"Il se passe quelque chose au centre de la Galaxie"

61. RBNIR ( 15/02/2018 14:04)
amin'ny fotoanan'ny 1000 taona izany gasy1izay, fotoana aloha kelin'ny hamaranana ny tantaran'ity tany ity, fa saingy raha mbola izao kosa tsy fotoana fitsarana izao e!
62. gasy1zay ( 15/02/2018 15:46)
tsy nilaza anie aho hoe mahazo mitsara olona izao e! Fa mba fanamarihana kely fotsiny iny hoe hisy fotoana hitsara isika.
63. rhaj0 ( 15/02/2018 19:12)
Ity indray k'lou andaniana ny ron-doha sy ny jiro ee...
Fa tandremo sao savisavihana ao indray izao resa-baiboly nandra rehetra izao an..

64. RBNIR ( 16/02/2018 06:45)
Ka ilaozana izany ny lohahevitra v ry rhajo?

Fanamarihana fotsiny, ny tena antony nanaovana ity lohahevitra ity dia ny mba andinihantsika rehetra ireo hafatra napetrak'i Jesosy fahiny,

Na dia mbola tsy nisy aza télescope, vidéo satellite sns ....dia efa nambaran'i Jesosy tamin'ny antsipirihany ny fomba handravan'Andriamanitra ity izao tontolo izao ity...

Alefalefaso ihany ny fisainana e....tamin'ny fomba ahoana no nahatakaran'i JEsosy izany rehetra izany? tamin'ny fomba ahoana no nananganany ny maty, nanasitranany ny boka sy nampahiratany ireo jamba marobe tamin'ny indray mipimaso...

Tsy olona tahaka an-tsika i Jesosy fa Andriamanitra Izy...

Ary izao no hafany

« Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; » (Matio 25:31)
« ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy*;[*Gr: zanak'osy] » (Matio 25:32)
« ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy* eo amin'ny ankaviany. » (Matio 25:33)
« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Matio 25:34)
« fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; » (Matio 25:35)
« tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. » (Matio 25:36)
« Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? » (Matio 25:37)
« Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? » (Matio 25:38)
« Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? » (Matio 25:39)
« Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. » (Matio 25:40)
« Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Matio 25:41)
« fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; » (Matio 25:42)
« nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. » (Matio 25:43)
« Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? » (Matio 25:44)
« Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. » (Matio 25:45)
« Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay. » (Matio 25:46)

Ka aiza amin'ireo no tiantsika ho eo ankavanana sa ho eo ankavia?

SAMIA MAMISAVISA E!!!
65. rhaj0 ( 16/02/2018 15:30)
RBNIR:
Ka ilaozana izany ny lohahevitra v ry rhajo?

Fanamarihana fotsiny, ny tena antony nanaovana ity lohahevitra ity dia ny mba andinihantsika rehetra ireo hafatra napetrak'i Jesosy fahiny,

Na dia mbola tsy nisy aza télescope, vidéo satellite sns ....dia efa nambaran'i Jesosy tamin'ny antsipirihany ny fomba handravan'Andriamanitra ity izao tontolo izao ity...

extrapolation sy resaka roritina fotsiny io ataoNAO io ry RBnir fa tsisy Jesosy nanafatra n'inon'inona teo aa... Ny Kintana miraraka toa voatsinefy akoriny azany no mba takatr'i jesosy, fa raha izany galaksia sy trou noir izany dia tsy hainy velively. koa na i Kilimanjaro tao atsimo tao azany tsy fantany!

Ary raha hiresaka siansa ianao ry RBnir, dia tena efa nolazaina foana ianao, tsy misorona foana aho io, fa tena TSy ampy mihintsy, TSy ampy velively ny fahalalanao fototra ny Siansa, hany ka dia tena miteniteny foana ianao; toa ireny rediredin-toaka ireny ny resakao; na ataoko hoe, toa resa-jaza eny @ garabola mandrevirevy nandrabe. Mandehana miresaka amina mpampianatra fizika any Dago any dia ho hitanao eo ny havendrananao.

Fa dia toa be faniraka aho, fa soa ho anao sy ny voninahitrao (sy Atra) izany, ary isaoranao ahy any aoriana, fa mandehana mihintsy aloha mitady cours de physique sy astronomie 101 (basique) eto @ interinety eto ohatra. Azonao atomboka @ io youtube io ambony io, dia tohizo avy eo.
66. gasy1zay ( 16/02/2018 15:50)
inona ary ty mampisafoaka an'i rhaj0 ity e! Io anie mba samy maneho ny heviny fa tsy maintsy manana PHD @ siansa na théologie vao afaka manambara ny heviny e!
67. rhaj0 ( 16/02/2018 15:59)
Ny hoe misafoaka aloha dia mbola tsy any aho; fa raha hoe sorena dia eny.

Raha rediredin-toaka sy resa-jaza eny @ garabola mandrevirevy nandrabe foana no misesy eto, dia tsy mampivanitika intsony fa mahasorena ihany farany.

