taom baovao malagasy 17 martsa sy 18 martsa 2018

1. sahia ( 16/03/2018 10:10)
Misy affichage tazako izay mikasika an' izy io mirakitra ny fandaharam- potoana eo Mahamasina, nanintona ny masoko ilay hoe 'tsimandrimandry'--> fomba tsy maintsy atao ve io rehefa taom-baovao malagasy, dia mba aiza ho aiza izany ilay hoe FAHENDRENA MALAGASY raha izao karazan'olona tsy fantatra izao no mifandimby miaraka mandry ao?? Sa izaho no tsy mahazo ilay dikan'io teny io. Ny vokatr'izay mantsy dia ny VOHOKA (tsy misy Ray ny zaza aveo), ny ARETINA (tsy fantatra ny fahasalaman'ilay partenaire). Sao misy afaka manome fanampim-panazavana mikasika izay azafady ianareo.
novalian'i endriny ny 20/03/2018 17:56
2. stahtam ( 16/03/2018 12:33)
Ilay fahendrena mihitsy no tokony ho fantatrao hoe: t@ izany fotoana izany dia izay no fahendrena. Dia izay no fahendrena @ mpitazona io fomba io. Ry Rakoto David angamba mahay manazava an'izany misimisy kokoa. Isika Malagasy dia efa nandray kolontsaina maro noho ny fifaneraserana efa nisy hatrizay (Kristianisma, Silamo, finoana hafa, athés...) dia ireny no lasa base de référence ahdrefesana ny hoe fahendrena fa tsy azo boriboriana hoe iray ihany ny fahendrena malagasy. Izay no fahitako azy.
3. rhaj0 ( 16/03/2018 17:12)
Hanao ilay hoe "lapabe" ve zareo izany ry Sahia? hoe tena "orgie" gasy ee...

Ny sivilizasiona isan-karazany tokoany anie toa mitia "orgie" izany daholo ee.. na ny Romana na ny Grika.. na koa ny Indiana sy ny Kama Sutra ve tsy ao koa?
Maninona tokoany moa no lasa TSY lamaody intsony izany ee??? :-)

Ny Japs hono izao no mitana ny record du monde maoderina @ izy io. Sa hoax ity??
http://www.lesaviezvous.net/loisirs/records/le-japon-a-organise-la-plus-grande-orgie-au-monde-avec-la-participation-de-500-personnes-2.html

4. endriny ( 20/03/2018 17:56)
Ny fikan’ilay Tsimandrimandry izany no manahirana ny olona. Fotoana tsy atoriana io, na iaretan-tory, fa tsy hoe fotoana fanaovana Firaisana akory na valabe.

Ny mahavariana dia ilay fomba valabe isafidianan’ny vehivavy izay lehilahy tiany iarahana tamin’ny andron’i Ranavalona 1 no tadidin’ny olona fa tsy ny Tena Alahamady akory.

Ary raha miteny hoe Alahamady aza dia toa resaka voretra no atsidika an-dohan’ny olona fa tsy ilay fototra iorenany. Ny antony dia mba animbana ny maha-Malagasy. Izay toa hoe fomban’i Satana hono e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1794