"Il se passe quelque chose au centre de la Galaxie"

201. gasy1zay ( 01/03/2018 18:48)

rhaj0:

Eny ho'a ee.. ny mahantra sy ory ary marary à 10 na 100m, na 1km an'i Gasy1zay, dia .. satria "tanin'ny Jentilisa" no eto an-tany, dia tena tsisy idiran'i Gasy1zay ny amin-dreo eee...

tsy mba sahala @ radoko sy ny serment d'Hypocrate-ny, na koa ny Croix-Rouge tonga dia mamonjy.

Anarany fotsiny ry Gasy1zay miresaka @ Jesoa rehefa mivavaka ao.. Kay izany ny tenabeny sy ny fianakms-ny akaiky ihany no resahiny mba ho karakarain-Jesosy HONO.

Dia io ilay tonga @ ilay hoe:
ka mbola voatana "niondrika teo an-doham-pandrianan'i Gazy1zay" izao Andrmntra izao, ary dia izay mahantra sy ory ary marary à 10 na 100m, na 1km an'i Gasy1zay, dia an'azy ny azy, fa zareo tsinona tsy mahay mivavaka toa Gasy1zay.

Sa diso izany?


diso zany ka, nga tsy hain'i rhaj0 fa azon'ny temoin de jehovah lavina ny transfusion sanguine na dokotera mavitrika toy ny inona aza izy.
202. gasy1zay ( 01/03/2018 19:08)
ito ndray ary fanontaniana tsotra e, raha ohatra hono zany marary i rhaj0, i rhaj0 amin'io tsy mino an, zaho kristiana mino, mahazo mivavaka sy mametra-tanana an'i rhaj0 ve aho zany?
203. rhaj0 ( 01/03/2018 19:45)
dia raha (mbola0 manana hery aho, dia tena .. ameko ny daka ianao ry Gasy1zay :-)
204. gasy1zay ( 01/03/2018 19:58)
ka hitanao amin'zany ny fahendren'i gasy1zay manaja ny tsy finoan'ny tsy mino :) fa tsy hoe tsy miraharaha ny aretina mahazo azy akory
205. rhaj0 ( 01/03/2018 20:30)
Fa rehefa ao ampiangonana izany nareo ry Gasy1zay, samy mpino daholo ny ao @ io, dia tena mifametra-tanana ao an.. :-)

Dia avy dia sitrana daholo??


Nefa ho'a zahay rehefa mba mandeha fiangonana, ilay (f)alehako aty k'lou :-) dia toa maimbo aretina, sy maimbo bobongolo sy antitra izany eee... ary mampalahelo mijery ireto olona toa osaosa sy oriory daholo izany. Tsisy mitsiky izany, mainka moa fa hoe mihomehy.

normal ve izany? ;-)
206. gasy1zay ( 01/03/2018 20:43)
i rhaj0 efa nomeko adiresy ilay centre international de reveil ao Ottawa ohatrany reny manoro vohona azy ireny ny tenanay, tsy tiko ny manao pub fa misy fiangonana tsy dia tia an'io mametra-tanana io , ny katolika ohatra dia efa nananjanona ny fandroahana devoly fa dia tena misy enquête tonga hatrany amin'i papa mintsy vao azo atao ny exorcisme, misy fiangonana dia tia an'lay mitehatehaka sns, misy fiangonana tsy mino loatra fanasitranana zany, misy fiangonana tsy manao batisa zazakely, ka tsy hoe niditra fiangonana 1 i rhaj0 dia toy iny ny hafa rehetra, raha te hahita i rhaj0 dia fiangonana evanjelika pentekotista idirana dia ho hitanao ao ny fandehany :)
207. rhaj0 ( 01/03/2018 21:05)
hi hi hi .. raha tsy tsy manan-katao koa handeha handany andro @ ireny :-)
Ny seminaire atsy @ U ottawa azany tsy vita..


Fa marina ve fa rehefa ao ampiangonana izany nareo ry Gasy1zay, samy mpino daholo ny ao @ io, dia tena mifametra-tanana ao?.. Dia avy dia sitrana daholo??
208. gasy1zay ( 01/03/2018 21:19)

rhaj0:

hi hi hi .. raha tsy tsy manan-katao koa handeha handany andro @ ireny :-)
Ny seminaire atsy @ U ottawa azany tsy vita..


Fa marina ve fa rehefa ao ampiangonana izany nareo ry Gasy1zay, samy mpino daholo ny ao @ io, dia tena mifametra-tanana ao?.. Dia avy dia sitrana daholo??


Ny fiangonana misy ahy aloha tsy mifametran-tanana isak'alahady e! Sady ny fametrahan-tanana amin'ny fiangonana manao izany matetika ny pastera sy mpiandry no mametra-tanàna fa tsy ny be sy ny maro ary raha ny fahalalàko azy tsy misy milaza ny olàna na aretiny fa dia anao sy Andriamanitra iny, ka sarotra amiko ny hilaza hoe itsy narary dia sitrana. Fa raha mitady izay afaka mametran-tànana isan'Alahady i rhaj0 dia ireo Pentekotista sy Charismatika evanjelika no manao io (presque) isan'Alahady, avy eo hoa dia misy manao témoignage hoe za sitrana, misy ndray amin'ny sasany arahina paroles de connaissance mintsy ( à suivre)
209. rhaj0 ( 01/03/2018 21:23)
Tsy mila mankany @ Siansa sy ny Dokotera intsony zany nareo an... fa samy mifametrapetra-tanana ao.

