Ny Sex ao anaty Baiboly

1. rhaj0 ( 10/04/2018 12:55)
Naravin'ny mpandinika tato ny resaka sex ao anaty Baiboly. Misy teboka efa ho 254 ao.

http://skepticsannotatedbible.com/sex/long.html

Azo vabahana tsi11 dia mba amena fampianarana ho an'ny Kristiana (coincé), na koa ry MOpera ohatra.
novalian'i rhaj0 ny 15/05/2018 16:24
2. endriny ( 10/04/2018 13:36)
Ilay baibolinay ohatran'ny tsy misy an'ireo. Fa ny baibolin'ny Satana angamba no misy an'ireo a
3. rhaj0 ( 10/04/2018 13:55)
Alohan'ny hamahabahana ny resaka @ itsy pejy, dia tena mba tiako ho re kosa aloha hoe, ahoana ny Fampianara Ofisialy ny @ SEX ao @ Kristianisma.

Mba misy Kristiana tsara sitra-po ve eto, mba milazalaza sy manorotoro ny eto... toa ny hoe, ahoana ny "fampianarana SEX Kristiana" ny Ankizy ...
4. RBNIR ( 11/04/2018 06:24)
rhaj0:

Alohan'ny hamahabahana ny resaka @ itsy pejy, dia tena mba tiako ho re kosa aloha hoe, ahoana ny Fampianara Ofisialy ny @ SEX ao @ Kristianisma.

Mba misy Kristiana tsara sitra-po ve eto, mba milazalaza sy manorotoro ny eto... toa ny hoe, ahoana ny "fampianarana SEX Kristiana" ny Ankizy ...

Sarotra ity resaka ity satria misy zavatra tsy tokony hidirana mihitsy....(ary raha ny marina tokony tsy hotononina akory aza satria tsy mahamendrika ny manonona an'izany.....)

« Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, » (Efesiana 5:3)


kOA aza dia gaga ianao raha tsy hahazo olona amin'ity lohahevitra iray ity....

5. rhaj0 ( 11/04/2018 10:57)
RBNIR:
misy zavatra tsy tokony hidirana mihitsy....(ary raha ny marina tokony tsy hotononina akory aza...

hi hi hi.. f'angaha ho'a izay "zavatra" ao an-tsainao ao izao ry RBNIR tsy efa fantaNY, HONO, na dia TSY "hanonona" azany ianao aa...

Fa ny Baiboly koa anie azany efa "nanonona" (ankolaka), k'inona mampihanahana anao ao ee...

Ka mba jejojejo koa miresaka SEX eto ry RBNIR aa...
(Siansa TSY hainao akoriny azany hitingitinginanao, mainka fa..)
6. endriny ( 11/04/2018 12:17)
Ny ahy moa dia io efa nolazaiko io hoe: Ny baibolinay tompoko tsy misy an'ireo.

Mety misy ao fa rehefa mijery baiboly izahay dia entanin'ny Fanahy Masina ny famadihana ny pejy, ka tonga dia voadingana izay misy resaka vetaveta rehetra.

Fa ny zavatra sexy novakiako izao dia ilay nosoran'i Maria Magdalena menaka manitra I Jesosy no sady norohany ny avy eny amin'ny tongony. Izay aloha no voalaza, fa iza no nahita hoe ny tarehin'i Jesosy ve sa ny tanany sa ny vatany manontolo no nosorana menaka manitra.
7. rhaj0 ( 11/04/2018 13:58)
Tena lasa izao ve ilety? Tena azo hazavaina araka ny SEX ao anaty Biboly izao an...
Fa toa tena voahitsaky ny bus kosany izy @ farany k'le... Inona no dikan'izany??
8. endriny ( 11/04/2018 19:47)
Mitsangana amin'ny maty io izao rehefa alevina.
9. rhaj0 ( 12/04/2018 12:54)
Eny azany fa dia atomboko, milamina dia misesy.

