Miala tsiny fa amiko ny homosexualité dia...

1. hery ( 27/08/2018 18:03)

Hitako hoe lasa resaka lava be indray ny tenin'ny Papa momba ny homosexualité tamin'ny journalistes iny. Marina fa nanindrona loatra ny fitenin'ny Papa ary efa nahitsin'ny Vatican kanefa ny vetin-kevitra amiko dia tsy niova.
Amin'izao fotoana izao tokoa dia manjary lasa hoe "normal" ny resaka homosexualité. Manjary lasa sarotra be ny manavaka ny resaka valeur na soatoavina aty andafy satria tsy hay intsony hoe inona izany no tena normal. Koa izaho dia miala tsiny fa na dia holazainareo hoe mihidy fisainana sns aza dia mitovy hevitra amin'ny Papa milaza hoe tsy zavatra "normal" velively ny resaka homosexualité.

Marina fa tsy aretina izy, tsy fahasamponana na handicap. Zavatra misy izy, zavatra mety mitranga, ary ekena tahaka ny zavatra mitranga rehetra fa tsy midika kosa hoe zavatra normal na hoe firinjan-javatra miseho.

Mety efa misy angamba ny reny maniry hiteraka homo tahaka ny hoe maniry hitera-dahy na maniry hitera-bavy, mety efa fisainana ankehitriny ny mieritreritra hoe raha homo ny zanako (tsy asiana sanatria) dia izao no ataoko. Fa na dia misy aza izany dia mbola mieritreritra foana aho, tsy idiran'ny resaka fivavahana, hoe tsy zavatra anatin'ny natiora izany.

Eritreritro izany. Mety vokatry ny fanabeazana niainako. Fa izany aloha no faharesen-dahatro.

Na izany na tsy izany, tsy mankahala homo aho, ary tsy miteny azy ireny hanatona dokotera. Tsy miteny azy ireny koa hoe tsy salama.

2. rhaj0 ( 30/08/2018 22:14)
hery:
Amin'izao fotoana izao tokoa dia manjary lasa hoe "normal" ny resaka homosexualité. ... mieritreritra foana aho, tsy idiran'ny resaka fivavahana, hoe tsy zavatra anatin'ny natiora izany.

Eritreritro izany. Mety vokatry ny fanabeazana niainako.

Eny tokoa... na dia nasian'i Hery hoe "tsy idiran'ny resaka fivavahana" azany ny fandresen-dahatr'i Hery, dia mbola hita taratra tsara ilay "fanabeazana niainan'i Hery" dia ny Kristianisma, ka mampiteny an'i Hery hoe "tsy zavatra anatin'ny natiora izany".

Mety hoe hadrohadro na rangitra no ataoko rehefa hoy aho foana hoe, mivoaha mihintsy ao @ "box-kely" ao, dia jereo sy halalino ny Tantara ee... ilay T vaventy, fa TSY ilay t madiniky ny Baiboly sy ny Kristianisma (tantara-angano).

https://en.wikipedia.org/wiki/History_of_homosexuality


Ka io ny Tantara (eraky ny Jeogirafia).

Ary ny Ankehitrio, dia ... asa ho'a hoe, aty @ tany mandroso i Hery ao, dia mba ahoana ny "fandrosoan'ny fomba amam-panao" ao. Fa raha ny anay aty Kanada aloha, dia na ny Sekoly Katolika azany manana ekipa LGBT.

http://lmgtfy.com/?q=LGBT+in+catholic+school+in+canada
3. tealala ( 31/08/2018 14:18)
Marina dia marina fa tena tsy normal mety ho handicap mentale ihany koa :-D
4. rhaj0 ( 01/09/2018 12:06)
tealala:
Marina dia marina fa tena tsy normal mety ho handicap mentale ihany koa :-D

mandiniha tena tsara ao ry Tealala, fa hozy ho'a ny mpandinika hoe, ireny olona mikitrakitrana ny LGBT ho "mental" na whatever ireny no tena manana "tendance homo" lalina ao anatiny ao. Saingy notsindrian'ny sosaity sy izay finoany ao ilay izy, ary dia io sirika frustré sans le savoir ao io izy, ary dia io "mikitrakitrana" (toa te-ahalala) io ;-)

Fa raha namaky ny wiki i Tealala, dia h@ Tantara (fotoana siekla taloha) ka h@ Jeogirafia (eraky ny kontinenta rehetra), dia misy (manana tendance) homo daholo. na h@ biby azany dia misy comportement homo.

