Ety an-tany tahaka ny any an-danitra hoy Jesosy sy Coco

1. endriny ( 14/02/2018 13:59)
Tao anatin'ny Coco dia nisy nampihariny tokoa io ety an-tany tahaka ny any an-danitra io: Nisy mpihira malaza iray, izay nalaza rehefa avy namono ny namany mpamoron-kira. Ka rehefa tonga tany an-danitra io mpihira malaza io, dia mbola anisan'ireo tena olona nalaza tany an-danitra. Ary izy no mpanefoefo indrindra ka dia manao fety andro aman'alina.

Ilay olona novonoiny kosa dia nahatra tety ivelan'ny paradisa ary tsy nahazo niditra ny vavahadin'ny lanitra akory. Ary dia niaina tety ivelany. Tety amin'ireo ho levonina mandrakizay.

Raha nampianatra nivavaka I Jesosy dia hoy izy: ...ety an-tany tahaka ny any an-danitra...

Tsy haiko na very tadidy I Jesosy na tsia, fa tao anatin'ny 3 taona monja izy no nanao asa fitoriana ary tao anatin'izay dia hoy izy: "Mora ho an'ny vodin-drameva no miditra ao anaty fanjaitra, noho ny hidiran'ny mpanakarena ao amain'ny fanjakan'ny lanitra"

Ka ahoana aza I Jesosy no nanao farateny toa izany tamin'ity mpanakarena te ho mpianany ity. Kanefa hoe ety an-tany tahaka ny any an-danitra

Dia tonga ny mpanao tsianjery rehetra mamerina an'io.

Dia ahoana izany ireo Magy 3 lahy, mpanakarena avy any Antsinanana tonga niankohoka voalohany teo amin'i Jesosy fony izy teraka, ary nanome ireo fanatatitra. Ireo magy ireo izany tsy tafiditra tao anaty vodifanjaitra. Fa nahazo dakavody teo am-baravarana toa ilay mpihira tompon'ny hira nangalarina.

ry Salomona sy ry Davida koa izany, izay mpihira ny malaza sy mpanoratra ao anaty baiboly, ary mpanakarem-be daholo. Mety tsy any an-dahitra daholo koa( araka I Jesosy).

Ka sao mba fantatrareo vavolombelon'ny lanitra sy ny paradisa ny niafaran'izy 5 lahy ireo?
novalian'i endriny ny 17/04/2018 12:47
2. endriny ( 14/02/2018 14:00)
Lava be ilay tantara e. Fa mbola fohy noho Coco sy ny tantaran'i Jesosy io a
3. Miharena ( 15/02/2018 06:21)
Rehefa fantatra tsara ny fototra maha-fanahy ny olona ary mahalala ny halehany izy rehefa mandao ny nofo nindraminy teto an-tany dia fantany ny toerana handehanany rahatrizay.

Ka ireo olona rehetra tanisainao ireo dia efa any an-danitra amin'izao fotoana izao.

Rehefa mamaky Baiboly dia jereo tsara ao fa misy ireo izay manao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ary misy ireo tsy manjary. Ka izay mahitsy dia mahazo Lanitra fa izay tsy mahitsy dia efa naka ny Devoly ho tompony izy dia any amin'ny tsy tokony halehany no alehany.
4. endriny ( 15/02/2018 09:01)
Mandainga izany Jesosy koa inona moa
5. Miharena ( 17/02/2018 12:02)

endriny:

Mandainga izany Jesosy koa inona moa


Vavaka io lazaina io satria Jesoa no iraka hampahafantatra fa zanak'Andriamanitra ny olombelona ka tokony hody amin'Andriamanitra Mpahary azy.

Efa helo no niainan'ny olombelona talohan'ny namolavolana ny fahatongavan'i Jesoa.

Dia io safidy e! Rehefa tsy hanatanteraka ilay vavaka dia mandeha any amin'ny helo e!

Rehefa tanterakao ho lasa lamina mirindra tsara ny eto an-tany dia mitovy ny any an-danitra. Rehefa tsy tanterakao izay fa manakorontana no hainao dia misafidy ny ho any amin'ny helo izany ianao.

6. endriny ( 17/02/2018 16:17)
Inona moa no idiran’ny Devoly amin’ny mpanakarena?

Olona nisy Devoly izany ireo Magy Mpanakarena niankohoka tamin’ny fahaterahan’i Jesosy ve?

I Davida aza mpanakarena, mpanjaka sady mpamono olona kanefa izy no mpanjaka lehibe indrindra sy akanareo anatra.

