Ny Lakile-n'ny Fahasambarana

41. endriny ( 26/02/2018 14:30)
Ny fahasambarana dia avy aminao irery ihany fa tsy iandrasana ny manodidina anao akory.

Ny an'ny mpisotro toaka: I Tavoahangy malala tsy mba miala, na andro manjombona ...

Iray vera maraina dia efa mahasambatra azy. Fa ny an'i ... tsy sambatra raha tsy mividy 4x4

Ny an'i...tsy mety sambatra mihintsy fa any an-danitra no valisoa ho azy
42. rhaj0 ( 26/02/2018 15:01)
Dia ho an-dry hotran'i Gasy1zay, dia i Andmtnra daholo HONO no NANOME, na Tavoaangy na 4x4, na io "fiadanana, fahasalamana, asa tsara" an'i Gasy1zay io.
43. gasy1zay ( 26/02/2018 15:44)

rhaj0:

Dia ho an-dry hotran'i Gasy1zay, dia i Andmtnra daholo HONO no NANOME, na Tavoaangy na 4x4, na io "fiadanana, fahasalamana, asa tsara" an'i Gasy1zay io.


Taiza ndray ary aho no nilaza hoe avy amin'Andriamanitra "DAOLY" zany? Ny toaka ve dia avy aminy? Efa nambarako koa fa ny 4x4 mety haitraitra raha lalana tsy mikotoatoana akory ny andehananao isan'andro, ny omeny anao dia ny sahaza anao, mety 4x4, mety familiale, mety ilay tsy mandany lasantsy etc... Fa tsy hoe Mailhol manana hummer dia ...fa ny an'Andriamanitra dia hoe inona no mety aminao sy mahasoa anao, sao dia lasa mirehareha ianao na hoe lasa miteraka fialonana hoan'ny sasany.
44. rhaj0 ( 26/02/2018 15:53)
Ianao angamba no TSY nampazahoan'Andmntra 4x4 sy Toaka, fa raha ireo no "FIadanana" sy "fahasambarana", ary "mety aminao sy mahasoa ana", koa dia tsy azo ihodivirana, fa avy @ Andmntra DAHOLO izany eee..
45. mirananirina ( 26/02/2018 15:56)

endriny:

mirananirina:

Asa aloha fa akamarontsika Malagasy anie dia mpivavaka daholo nefa ohatra tsy sambatra izany akabeazantsika e. Tahionao ry zanahary ity...e sambatra tokoa izahay. Maika anefa mijaly be.


Tena marina ny voalazanao satria foto-kevitra roa lehibe no tena vohizina ao am-piangonana:
1. Ny fiainan'ny lanitra mandrakizay dia paradisa ka tsy atakalo ny fiainana mandala
2. Tsy misy fotony ny fiainana eto an-tany sy ireo rehetra mivelona eto satria mandala

Araka ny 1 izany, asaina manonofy zavatra tsy ananana sy tsy hitan'ny tena daholo ny mpivavaka. Manonofy fiainan'ny lanitra, magirana misy ahimaitso sy rano madio mangatsakatsaka ary divay mikoriana avy eny an-doharano. Ka ahoana moa no ahasambatra eto an-tany kanefa ny saina manidina? Hoy ny Ntaolo hoe: Aleo enjehin'ny Omby masiaka toa izay enjehin'ny eritreritra


Araka 2 indray, dia azo iadiana sy irafesana ny fianakaviana fa aleo mihavana amin'Atra, izay Atra tsy hitan'ny maso akory. Ialao ny Rainao, Ialao ny Reninao... Avy manaraka ahy fa ataoko mpanarato olona... Ka na ny manodidina aza ialana mba tsy hidirana amin'ny fahotana hono. Ka dia aleo mitokamonina. Dia ahoana no ahasambatra amin'izany. Ny vitsika aza mahalala miray lavaka.

Variana loatra @ finoana isika Malagasy. Izany akory tsy manakana ny hoe mivavaka izay mino. Fa misy dia hoe apetraka eo ampela-tanan’Andriamanitra izay atao rehetra dia miandry mana avy any andanitra. Tsy mahita sy tsy mahazo @ izay isika dia inona no atao? Mangalatra, mandroba, mamono mihitsy ahazoana ilay nangatahana t@ Andriamanitra nefa tsy azo. Feno mihitsy ny mpitory teny eraky elakelan-trano. Nisy mpivavaka nanantona ahy indrepa tany Mada dia hoy ilay lehilahy rehefa avy nitori-teny izy: « Tsy mety mihitsy ny anaovanao akanjo fohy (ambony lohalika fa tsy mini akory).
Fa nahoana hoy aho? Tsy akasotrahan’i Jesosy izany fa nanani nanana...
Dia Hoy aho mantsy azy. Tsy mety mihitsy anaovanao pataloha sy cravate ???? ? Fa nahoana hoy izy?
Satria hoy aho i Jesosy torianao amiko io toa akanjo lava be nanaovany. Lasa izy nandeha.
46. endriny ( 27/02/2018 14:28)
Io resaka momba ny akanjo io ange ilay iray mahavariana ahy, satria manao akanjo ambony lohalika ianao enjehina ary lazaina fa pelipelika sy jilanjilana, na antsoina mihintsy hoe ohatran’ny mpivarotena.

