You are here: home > Forum

ny fiainan'ny malagasy amin'ny ankapobeny

Lohahevitra : Eritreritra mandalo
Fitohizan'ny hafatra : ny fiainan'ny malagasy amin'ny ankapobeny
Valiny : 4
BENEM - 25/09/2018 09:36
Amin'izao fotoana izao dia hita sy tsapa fa tena tsy manana ny maha izy azy intsony ny tanora malagasy.
- ny ankamaroany ny tanora dia tsy afaka mamorona asa hoan'ny tenany fa miankindoha amin'ireo mpanambola avokoa
-efa maro be ihany koa ireo zone franche na irony atao hoe orinasa mpanjaitra afak'aba irony ka lasa miaina sy any no mitady asa fivelomana ny tanora
*TADIDIO ANEFA FA IRENY DIA ENDRIKA FANJANAHANTANY SY FANADEVOZANA VAOVAO
Miaina ao anaty tebiteby foana ny olona miasa amin'ireny
ny vola raisina isambolana tsy misy mipetraka fa efa vita kaonty avokoa
manenjika ora isa-maraina fa tsy maazo tara
any ampiasana ihany koa manenjika isa fa tsy maintsy vitaina ny asa
milahatra vary atoandro reefa hisakafo ary hoanina haingana fa sao tara fidirana
manenjika bus indray reef hariva fa sao voaendaka
ny alahady fialantsasasatra sy hikarakaraa ny tokantrano mbol tsy iverenana miasa reef misy asa tsy maintsy vitaina
FEHINY :
- TSY MISY AFA-TSY NY MANANA NY ASA HOAN'NY TENA IRERY IHANY NA DIA MIAINGA AMINA ZAVATRA KELY AZA FA NY FAHAMATORANA NO ATAO TSARA
- ISIKA MALAGASY DIA ISAN'NY VAHOAKA SAMBATRA ARY MANANA HARENA VOAJANAHARY BETSAKA KA TSY TOKONY NY VAHINY NO HIBAIKO NY SAINTSIKA
Valio | Miverina eny ambony
Meva215 - 09/10/2018 21:03
Marina tokoa, saingy isika anie amiko tany am-pianarana nampianarina ho mpiasan'olona fa tsy anangana orinasa e
Valio | Miverina eny ambony
Ulrichandry - 23/10/2018 15:43
Meva215
Marina tokoa, saingy isika anie amiko tany am-pianarana nampianarina ho mpiasan'olona fa tsy anangana orinasa e

Tena marina izany, na Izaho aza ohatran'ny mahatsapa tena ho sahirana ihany rehefa misy resaka hoe : " Tsy mety Amintsika izany manangana orinasa izany fa miasà aloha ". Te hanangana ny orinasako aho amin'ny faha-20 taonako. Ary tiako ho tohizana n'aizan'aiza io nefa dia efa hitako sahady ny sakana mety hahazo Ahy atsy ho atsy.
(17 taona aho ankehitriny ary efa hatr@ faha 15 taona ko aho no nanana an'io faniriana io )
Valio | Miverina eny ambony
Maeva2515 - 23/10/2018 15:47
Tsara tokoa ilay hevitra. Fa marina koa anefa izay lazainao

Jereo tsara fa rehafa tonga eny ami'nny oniversite ianao, mianatra mitantana sns fa tsy ampianarina anao ny fananganana orinsa, ireo fikafika sy ireo tokony atao. Ireo zavatra basique ian
Valio | Miverina eny ambony
Ulrichandry - 23/10/2018 15:53

Maeva2515
Tsara tokoa ilay hevitra. Fa marina koa anefa izay lazainao

Jereo tsara fa rehafa tonga eny ami'nny oniversite ianao, mianatra mitantana sns fa tsy ampianarina anao ny fananganana orinsa, ireo fikafika sy ireo tokony atao. Ireo zavatra basique ian


Tsy ampianarina ahy eto ny fananganana orinasa saingy kosa haiko miandala ateny ihany Izany satria efa mifandray amin'ireo tompona orinasa sasantsasany ny tena ankehitriny ary mandinika tsara ny zavatra ataondry zareo ireny mba tsy hanaonaovako foana ao aoriana kely ao.
Valio | Miverina eny ambony