Izaho izao efa nanao antso avo ihany, in-1 mandeha izy teo, fa dia aleo averiko azany eee

Antso Avo ho an'ny Kristiana tsara sitra-po:

Aiza ianareo Kristiana tsara sitra-po, mba mahalala ny fandehany, mba hanoro sy hanitsy an'i RBNIR, fa dia manala baraka ny tenany sy izao Andrmntrany izao anie ity wa-wa-wa hanatotofan'i RBNIR ny serasera eto io eee?
68. gasy1zay ( 16/02/2018 17:24)
Aza velivelesina kosa ranga i RBNIR fa teto kosa anie tsy nisy nilaza hoe forum siantifika einstein fa forum fivavahana sy finoana e!
69. rhaj0 ( 16/02/2018 17:29)
Ka i Gasy1zay izany mba "mahatakatra" ny TSY-fahalalana lalina an-dRbNIR ao. Nefa ho'a toa TSy mba manitsy fa dia mijery harina an-kandrina lava eto kosany ry Gasy1zay ee...

manala baraka ny Kristiana anie nareo izany ry GAsy1zay eee... aiza ilay fananana "tsara sitrapo" aminareo ao eee?? sa tsy misy?
70. gasy1zay ( 16/02/2018 18:57)
ka i rhaj0 no sorena amin'i RBNIR fa za tsy manana problema aminy ka inona no hanitsiko azy? Ao ary e, RBNIR aza atao hono zay mahasorena an'i rhaj0 fa sorena izy e!
71. rhaj0 ( 16/02/2018 19:49)
Io anie ry Gasy1zay, toatoa ilay revin'ny tanora 90s ihany,
Atsipinay 'le kôzy, (tsy) mihaino ianao dia tsara.

Izay raha hitarina amiko, dia hoe:
Izany ilay kôsy, mivanitika aho, dia tsara; sorena aho, dia tsara koa.

TSISY olana io ry Gasy1zay aa...

Fa raha izaho, ny hitako mahonena[size=4] (sarcasm)[/size] dia :

1- i RBNIR, araka ny filazan'ny anglisy azy, dia hoe, "RBNIR makes an ass of himself"; ary pire-n'ny loza, "RBNIR is making an ass of God".

2- nefa TSISY "Kristiana Tsara Sitra-Po" mba manoro sy manitsy an'ilery; toa izaho atheist indray azany no toa mba mitsetra an'ilery, dia mba manitsy sy mampatonga saina azy, alohan'ny hitoriany ity hagaigana maventy eny ambony alitara.

Sérieux ry Gasy1zay.

- Mba manaraka ny teorian'ny RBNIR ve k'lou ianao, sa tena hangarihanao dia tena avelanao hihahaka eo fotisny ny namanao Kristiana eee..
- dia raha mba manaraka ihany azany ianao ry Gasy1zay, dia ahoana hozy ianao @ izany tori-tenin'i RBNIR hoe:
-- ilay galaksia la voie lactée dia ho telomin'izao trou noir ao anatiny ao izao
-- misy galaksia ho foronin'i Jesosy eo akaiky eo, ka
----- io galaksia vaovao io dia tsy ho voatelin'ilay trou noir kosany,
----- ary ho akisaka hankany @ io galaksia io ny kristiana-tena-izy tao @ la voie lactée (d'une galaxie à une autre!)

Dia tsy hilaza ve ianao ry Gasy1zay hoe, tena rediredin-toaka, na koa, resa-jaza vendrana eny @ garabola izany resaka izany. Dia io foana nefa no averimmberin'ilery eo, ampiany youtube "vavolombelona" HONO..

Dia ny anaran-Jesosy aviraviran'i RBnir ao @ io teoriany io ve ry Gasy1zay, tsy mahasaro-piaro anao?

Eny azany kouh... avelao azany i RBniR hanao azy ao eee...

72. gasy1zay ( 16/02/2018 20:20)
Misaotra anao rhaj0 saropiaro ny anaran'i Jesosy a!
73. rhaj0 ( 16/02/2018 20:45)
hi hi hi.. ilay Siansa aholakolan-dRBNIR (sahala @ fanaony ny biboly) no mety maha-saro-piaro ahy, rehefa mandinika eto tokoany aho.

Fa raha ny anaran-Jesosy indray ... lehilahy lehibe kosany HONO Izy, ary rahefa manaiky angeren'ny voron'i RBNIR ao, fa tsy hiteny mihintsy (à travers-n'ny kristiana-lafatra toa Gasy1zay),
dia ... izaho indray veee.... :-)
74. gasy1zay ( 16/02/2018 20:57)
aza menamenatra miaro ny anarany re rhaj0 a!
75. rhaj0 ( 16/02/2018 21:25)
Izy Jesosy tompon'anarana aza tsy miraharaha ho'a, ianao Gasy1zay manompo Jesosy koa tsy mandraharaha, dia maninona tokoany azany aho no handraharaha...

hi hi hi ... saino kely indray azany:
tena "mandraharaha" ve aho, sa mba tia hanongotsongo (ny eritreritra) anareo fotsiny? :-)
76. Miharena ( 17/02/2018 12:16)

rhaj0:

RBNIR:
Ka ilaozana izany ny lohahevitra v ry rhajo?

