Anjara sa lahatra sa safidy? - Dinika forum.serasera.org
You are here: home > Forum

Anjara sa lahatra sa safidy?

Lohahevitra : Fitiavana
Fitohizan'ny hafatra : Anjara sa lahatra sa safidy?
Valiny : 9
nalsonrazakariasa2015 - 11/06/2018 19:24
Ahoana ny hevitrao anjara sa lahatra sa safidy ny fanambadiana?
Valio | Miverina eny ambony
fanaikyfenitra - 11/06/2018 22:43
Anjara ve?ekeko oe anjara satria izay rehetra lasa vady tsy ilay tena olona mamin'ny fo
Lahatra ve?ye lahatra koa satria na toy inon Fanirina
Hiaradalana rehf ts voalahtr oe miarak dia misarak ho azy
Safidy ve?indrisyyyy tsy safidy mints, raha mba afaka nisafidy tretrika avokoa ny olondrehetra.
Anjara ny fanambadiana ozy aho.
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 11/06/2018 23:46
Safidy ny fanambadiana; safidy sahala @ zava-drehetra @ fiainana ihany.

- safidinao ny hitia azy, ary safidiny ny hitia anao .. raha ny tokony ho izy: tsisy an-tery io. Ary TSY misy izany "être imazinera" any ho any izany, na hoe "pensée mazika" any ho any, ka hoe izany no nampiaraka anareo (t)ao, fa nareo roaroa dia ianareo roaroa ao ihany no erany

- safidinao ny hahatsara hatrany, hampamety hatrany ny fiarahanareo roaroa ao. Safidina(re)o ny hiezaka ao, safidina(re)o ny fanapaha-kevitra ny hirosoana sy hihemorana ao. Hadihadio sy halalino ny anton'ny hetsika rehetra fa "misy antony" io, fa tsy eo indray dia hoe, misy izany "être imazinera" izany any ho any, na hoe "pensée mazika" any ho any, ka ireo no nampi(s)araka anareo, fa dia tena nareo roaroa dia ianareo roaroa ao ihany no erany.


Matetika no rahefa tsy manana contrôle @ fiainana ao, rahefa TSy mahatakatra mandalina ny fandehan-javatra, dia mivaralila, ary dia mihevitra solution facile, na réponse facile, hoe, misy izany "être imazinera" izany any ho any, na hoe "pensée mazika" any ho any, ka izany no nitondra ny fi(s)ainanao ao.


Fa dia izay eee : nareo roaroa dia ianareo roaroa ao ihany no erany. Ary safidy io.
Valio | Miverina eny ambony
nalsonrazakariasa2015 - 12/06/2018 12:08
Koa mba manitikitika ny saiko ry ireto io ah?
Manontany tena mihitsy aho hoe iza amin'ireo, izy telo miaraka izany no izy?
Valio | Miverina eny ambony
booboo - 12/06/2018 17:49
Safidy ny fanambadiana, toy ny ataonao izao misafidy hiaraka amin'olona 3. Mety mana-talenta be resaka organisation n'ny fotoana angamba ianao :-D :-D :-D
Valio | Miverina eny ambony
Norohasina4 - 12/06/2018 18:48
Booboo:na hisafidy eo aza ianao rehefa ts anjara tsy tanteraka zany e, mety vita mariazy iany fa misaraka ravarava taona vitsy aty aorina satria tsy ilay anjaranao no nandrasanao fa ianao no nimolamola nisafidy, amiko mila angatahina @Andtra ny ho vady , , izy no manolotra izay anjara sahaza anao
Valio | Miverina eny ambony
mirananirina - 12/06/2018 20:48
Ny antsika anie finoana fotsiny ilay hoe izay anjara sy lahatra e. Safidy daholo raha tena izy, tsy misy olona tonga ho azy izany eo hoe ity vadinao. Na hoe i ranona no anjaranao. Dia rehefa mivady @ izay dia miteny hoe izay lahatra Andriamanitra e, izy no anjarako rehefa avy misafidy io hihi.
Valio | Miverina eny ambony
nalsonrazakariasa2015 - 13/06/2018 12:36
Misaotra betsaka ry ireto ah, mahafinaritra mihitsy ilay hevitra
Valio | Miverina eny ambony
Rt.JOSVAH - 13/08/2018 07:58
tahaka ny mividy voankazo io!. ny anjaranao efa ao saingy miankina @ safidinao no ahazoana ny tsara na ratsy ary Miankina amin'io ny lahatra hizoranao...
Ka mahaiza misafidy sy maka ny tsara
sao eny an-tanana vao anary ny anjara
ka ny lahatra no omena tsiny rehefa any afara!
Valio | Miverina eny ambony