I Adama sy Eva mianakavy

Genesis
1- "And Adam knew his wife; and she conceived." This is the first sexual intercourse mentioned in the Bible. 4:1
2- "And Cain knew his wife." That's nice, but where the hell did she come from? The Bible doesn't mention any of Cain's sisters. Well, maybe he married his mom. In any case, Cain and the mysterious Mrs. Cain have a son (another blue cigar!). His name is Enoch and he builds a city (population 3). 4:17



Mampome be ilay fitantarana ity tantara. Rehefa "manao firaisana" izany izy roaroa lehibe dia:
- Ny baiboly anglisy orijinaly izany dia mamely hoe, "Adam knew his wife"
- Dia nadikan'Andrinaivoravelona @ hoe, "Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny"
- fa efa nahitsin'ny Anglisy maoderina hoe, "Adam made love to his wife Eve"


Izay izany HONO ilay "code" ao @ Baiboly, araka ny fampianaran'i RBNIR @ ilay hoe, ahoana ny famaky Baiboly an...

Ka tandremo mampiasa io teny hoe "mahalala" io, fa ngo dia tonga dia voafetaka an..
Ohatra hoe, mba mikôzy amina sipa vao nihaona taminao ianao, dia hoe, "te-ahalala anao kokoa aho", fa dia ... harassement sekisoaly io an.

Fa sérieux kokoa: io izany izay "te-ahalala" rehetra dia ... moa tsy "te-hanao firaisana sekisoaly "foana no dikany, raha araka ny Baiboly an...

Ka @ io, ny Baiboly no obsédé sekisoaly sa ianao ?? Sampona eeee.....
10. endriny ( 12/04/2018 18:22)
Ary ilay hoe nalaina ny taola-tehezan'i Adama nanamboarana an'i Eva (Natory Adama tamin'io). Mety Code koa io. Fa iza koa no hanambady ny olona naterany raha tsy hoe olona tsy lojika angaha
11. rhaj0 ( 12/04/2018 20:16)
- Ka i Adama izany noforoniNY (avy t@ fotaka), fa tsisy "nahalala" (na "relasio sekisoaly")
- I Eva koa noforoniNY (avy t@ taola-tehezana), fa tsisy "nahalala" (na "relasio sekisoaly")
- I Kaina koa dia niteraka, fa eto kosany dia tsisy "nahalala" hoe iza no vadiny. ka dia mbola tsisy "relasio sekisoaly" koa teo izany.

- Dia i Jesosy koa noforoniny (comme ça tao ankibon'i Maria), fa tsisy "nahalala" (na "relasio sekisoaly")
- Dia mbola misy hafa koa ao @ Baiboly ao, noforoniNY comme ça tao ankibon'ilay vaviantitra izy teo, fa tsisy "nahalala" (na "relasio sekisoaly")


Hotry ny tsotsotra rahefa atao (na ampinoana) hoe tsisy "nahalala" (na "relasio sekisoaly"), @ izay tsisy mi-click (ireo mpino) dia mametraka fanontaniana hoe:
[size=15]ary toa incestueux izany tantara[/size]..
12. bichette ( 13/04/2018 09:57)
Voalohany indrindra aloha ny resaka seksoaly dia tsy zavatra ratsy raha ny tena izy. n
zavatra tsara matoa nataon'Andriamanitra. avy amin'ny firaisana ara nofo no hiforonan'ny zazakely, avy amin'ny firaisana ara nofo no nahamaro ny olona eto antany. izany hoe firaisana ara nofo no hi concever-na zazakely. zavatra tena tsara tokoa izany ary io firaisana ara nofo io no nofidin'Andriamanitra hamoronana olombelona avy amin'ny adama sy eva. donc zavatra tsara sady manome voninahitra an'Andriamanitra. Ary io dia TOKONY DANS LE MARIAGE IHANY. OUI IZAY IHANY.

