"Il se passe quelque chose au centre de la Galaxie"

261. rhaj0 ( 21/03/2018 13:42)
Ka inona no "diso" @ ireo "déduction"-ko ireo ry RBNIR aaa??? Milahatra tsara @ resa-Baiboly ireo, miampy ilay teorian'i RBNIR ny @ izao "galaksia vaovao TSY trohin'ny trou noir" izao.

Ka eny sa tsia, misy diso sa tsisy diso ireo points 10 ireo ry RBNIR, fa tsy eto no anaovanao revi-na politifaikany mihodikodina manasafotofoto eo fotsiny aaa...

ny fara-andro araka ny resa-baiboly miampy resa-dRBNIR:

1- Rahefa miraradraraka (toa ny avandra sa voatsinefy) iny ny "kintana", dia izay ilay "fambara" fa manomboka ny farany.

2- Dia "ho avy tahaka ny mpangalatra" ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely

3- Dia ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny manana "tombokase" (eo antampi-kandriny).

4- Ka dia iny izany ny Anjely no maka ny tsirairay izay "voafidiNY" avy ao @ lava-tranony ao, ary dia entiny eo ambony elatra voromailalany ilehio. Sahala @ t@ ireny krizim-balala ireny, fa @ ity, ny Lanitra dia feno Anjely fotsy, mibaby olom-boafidiNY manao robe lava fotsy

5- Dia iny zareo no misidina ho eny @ "rahon'ny lanitra", dia mamonjy hipetraka eo ambanin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny

6- Dia eo @ "rahon'ny lanitra" eo izany, dia mihaohao eo AMBONY rahona fotsy ny:
- Ny Zanak'olona, sy ny volombava fotsy eny ambony seza fotsy
- anjely fotsy, manan'elatra fotsy, mikopakopaka manodidina
- ry RBNIR sy ny tariny manao akanjo robe lava fotsy, misy tombokase ny tampi-kandriny

7- Dia @ io izany, asa raha effa mijanona ny "kintana miraraka", satria izay moa no "sitrapony". Ary dia eto no manomboka ilay "Fitsarana Farany", hoe iza marina no handray ny vaisseau spatiale, ary iza no ajanona, averina hikindingy any @ Latera

8- Ary dia manainga @ izay nareo rehetra izay voafidiNY farany ireo, ao @ ilay vaisseau spatiale, ho any @ ilay "galaksia vaovao", araka ny filazan'i RBNIR ao @ teoriany azy izay

9- ny ao AMBANY ao kosa, dia efa misokaka @ izay ny Tany, ary lavaka mangotagotaka no misy, ary dia ho trohina any ireo olon-TSY-mboafidiNY tavela teo, miaraka @ ireo nanao kidaondrano niakatra nefa kay tsy "tena izy", atositosiky ny Devoly sy Satana @ fourchette ao, ngo dia misy mitsoaka

10- rehefa en sécurité any @ ilay "galaksia vaovao" (an-dRBNIR) iilay vaisseau spatiale, misy ny olom-boafidiNY manao robe lava fotsy, voahodidin'anjely fotsy ary i Andmntra mihintsy no mi-saofera avy eo @ seza fiandrihanany, dia izay vao mihetsika @ izzay ny Trou Noir, ary dia trohiny izay tavela eo, dia ny Latera izay feno mpanota ao anatiny, voahodidina Devoly sy Satana.


262. RBNIR ( 21/03/2018 13:52)
Diso B daholo hoy aho rhajo a! hita marina fa tsy mpandalina ianao....
263. rhaj0 ( 21/03/2018 14:16)
tonga dia safobemantsiny indray no paikan-dRBNIR an...

Fa dia izaho indray koa ve hi-contredire anao ry RBNIR, fa dia voninahitra ho anao @ ireto eee...

bravo, fa dia DISO B izany ireto, hozy i RBNIR ee..:

1- "kintana miraraka no fambara"

2- "ho avy tahaka ny mpangalatra" ny Zanak'olona

3- hangonin'ireo (anjely) ny manana "tombokase"

4- ny Lanitra dia feno Anjely fotsy, mibaby olom-boafidiNY manao robe lava fotsy
264. RBNIR ( 21/03/2018 14:37)
Ny fomba andaharanao azy no diso fa milahatra tsara ireo....

Ny fiainantsika ankehitriny mandrampahatonga any amin'ilay lanitra vaovao sy tany vaovao (galaxie vaovao) dia voalahatra mazava manomboka eo amin'ny bokin'ny apokalipsy 14 ka hatramin'ny farany (apokalipsy 22)..

Araho ity rohy ity fa ato no hotantaraina amin'ny antsipirihiny (ao ianao mahita hoe rahoviana no ho maizina ny masoandro, ny kintana hiraraka, ny olona angonin'ny anjely ny fandoroana ny tany ary ny fidirana any amin'ilay fiainana mandrakizay (fandaozana ity tany ity sy fidirana any amin'ilay galaxie vaovao....

265. RBNIR ( 21/03/2018 14:49)
Somary ho lavalava ihany izy ao fa raha te hahafantatra ianao dia vakio tsikelikely e!

Manomboka amin'izao fotoana iainantsika izao io ka hatramin'ny fidirana any amin'ilay galaxie vaovao, milahatra tsara ny fitantarana azy ao amin'ny bokin'ny apokalipsy...

Apokalipsy 14 ka hatramin'ny apokalipsy 22.......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
266. rhaj0 ( 21/03/2018 15:05)
Aiza ary inona ilay DISO ry RBNIR aa... Azo asesy dia milamina ve izy io ee??

1- "kintana miraraka no fambara"

2- "ho avy tahaka ny mpangalatra" ny Zanak'olona


Aiza ary inona @ ireo roa ireo ilay DISO ry RBNIR aa...
267. RBNIR ( 21/03/2018 15:37)
araho ilay rohy vaovao ary rhajo a! dia manana faharetana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1875