MALAGASY

21. BENEM ( 29/09/2018 04:24)
Efa nolazaiko hatrany amboalohany fa ianao no somary tsy naaraka kely,fa tsy maninona fa averiko indray
Efa very tanteraka ny maha malgasy ny malagasy amin'izao fotoana izao
Tsy misy mitazona ny folba malagasy intsony indrindra ny eny antanan-dehibe
maro loatra ny rivotra mitsoka avy any ivelany eto amitsika dia lasa mirona any avokoa ny malagasy
ohatra :
hoantsika malagasy tsy mety ary tsy azo atao ny :
- vehivavy no manety ny volon-dehilahy nefa firy izao ny vehivavy mpanety lehilahy,na koa vehivavy manao ireny asa fivelomana ataon'ny lehilahy ireny : sécurité,polisy,miaramila,....
ny vehivavy amin'ny malagasy dia tena ambony ny toerana misy azy eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny tokantrano,ary tokkony hapetraka amin'izay toerana izay
-any anatin'ireny fiara fitanterana ireny misy Ray aman-dreny mitsangana fa tsy mahazo toerana tsy misy na dia iray aza ny tanora manome toerana fa dia samy maka hoazy.
-rehefa tonon-taona vitsy sisa ireo olona manome voninahitra ny RAR fa lasa tsianjery fotsiny .
Eo anivon'ny fiaraha-monina na dia tsy RAR niteraka aza misy fona ny RAR ireny tsy misy manaja fa otran'ny hoe olona reetr ihany
-ny fitiavan-tena sy titikely manginy fotsiny etsy sy eroa
-IRENY REHETRA IRENY MIAMPY IZAY TSY VOALAZAKO DIA VOKATRY NY FITSOKAN'NY RIVOTRA AVY ANY IVELANY AVOKOA
izany akory tsy midika hoe isika no tena tonga lafatra fa kosa ny tsy fahaizan-tsika nitazona ny fomba amam-panao- ntsika dia lasa NIVILY TANTERAKA ISIKA
-
22. BENEM ( 29/09/2018 05:18)
Amiko dia izao no fijeriko,
Ny RAR no andraimanitra hita maso.ireo no mila tiavina sy hajaina dia manaja an'ANDRIAMANITRA isika
fa firy amintsika eto madagasikara moa no manaja izany
23. BENEM ( 29/09/2018 05:48)
Ny fomba malagasy:
-tsy azon'ny vehivavy atao ny manety volondehilahy
-Ny RAR fanaja sy lolohavina an-tampon'ny loha
-firy amintsika malagaasy no mahalala sy mankalaza ny taombaovao malagasy
-ny tafo kapila izay tena maro no mampiasa azy amin'izao izay tena fady ny malagasy fa i LANIER no nitondra izany teto amintsika dia tena maro no mampiasa izany ankehitriny
24. BENEM ( 29/09/2018 05:57)
Miisa eo hoe eo amin'ny 25 000 000 eo ho eo isika malagasy izao fa misy 1 000 000 amin'ireo ve no manao sy mankalaza ny taombaovao malagasy,eny fa na dia ny mpitondra fanjakana nifandimby aza tsy nisy nankalaza izany nefa dia malagasy ray malagasy reny avokoa
25. rhaj0 ( 29/09/2018 13:41)
.
.

Raha ny fahitako azy izany, dia ... mitovy fa tsy sahala i Benem sy RBNIR:

- MITOVY : samy mamikitra misarangotra amina fi(s)ainana fahagola.
Ilay"fi(s)ainana fahagola" @ io nefa dia mihatra amina "zava-misy sy fahalalana fahagola".

- TSY SAHALA : samy manana ny fi(s)ainana tiany atao fiki-maty ao.
Raha i Benem mamikitra @ fi(s)aina-Ntaolo, i RBNIR mamikitra @ fi(s)aina-Mbaiboly-de-l'an-zero.

Fa entre-pa.. ry Benem izany anie tena Taliban mihintsy ee... aiza nama koa:
- hozy Benem: ny viavy tsy mahazo manety volon-dehilay
- hozy Taliban: ny viavy tsy mahazo mampiseho laferana na kiho na foatra
Ilay bainimbainina taloha re ry Benem no dangidangitra @ tsy ahoana ao, fa en manque, ary en manque satria ny finoany adala ihany no nampanao azy izany, dia izay ataon'ny vhv rehetra izao dia hoe TSY azo atao, ary lazaina hoe, satria izay no "fomba", dia izay no averimberina tsisy fieritreretana ao
26. rhaj0 ( 03/10/2018 10:46)
Jereo anie ny kisary io ambany. Izany ny an'ny Sinoa sy Japs.

ny antsika Malagasy kosa ahoana?

T@ 1820s tany ho any, dia nadikan'i Andrianaivoravelona ny Bible grika/anglisy, dia lasa io Baiboly gasy io, izay mbola nohazaozin'ny katolika koa ohatra ny azy. Ary dia lasa "miteny gasy" koa HONO ilay atao hoe Andrmntra.

Dia marihina foana, fa ny Andriamanitra, @ teny Malagasy, ho an'ny Malagasy (talohan'ny 1820s), dia ilay "Moral", fa i Zanahary no "Mpamorona".

ka dia raha fehezina dia, toa TSY hain'ny Kristiana Gasy akoriny inona io "andriamanitra" ivavahany io.

