You are here: home > Forum

Fivavahana sy politika. Hetsiky ny mpitondra fivavahana

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Fivavahana sy politika. Hetsiky ny mpitondra fivavahana
Valiny : 10
endriny - 14/02/2018 18:00
Miala any indray ry mpanakorotana. Rehefa ianareo ve no mitarika sy manohana fanjakana an-salama-be ry mpitondra fivavahana, dia tsy maninona ary tsy politika izany.

Fa raha ny miaramila no mba manana ny safidiny dia enjehinareo.

Sa hoe aza ny ataoko no atao.
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 15/02/2018 14:53
Ireo mpitondra fivavahana gasy manao politika ireo aloha dia, na inona na inona argument anehonao fa mi-abuser ny pouvoir (sipiritoaliny) @ ondriny izy, dia ny onjy enjehina fa ny sofiny sy ny sainy efa tsentsina eee...
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 15/02/2018 15:20
Tena marina ny anao. Mpitondra fivavahana manao toton’ondry bory sy mpizahozaho. Atao Ahoana fa ry zareo hono no solotenan’Atra e.

Ny mahavariana dia nisy Mpitondra Fivavahana iray izay tsy niraihina tamin-dry zareo tamin’ny fanonganam-panjakana farany teo. Nohidian’ny besandry tany amin’ny viaolao ilay io, ary nampisotroina ny amaniny. Saingy tsy nisy mpitondra fivavahana mba niaro na nitaraina akory.
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 15/02/2018 18:18
Ka dia ao zany zareo, banga mivanitika @ alina ao ee... TSY ho avy angaha ny backlash.. dia rehefa antitra ao zareo vao firan'ny zanany ao.
Valio | Miverina eny ambony
Ta_ntely_tsilavo - 16/02/2018 20:43
mampalahelo mintsy ty raha2 ty ah ,ny mpitondra fivavahana sasany ve no manao gnatao de izy rehetra no lasa maimbo? Humhum! Ku maninn moa rah somary asia precision kely gnolo tena tianareo teneny fa tsy olo aby mitondra fivavaha io no sahala nanao ino io ,lasa manimba sy mamotiky ny asa fitoria filazantsara avao gnafarany ,.
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 17/02/2018 17:18
I Eva no nifampiraharaha tamin’ny bibilava dia ny zanak’olombelona rehetra no mihinana ny angotany
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 17/02/2018 17:23
Ta-ntely-tsilavo a. Fa iza aza no mpitondra fivavahana nitsangana nanohatra an’i Razanakolona tamin’ireo Maopoera an’arivony nisy?

Iza no Pasitera nitsangana niaro an’ilay raikalahy nisotro ny amaniny.

Fehiny dia vitsy ny Marina Fa ny sisa Kijabolahy avokoa
Valio | Miverina eny ambony
Miharena - 20/02/2018 05:39
Manana adidy ny Mpitondra Fivavahana mba hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny eo anatrehan'Andriamanitra,

Ahoana tokoa moa no hatoritoriana raha toa ka fantatra hoe zana-piangonana no mandainga sy mamita-bahoaka ary mangalatra? Ka rehefa mpanao politika manao ireo fanao ratsy rehetra ireo ve tsy hotenenina izany?

Misy filazana izay manao hoe ny mpitondra no manana andraikitra be kokoa amin'ny fahombiazan'ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra mba hamokatra ka ampamoahana avy izy ireo amin'ny andro fitsarana. Io ilay nolazain'i Jesoa hoe aza manao ho mpampianatra avokoa ianareo fa tsy mora ny miandry rehefa ampamoahana.

Raiso an-tsaina hoe iny hono ny Filohan'ny FJKM sy ny Filohan'ny EKAR anontaniana hoe ahoana moa ny mpanompoko Rajao sy Ravalo sy Rajoelina no lasa toa izatsy sy izaroa nefa mba nankiniKO taminareo ny fitaizana azy avy? Dia mangidihidy ihany ny tena dia mandray andraikitra raha mbola nomena tombonandro eto ambonin'ny tany mba misy havaly rehefa tonga ny fodiana hoe efa nanao izay afakay izahay fa dia io izy io Ray fa dia Ianao sisa mahalala izay tokony hatao azy ireo!



Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 20/02/2018 14:32
endrinyTa-ntely-tsilavo a. Fa iza aza no mpitondra fivavahana nitsangana nanohatra an’i Razanakolona tamin’ireo Maopoera an’arivony nisy?

Toa efa niala tsiny ihany kosany Itpkl Armand Gaetan eee.. dia Raymond koa efa mba niteny ihany... taty aoriana.

F'i OMAR k'lou dia io firan'i Vatican tsy mety Cardinal io ee...
Sa i Jesoa mihntsy no mamingana a'i OMAR ao io?
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 20/02/2018 16:17

rhaj0
Toa efa niala tsiny ihany kosany Itpkl Armand Gaetan eee..
F'i OMAR k'lou dia io firan'i Vatican tsy mety Cardinal io ee...
Sa i Jesoa mihntsy no mamingana a'i OMAR ao io?


I Gaetana ange efa nisotro rorono tamin'ireny e, fa ireo am-perin'asa ... ihihihihi.
Mbola mamy tena mamy leitsy...
ny miaraka amin'i Lafrantsa a,
F'izay gasin'ialahy any
omeo ompa sy latsa (avy amin'ny baiboly io, afobe mandrakizay)

Mody fanina fotsiny ny Vatican amin'i OMAR, fa azony atao ny manery azy hisotro ronono raha tena tsy tiany ny nataon'i OMAR
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 21/02/2018 15:29
Ny tena nahavariana dia na ireo Mpitandrina nahazo fanampiana tamin'ny fanitarana ny trano fiangonana tamin'ny andron'ilay raikalahy aza, dia samy nitsikomba tamin'ny fandrodanana daholo. Satria nahoana?

Nisy volabe tsy took tsy forohana nomena an-dry zareo tamin'ny fanitarana ny fiangonana, ary samy te hitahiry izany tany am-paosiny ka dia aleo roahina ilay nahita saosy sao manao fitsirihana.

Vokany, fiangonana an'arivony eto Madagasikara no nijanona ny fanamboarana azy. Ka ilay fiangonana teo aloha dia lasa nifonosan'ny trano ciment tsy vita
Valio | Miverina eny ambony