Gravy koa ity tononkira ity

1. Felantsoa14 ( 26/07/2018 01:25)
......


Tsy ninia mamitaka aho sanatria
Na hoe tsy ampy ahy ny iray f’aleoko roa
Fa nisy fitia iray tsy mbola hitako nandalo teo
Dia tsy fantatro fa lasany aho

Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
Nangatsiaka aho dia nantsoiny eo aminy
Sanatria tsy hoe tsy tia anao intsony aho dia nandeha
Nandeha aho dia niverina indray

......
(Rija Ramanantoanina)
novalian'i Rt.JOSVAH ny 13/08/2018 12:17
2. Haby ( 26/07/2018 10:23)

hihihi!!!! mety azo atao setriny ve ty hira ty

Toa nisopatra ny lahatra
Nanao izay nihaonako aminao
Naleoko mihitsy re tsy hary
Raha hijaly toy izao

Marobe ireo efa hitako
Tsy nampiraika ahy akory
Asa loatra fa ianao
Manjary tsy ahitako tory

Aza jery ahy intsony
Ireo masonao ireo
Ataovy koa izay tsy andrenesako
Andrenesako ilay feo

Ilay feonao malefaka iny
Tsy ho azoko androtsy ahy
Fa vao maika koa nandratra
Ny aty, foko sy fanahy

Aleoko izaho mandao anao
Any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo
Izany ratram-poko izany

Toy izay mahita akaiky
Nefa tsy afaka manantona
Ilay lapa soa anananao
Indro tsinjoko mikatona

Aleoko izaho mandao anao
Any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo
Izany ratram-poko izany
Toy izay mahita akaiky
Nefa tsy afaka manantona
Ny hany fantatro dia izao " tsy anjarako ianao "

LALATIANA "TSY ANJARAKO IANAO"

Felantsoa14:

......


Tsy ninia mamitaka aho sanatria
Na hoe tsy ampy ahy ny iray f’aleoko roa
Fa nisy fitia iray tsy mbola hitako nandalo teo
Dia tsy fantatro fa lasany aho

Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
Nangatsiaka aho dia nantsoiny eo aminy
Sanatria tsy hoe tsy tia anao intsony aho dia nandeha
Nandeha aho dia niverina indray

......
(Rija Ramanantoanina)
3. Felantsoa14 ( 28/07/2018 01:26)

Haby:


hihihi!!!! mety azo atao setriny ve ty hira ty

Toa nisopatra ny lahatra
Nanao izay nihaonako aminao
Naleoko mihitsy re tsy hary
Raha hijaly toy izao

Marobe ireo efa hitako
Tsy nampiraika ahy akory
Asa loatra fa ianao
Manjary tsy ahitako tory

Aza jery ahy intsony
Ireo masonao ireo
Ataovy koa izay tsy andrenesako
Andrenesako ilay feo

Ilay feonao malefaka iny
Tsy ho azoko androtsy ahy
Fa vao maika koa nandratra
Ny aty, foko sy fanahy

Aleoko izaho mandao anao
Any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo
Izany ratram-poko izany

Toy izay mahita akaiky
Nefa tsy afaka manantona
Ilay lapa soa anananao
Indro tsinjoko mikatona

Aleoko izaho mandao anao
Any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo
Izany ratram-poko izany
Toy izay mahita akaiky
Nefa tsy afaka manantona
Ny hany fantatro dia izao " tsy anjarako ianao "

LALATIANA "TSY ANJARAKO IANAO"



Mahafehy zava-maro ity hira ity. Mampiaiky ahy ny fahaizan'ny mpamprona tonon-kira. Toa hainy ny fiainanao.

Ny maha-hafa azy kely dia tsy noho ny fisarahana no nandehananay taty fa efa fikasana tanteraka saingy nifanojo @ ilay tantara niseho
4. mirananirina ( 13/08/2018 11:57)
Rehefa mahay mihira ny olona dia tsara dia tsara koa ny tononkirany, fa tsy sahala @ izao fotoana izao. Tsy misy dikany nefa dia be mpankafy satria misy fitombenana mihetsika miaraka aminy.
5. Rt.JOSVAH ( 13/08/2018 12:17)
marina mihitsy zany!.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3051