27. RBNIR ( 07/10/2018 02:57)
« [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia » (Asan'ny Apostoly 16:6)
« ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy. » (Asan'ny Apostoly 16:7
Zava doza ange izany hoe Andriamanitra (Fanahy Masina mihitsy no mandrara ny olona tsy handeha hitory any e

28. rhaj0 ( 07/10/2018 14:48)
fa nidina tany Dago ihany ny evanzelisitra, dia io NIDIRAN-DOZA io ny gasy (sy Afrikana).
Merci RBNIR. Takatrao ilay izy ary io natsikafinao io tsara.
29. RBNIR ( 08/10/2018 05:46)
rhaj0:

fa nidina tany Dago ihany ny evanzelisitra, dia io NIDIRAN-DOZA io ny gasy (sy Afrikana).
Merci RBNIR. Takatrao ilay izy ary io natsikafinao io tsara.

Nidiran-doza...fomba fiten'ireo tsy mpino io

Fa ny mpino kosa dia faly satria fantany fa ny mifanohitra amin'izay no zava misy
30. rhaj0 ( 09/10/2018 11:07)
RBNIR:
Zava doza ange izany hoe Andriamanitra (Fanahy Masina mihitsy no mandrara ny olona tsy handeha hitory any e

rhaj0:
fa nidina tany Dago ihany ny evanzelisitra, dia io NIDIRAN-DOZA io ny gasy

RBNIR:
Fa ny mpino kosa dia faly

RBNIR:
Zava doza ange izany hoe Andriamanitra (Fanahy Masina mihitsy no mandrara ny olona tsy handeha hitory any e

Dia sahala @ miresaka @ gaigy miresaka amin-dry RBNIR :-)
31. RBNIR ( 09/10/2018 11:12)

normal ihany ny famalinao satria tsy misy fantatrao ilay resaka....Sahala amin'ny hoe misy olona 2 miresaka eo dia avy ny iray vao tonga avy any nitsofoka nefa tsy nisy azony akory ny lohany sy ny vodiny dia avy eo izy indray no tezitra....

Fomban-draolombelona izany tsy mahagaga intsony rhajo a!
32. rhaj0 ( 11/10/2018 10:40)
Asa raha mitovy ny fandraisana hoe, ahoana ny firesaka eto amina forum

Ny fahitako azy,

1- ny an-dry RBNIR (sy Kristiana) dia hotry ny heveriny fa eny @ alitara izy manao resak'eto, ka raha vao mba dominao, na dia @ kely fotsiny azany izy, tonga dia rarafany toko aman'andininy ianao

2- koa na efa citer-na izao azany ny resakan-dry RBNIR, izay sirika be foana io fa hafa ny androany, hafa ny omaly, dia izy eny @ "alitara" angaha mahita an'izany.. lazainy akoriny aza hoe, i Andrmntra HONO no mamoaka ny resaka fa izy fitaovana natao hiteny fotisny.

3- dia eto indray HONO ry RBNIR fa "manao resak'olon-droa" eto @ forum eto...

Dia sahala @ miresaka @ gaigy miresaka amin-dry RBNIR :-)

Fa tsisy "mampitezitra" io RBNIR fa mampivanika mampanala andro aa...
Izany foana no hiverenana eto.. vanitika dia ampy :-)
33. RBNIR ( 11/10/2018 10:46)

Inona moa no tokony ho olana rhajo!

Mijoro amin'ny maha izy azy ange izany ny tsirairay e! ny kristianina izany dia araka izay hitanao izany.....

Sa rehefa tsy mitovy fijery aminao dia....(ny fahasamihafana mihitsy no tokony hisongadina amin'ny forum).....satria ny kristiana raha ny tena marina tsy tokony hitovy fijery amin'ny olona rehetra mihitsy....satria ny hevitr'Andriamanitra no arahiny...

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isaia 55:8)
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. » (Isaia 55:9)
34. rhaj0 ( 21/10/2018 13:39)
Dia hita mihintsy fa dia tena Kristiana marina ry RBNIR itony..
RBNIR:
... ny fahasamihafana mihitsy no tokony hisongadina amin'ny forum...
(...)
Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. 

Ny revy "samy hafa" (diversité) HONO, hozy ry RBNIR, fa ny an-dry RBNIR, ny "f(if)anajana ao @ diversité" dia ... ny azy RBNIR (irery) no "mahataka-danitra" fa ny sisa dia.. an...

Lolohavy ao tsara ao ho'a ny oronao ry RBNIR (toa an'ilay ranamana avy any Bordeaux efa tsy hita eto intsony iny).. fa firy girama koa ho'a ny oronao ao izao ry RBNIR? :-)
35. benem ( 08/11/2018 08:17)
Tsotra be ny ahy , mizara izay fomba nisy sy najaina taloha de anjarany tsy1/1 no mijery oe mety na tsy mety aminy.
Izany hoe ny vehivevy tsy mahazo manety ny volondehilahy izany dia tena HAJAIKO tanteraka mihintsy oanah manokana fa io tsy oe force ianao hanaja fa safidy io
36. benem ( 08/11/2018 08:26)
amin4ny ankapobeny avokoa ireo resaka ataoko ireo na fomba malagasy na riba malagasy na kolontsina malagasy fa tsy nisy navahako de isika no madray hoe fomba ve sa riba sa kolontsaina,fa jereo amin4ny ankapobeny fotsiny hoe manao ahoana isika malagasy aminizao vaninandro izao,mandroso ve ? raha mandroso de amin4ny lafiny inona
- mandroso ara kolontsaina ve?
-mandroso ara toekarena ve?
-madroso ara ekonomika ve?
sa mandroso amin4inona?
Ary raha mihemotra indray de
-mihemotra ara-kolontsina ve?
-mihemotra ara-toekarena ve?
mihemotra ara-ekonomika ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581