Ny siansa arak'i RBNIR

41. RBNIR ( 06/04/2018 14:32)
tsy adinon'Andriamanitra akory anefa izireo.....

42. mbamisera ( 06/04/2018 15:04)

RBNIR - 06/04/2018 13:12

mbamisera

Amiko manokana tsy dia hitako loatra ny hidiran'ny resaka manao hoe: "mino ny teoria big bang sy teorie d'évolution".

Amiko, mamaky aho ary mamakafaka, inona no azo raisina, inona no tsy azo raisina, inona no mahasoa, inona no tsy mahasoa sns... fa tsy dia misy idiran'ny finoana teoria big bang sy évolution. Amiko manokana izay...

Tena misy mbamisera ohatra fotsiny ity point faharoa ity...

The Genesis 1 creation account conflicts with the order of events that are known to science. In Genesis, the earth is created before light and stars, birds and whales before reptiles and insects, and flowering plants before any animals. The order of events known from science is just the opposite. 1:1-2:3

Deduction notsohahan'ilay olona io satria izy dia mino fa marina ny teorie bing bang sy ny teorie d'evolution napetraky ny siansa ankehitriny.....

Aza dia mifantoka be loatra @ ordre chronologique momba ny création ianao ry RBNIR...

Mahatsiaro ny resabe momban'ny siansa sy ny fivavahana aho tamin'ny fotoan'andro niainan'i Gallilé raha nilaza izy fa boribory ny tany ary mihodidina ny masoandro ary ny masoandro tsy mihetsika. NISAFOAKA NY EGLIZY TAMIN'IZANY FA TSY AO ANATY GENESISY IO RESAKA IO TANY BORIBORY MIHODINA IO... Kinanjo voaporofa fa hay tena marina ilay resaka taty aorina
43. rhaj0 ( 06/04/2018 15:06)
Ka "tsy tena sambatra" izany HONO ireo mbola "mitady porofo" any @ izay alehany, hoy RBNIR, fa "tsy adinon'Atra" kosa hono zareo na izany aza.

Ny fahitako azy izany :

1- i RBNIR dia "TSY tena sambatra", satria dia mbola io lasa gaigy eraky ny serasera eto io, mitady hanaporofo ny tsy mila porofoina (vao ekena) io. Vaky loha mitady ny "hanaporofo" ny "kintana-mirarak'i-Jesosy" ny anao lahy.

2- ary i RBNIR, satria mbola io "mitady porofo" lava io, dia io sirika be io fa lasa anxieux, ary saika hysterique gaigy eraky ny serasera io ho'a, fa ngo dia "hadinon'Atra" HONO an... Ny namany (Gasy1zay) anefa miresaka zavatra hafa ary efa vonona, ny sasany (Bor2lais) efa any @ 3eme etage efa salanitra, ny an'i RBNIR dia izao robe lava fotsy izao no tsy amelany raha tsy tsara pasoka ao HONO, izao vodin-drameva izao no hamakiany loha.

3- dia io misavisavika ny Siansa, izay miorina @ "porofo" io i RBNIR. TSY hita intsony ilay "mino-manaiky-tsisy-porofo" ao @ RBNIR.
Saingy, toa ny fanaony @ BAiboly ihany, dia itsindrotsindrohany resaka, dia aholakolany hifanitsy @ saina primitivan-dRBNIR daholo, na siansa io ny resaka, na baiboly.
44. endriny ( 06/04/2018 18:18)

RBNIR:

endriny:

Ary no anazavan’ny Baiboly ny hoe: Sela mitovy ihany ny an’ny olombelona sy ny kisoa, Kanefa tamin’ny fomba samy hafa no nanamboaran’Atra ny olona sy ny kisoa.

Ny biby tsy nomena fanahy, fa aina sy tena (nofo) ihany, fa ny olona no nomena fanahy (aina + tena (nofo) + fanahy).....

Izay no nahatonga an'ity teny ity..« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)

Ny olona maty fanahy no lasa mitovy amin'ny biby (hoy ny baiboly ) « Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra* azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra] » (Mpitoriteny 3:18)

Raha ny tenantsika ihany dia mitovy amin'ny biby isika (mila velomina ny fanahy ao anaty ao)...

Ny fanahy no hahafahan'ny olona iray mifandray amin'Andriamanitra, ny olona mpivavaka no mamelona ny fanahy (mifandray amin'Andriamanitra) ny olona tsy mpivavaka kosa no maty fanahy...tahaka ireo biby (izay no mahatonga ny biby tsy mivavaka) tsy nomena azy ny singa ahafahany mifandray amin'Andriamanitra....

Misy koa olona minia mamono ny fanahiny (minia tsy mahafantatra an'Andriamanitra).......