Nidina amin’ny fiaramanidina eny Ivato ny olona manao akanjo rebareba, tonga dia misy maka sary ary aparitaka amin’ny serasera hoe teraorista.

Dia raha misy olona mba niakatra kely kanefa tsy iray fiangonana @ tena dia atao toriteny mihintsy hoe: Miadana ireny fa tsy sambatra.

Ahiatana kihana daholo ny ataon’ny olona rehetra satria hono ny olona manota I’m-7 in70 ao anatin’ny andro iray.
47. rhaj0 ( 28/02/2018 13:14)
tena tsy aritro fa dia zaraiko ity sary ity zareo..

48. Miharena ( 01/03/2018 04:48)
NY fahasambarana dia tsy izay mandalo fa izay mandrakizay.

Ny fahasambaran'ny MINO dia mahalala tsara fa efa voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana izy ary mamita ny adidiny amim-piadanana eto an-tany.

Na zava-tsarotra aza no miandry azy eto an-tany dia efainy ny adidiny amin'ny maha-iraka azy eto satria fantany fa vahiny ihany izy eto fa ny fiainana miandry azy mbola tsara lavitra noho izay hitany eto.

MITOMBINA KOKOA NY OLONA MAHAZO ANTOKA NY FIAINANY toy izany ka tsy miondana amin'ny zavatry ny tany fa mionona amin'ny fitaovana izay azo amin'ny rariny sy hitsiny entina manatanteraka ny asa eto.
49. rhaj0 ( 01/03/2018 12:34)
Ny fahazoako an'i Miharena izany, dia ny azy, dia hoe:
ny "fahasambarana" dia ny mahalala fa hahazo "fahasambarana" @ ho avy (any an-danitra HONO).

Izay ve izany izy io ry Miharena??
50. mirananirina ( 01/03/2018 14:20)
Sambatra aho. Sambatra isika. ????
51. rhaj0 ( 01/03/2018 15:06)
ny Fahasambarana arak'i Mirananirina:
1- ny Fahasambarana dia TSY miankina na TSY mifandraika @ Finoana (finoana/fivavahana moa ny lohahevitra, ka dia hotry ny mila atao mazava kely fotsiny io)
2- Ankoatry ny fahasalamana, dia toa ny mitodika (betsaka) @ mpiara-belona ny maha-sambatra an'i Mirananirina. Mitia ny hafa "na iza io na iza".

Dia mbola mitodika @ hafa, ny mpiara-belona sy izay miaraka aminao ao izany ny "fahasambarana" ho an'i MIrananirina: "Sambatra aho. Sambatra isika. ????"

Mahavariana tokoany.

1- misy "sambatra" rahefa mahazo, na hoe, miolotra @ tenabeny ilay izy, na hoe mijery ny bien-être-ny, ny confort-ny, izany hoe mitodika anaty ny fahasambarana. Ity izao, raha ny fahazoako azy, dia ilay "hasambarana" fa mahazo fifaliana, na ohatra hoe origasima rehafa resaka sesika io, manazo fiadanana sns...

2- misy "sambatra" rahefa manome. Toa ny hoe, ny "hasambarana" nameny ary tsapan'ilay andaniny izany, izay no toa miitatra ho azy ao koa. Eto izany iliay andaniny no mahazo fifaliana sy fiadanana, nefa ny tena no "sambatra".
Ity angamba izany dia ilay "fahasambarana" an'i Neny sy i Dada rahefa mijery ny zanany no ahatakarana azy tsara.

Misaotra eee...
52. endriny ( 02/03/2018 14:18)
Ary ilay hoe: Sambatra aho fa manana an'i Jesosy!
53. rhaj0 ( 02/03/2018 15:31)
[size=8]Io ho'a mampivanitika ahy foana rahefa manatrika mariazy ireny aho. Dia mafana fo be mihintsy zzareo hoe, toko telo ny Mariazy, Ingahy + IRamatoa + Jesosy.

Dia asa ho'a hoe, inona no mampi-excité be andrizareo @ io ménage à trois io eee...
Rehefa ao ampandriana izany, rehefa manao iny, dia ny sain-dRamatoa mi-fantasia an'i Juisosy, dia Ibainina koa @ io rehefa lasa dia miantsoantso Djisaosykiraista...

