Mitady tononkira sy Vidéo

1. radorabe06 ( 18/05/2018 13:54)
Mitady ny tonon'ny hiran'i Nanie misy hoe "Ny hiverina anefa, hifonako! Fa tsy misy fitia ho amin'izany intsony! ..." .. Dia raha misy vidéo na audio koa dia tena tsara fa tsy misy am internet... :-) Merci beaucoup d'avance ho an'izay mamaly!
2. hery ( 08/09/2018 17:33)
Inona tsara ny lohateny?
3. lakanyaina ( 25/01/2019 06:27)
zah koa mba tena mitady an'io mitsy fa na ny lohateny aza tsy haiko fa tohizako kely fotsiny io refrain io oe''..'.fa tsisy fitia amin'izany intsony,ny ho ahy hafa indray no hitolomako,ny herimpitia ho angoniko...
4. louvah34 ( 12/04/2019 20:41)
salam o !sw mb mis manan l hiran nanie le we ny hiverina anef ifonako f tsisy fitia ho amizany intsony...... !mer6
5. joarson2011 ( 27/04/2020 19:48)
de tena tsisy manana anio hira io mintsy ve tsika malagasy? Tena efa ela no nitadiavako anio hira io fa tsy mety hitako nefa ndraindray le izy henoko tampotampoka am radio refa any anaty bus
6. setrakwely ( 21/11/2023 19:36)
Ny talahonao dia nekeko
Ny fifonanao nohenoiko
Angamba efa ampy tokoa ireo
Ny adisoanao navelako
Ny adalanao nandeferako
Manantena aho fa ampy tokoa ireo

Ny hiverina nefa hifonako
Fa tsisy fitia ho an'izany intsony
Ny ho ahy hafa indray ny hitolomako
Ny herim-pitia nangoniko

Ny fifankahalalana tazomiko
Ny maha mpinamana arovako
Mino aho f'efa ampy tokoa ireo
Ny tanjona iza tsy niarahana
Tsy ataoko sakana, toy ny tsy misy
Mihevitra aho fa ampy tokoa ireo

Ny hiverina nefa...

Ny tanjona izay tsy niarahana
Tsy ataoko sakana, toy ny tsy misy
Mihevitra aho fa ampy tokoa ireo

Ny hiverina nefa...
7. setrakwely ( 21/11/2023 19:37)
Ny ho ahy (Nanie)
8. setrakwely ( 21/11/2023 19:40)
9. hery ( 21/11/2023 22:45)
https://tononkira.serasera.org/hira/nanie/ny-ho-ahy
10. joarson2011 ( 23/11/2023 11:44)
Tena misaotra sy mankasitra bedebe mintsy fa tena nisy namaly iany le izy ny farany. Tena efa ela mintsy no nitadiavako anio hira io. De misaotra ihany ko amle lien youtube io.
11. setrakwely ( 10/12/2023 11:10)
tsy misy fisaorana tompoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776