You are here: home > Forum

Ny "eco-geste"

Lohahevitra : Tontolo iainana
Fitohizan'ny hafatra : Ny "eco-geste"
Valiny : 2
VoaraRaz - 26/07/2018 06:27
http://forum.serasera.org/media/images/m/89690dbefd749df459e68b0c736f32e0.jpgIza isika no mampihatra sy manao ny atao hoe "eco-geste"?

Ny "eco-geste" raha adika malalaka amin'ny teny gasy dia ireo fietsika sy fomba fanao andavanandro izay manatsara ny tontolo iainana sy mampiena ny fandotona ny tontolo iainana.

Ohatra vitsivitsy:
http://forum.serasera.org/media/images/m/1b713851735a3f5028f124d58e37177c.jpg
-piana ny jiro rehefa mifindra efitrano ;

-esorina amin'ny fitohizan'ny herinaratra ny fitaovana rehefa tsy ampiasaina ;

-tapahina ny rano rehefa miborosy nify fa tsy avela hikoriana fotsiny ;

-tatazana ny rano avy nanasana lamba ary azo ampiasaina anasana trano ;

-averina ampiasaina ny "sachet plastuque" fitaomana entana fa tsy hariana ;


Ohatra vitsy fotsiny ireo fa mbola maro ireo fietsika kely andavanandro miaro ny tontolo iainana azotsika ampiharina.

Iza amin'ireo izao no hataonao ? Iza amin'ireo no hitanao fa tokony hatao ? Ary inona ny fihetsika hafa fanaonao na hitanao fa tokony hatao mba hiarovana ny tontolo iainana ?
http://forum.serasera.org/media/images/m/5ba62be032c45eb854c347f44721708e.jpg
Valio | Miverina eny ambony
mbositra - 18/09/2018 17:37
Nareo izany tady hirevy delestazy an
http://forum.serasera.org/media/images/m/cfbff0059e6ed38fdc7f5368b8da8f60.jpg
Valio | Miverina eny ambony
VoaraRaz - 30/09/2018 04:50
Mitady hirevy delestazy ahoana moa hoy ianao ?
Valio | Miverina eny ambony