Inona aby ny sitrapo sy sitrak'Andmntra - ary inona aby no TSY izy

41. rhaj0 ( 09/03/2018 20:39)
ka aiza azany ny niveau an'ny finoanao ao ry Gasy1zay aa... Atambaro ny isa mifandraika @ inoanao ao dia ndao iaraha-mandinika eee...

10- pere noel
9- matoatoa
8- chérubin
7- IZZY no nametaka punaise-masoandro teo @ toile-n'ny lanitra
6- IZZY no nahavita ity fotaka+fofon'aina = olona+fanahy
5- bibilava miteny, mampihinkinam-poama, fa nihinan'ny apaomany daholo ny taranaka nifandimby
4- IZZY no nahavita ity fotaka+rora = sitrana ny jamba
3- (nilaozaNY) "niondrika teo an-doham-pandriana" (fa tsy ny mahantra/ory/marary no vonjeNY)
2- rehefa tsara ny an'ny tena dia IZZY, rehefa ratsy ny an'ny tena (fa tsara ny an'ny hafa) dia tsy IZZY
1- rehefa tsy takan'ny hoza-doha dia IZZY izay
0- Imazination daholo izany IZZY izany


Ohatra izany ny ahy, dia ny niveau-n'ny finoako, salanisa = 0 sur 55
(tsy mino an'ireo rehetra ireo aho)

Ohatra ny an'i Gasy1zay, ahitsio raha diso, dia
salan'isa = 9 + 8 + 7 + 6 + 5 + 3 + 2 + 1 = 41 sur 55.

hi hi hi... matanjaka mahery i Gasy1zay an :-)
42. bichette ( 17/04/2018 09:49)
Ny hoe sitrapon'Andriamanitra ve sa tsy sitrapony, raha efa fantatra tsara zao fa tsy tsara ho an'ny fahasalamana ny mihinana menaka be diso tafahoatra, anefa ilay olona mbola tena mihinana be ihany, avy eo tsentsina ny lalan-drà, tsy azo lazaina hoe sitrapon'Andriamanitra fa choix n'ilay olona ny mbola nihinana menaka diso tafahoatra anefa en connaissance de cause hoe tsy mahasalama ilay izy. Tsy azo lazaina mihitsy hoe sitrapon'Andriamanitra fa adalàn'ilay olona.

43. rhaj0 ( 17/04/2018 12:17)
Toa SITRAKY NY SAINAO na TSY sitraky ny sainao no lazainao fa (tsy) sitrapon'Atra ry Bichette.
- Rehefa mba takatrao ny anton'ny zavatra misy eo, dia faritanao ho TSY sitrapon'Atra.
- Fa rehefa TSY fantatrao kosany, dia tonga dia akapokao ho sitrak'Atra.

Eritrereto tsara ao anie io ee.. amoahy ohatra mihintsy, dia ianao ihany dia ahatakatra an'izany.
44. endriny ( 17/04/2018 13:07)

bichette:

Ny hoe sitrapon'Andriamanitra ve sa tsy sitrapony, raha efa fantatra tsara zao fa tsy tsara ho an'ny fahasalamana ny mihinana menaka be diso tafahoatra, anefa ilay olona mbola tena mihinana be ihany, avy eo tsentsina ny lalan-drà, tsy azo lazaina hoe sitrapon'Andriamanitra fa choix n'ilay olona ny mbola nihinana menaka diso tafahoatra anefa en connaissance de cause hoe tsy mahasalama ilay izy. Tsy azo lazaina mihitsy hoe sitrapon'Andriamanitra fa adalàn'ilay olona.




Ihihihihi, lamaody eto Madagasikara aza ny hoe manana zaza dongadonga sy be takolaka.

Dia ny an'ny Karana hoe manana vady botrefona be.

raha mba manam-bola dia mividy hena kisoa matavy sy trafon-kena, na saosisy matavitavy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1673