Avy indray ry RBNIR sy ilay mamoromporona.

Taiza tao amin’ny famorononana (Genesisy) indray no nisy nilaza fa nomen’Atra Fanahy ny olona?

Aza mba mandainga moa e. Kristianina ny tena.
45. rhaj0 ( 08/04/2018 19:59)
RBNIR:
9 Deutéronome 23:13 Il faudra qu’un piquet soit à ta disposition dans ton équipement*, et voici ce qui devra arriver : quand tu t’accroupiras dehors, alors tu devras creuser un trou avec lui, puis te retourner et recouvrir tes excréments.

Andriamanitra dia nampianatra ny olona :
- tsy hampihanaka ny excréments......

Dia inty koa fampianaran'izao Andrmntr'i Deutéronome sy RBNIR izao:

Deutéronome 25:11 Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin'ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tànan'ilay mamely azy sy maninjitra ny tànany mandray ankasarotana an'itsy mpamono, 12 dia tapaho ny tànany, aza miantra maso azy akory.

hi hi hi.. hoe, izy mitsam no miady, fa raha poretin-dramatoa ny voan'ilay mpamono izay fahavalo teo, dia tena tapaho ny tànan-(dramatoa), aza miantra maso azy akory..

ny voan-batorin'ilay mpamono anao izany no misy valeur-ny kokoa
noho ny tanan'ivadinao izay niezaka hamonjy anao!!!

mouah ha ha... bravo RBNIR!!! hanaovy film mihintsy io "fampianarana izao alahady izao" io eee....
:-)
46. rhaj0 ( 08/04/2018 20:01)
mouah ha ha.. efa vita bande dessinée.. :-)
47. RBNIR ( 09/04/2018 05:42)
mbamisera:

Aza dia mifantoka be loatra @ ordre chronologique momba ny création ianao ry RBNIR...

Mahatsiaro ny resabe momban'ny siansa sy ny fivavahana aho tamin'ny fotoan'andro niainan'i Gallilé raha nilaza izy fa boribory ny tany ary mihodidina ny masoandro ary ny masoandro tsy mihetsika. NISAFOAKA NY EGLIZY TAMIN'IZANY FA TSY AO ANATY GENESISY IO RESAKA IO TANY BORIBORY MIHODINA IO... Kinanjo voaporofa fa hay tena marina ilay resaka taty aorina

Averiko hatrany namana mbamisera fa izao tsy manisy olana ny teoria hitan'ny siansa anankiray RAHA OHATRA KA VOAPOROFO ilay izy, fa raha TSY VOAPOROFO kosa na koa teoria MISAVOANA (vinavina fotsiny ny zavatra mety nitranga il y a des milliards d'années) dia tsy afaka ny handray izany ny tenako....satria rehefa miaraka amin'Andriamanitra dia tsy maintsy zavatra MARINA sy voaporofo ihany no azo ekena namana...
48. RBNIR ( 09/04/2018 05:47)
endriny:

Avy indray ry RBNIR sy ilay mamoromporona.

Taiza tao amin’ny famorononana (Genesisy) indray no nisy nilaza fa nomen’Atra Fanahy ny olona?

Aza mba mandainga moa e. Kristianina ny tena.

Vao miandoha ny baiboly (genesisy) dia efa voaavaka ny olona ratsy fanahy sy ny tsara fanahy...

Raha tsy nisy ny fanahy tsy nisy ny teny hoe ratsy na tsara fanahy....

« Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah. » (Genesisy 13:13)
« Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. » (Genesisy 25:27)
49. RBNIR ( 09/04/2018 06:01)

rhaj0:

RBNIR:
9 Deutéronome 23:13 Il faudra qu’un piquet soit à ta disposition dans ton équipement*, et voici ce qui devra arriver : quand tu t’accroupiras dehors, alors tu devras creuser un trou avec lui, puis te retourner et recouvrir tes excréments.

Andriamanitra dia nampianatra ny olona :
- tsy hampihanaka ny excréments......

