Miarahaba ny ray rehetra e

1. hery ( 16/06/2019 07:16)
Dia tononkalo iray sendra hitako tao amin'ny gazety Lakroa atolotra ho antsika

Vavaky ny ray ho an'ny zanany



Ray o !

Iny zanako iny...
Apetrako aminao ny ho aviny any aoriana
Raha tojo zava-tsarotra na sento-pijaliana
Dia arovy sy tantano
Ireo ratsy koa sakano tsy hikasika akory
Na dia ny singam-bolony.

Mangataka aho ry Ray
Ho an'ireto zanako ho dimby rahatrizay
Raha misy ireo misompatra dia ataovy mahamay
Ireo no hany hery sy fananako antony isiako
Ireo ihany koa no tsikim-pahoriako
Ka sitrako sy tiako raha toa ianao mihitsy no hiahy ny momba azy


Ray o !
Mba miangavy aho tantano sy vimbino ireo zanako ireo.

Ry Mpanjakan'ny mpanjaka o !
Ireo dimbiko sy fara mba iangaro kely
Raha tsy eto izahay Ray aman-dreny
Dia iriako ho ianao no hitantana ny tanany
Fa malama dia malama iny lalana ho diaviny
Sorohy mialoha ny loza izay ho avy
Mety hikasika azy.

Misaotra anao ry Ray
Na tsy mendrika izahay dia amindraonao fo
Ireo zanako ireo
Tiako ireo satria ireo no silak'aiko
Ho dimbiko sy fara akaiky ahy kokoa
Solofoko raha teo.

Izay no mba iriako ho tovinao ry Tompo
Ka henoy sy mba valio ity mpanomponao
Ho Anao irery ihany ny dera sy ny laza
Voninahitra sy Haja.
Amen !

NALY MANJAKA

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2755