You are here: home > Forum

Fara-andro - 23 Aprily 2018

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Ary ny vy sy ny vato ve ry RBNIR, ao @ "siansa ara...
Valiny : 0
Pejy: Voalohany  < 3 4 5
rhaj0 - 23/05/2018 16:59
Ary ny vy sy ny vato ve ry RBNIR, ao @ "siansa arak'i RBNIR", dia mety ho gaz koa?
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 24/05/2018 10:06

rhaj0
Ary ny vy sy ny vato ve ry RBNIR, ao @ "siansa arak'i RBNIR", dia mety ho gaz koa?


Ny manampahaizana no miteny fa misy gaz mivoaka avy ao amin'ny trou noir

http://www.maxisciences.com/trou-noir/un-trou-noir-supermassif-libere-des-explosions-de-gaz-dans-une-galaxie-voisine_art36909.html
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 24/05/2018 12:36
hi hi hi... TSY takatr'i RBNIR ny fanontaniana. Aleo averina kely, amena chansa i RBNIR mba hikarokaroka kely indray :
Ary ny vy sy ny vato ve ry RBNIR, ao @ "siansa arak'i RBNIR", dia mety ho gaz koa?
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 24/05/2018 13:29
Kay I Jesosy nody maty fotsiny, dia rehefa nalevina izy dia nidina tany @ ireo lavaka nisy oranioma sy solika nandritra ny hateloana. Nony avy eo nampiasa iny tao ambany faladihan-kirarony ireo taharon-tsolika sy oranioma niakarany tany an-danitra.

Giravy aloha i Jesosy e

Fa izy koa nanao akanjo misy anti-freeze sy maska oksizena tsy hita maso. Ka tsy mba mangatsiaka sy afaka niaina tsara namakivaky iny habakabaka iny
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 25/05/2018 12:11
endriny : vatana vaovao no ampanantenaina ny olona amin'ny fitsanganan'ny maty (vatana tsy mety maty tsy mety lo), dia vatana io no nomena an'i Kristy ka inona moa no mahagaga raha niakatra Izy nefa tsy naninona???
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 25/05/2018 15:02
"vatana vaovao" ahoana ry RBNIR? Nefa anie, eraky ny sary, @ imazination be vatan'ny Kristiana, dia mbola ilay manao robe lava beige sy lava volo foana i Jesosy rehefa miverina iny HONO eee... Izy mitsikafona eny @ "rahon'ny Lanitra" izao, efa nisy "vavolombelona", fa tena mbola toa an'Izy original ihany HONO.
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 27/05/2018 12:28
« Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (1 Korintiana 15:51)
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Korintiana 15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Korintiana 15:53)
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 27/05/2018 12:42
ity vatana ity afaka hovain'Andriamanitra ao anatin'ny indray mipi maso......ekena fa vatana mbola nisy lavaka no hitan'ireo mpianatra nefa ny taorina kelin'ny niakarany tsy nisy nahafantatra.....azo antoka fa novaina indray mipi maso izy matoa tsy naninona niakatra namakivaky ny lanitra....
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 27/05/2018 15:21
Resa-jazan-garabola n'enao ry RBNIR. Hotsofina ny trompeta dia lasa katsaka ny voanjobory.
Hotsofina ny saxophone dia maninona koa? rovitra ny sofina?
efa lehilahilehibe ianao izao ry RBNIR fa tsy mandrevirevy an'izany intsony aaa...
Valio | Miverina eny ambony
Pejy: Voalohany  < 3 4 5