Dia inty koa fampianaran'izao Andrmntr'i Deutéronome sy RBNIR izao:

Deutéronome 25:11 Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin'ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tànan'ilay mamely azy sy maninjitra ny tànany mandray ankasarotana an'itsy mpamono, 12 dia tapaho ny tànany, aza miantra maso azy akory.

hi hi hi.. hoe, izy mitsam no miady, fa raha poretin-dramatoa ny voan'ilay mpamono izay fahavalo teo, dia tena tapaho ny tànan-(dramatoa), aza miantra maso azy akory..

ny voan-batorin'ilay mpamono anao izany no misy valeur-ny kokoa
noho ny tanan'ivadinao izay niezaka hamonjy anao!!!

mouah ha ha... bravo RBNIR!!! hanaovy film mihintsy io "fampianarana izao alahady izao" io eee....
:-)

Manomboka tsy mahita lohahevitra siansa intsony angah i rhajo izany dia mihezaka ny manaratsy endrika ny baiboly amin'ny teny hafa????
50. RBNIR ( 09/04/2018 06:11)
P.S : tsy anjaran'ny olona (noforonina) ny mitsara an'Andriamanitra (mpamorina) ny amin'ny teny izay nomeny hotandremana,

Tahaka ny hoe tsy anjaran'ny biby no handeha hanome tsiny ny olona hoe nahoana ianareo olombelona no manandevo sy mihinana anay????

Ordre naturel des choses izany, raha ny biby no mi-revolte satria tsy hanaiky ny fanapahan'ny olona izy dia tsy normal izany,

Dia toy izany koa raha ireo zavatra noforonina no mirevolte satria tsy manaiky ny didy napetraky ny mpamorona azy izy dia tsy normal izany

ANARCHIE angamba no azo ambara aminy.....

Io no nahadiso an'i satana (tsy nanaiky intsony ny fifehezan'Andriamanitra dia nitondra ny namany hikomy)....
51. RBNIR ( 09/04/2018 06:40)
Fa hotohizako ny fanazavana an'ilay rohy nomen'i rhajo

466 The seventh vial: voices, thunders, lightnings, earthquakes, hail. 16:17-21

« Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita. » (Apokalypsy 16:17)
« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. » (Apokalypsy 16:19)
« Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. » (Apokalypsy 16:20)
« Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany. » (Apokalypsy 16:21)

Hoy aho nanazava an'io tany amin'ny resaka trou noir hoe : rehefa akaiky ho tonga ety akaikin'ny tany mihitsy ilay trou noir no hitranga io,
Hisy fiatraikany amin'ny atmosphère (rivotra no hanambaran'ny baiboly azy eto) misy antsika ny fiavian'ilay trou noir.. Hisy fiatraikany amin'ny champs magnetique dia hanjary hisy tselatra sy kotrobaratra (ireny ilay hoe helatra sy feo ary kotrokorana) dia hisy horohorontany mafy koa rehefa tena akaiky ilay trou noir....

Quand la Terre serait assez proche, son atmosphère elle-même serait arrachée par le trou noir, avant qu'il n'avale la planète entière, morceau par morceau. Un cataclysme qui provoquerait de terribles tremblements de terre et l'apparition de super-volcans.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Eta tena akaiky ny farany matoa misy izany (vakio fa hoy ny teny ao amin'ny apok.16:17 hoe VITA!!!!

52. rhaj0 ( 09/04/2018 11:06)
RBNIR:
9 Deutéronome 23:13 Il faudra qu’un piquet soit à ta disposition dans ton équipement*, et voici ce qui devra arriver : quand tu t’accroupiras dehors, alors tu devras creuser un trou avec lui, puis te retourner et recouvrir tes excréments.

Andriamanitra dia nampianatra ny olona :
- tsy hampihanaka ny excréments......
rhaj0:
Dia inty koa fampianaran'izao Andrmntr'i Deutéronome sy RBNIR izao:

Deutéronome 25:11 Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin'ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tànan'ilay mamely azy sy maninjitra ny tànany mandray ankasarotana an'itsy mpamono, 12 dia tapaho ny tànany, aza miantra maso azy akory.

ny voan-batorin'ilay mpamono anao izany no misy valeur-ny kokoa
noho ny tanan'ivadinao izay niezaka hamonjy anao!!!
RBNIR:
...manaratsy endrika ny baiboly amin'ny teny hafa????

1- @ "teny hafa" ahoana ry RBNIR? Ianao io indrindra no mampiasa "teny frantsay".

2- "manaratsy" @ ahoana ry RBNIR? Tena torolalan'ny Andmntr'i Deotoronomia sy RBNIR izay notaterin'ny Baiboly no averina f'angaha nisy namoromporona (toa ny fanaon-dRBNIR) teo?

Fa dia, araka ny fataonao eto ry RBNIR, dia amafiso "ara-tsiansa", na arak'i RBNIR, eto izany fa hoe, na dia mety ho fomba mahomby @ ady an-tsena azany ny "manaporitra voa-batory", dia "tanana tapaka" no mendrika an'izany, satria ny voa-batorin'ny fahavalonao, dia manan-danja kokoa noho ny tanan'Ivadinao.