Tena ao tsara mihintsy izany an.. :-)[/size]
54. endriny ( 02/03/2018 15:48)
Mety tsy dia tena baogany ilay bandy dia mba manonofy Jesosy sady manga maso, no be volom-bava, no fotsy hoditra kosa koa.

Ilay Bandy koa mety manonofy Maria virjiny amin'io.
55. rhaj0 ( 03/03/2018 22:07)
Ny Biby izany dia tena mba mifanavotra rehefa giravy ny raharaha. Happiness Kingdom.
Mino aho fa "sambatra" zareo ireo @ io.



[size=8](fa ny an'i Godomni indray, efa hitany izao fa giravy HONO ny manjo ny sasany, endasin'i Sasatana, fa tena angarihany fotsiny
dia lazainy hoe, efa lazaina foana ho any @ Jisehy, fa be marenina, avelao ao...)[/size]
56. gasy1zay ( 05/03/2018 15:35)
nosoratana ny baiboly mba hanoroana antsika ny lalana tokony haleha, mba tsy ho very isika.

Ny fomba fijerin'i rhaj0 nefa zany dia tsy misy fahaverezana zany hono ary tsy marina ny voalazan'ny baiboly, fa raha misy hono zany ilay fahaverezana ka lasa any izy dia diso ilay nampanoratra ny baiboly izay tsy ninoany e! Fa izy hono tsy diso na tsy nino aza rehefa notorian'i mompera, pastera, miharena, maranatha, RBNIR, gasy1zay, strong3, (dia iza koa moa???) ....Ohatran'ny le mpanao politika gasy izany rhaj0 e, ny hafa foana no diso fa izy tsy responsable ny tsy finoany sy ny mety ho vokany.
57. rhaj0 ( 05/03/2018 15:53)
gasy1zay:
ny hafa foana no diso .. responsable ny tsy finoany

Bon dié...Dia hozy i Gasy1ay hoe: i Gasy1zay sy ny mpanoratra Baiboly HONO no "responsable ny tsy finoako??

normal ve izany?
58. gasy1zay ( 05/03/2018 16:50)

rhaj0:

gasy1zay:
ny hafa foana no diso .. responsable ny tsy finoany

Bon dié...Dia hozy i Gasy1ay hoe: i Gasy1zay sy ny mpanoratra Baiboly HONO no "responsable ny tsy finoako??

normal ve izany?


nivaotra be rhaj0 zany an! Tonga dia azony ny tiako ambara, azonao tsara rhaj0 fa ianao sy ny tenanao irery ihany no responsable ny tsy finoanao ka aza omena tsiny Andriamanitra hoa raha toa ka misy olona tsy mety mino lasa any amin'ny fahaverezana mandrakizay, firy taona rhaj0 zay no naheno ny momba an'ANdriamanitra, nomena fotoana i rhaj0 hino ( toroteny impiry? nandritry ny firy taona) MBA TSY HO VERY, fa misy safidy atao io hoa ary misy vokany ilay safidy, ka tsy tokony hanome tsiny ny hafa ianao na hilaza hoe Andriamanitra tsy tia ahy. Hozy aminao hoe tiako ianao, nataoko zay azoko natao fa ianao tsy nety nino ...
59. rhaj0 ( 05/03/2018 16:54)
Ny fahazoan'i Gasy1zay izany, raha n yfhazoako azy, dia toa hoe:
izaho HONO dia "nanome tsisy an'Andtmrna", raha toa ka TSY nahazo fiadanana/fahasalamana/asa tsara toa an'i Gasy1zay ny olona hafa rehetra.

Izay ve no tianao lazaina ry Gasy1zay?
60. gasy1zay ( 05/03/2018 17:23)
Tsy resaka ety an-tany re ry rhaj0 a! Za mba nihevitra hoe takatr'i rhaj0 ilay resaka, ny fahitako ny resak'i rhaj0 hoa dia ohatrany manome tsiny an'Andriamanitra hoe maninona izy no mandefa olona any @ afobe, mamela olona hijaly ao ( toy ilay voasoratra etsy ambony amin'ilay misy biby mifanampy io e) raha tena Andriamanitra fitiavana dia namaly aho hoe noemana safidy ianao :

1- Mino dia voavonjy
2-Tsy mino dia tsy voavonjy

ka tsy safidy ve ny hino sy tsy hino ry rhaj0?

ka raha misy olona lasa any amin'ny helo ve hoa dia diso Andriamanitra raha nisafidy ny tsy hino ilay olona? i rhaj0 zao heveriko fa mba nahatakatra hoe tsy responsable amin'ny tsy finoany izahay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3465