatona tao @ vohitra-kely, dia nampinoana an'ireo, toa ireo olona fahizay,
- ianao ve ry NytenakoIhany efa mba mahita internet sy mahalala ny eraky ny jeogirafia sy tantara, dia mbola mino foana an'ireo nampinoana ireo olona fahizay..

Manontana-tena kely fotsiny, dia eritrereto hoe, ireo Zaponey-Sinoa-Karana, dia TSY mahalala an'izany 'resaka' izany, fa ny azy dia HAFA dia HAFA mihintsy, ary iany dia efa h@ taona 10.000 lavitra tany, ka HATRAMIN'IZAO.

Tena TSY mahakitika ny Zaponey-Sinoa-Karana izao Andrmntr'Israely izao.
59. NytenakoIhany ( 26/07/2019 05:00)
Fanontaniana azo apetraka @ fotoana rehetra izany.

Fanontaniana napetrak'Andriamanitra t@ Joba satria nanome tsiny an'Andriamanitra sy te hifandahatra taminy i Joba, efa atramin'ny izay ka atramin'izao misy foana ny ady lalovan'ny olona, ny mpivavaka ri rhajo indraindray mandalo ady tena mafy ka tratran'io fakampanahy io koa ka manomé tsiny an'Andriamanitra, izany hoe mbola marina sy mipetraka foana io fanontaniana io mandrakizay, ary ny tenin'Andriamanitra tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay, tsy mety levona ary averiko fa marina foana. Na inona fiovan'ny taona, na iza olona miseho azy mahay, Marina mandrakizay ny tenin'Andriamanitra.

- Taiza ary ianao? mety ho vovalinao @ izay fomba amilanao zany (nefa tsy araka izay eritreretinao no tena tin'Andriamanitra ambara eto)
- Iza no nandidy izay ho refiny? fa tsy hoe firy ny refiny? (tsy mitovy izany). Valio raha hainao efa izay efa olon'ny fandrosoana sy tsy olona taloha, t@ l'an zero-3000 tao moyen-orient, valio raha vovalin'ny internet sy izay mahalala jeogirafia sy tantara
- Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? fa tsy hoe mipetraka ambon'ny inona na otrin'ny ahoana ny poziny (tsy mitovy izany). Valio raha hainao efa izay efa olon'ny fandrosoana sy olona tsy t@andron moyen-orient, valio raha vovalin'ny internet sy izay mahalala jeogirafia sy tantara

Dia tohizo tahaka izay ireo fanontaniana ireo....Dia valio raha hainao izay efa olon'ny fandrosoana sy olona tsy t@andron moyen-orient, valio raha vovalin'ny internet sy izay mahalala jeogirafia sy tantara

Dia hoy ianao Zaponey-Sinoa-Karana. Dia vakio ito teny ito dia ezao diniana izay tiany ambara

Asan'ny Apostoly 2 (Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta)
7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?

Tena tiako ambara dia izao, mino sy tsy mino zareo, tsy mahafatantra sy mahafantatra zareo, misy antony ao. Mino koa aho fa mahita ianao milaza mpaharaka internet io fa misy ny asiatika efa mivadika kristiana. Misy antony ao.

Fa Iray ihany no Andriamanitra, ary efa atramin'izay no efa nisy izany olona mino andriamanitra hafa izany, moa misy koa ny atao hoe devoly izay manana ny fahefany.
60. RBNIR ( 26/07/2019 06:02)
aleo angamba hotohizana amin'izay, Inona ilay pratika tokony hatao?

Araka ny voalaza ery ambony dia hoe io ilay zioga asain'i Jesosy hoentina...

Zioga = Ny Fanahin'Andriamanitra no mitarika sy mitondra ny fiananao manomboka eo fa tsy ny tenanao intsony....

Mba tsy hampavesatra io zioga io hoy aho dia
Voalohany : apetrakao ho tanjona hatrany ilay fiainana mandrakizay loka nampanantenana anao
Faharoa mila koa ianao mino ny voalazan'i JEsosy (hoy IZY hoe mora ny ziogako)
Farany mila tanterahina ampitiavana ny zavatra rehetra...

Dia ho hitanao fa tena ho mora marina tokoa io fitarihan'ny Fanahy Masina anao io manomboka hatreto...

Tadidio : izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra .....ny zanaka no handova (mpiray lova amin'i Kristy)...

Inona ary no tokony hatao? Ny tanjona dia ny fiainana mandrakizay...inona no tokony hatao hahazoana fiainana mandrakizay???

Ao amin'ny baiboly fiainana mandrakizay = fonenan'ireo olona voavonjy....

====>inona no tokony hatao mba hahazoana fiainana mandrakizay? = inona no tokony hatao mba hahavoavonjy anao?

Mitovy ihany ireo fanontaniana 2 ireo ka aleo ny baiboly no hamaly azy....

Ireto nisy nanontany an'i petera

« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? » (Asan'ny Apostoly 2:37)

Rehefa nitory i Petera dia velom-panontaniana ireo nihaino ka nanontany hoe inona no hataonay???

Valiny:

« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38)

MIBEBAHA .....io no zavatra voalohany indrindra tokony hataon'ny olona iray

Inona no hatao hoe mibebaka? marobe no mbola tsy mahafantatra izany akory eny fa na dia mpivavaka aza....

Hoy tokoa mantsy i Jaona mpanao batisa tamin'ireo marobe nanatrika azy hoe « Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 3:2)

Olona mpivavaka ny ankamaroan'ny nanatrika an'i Jaona teo nefa dia hoy Izy hoe MIBEBAHA

Ka inona marina ary ilay mibebaka??? izay no hotohiny fa mahareta ianao....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1954