Fanamarihana fotsiny, ny tena antony nanaovana ity lohahevitra ity dia ny mba andinihantsika rehetra ireo hafatra napetrak'i Jesosy fahiny,

Na dia mbola tsy nisy aza télescope, vidéo satellite sns ....dia efa nambaran'i Jesosy tamin'ny antsipirihany ny fomba handravan'Andriamanitra ity izao tontolo izao ity...

extrapolation sy resaka roritina fotsiny io ataoNAO io ry RBnir fa tsisy Jesosy nanafatra n'inon'inona teo aa... Ny Kintana miraraka toa voatsinefy akoriny azany no mba takatr'i jesosy, fa raha izany galaksia sy trou noir izany dia tsy hainy velively. koa na i Kilimanjaro tao atsimo tao azany tsy fantany!

Ary raha hiresaka siansa ianao ry RBnir, dia tena efa nolazaina foana ianao, tsy misorona foana aho io, fa tena TSy ampy mihintsy, TSy ampy velively ny fahalalanao fototra ny Siansa, hany ka dia tena miteniteny foana ianao; toa ireny rediredin-toaka ireny ny resakao; na ataoko hoe, toa resa-jaza eny @ garabola mandrevirevy nandrabe. Mandehana miresaka amina mpampianatra fizika any Dago any dia ho hitanao eo ny havendrananao.

Fa dia toa be faniraka aho, fa soa ho anao sy ny voninahitrao (sy Atra) izany, ary isaoranao ahy any aoriana, fa mandehana mihintsy aloha mitady cours de physique sy astronomie 101 (basique) eto @ interinety eto ohatra. Azonao atomboka @ io youtube io ambony io, dia tohizo avy eo.

Ny momba ny fanahy tsy fantatrao Rhaj0 na dia kely aza satria ny Fanahy dia ambonin'ny trou noir ary tsy voarombaky ny trou noir akory na dia mandeha ao anatiny ao aza.

Ny fatra-piankina amin'ny zavatra no ringana ao anaty trou noir satria tsy hitany hoe ataony aiza ny tenany raha vao very repera.

Dia rehefa ilazana hoe azo atao tsara ny mampihorona izao tontolo izao ao amin'ny trou noir dia tsy mino Rhaj0 nefa ara-tsiansa tsara izany.

Ny Tontolo Vaovao dia IZAY MPAHARY no mahay azy tsara hoe atao ahoana no endriny ary koa hoe iza avy no afaka miaina ao. Mandiniha vao miresaka fa tsy misy laoniny sy vodiny ny resakao Rhaj0 no fiafarany a!
77. RBNIR ( 19/02/2018 11:46)

gasy1zay:

Misaotra anao rhaj0 saropiaro ny anaran'i Jesosy a!

Ahoana indray ity mamadika palitao ity ry gasy1zay a! kristiana v ianareo sa tsy izy e?

Efa asehon'Andriamanitra amin'ny olona ankehitriny fa marina daholo ny nolazain'i Jesosy mikasika ny farihy afo , kintana miraraka (Mat.24:29), (ny masoandro , volana, kintana ary tany holevonin'ny afo (2Pet.3:10)...

I rhajo ange tsy mino hoe hisy kintana hiraraka izany e....nefa toa ankaherezinao izy amin'ity valiteninao ity...

Apetraho koa ny fanontaniana hoe afo inona araka ny tenin'i Jesosy no handevonana ny masoandro, volana kintana ary tany,
Afo tahaka ny inona re vao afaka mandevona masoandro e???? moa tsy afo Be ve? (ilay antsoin'i Jesosy foana hoe farihy afo sy solifara)???? Ka raha miteny aho hoe trou noir (voaporo tamin'ny sary) no manana endrika farihy ankehitriny sady manana ny hery handevona kintana tahakan'ny masoandro, moa tsy mitombina ve izany e???

Mahafinaritra aloha fa misy ihany (tahaka an'i miharena) avy dia mahatsapa ny fahamarinan'izany...
78. gasy1zay ( 19/02/2018 14:53)

Tena zava-dehibe anie RBNIR ny mahita olona tsy mino ohatrany rhaj0 nefa dia mahavita mintsingoloka ao anaty baiboly ao mitady hoe marina ve sa tsia ny ambaran'ny Kristiana 1 aminy e!
79. rhaj0 ( 19/02/2018 19:09)
Ity azany indray jerena ee..
https://www.facebook.com/7Second.Riddles/videos/161505877974802/

Dia saino tsara ao, fa ny kintana akaiky indrindra, Proxima Centauri, dia any @ 4.5 light year, ary ny galaxie akaiky indrindra, ilay etsy afovoan'i La Voie Lactée, efa ho 30000 light year, ary ilay galaxie akaiky indrindra, Andromede, dia any @ 2.5 millions light-year.
80. gasy1zay ( 19/02/2018 19:39)

Fa ny big bang ve moa zany rhaj0 hoan'ny galaxie 1 sa hoan'ny galaxie rehetra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1731