Ny famadihana

1. Steef ( 13/09/2018 05:45)
Mbola ilaina ve io fomba nentim-paharazana io raha amin'izao fotoana izao?
Raha amiko manokana dia tsia ny valiny satria efa andron'ny fivoarana sy fandrosoana izao ka tsy ny fombafomba efa t@ taon-jato efa ela tany no mbola averina eto indray, izany mantsy no tsy mampandroso ny firenentsika satria tsy mba mivoatra sy mikaroka zavatra hafa mihitsy fa ny taloha ihany no mbola ampiasaina.

Misokatra ny adi-hevitra tompoko.
novalian'i naom ny 17/09/2018 03:41
2. naom ( 13/09/2018 08:18)
Miarahaba antsika rhtr.
1- Tena mbola ilaina io satria kolontsaintsika malagasy.
2 - Raha resaka oe fandaniana io de mitovy amin'ny rendrarendra rhtr ian, moa mis koa n mamono lamba fotsin rehefa mis maty fa ts voatery hanao fandaniana.
3 - Diniho tsara fa b n mpanaratsy tsis anaovan n asa ratsin raha ts iten afa-tsy ny halatra taolampaty aho.
4 - Tadidio fa tena manana ny hasin isika olombelona fa tsy otran alika akory sanatria ka alevilevina fotsin na matimaty ho azy eny. Taloha tsis sahy manitsa-pasana zan fa zao lasa zary fipetrapetrahana reny.
5 - aza gaga tsika ra lasa mikorosifahana ny malagasy satria tsy nanaja n mahaizy azy tson, ra ny fitombon antokompivavahana zay everina oe tsara ami zao fotoana zao de tokon ho tsara noho izao n fiainantsika malagasy nefa jereo nge e ! vao miha mikorosy.
Misaotra antsika mpamaky de samia mieritreritra
3. rhaj0 ( 14/09/2018 12:15)
Ka i Raolona matahotra an-dRafahafatesana. Ary dia ny siviliasiona isan'isany, eraky ny siekla sy kontinenta, dia samy namorona (namoromporona) resaka mba hilaminan'ny sainy sy ny fiaraha-moniny aby tao.

Ny mora sirika be izao dia ny Kristiana. Ary dia nasian-dreo an'izao Paradisa sy Helo, sy Masina sy ny Anjely, na koa ny Andrmntra sy Devoly sns izao ee... miaraka @ kifombafomba ao. Ohatra faramparany teo izao, dia ny kasingam-paty (relique) an'iilay "Masina" tsihaihay iny. toa nololohavina sy notrotrotroina eraky ny tanana.

Ny Malagasy indray dia eo ny Atra sy Zanahary, dia ny Razana sy ny .. Lolo sns... miaraka @ kifombafomba toa ny Famadihana.

ka raha izany no mampilamina ny sainy sy fiaraha-moniny (t@ izany tao izany), dia izay izany. fa ankehitrio kosa... dia asa ho'a..

Fa izaho manokana kosa k'lou, t@ mbola kely, dia nanao famadihana ny Razanay. Rahefa nikirakira sy namadibadika ny razana teo kosa aloha ny teo, dia toa lasa tsy dia nataho-paty aho
4. naom ( 17/09/2018 03:41)
slt,
sady zao ne no tsarovy, tsy olona vitsivitsy no milevina am fasana ray fa anarivony ka raha tsy ho fonosina ny efa maty de mazava ho azy fa hiparitka ka de aona zan isak n handevina , Am zao ftoana zao nefa tsika miha mitombo andro amanalina na n teraka na n maty. Amzao vokatry ny teknology, ts mahazaka ts manana android ny ankiz (13 à 21 ans) de lasa manendaka sy mangalatra etsy eroa, aiza no tsy ho be ny dahalo e!
Mazotoa daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1139