Ireo rehetra ireo dia lazain’i Miharena Fa efa any an-danitra

Ka dia tsy marina izay ilay fampianarana vodin-drameva. Mandainga I Jesosy
7. Miharena ( 20/02/2018 04:18)
Mpanankarena roa samihafa no lazaina.

Ny harena azo amin'ny tsy rariny dia an'ny Devoly izay satria sain-devoly no nanangonana azy.

Ny harena azo amin'ny talenta ara-dalana sy nanambinan'Andriamanitra ny tenan'ny tsirairay dia harena madio ary ny Magy dia isan'ireo olon-kendry.
8. endriny ( 20/02/2018 15:24)
Hay koa moa nisy filazana tao anaty baiboly hoe Mpanakarena 2 samy hafa.

Aoka re marina amin'ity bilobiloka biblika mahatsiravina be ity
9. rhaj0 ( 20/02/2018 19:28)
Mamoromporona "mpanankarena 2" ao ry Miharena, fa kaodikaody ee...
Ilery "mpanankarena" kouh.. dia te-mba ho kôtina hiditra ny vodi-fanjaitra sy ny lohan-drameva..
10. Miharena ( 21/02/2018 08:03)
rehefa tsy mahita havaly dia lazao fa tsy mazava io resaka natao teo ambony io.

Miankina amin'ny toetry ny olona manan-karena no mahavoavonjy azy.

Ohatra iray i Zakaiosy, nangalatra tamin'ny namany dia nibebaka nanonitra dia voavonjy. Fa misy ny mpanankarena adaladala toa an'i Ananiasy sy Safira izay mba nanolotra nefa nanao ambadika dia maty teo no ho eo.

Tsy bilobiloka biblika izany fa jereo tsara.

Ny maramara saina ve moa tsy hamadika ny resaka hatrany?! Ary io no atao hoe sain-devoly.

Averina kely eto ilay resaka nataon'ny devoly hoe tsy mahafaty amareo io hazo io nefa efa nilaza Ilay Mpahary hoe aza hihinanareo io fa ho faty ianareo. Dia toa io tsy misy valaka no tianareo Rhaj0 sy Endriny aparitaka eto hoe aza mino ianareo fa tsy mahafaty izany tsy mino izany.

Raha diso aho ahitsio an!
11. rhaj0 ( 21/02/2018 11:49)
hi hi hi... eny azany ee.. marina ny anao ry Miharena mpanankarena aa :-)
Tena kôtin'ny hiditra ny vodi-fanjaitra sy ny lohan-drameva i Miharena..
12. endriny ( 21/02/2018 14:16)

Aleo averiko aminao ry
Miharena:
ilay tantara Marina tao anaty baiboly, fa tsy ity bilobiloka biblikanao ity a.

Nisy lehilahy mpanankarena iray nanantona an'i Jesosy ary nilaza hoe: "Tompoko, te ho mpianatrao aho, ary efa nitandrina hatramin'izay ny didy napetrakao (Didy 10 )"

Inona no navalin'i Jesosy; "Moramora kokoa ho an'ny vodin-drameva no miditra amin'ny loham-panjaitra noho ny hidiran'ny mpanakarena amin'ny fanjakan'ny lanitra"

Ka io mpanakarena io nahatandrina ny didy 10 hatramin'ny faha-keliny lazain'i
Miharena:
hoe tsy tafiditra any amin'ny paradisa. Kanefa I Davida sady mpamono olona, mpangala-badin'olona ANY AMIN'NY PRADISA hono.

Ka inona tsy mitovy amin'ilay ao amin'ny sarimihetsika Coco ihany izany.
13. Miharena ( 22/02/2018 04:48)
Ka Endriny izany anie mampiasa Coco amin'ny amin'ny zavatra mazava e!

Andriamanitra mijery ny ao am-po amin'ny andro fibebahana sy fanatonana AZY ary tsy mahatsiaro izay heloka rehefa tonga izany.

Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanao hoy IZY, dia ataoko fotsy mangatsakatsaka.

Ka inona no olan'i Endriny hoe lasa any an-danitra ny mpangalatra, mpamono olona sns...?

Izay manda AZY hoe tsy Rainy no mandeha any amin'ny mpanapaka hafa toy ny Devoly izay manadrina an'Andriamanitra Tsitoha.
14. endriny ( 22/02/2018 18:05)

Miharena:


Ka inona no olan'i Endriny hoe lasa any an-danitra ny mpangalatra, mpamono olona sns...?