ny zava misy anefa dia izao, ny olombelona lasa manao firaisana ara nofo tsy araka ny tokony ho izy. manao rapport sexuel illicite. tsy dans les normes an'Andriamanitra : FIRAISANA ARA NOFO EN DEHORS DU MARIAGE, fijangajangana sns. lasa miafina rehefa manao firaisana satria mahalala (any am subconscient) fa tsy mety ny atao, miafina sao misy mahita, sy mangalatra manao firaisana, ka any amin'ny takotakona no manao izany ;

Avy eo koa, satria mahalala (inconsciemment) fa tsy mety ny atao, lasa raha vao miresaka seksioaly dia tsy sahy satria mahatsiaro meloka sy enjehin'ny eritreritra ihany koa quelque part, tsy sahy mi aborder ny sujet. lasa zavatra TABOU ilay izy. ARY LASA RESAKA FADY MANDRAKA ANDROANY.

tokony ampianarina ny zatovo any ampiangonana ny risque na ara pahasalamana izany na ara panahy mba hiarovana azy.

rha mandinika ianareo, maro ny divorce sns amin'izao fotoana izao, ny Antony dia satria tsy araky ny normen'Andriamanitra ny fanambadiana. Nisy firaisana avant le mariage. c'est METTRE LA CHARRUE AVANT LES BOEUFS. Avy eo gaga hoe maninona no mikorontana ny tokatrano sns. Vokatry ny hadalan'ny olona ihany no mahasimba ny fiainany, ka avy eo Andriamanitra no omena tsiny sns.

Ny firaisana ara nofo, lasa nopotehin'ny satana ny FAHAMASINAN'izany. lasa nataony manao firaisana pornographique ny olona, manao sodomie sns. Nosimbain'i satana tanteraka anefa zavatra TSARA IZANY AMIN'ANDRIAMANITRA SATRIA IZAY NO MOYEN NOFIDIN'ANDRIAMANITRA HAMORONANA ZAZAKELY.

Fantaro re olona fa ny firaisana ara nofo anie ka : porte royale hidiran'ny devoly ao amin'ny olona iray raha hors norme ny fanaovana azy. misy olona niasana, noroahina devoly, fa raha manao firaisana ara nofo izy dia miverina daholo izay navoaka taminy satria PORTE ROYALE io firaisana ara nofo io. Ohatran'ny ranon'aina mifangaro, misy zavatra mifandray ao amin'ny lahy sy ny vavy, ny ara panahy koa, misy zavatra mifandray, mifindra ny fanahy.




13. rhaj0 ( 13/04/2018 12:18)
hono ho'a ry Bichette.. ianao ve mahita tsirony sy mahita fafiny rehefa "mahalala" sy "ampahalalaina"?

Satria mantsy:
- i Atra izay nanao ny zava-drehetra ihany no "namorona" io tsirony sy fafiny io, ary matoa mbola misy io h@ izao, dia satria "sitrapoNY" ary 'hitaNY fa tsara izany"
- Tsy i Satana sy ny porte royale mihintsy no namorona ny tsirony sy ny fafiny.


Ka averiko ny fanontaniana:
[size=15]ianao ve mahita tsirony sy mahita fafiny rehefa "mahalala"?[/size]

Ny fahitako azy mantsy,
- raha ENY, dia mety miova kely ny kabarinao io ambony io :-)
- raha TSIA indray moa, dia mety te-hampiova kely ny kabarinao io ambony io va re ianao?
14. rhaj0 ( 13/04/2018 15:29)
Jereo ange ny "fampianarana" ao @ Baiboly ry Bichette ee.. normal be mihintsy io f'aza réprimer-na eee... :-)

Raha viavy ianao :

Genesisy 39:6 (..) Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy. 7 Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.

Raha lahy ianao :

Deotoronomia 21: 11 ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina (...) 13 ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy hianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.