Nefa moa, araka ny Finoana (Abrahamika), dia hafa ny dikan'ny teny hoe "normal".. fa dia ao ianao izany ee... :-)
5. endriny ( 01/09/2018 12:16)
Ny Homo dia tena marina tokoa fa tsy normal satria tsy fahampiana hormone ao amin’ny olona no mahatonga azy io matetika. Any Rosia, dia omena fanafody ny homo (hormone) mba ahafahany mitaiza vatana ohatran’ny olon-tsotra rehetra.

Manjary lasa niroborobo ilay homo noho izy novoizin’ireo mpanao politika goay be, mba hakana sy ampitomboana vato. Taty aoriana dia nampiasain’ny fiangonana sasany mba hakana ondry hovolosana ihany koa ilay izy.

Fa na eo amin’ny fiangonana Katolika aza dia maro ireo pretra nanolana zazalahy. Izany hoe homo, na dia tsy manaiky ny fironana homo aza ry zareo.

Maro koa anefa ireo vehivavy nivadika homo, rehefa avy nisara-bady, izay midika ihany koa hoe fironana na safidy noho ny zava-niantra ilay homo indraindray.

Fa dia tsinim-piainana io, fa saonjo iray lohasaha hono mantsy
6. tealala ( 01/09/2018 16:59)
Amiko aloha izany dia mbola tsy nahita aho hoe RAD dia dia naniry hoe te hiteraka lahy kely aho fa somary sarimbavy kely ny toetrany, na koa hoe te hiteraka vavy kely aho fa somary sarin-dahy kely ny toetrany.

Sa ve hoe normal ny RAD maniry zavatra tahaka izany ho an'ny taranany?

Fa noho ny "fandrosoana" misy ao amin'ny civilisation occidentale angamba dia mety efa misy izay.
7. rhaj0 ( 01/09/2018 21:08)
RaR "taloha (tsy nipataloha)" angamba izany mba "hitanao" izany, ka hoe "maniry" an-janany ho "toa azy", nefa izy RaR lhl-vhv lehibe io, dia tsy mahalala ny tenany akoriny, hoe, "homo am-po lalina" ao saingy voatsindrin'ny Finoana (inhibé).

Fa raha ny aty (Kanada) aloha, dia efa hoe, na Katolika aza zareo, dia manohana an-janany, hanangana LGBT ao an-tsekoly.. Ary izao koa ny RaR tsy mihevitra hoe, ho (irina) toa izao sy izao ny ankizy, fa ny ho aviny sy ataony dia sitra-pony, ary izay sitraky ny sainy dia an'azy.

Mbola tsy hainao marina izany hoe "unconditional love" @ zanaka izany.
(hotry ny hoe tsy nampianarin'ilay Atr'i Abrahama angaha izany ka dia coince mihintsy ianao @ io)

Ireo RaR katolika aty ireo ho'a izao, dia tena (hotry ny) hoe, avelao i Vatikana sy Damopra himenomenona ao, fa raha ny zanaka aloha dia tohanana mandrakariva, na amena condom izy @ io, na hanala zaza akoriny aza.. indrindra moa ity resaka LGBT ity..
8. hery ( 02/09/2018 07:42)
Ny tsy azon-draHaja izany dia ilay hoe faniriana sy hoe tsy fidiny.