Ary fa maninona hono ry Gasy1zay no tsy mba manao an'io @ samy nareo ao??
Dia maninona lasa nisy règle hafa koa hoe, ny pasitera sy mpiandry ihany no mahay an'izy io?

Tena ao @ Baiboly daholo ve izany??
210. gasy1zay ( 01/03/2018 21:43)
tsy anaty baiboly ilay hoe ireto olona ireto ihany fa izay aloha ny rafitra misy amin'ny fiangonana protestanta (FLM-FJKM-FPVM-...) zay manana mpiandry, hoe olona efa nandalo fiofanana no manao azy, fa ny manaja ny rafitra misy kosa nefa dia anaty baiboly.

Fa jereo fa misy école du ministère surnaturel francophone (MSF) zay manazava ny fanasitranana sy ny dokotera etc... Raha feheziko dia hoe manasitrana Andriamanitra saingy tsy manakana anao hanantona dokotera zany akory .
211. rhaj0 ( 02/03/2018 01:33)
gasy1zay:
tsy anaty baiboly ilay hoe ireto olona ireto ihany ... olona efa nandalo fiofanana no manao azy

tabarn'ane... tena danzereux mihintsy 'le mpitondra fivavahana any Dago izany. Tsy ny sekta ihany ka no mamorika vahoaka fa iiay Fiangonana reniny mihintsy koa. Dia TSY miteny n'inon'inona koa ve ny minisitera ny fahasalamana sy izay Fanjakana ao???

[size=15]Hoe "misy fiofanana" ny fametraha-tanana hoe eee????[/size]

Ameo kely hoe ny source, na url adresse, an'izany ministère surnaturel francophone (MSF) anao izany ry Gasy1zay??
212. gasy1zay ( 02/03/2018 02:59)
ito ilay karazana témoignage hoe manasitrana Andriamanitra, afaka mino afaka tsy mino ny mpijery fa zaho mba mizara fotsiny, zaho aloha mino an!

https://www.enseignemoi.com/page/video/cancer-incurable-non-dieu-a-toujours-le-dernier-mot-questions-et-reponses-73557.html

ito ilay ministère surnaturel francophone, site chrétien io an,
https://www.ecolemsf.com/
213. gasy1zay ( 02/03/2018 14:15)

rhaj0:

gasy1zay:
tsy anaty baiboly ilay hoe ireto olona ireto ihany ... olona efa nandalo fiofanana no manao azy

tabarn'ane... tena danzereux mihintsy 'le mpitondra fivavahana any Dago izany. Tsy ny sekta ihany ka no mamorika vahoaka fa iiay Fiangonana reniny mihintsy koa. Dia TSY miteny n'inon'inona koa ve ny minisitera ny fahasalamana sy izay Fanjakana ao???

[size=15]Hoe "misy fiofanana" ny fametraha-tanana hoe eee????[/size]

Ameo kely hoe ny source, na url adresse, an'izany ministère surnaturel francophone (MSF) anao izany ry Gasy1zay??


mila hiverenana kely ny tantara vao mety hahazava amin'i rhaj0 ny anton'ilay fiofanana, ny fifohazana ( reveil hozy ny vazaha) dia tsy tao amin'ny fiangonana ( FFKM ) no niandohany fa olona nantsoin'ny Tompo manokana ex: Neny Lava dia lasa nisy mouvement reveil teo @ toerana nisy azy ary nihitatra ary lasa nisy Toby fifohazana, ireo no nanomboka an'ity resaka fametrahan-tanana ity, rehefa nanadihady ireo fiangonana reniny ( FFKM) protestanta dia nahatsapa fa tena biblika tokoa ity resaka mametra-tanana ity, nanaiky ry zareo ny fisian'ny sampana fifohazana eo anivon'ny fiangonana, fa io zany ny balise hitany hoe tsy ny olona rehetra anefa no mametra-tanana fa ny mpiandry ihany ary mila miofana zay vao lasa mpiandry, mba mandalina kokoa ny tenin'Andriamanitra sns ...Dia izay. Fa ny fiangonana evanjelika hoa tsy dia misy hoe foto-dalana toy zay satria ny ankabeazan'ireo dia tsy manana dénomination mipetraka ( katolika romana, prebisteriana, loteriana) fa dia mitory ny vaovao mahafaly ary dia mampiatra ny voasoratra e!
214. endriny ( 02/03/2018 14:39)

rhaj0:

Tena ao @ Baiboly daholo ve izany??


Rehefa tiany lazaina aminao hoe ao Anaty Baiboly, dia ao anaty baiboly na tsy ao anaty baiboly aza. Fa folapolahany sy abilobilony eo ny soratra dia Fofon'aina manjary Fanahy Masina, Fihinana Paoma manjary Firaisana...

