Fitokisana

1. Maellah ( 17/09/2018 19:00)
Miarahaba e! Za ry reto mba saika angataka torohevitra oe ahoana kay no tena ahafantarana fa azo itokisana ny olona iray ra lay izy vao miresaka aminao voalohan'iny an! De misaotra mialoha e!
novalian'i rhaj0 ny 24/09/2018 12:16
2. mbositra ( 18/09/2018 14:25)

Maellah:

Miarahaba e! Za ry reto mba saika angataka torohevitra oe ahoana kay no tena ahafantarana fa azo itokisana ny olona iray ra lay izy vao miresaka aminao voalohan'iny an! De misaotra mialoha e!

Salama e, amiko izy aloha dia azo itokisana raha ataony izay lazainy e! (namana io sa sipa sa mpibizina sa mpnao pôlitika?) testeo kely e.
3. maellah ( 18/09/2018 18:15)
slt! msaotra amin'ny famaliana e! eo amzay resaka itestena azy zay mitsy anie no tiko fantatra oe aona ny atao amzay! fa eo @ mpinamana le izy ka!
4. hery ( 18/09/2018 19:51)
Matetika koa anie tsy misy olona mieritreritra ny hamadika hatrany amboalohany e.
Namana azo itokisana tsara izy fa avy eo resin'ny fakam-panahy isan-karazany dia manjary mivadika.

Tsy misy izany ny fomba hahafantarana ny namana tena hoe azo itokisana hatramin'ny farany afatsy ny fametrahana fitokisana aminy. Dia rehefa mivadika izy, na dia amin'ny kely fotsiny aza, dia tonga avela any.
5. Fredkwel ( 19/09/2018 07:26)
Tsy dia hita ety ivelany izany raha tsy misy ny andrana indray mandeha na indroa aza...fa ny fametrahana fitokisana aminy dia mety hanosika azy tsy hamadika fa raha hafahafa toy ny tsy matoky azy enao dia vao maika mety hampivadika azy,,,tsy voatery anefa zany teneniko zany fa matetipitranga...aoka isika hifampatoky hoe!
6. maellah ( 23/09/2018 12:44)
salama e! ka le namana tena atokisana mihintsy anie no lasa mamadika e! ohatrany oe arakaraka ny ametrahanao fitokisana aminy no amadihany anao tsikelikely.nefa zay famadihany anao zay tsy ita mitsy ra tsy efa misy zavatra gravy mitranga! tsy haiko alo fa matetika an ny namana ts eritreretinao havita hamadika anao mitsy no tena mavita anzay.
7. rhaj0 ( 24/09/2018 12:16)
Mety hoe mora amiko ny miteny, satria na izaho koa azany dia mety tsy mahavita azy, fa théoriquement izany, dia tsisy afa-tsy ny fahatsorana sy fifanakalozana (communication) ee...

Dia lazao azy mivantana (tsy miandry lera) ary am-panajana (tsy voatery mitratrevatreva) izay zava-misy araka ny fahatakaranao azy ao ee..


Ohatra extreme izao, dia @ harcelement sexuel ohatra.

- Vao mametra-tanana aminao izy, tonga dia miezaka mafy ianao hanindry
--- ilay reaction tsy-tafahetsika, satria mety matahotra na gaga,
--- na koa ohatra tezitra dia manifika, satria mety vao mainka mirongatra ilay adala...

- Fa tonga dia lazao mazava, atao resaka adulte, mivantana sy am-panajana, hoe, tena tsy confortable aho @ ity tananao mi-balady ity, na boss-nao izy @ io, na ilay mikotikoty-nefa-tsy-tiana iny.

Rehefa entina @ resaka adulte io, mivantana sy am-panajana, dia "tokony" hafa ny réaction-ny...


Dia raha miverina @ fanontanianao.. Raha tsapanao fa "mamadika" anao ilay namanao, dia .. resaho mivantana sy am-panajana ee... aza miandry ela.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4753