Tsy mino aho hoe misy olona maniry hanana zaza homo mihitsy, satria raha nisy izany dia mino aho fa efa nisy nanao fikarohana hoe genetiquement atao homo hatrany am-bohoka ny zaza.

Ny zaza homo dia eken'ny ray aman-dreniny satria efa izay no situation. Izany hoe accident tahaka ny accidents rehetra ilay izy dia ekena, ary tena ekena amin'ny fo madio... fa tsy hoe nirina.
9. tealala ( 02/09/2018 17:28)
Tsy niteny aho hoe aza tohanana ilay zaza fa miainga amin'ny hoe "normal" ilay izy.
Hoy aho tetsy ambony hoe "normal" ve ny RAD maniry ny zanany mba ho homo?

Izaho koa sur aho fa raha homo na lahy na vavy tsy haniry ny zanany ho homo naturellement, satria ao ny mba faniriny hoe te hiteraka lahy aho na te hiteraka vavy aho.
10. rhaj0 ( 05/09/2018 00:30)
hery:
Tsy mino aho hoe misy olona maniry hanana zaza homo mihitsy

tealala:
"normal" ve ny RAD maniry ny zanany mba ho homo

koa na (tsy) maniry ny zanany ho lasa dokotera azany ilay RaR : who cares?
Ngo dia toa ilay fomba fisainan,ireny RaR raté ireny, ka ny zavatra tsy vitany no tereny ho vitain-janany (dia mody hoe faniriana aa.. faniriana)
Ny ho fiainan'ilay zaza dia izay safidin'ilay zaza ee... teboka.

hery:
tsy midika kosa hoe zavatra normal na hoe firinjan-javatra

jereo tsara ho'a ny "firindran-javatra 2018" ee... efa nahazo davansy izany zahay aty Kanada, fa dia taratarafo eo ho'a ee.. aza akatona ao @ izay "firindran-javatra de l'an zero" any izany foana ilay saina eee..

Da tsy haiko mihintsy kosa ho'a k'lou hoe, dia mba inona azany no iolakolananareo mitsam eto io ee... Hotry ny siritsiriko ho'a hoe, ngo dia sahala @ ireny zaza ilay manandrakandrana dia mahataka-javatra azany nareo ee.. ilay zazabodo mikitikitika ny filahiany sy fivaviany ohatra, dia mahita fafiny.. Ka ngo dia nikitikitika raha tao nareo mitsam, dia tonga saina fa nivoaka ilay "homo-lalina-ao aminareo ao... dia nefa moa, noho ilay fitaizana (finoana) raiki-tapisaka ao, ary dia lasa mandrafidrafitra lojika tsihaitsihay eto ee ... "normal" eee.. 'faniriana" ee.. :-)
11. Freddyco ( 05/09/2018 06:09)
Zavatra tsy normal mitsy ny homo..ekena hoe ilain n fivoarana fa ra fivoaran mamoafady tsy miterabokatsoa fa manimba kolotsaina sy fomba fisainan na fanao dia tsy misy dikany...hadalana be anie io eh...maninona ra mijanon amin naturel iany,,tsy ahatonga aiza akory
12. tealala ( 05/09/2018 15:59)

rhaj0:

koa na (tsy) maniry ny zanany ho lasa dokotera azany ilay RaR : who cares?
Ngo dia toa ilay fomba fisainan,ireny RaR raté ireny, ka ny zavatra tsy vitany no tereny ho vitain-janany (dia mody hoe faniriana aa.. faniriana)
Ny ho fiainan'ilay zaza dia izay safidin'ilay zaza ee... teboka.