Tsy misy olana fa raha lasa any izy koa. Dia inona moa no anaovana soa raha mitovy ihany ny kitay sy ny voanjobory rehefa any an-danitra
15. rhaj0 ( 28/02/2018 14:22)
Inty nisy resaka fahiny nipoitra tampoka tato @ ecran-ko tato rahefa nikaroka "vodi-fanjaitra" aho. Fa dia aleo averina zaraina eee... :-)

rhaj0:
ka izao 'le revy.. Aroso eo aloha foana k'lou i Ratavilahy Rampanana, ka raha tafiditra ny vodi-fanjaitra izy, dia ho rovitra ny vodi-fanjaitra...
ary dia ho tafiditra daholo isika mianakavy.. .. haingana... haingana..
16. Miharena ( 01/03/2018 04:51)

endriny:


Miharena:


Ka inona no olan'i Endriny hoe lasa any an-danitra ny mpangalatra, mpamono olona sns...?



Tsy misy olana fa raha lasa any izy koa. Dia inona moa no anaovana soa raha mitovy ihany ny kitay sy ny voanjobory rehefa any an-danitra


Ny mibebaka dia efa lazaina fa mahazo famindrampo fa izay minia manda no misafidy hoe aleo mody any amin'ny fahafatesana fa tsy misy fiainana hono ao an-danitra ao.
17. mirananirina ( 01/03/2018 14:25)
Fa angaha efa nisy nahita izay any andanitra any e!
Ireo mpanoratra baiboly ireo anie tsy nisy nahita an’andriamanitra akory na 1 aza e, ny finoana no nanoratany sy hoe hoy i anona!
18. rhaj0 ( 01/03/2018 15:29)
Ny satellite efa "any an-danitra" ary ireto misy sary eee...



Ato koa tena tsara ny sary

https://www.facebook.com/georgetakeipresents/videos/194805261134607/
19. endriny ( 02/03/2018 14:27)

Miharena:

Ny mibebaka dia efa lazaina fa mahazo famindrampo fa izay minia manda no misafidy hoe aleo mody any amin'ny fahafatesana fa tsy misy fiainana hono ao an-danitra ao.


Genesisy dia milaza fa: "Ny lanitra dia ilay habaka manasaraka ny rahona (rano ambony) amin'ny rano ambany". Sa mandainga koa hoe ny Genesisy?

Ireo olona miakatra eny amin'ny tendrombohitra avo indrindra eto an-tany "Hymalaya" sao tsy haintsika ihany koa, dia tsy maintsy mitondra entona aoksizena amin'ny tavoahangy.

Dikany: Tsy misy fiainana any an-danitra.

Ilay raoplanina nitondra ahy avy eo Ivato nankeny Diego aza nivatsy Aoksizena avy ety ambany mba iainan'ny olona nandritra ny sidina.

Fibebahana: Tsaroako tsara ny tantara nampisaraka ny Protestanta tamin'ny Katolika, satria namidy tamin'ny vola lafo be ny fibebahana mba ahanangonam-bola namboarana an'i Roma. Ka lasa ireo mpanankarena (vodin-drameva) ihany no nahazo fibebahana.
20. bichette ( 13/04/2018 10:04)

endriny:


Miharena:

Ny mibebaka dia efa lazaina fa mahazo famindrampo fa izay minia manda no misafidy hoe aleo mody any amin'ny fahafatesana fa tsy misy fiainana hono ao an-danitra ao.


Genesisy dia milaza fa: "Ny lanitra dia ilay habaka manasaraka ny rahona (rano ambony) amin'ny rano ambany". Sa mandainga koa hoe ny Genesisy?

Ireo olona miakatra eny amin'ny tendrombohitra avo indrindra eto an-tany "Hymalaya" sao tsy haintsika ihany koa, dia tsy maintsy mitondra entona aoksizena amin'ny tavoahangy.

Dikany: Tsy misy fiainana any an-danitra.

Ilay raoplanina nitondra ahy avy eo Ivato nankeny Diego aza nivatsy Aoksizena avy ety ambany mba iainan'ny olona nandritra ny sidina.

Fibebahana: Tsaroako tsara ny tantara nampisaraka ny Protestanta tamin'ny Katolika, satria namidy tamin'ny vola lafo be ny fibebahana mba ahanangonam-bola namboarana an'i Roma. Ka lasa ireo mpanankarena (vodin-drameva) ihany no nahazo fibebahana.


hafa mihitsy izany andraisanao azy izany an !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4695