Ka averiko ny fanontaniana:
[size=15]ianao ve mahita tsirony sy mahita fafiny rehefa "mahalala"?[/size]

Ny fahitako azy mantsy,
- raha ENY, dia mety miova kely ny kabarinao io ambony io :-)
- raha TSIA indray moa, dia mety te-hampiova kely ny kabarinao io ambony io va re ianao?
15. endriny ( 16/04/2018 13:42)
2 Samoela 11: 2-4

2Rehefa harivariva ny andro, dia niarina avy tao am-pandrianany i Davida ka nandehandeha teo an-tampon’ny tranon’ny mpanjaka, ary avy teo izy no nahatazana+ vehivavy nandro. Tena tsara tarehy ilay vehivavy. 3 Dia naniraka olona i Davida hanadihady momba an-dravehivavy. Ary nisy niteny hoe: “Tsy io ve no Batseba+ zanakavavin’i Eliama, vadin’i Oria Hetita?” 4 Koa nampanalain’i Davida izy, ka tonga tao aminy. Ary nanao firaisana taminy i Davida, nefa mbola tao anatin’ny fotoana nidiovany tamin’ny fahalotoany ravehivavy tamin’izay. Ary lasa nody tany an-tranony izy avy eo.

Tsy vitan'ny hoe naolan'i Davida fotsiny I Batseba, fa novonoiny koa ny vadiny taty aorina. Narosony teny aloha tamin’ny ady mba ho faty.
Ary eto izany dia hitantsika tsara, fa sady niditra an-keriny tao an-tranon’olona I Davida, no nanao an-keriny an’ilay ramatoa mbola teo am-pandroana.

I Davida anefa no mpanjaka lehibe indrindra ary nipoiran'i Jesosy. Ary ny Kristianina sy ny Jiosy dia matimaty amin'i Davida Mpanjaka lehibe daholo.
I Davida anefa dia voafidin’Atra. Ka as ahoy aho raha ohatran’ny ahoana mihintsy izany Atra izany na ahoana. Fa mpanolana sy mpandringana no nataony Mpanjaka lehibe.
Ka eto aho izany dia mitodika amin’i
Rhaj0:
hoe: aza gaga ianao raha mpanolana ny Pretra, satria izay no nifidianan’Atra azy
16. rhaj0 ( 16/04/2018 15:27)
dia taiza tokoany moa ho'a zareo Pretra (sasany) nanolana Ankizy no maka inspiration fa tsy ao @ Baiboly ao ihany.

Fa lozabe kokoa tokoany an..
Dia toa "izay fomba sy toetrany izay tokoany no nifidianan'Atra azy ireo" ho ... olombe sy ol0-masina sns.. an...

Loz'ty.
17. bichette ( 17/04/2018 09:23)

rhaj0:

hono ho'a ry Bichette.. ianao ve mahita tsirony sy mahita fafiny rehefa "mahalala" sy "ampahalalaina"?

Satria mantsy:
- i Atra izay nanao ny zava-drehetra ihany no "namorona" io tsirony sy fafiny io, ary matoa mbola misy io h@ izao, dia satria "sitrapoNY" ary 'hitaNY fa tsara izany"
- Tsy i Satana sy ny porte royale mihintsy no namorona ny tsirony sy ny fafiny.


Ka averiko ny fanontaniana:
[size=15]ianao ve mahita tsirony sy mahita fafiny rehefa "mahalala"?[/size]

Ny fahitako azy mantsy,
- raha ENY, dia mety miova kely ny kabarinao io ambony io :-)
- raha TSIA indray moa, dia mety te-hampiova kely ny kabarinao io ambony io va re ianao?



