6000 taona lasa

1. rhaj0 ( 14/09/2018 14:00)
Ho an'izay MAHAY an'io Baiboly io, ka mahay manao ny adisanina koa, dia ahatakatra tsara, fa araka ny Baiboly, dia tany @ 6000 taona, eny enina arivo taona lasa izay no teto an-tany i Adama sy Eva.

Satria ho an'izay mahay io Baiboly io, ka nahita fa misy tetiarana anie ao, ary rahefa mamaky tsara ilay tetiarana "izay voasoratra (dia voasoratra)", dia rahefa manao adisanina tsotsotra, dia hahita fa 6000 taona ny "razany", dia i Adama sy Eva, no nandia tany teto.


Fanefa ho'a... ny malaza izao, dia efa ho 10.000 taona lasa no nisy olona teto Madagasikara, hoy ny siansa.

Jereo fa nofintiniko https://gasy-mkm.blogspot.com/2018/09/mikama-sep-13-2018.html


Ka dia ahoana izany izany? :-)

novalian'i Strong3 ny 30/11/2018 07:10
2. tealala ( 14/09/2018 14:56)
Marina be ny voalazanao, ary tohanako mihitsy ary hoe ny taranak'i Adama sy Eva no resahiny ao.
3. rhaj0 ( 14/09/2018 20:38)
Ka dia asakasak'izay gasy mieboebo ho taranak'i Adama sy Eva izany ee...

Dia nanao "reset" koa izao Andrmntry ny moyen-orient izao t@ safo-dranon'i Noah HONO..
Ny mponin'i Gasikara nefa @ io mihaminkamina fotsiny tao @ Nosimalala..

fa dia mbola asakasak'izay gasy (kristiana) mieboebo ho taranak'i Noah ee...

Dia ny vahoakan'izao Andmntra tao moyen-orient koa moa nihanaka taorian'ny inona izy teo: Gomorrha? Nefa @ io ny olon'ny Madagasikara mitsilailay eny amorondranomasina

Fa dia mbola asakasak'izay gasy mitomany ho Jiosy na taranaky ny 13eme Tribe-Jiosy ao koa izany ee...
4. tealala ( 15/09/2018 05:24)
Mankasitraka e :D
5. hery ( 16/09/2018 10:02)
Izay mihitsy ilay hoe "Ho an'izay mahay an'io Baiboly io"... satria izay mahay sy mino an'io baiboly io dia mahalala tsara fa tsy bokin-tantara (livre historique) io baiboly io fa bokim-pinoana (livre de foi) sy bokim-pifandraisana (livre de relation) teo amin'ny vahoaka iray sy Andriamanitra.

6. rhaj0 ( 16/09/2018 15:53)
Tena mba liana aho hoe, ahoana no fandraisan'i Hery ny Baiboly.. ohatra ny @ ireo tetiarana ao @ Genesisy, izay nosintoman'ny mpandinika Baiboly fa 6000 taona lasa izay no nandia-tany teo i Adama sy Eva.

Tsy "tantara" izany ny 6000 taona ry Hery fa "finoana" fotsiny?

Dia inona ilay izy: "imazination" fotsiny izany ireo izy ry Hery fa tsy zava-nisy?
7. hery ( 16/09/2018 17:42)
Izay anie no teneniko hoe midira ao anatiny mba hahalala tsara e :-)

Bokim-pinoana ny baiboly ho an'ny Kristianina. Tenin'Andriamanitra. Ireo nanoratra ny baiboly tsy nieritreritra mihitsy hoe hisy olona handray ny zavatra soratany ho toa ny tantara satria ny teny nosoratany dia nataony hampitàna ny fitiavan'Andriamanitra azy ireo, ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra.

Marina fa mety misy tantara voatahiry ao anaty baiboly fa na ireny aza dia tsy nanana tanjona mihitsy hitantara fotsiny fa hampitàna finoana kosa.

Na ireo nanoratra ny namantsihana an'i Jesoa aza, izay tantara, dia tsy nandahatra izany ho tantara fa nametraka hoe ahoana no hampitàna amin'ny mpino hoe nofantsihana i Jesoa ary inona no dikan'izany namantsihana azy izany....

Tsindriko tsara io hoe mpino io, satria natao ho an'ny mpino aloha izany, natao ho fampianarana ho an'ireo kristianina.
8. rhaj0 ( 18/09/2018 00:31)
Samy manana ny fandraisany tantara @ boky iray io ry Hery a... Ny anareo izany no toa izany; tsara ho anareo izany, fa revy samy manan'ny azy io.

Ohatra hoe, raha mamaky boky S.A.S ny zatovo, dia misy kingabe mitsimpona ilay resak'erotika fotsiny, ny sasany ilay basy mipoaka no mahamay azy, ny hafa ilay resa-politika...

ka ny an'i Hery izany, hotry ny lasa lavitra rahefa mamaky Baiboly, fa tsy iilay resaka mirefarefa @ tantara-jaza-garabola no raisina eo, fa ilay manidina amina matsirobasio intelektoaly mampita finoana hono

ka na ny anao na ny an'ny hafa no anaovana azy, dia io dia sahala @ ilay resaka tatsy ihany ee... rahefa atao ny kaonty, dia ilay boky, ny Baiboly eto, no mampidogaigy (fa tsy ny bokin'i Bouddah).
9. rhaj0 ( 24/09/2018 12:29)
https://www.cnet.com/news/japanese-space-robots-just-landed-on-an-asteroid-and-took-incredible-photos/
Japanese space robots just landed on an asteroid (and took incredible photos)

izao izao ny Japs nahavita nijapy tamina asteroid. Nalaina sary fa tsisy Jesosy izany "ao ambony ao" ee :-)

Dia inona re ry Hery ity resakao lava hoe "midira ao anatiny mba hahalala".. hi hi hi.. mba ahalala inona???

tena aleoko lavitra dia lavitra mihintsy mijapy ny Japs...
(entre-pa.. ianao indray ve ry Hery no hatoro hoe, "Today, about one to two million Japanese are Christians (about one percent of Japan's population)".
10. BENEM ( 29/09/2018 06:38)
Izaho aloha raha resaka baiboly dia aleoko mangina fa izy ireny rehefa tsy voafehy dia lasa miteniteny foana fa aleo tsy miteny.
11. rhaj0 ( 29/09/2018 13:44)
io ry Benem, dia mba mitenena, fa ianao koa ve dia ambakan'ireo mpiteniteny, izay samy miteniteny foana e(t)o eee...
12. Strong3 ( 30/11/2018 07:10)
ny Baiboly dia soratra fa ny hery entiny no zava-dehibe
....
ka raha mbola misy fanotaniana tsy voavaly mahakasika ireo hery mampietsika ny zavatra rehetra dia miandry ny zafi-kitrokeliny ny tsimisiandriamanitra; mba hanaporofo fa tsy niforona tamin'ny tsinisy izao rehetra izao
fa ho hitany amin'izany fotoana izany izay antony nahampisy izao rehetra hita maso rehetra izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0847