53. RBNIR ( 09/04/2018 11:18)

Manomboka mivoraka ange isika izany rhajo e! mazava ny ahy misy hifandraisany amin'ny siansa, tamin'izany Andriamanitra dia efa nampianatra fa raha miparitaka io excréments io dia tsy mety, ny antsika amin'izao fotoana izao vao dradradraina sy voizina eraky ny haino amanjery izany.....satria manaparitaka mikroba, sns.....

Ny anao kosa indray dia mazava : tsy mahita resaka siansa intsony ianao dia ampidirinao io resaka iray io.....
54. rhaj0 ( 09/04/2018 11:43)
fa "siansa sosialy" angaha tsy siansa aminareo ry RBNIR aa???

Misy "siansa medisinal" koa io ee... Hoe marary ary tena mila tandrovina toa ny anakandriamaso tokoany ve ny voa-batory? Na dia voa-batorin'ny fahavalonao azany? Ka ara-kitsiny raha arovana?

RBNIR:
Manomboka mivoraka ange isika izany...

mouah ha ha.. bravo RBNIR.. tonga saina ihany ny anao lahy fa "mivoraka" i Deotoronomia :-)

Fa manjabe kosany ilay prise nataon-dramatoa @ sary an... tonga dia tratra ny voa-batory :-)
55. RBNIR ( 09/04/2018 11:43)
Raha izaho izao no eo amin'ny toeran'i rhajo mangovitra aho , hoe zavatra tahaka an'izany aza nanapahana tanan'olona ka maika ianao sy endriny maniratsira lava eto io???? manao tsinontsinona sy manao blasphemie isan'andro vaky izao???? Tsy aleko mangina???
56. RBNIR ( 09/04/2018 11:52)
Ny fiovana aloha dia izao, ireo lalàna ateraky ny fandikan-dalàna (fitorahambato raha manota, io hitanao eo ambony eo io sns....) dia efa nofoanan'i Jesosy taty amin'ny fanekena vaovao....

57. endriny ( 09/04/2018 12:09)

RBNIR:

endriny:

Avy indray ry RBNIR sy ilay mamoromporona.

Taiza tao amin’ny famorononana (Genesisy) indray no nisy nilaza fa nomen’Atra Fanahy ny olona?

Aza mba mandainga moa e. Kristianina ny tena.

Vao miandoha ny baiboly (genesisy) dia efa voaavaka ny olona ratsy fanahy sy ny tsara fanahy...

Raha tsy nisy ny fanahy tsy nisy ny teny hoe ratsy na tsara fanahy....

« Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah. » (Genesisy 13:13)
« Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. » (Genesisy 25:27)

Vao niandoha re ny baiboly ry RBNIR dia Genesisy took 1 sy faha 2 no nanamboarana izao tontolo izao a. Tsy misy olona afa tsy 1 aloha lehilahy, izay vao nasiana olona faha 2 vehivavy.

Ny tsara fanahy dia hoe tsara toetra
Ny ratsy fanahy dia hoe ratsy toetra.

ary ny TOETRA dia avy amin'ny fifehezan-tenan'ny tsirairay sy ny hormone ao anatiny, fa tsy hoe nomen'Atra

Sa aminao izany ireo atao hoe ratsy fanahy dia efa nomen'Atra fanahy ratsy tamin'izy vao notorotoronina
58. rhaj0 ( 09/04/2018 12:17)
Mampome be mihintsy anie ilay Deotornomia, izay "mivoraka" hozy RBNIR izay.. Aiza nama koa, ny voa-batory koa dia lazainy fa "parties honteuses". Koa na i Andrianaivoravelona azany mba tonga saina dia nampiasa teny hafa raha nandika izany.

Fa raha mieritreritra tsara ianao ry RBNIR, dia TSY raisina ara-baki-teny io tantara io, ka hoe, ady an-tsena no nataon'izy telo ireo, fa kisarisarin-tantara io eee... RAha mba mieritra aho izao, dia hoe, aiza no mety hisy roa lahy + iray vavy "mitolona" izany, dia mifampipendaka voa-batory izany?
Aiza no misy manao an'izany ry RBNIR? Eritrereto tsara ao, dia mba valio eto ee...
TEna mba mitalaho aminao RBNIR hanome valiny aho, hoe inona ny kisarintsarin-tantara io :-)
59. RBNIR ( 09/04/2018 13:26)
Raha vakiana ilay deotoronomia 25 iray manontolo dia hita fa marina ny fitsarana rehetra ao....

Manana heviny hafa tokoa io : (tsy tia angaredona Andriamanitra) indrindra moa ka olona mpanao coup bas (traitrise)....

Combat equitable no ankasitrahany...
60. RBNIR ( 09/04/2018 13:43)
satria précisé tsara mihitsy eny ampiandohana fa olona miady no resaka eto.......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844