Tsy maharesy lahatra ilay valinteny satria resaka nature fa tsy fonction dia lasa mivoana amin'ny lohahevitra ianao.
Satria raha maniry ny RAD hoe tiko ho lasa dokotera ny zanako dia ampianariko tsara izy mba ho lasa dokotera ilay zaza anefa tsy te ho dokoteran fa te ho lasa cuisinier resaka asa izany na carrière.
Hafa ny resaka nature, hoe ity zanako ity izao mba tiko ho lasa homo amzay aho ... mety hoe ts te hanana zafikely izy tsy tiany hitohy ny taranany ohatra tsy haiko.
13. rhaj0 ( 06/09/2018 10:59)
tealala:
Tsy maharesy lahatra ilay valinteny satria resaka nature fa tsy fonction..

Na maniry lahy ianao na maniry vavy, na maniry anana sy katsaka ary tsaramaso ry Tealala, dia aleo avadika aminao izany ny pli-vavan'ny Mpino : Andmntra no erany ee... tsyisy mandraharaha izay fanirianao :-)

fa raha ny marina dia Ikotokely sy Ifarasoa no erany : ny ho fiainany dia safidiny ihany.. teboka.
14. rhaj0 ( 06/09/2018 22:22)
Sa izao indray azany ee..

Tsisy maniry ny zanany ho LGBT hono, hozy ry Hery sy Tealala.
MIdika ve izany hoe, maniry mafy ny zanany ho TSY LGBT ry Hery sy Tealala?

Dia raha LGBT izany ilay zanany ao, dia inona no ho ataon'i Hery sy Tealala?
15. tealala ( 07/09/2018 04:18)
Ny fanontanina mipetraka dia hoe normal ve ny RAD maniry ny zanany ho LGBT?

Valio izay dia valiko ny fanontaninao.
16. rhaj0 ( 07/09/2018 10:38)
tealala:
Ny fanontanina mipetraka dia hoe normal ve ny RAD maniry ny zanany ho LGBT?

Ka ilay fanontaniana mihintsy no TSY normal, dia tsy hita izay hamaliana azy.

Mba inona hoe izany no mba "irinao" @ zanakao ao io ry Tealala (sy Hery)?
Tena irinao ho straight izany izy ao io?
TEna miozonozona (na hoe mivavaka) eo an-doham-pandrianany izany ianao ao io, ka hoe, ho straight anie ity zaza ity??

Izay ve ilay ataona(re)o ao ry Tealala sy Hery???

Raha izay no ataona(re)o, dia ... tsy ny fanontaniana intsony no TSY normal, fa nareo mihintsy no TSY normal eee ... :-)
17. Freddyco ( 07/09/2018 11:05)
Ty rhaj0 ty zany mety homo a!!!! za mlaza fa sampona reny.....tsy miditra amzany tsika
18. tealala ( 07/09/2018 17:51)
"Ka ilay fanontaniana mihintsy no TSY normal, dia tsy hita izay hamaliana azy."
Ianao ihany aza dia efa mahita hoe tsy mitombina ilay fanontanina satria tsy misy RAD haniry izany mihitsy hoe te hanana zanaka lahy sarimbavy, na zanaka vavy sarindahy.
19. rhaj0 ( 08/09/2018 13:03)
Dia mba inona hoe izany no mba "irinao" @ zanakao ao io ry Tealala (sy Hery)?
Tena irinao ho straight izany izy ao io?
TEna miozonozona (na hoe mivavaka) eo an-doham-pandrianany izany ianao ao io, ka hoe, ho straight anie ity zaza ity??

Izay ve ilay ataona(re)o ao ry Tealala sy Hery???

Raha izay no ataona(re)o, dia ... tsy ny fanontaniana intsony no TSY normal, fa nareo mihintsy no TSY normal eee ...
20. hery ( 08/09/2018 14:13)
Tsy amin'izao ka. Sa moa tsy natioraly indray ilay hoe straight na tsia?

Hoy aho hoe tsy mbola nahita aho hoe ray amandreny naniry hoe hanan-janaka ho homo rehefa teraka.

Fa raha ohatra ka hoe tsy natioraly ilay resaka homo sy tsia dia vokatry ny fanabeazana sy ny manodidina indray kay ilay izy izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0804