tsy miova ny zavatra lazaiko ! ny rapport sexuel anie dia misy fahafinaretana, ny orgasme sy ny jouissance sns, dia Andriamanitra no nanisy an'io teo amin'ny olombelona ary hitan'Andriamanitra fa tsara sy ilain'ny olombelona izany. tsy fahotana mihitsy io. izay aloha dia mazava tsara.
ny fanaovana firaisana en dehors ny mariage no tsy mety. c'est tout.
tsy miova mihitsy ny zavatra teneniko etsy ambony.

ilay acte sexuel en dehors du mariage no lasa fahotana en dehors du mariage. ny mi jouir sns tsy fahotana mihitsy io. ary ilay ACTE SEXUEL HORS MARIAGE NO LASA PORTE ROYALE.
18. rhaj0 ( 17/04/2018 10:31)
Eka rô... Ka notsongotsongoina ihany aloha ny @ "fafiny sy tsirony", azony matetika loatra mantsy, ireo TSY mahita fafiny sy tsirony, noho ny antony samy hafa, ireny olona ireny no sakay kely rano @ resaka seksa.

Fa dia ilay "hors mariage" izany no tena mampasiaka be an'I Bichette eto io. Dia hoe,
- TSy mahazo "mahalala" alohan'ny mariazy?
- TSY mahazo "mahalala" olon-kafa mandritra ny mariazy?
- TSY mahazo "mahalala" aoriana, raha sanatria maty vady tanora?

Nefa anie, firifiry ny "fampianarana" ao @ Baiboly ao, firifiry ny olombe hendry sy tokin'Atra ao, im-piry kely ireo no "mahalala" ivelan'ny mariazy, ary tantaraina sy ankalazaina ao @ Baiboly ao eee... Izaho foana indray ve no andrasanao hanao ampamoaka ny @ izany eto? Iana(re)o anie supposé mahay io Baiboly io tsianjery h@ point sy virgule eee....

Dia inona no dia mampasiaka beuh anao eo re ry Bichette??? Fa dia maninona na nisy inona loatrany azany izy tao eee?
19. endriny ( 17/04/2018 12:29)

bichette:

ny rapport sexuel anie dia misy fahafinaretana, ny orgasme sy ny jouissance sns, dia Andriamanitra no nanisy an'io teo amin'ny olombelona ary hitan'Andriamanitra fa tsara sy ilain'ny olombelona izany. tsy fahotana mihitsy io. izay aloha dia mazava tsara.
ny fanaovana firaisana en dehors ny mariage no tsy mety. c'est tout.
tsy miova mihitsy ny zavatra teneniko etsy ambony.

ilay acte sexuel en dehors du mariage no lasa fahotana en dehors du mariage.


1) Taiza tao anaty baiboly indray re ry lanitra no nisy Atra nanisy Orgasme sy Jouissance ho an'ny olombelona e? Genesisy took faha firy indray io?

Satria raha izay no marina tokony tsy hihenjy ilay kisoavavinay lonaka, fa ny olona ihany?

Dia variana aho marina moa o

2) Ny firaisana ivelan'ny mariazy dia fahotana Mba farito aloha hoe: Nanomboka oviana tao amin'ny baiboly tokoa moa no nisy ny mariazy? Sa ilay hoe fampakarana no atao hoe Mariazy?

Satria raha ilay fampakarana no atao hoe Mariazy: dia ohatran'ny mampaka-bady rehetra izany, atao ny fomba sy ny vodiondry dia milamina. Tsy mila nentina tany anaty sinagaoga na nomen'ny Fariseo tso-drano. Fa izy mianakavy ihany no mifampakatra sy mifanome voninahitra dia milamina ny tany.
20. endriny ( 17/04/2018 12:58)
Ao amin'ny Deteraonaomia 22: 13 aza dia milaza mazava, ny ohatra iray momba ny lehilahy efa nandeha tamin'ny vehivavy nampakariny talohan'ny fampakarana. Ka rehefa tonga indray ny fampakarana dia nalan'ilay lehilahy Baraka Ra-vehivavy fa tsy virjiny intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.13