Fa raha misy zavatra voasoratra ao anaty baiboly lazaintsika, dia tsy ao anaty baiboly akory io satria tsy izay no tian-kambara hono.

Hoy Jesosy: "Mbola tsy tapitra akory izao taranaka izao dia ho avy ny farany..." Efa tamin'ny 1980 taona lasa izay. Ary ireo Taranaka nanatrika an'io hafatra io. dia efa ringana avokoa. Mbola tsy tonga ny farany. Kanefa dia mbola averina foana io teny io. Satria tsy izany hono no tian'i Jesosy lazaina fa hoe: "Ho avy tampoka ohatran'ny dahalo"
215. gasy1zay ( 02/03/2018 14:52)
Ny jiosy hono ry endriny mieritreritra ny hanangana indray ny tempolin'I Jerosalema ary dia mitady mpisorona ry zareo hoe tena taranak'i Arona ka mampiasa ny test ADN amin'zany, haiko aloha hoe aona ny ataony fa ry zareo zany dia manantena hahita taran'i Arona, fa ny taranaky ny jiosy t@ andron'i Jesoa dia mbola mis hatr@ zao na dia namono jiosy amina tapitrisany aza i Hitler e! Ka amin'i endriny zany taranaka izany mijanona firy ème génération? Ny gasy zao ny andriana na dia mifanambady samy zareo aza dia tsy mbola lany ritra fa dia mbola manantaranaka hatr@ zao, sa tsy tarak'andriana intsony izy reny fa efa 2018 zao?
216. endriny ( 02/03/2018 15:52)

gasy1zay:

Ny jiosy hono ry endriny ...dia mitady mpisorona ry zareo hoe tena taranak'i Arona ka mampiasa ny test ADN amin'zany,


Mbola HONO izany... Ny jiosy tsy mila test ADN izany, ary tsy azo antsoina hoe Jiosy izy raha tsy manana ny tetiaran'ny razambe niaviany, ary tsy maintsy misy hoe Abrahama.

Fa tsy hoe HONO...

Koa raha tsy hoe: Ny Malagasy HONO Jiosy.

Nasaina nanao tetiarana fa eh eh, tsy nahita rirany. Farany mba tsy hiadian-kevitra be hoy ny fikambanana Jiosy dia aleo omena 2
217. endriny ( 02/03/2018 15:53)

gasy1zay:

Ny jiosy hono ry endriny ...dia mitady mpisorona ry zareo hoe tena taranak'i Arona ka mampiasa ny test ADN amin'zany,


Mbola HONO izany... Ny jiosy tsy mila test ADN izany, ary tsy azo antsoina hoe Jiosy izy raha tsy manana ny tetiaran'ny razambe niaviany, ary tsy maintsy misy hoe Abrahama.

Fa tsy hoe HONO...

Koa raha tsy hoe: Ny Malagasy HONO Jiosy.

Nasaina nanao tetiarana fa eh eh, tsy nahita rirany. Farany mba tsy hiadian-kevitra be hoy ny fikambanana Jiosy dia aleo omena vola kely amin'ny dolara ilay fikambanana dia tsy mitabataba intsony, fa mahamenatra be an'-dry zareo Jiosy
218. endriny ( 02/03/2018 16:01)

gasy1zay:

fa ny taranaky ny jiosy t@ andron'i Jesoa dia mbola mis hatr@ zao na dia namono jiosy amina tapitrisany aza i Hitler e! Ka amin'i endriny zany taranaka izany mijanona firy ème génération? Ny gasy zao ny andriana na dia mifanambady samy zareo aza dia tsy mbola lany ritra fa dia mbola manantaranaka hatr@ zao, sa tsy tarak'andriana intsony izy reny fa efa 2018 zao?


Eny ho'a fa dondrona be ilay Jesosy fa tsy hainy akory ny manavaka ny IZAO TARANAKA IZAO, sy ny JIOSY

Mazava ny nambarany: Mbola tsy ho tapitra akory IZAO taranaka IZAO. Fa raha ny JIOSY REHETRA no tiany lazaina dia nataony hoe: NY JIOSY, na ny TARANAK'i ABRAHAMA, na nataony mihintsy hoe ny : FIRENENA JIOSY.

ka aza abilobiloka biblika ho'a fa tsy izay mihintsy no nosoratana tao anaty baiboly.

Fanahy Masina fofon'aina o avy,
mba ataovy bosabosa kely ity namako ity,
dia ahiratra ny saina,
na tsy mifoka daina.
219. gasy1zay ( 02/03/2018 16:47)
raha zay no mampetipety ny finoan'i endriny dia tsy maninona fa eto hoa tsy misy ifanerena
220. RBNIR ( 07/03/2018 08:00)
Salama daholo,

Aleo angamba hofinitiniko ilay lohahevitra mba tsy ho very fa lasa lavitra loatra ny adihevitr'izy mirahalahy etsy ambony izany.

Hoy i Jesosy hoe

« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Matio 24:35)

Araka io dia ho levona ny tany sy ny lanitra (ity galaxie misy antsika ity izany dia ho levona)

Ny lanitra lazaina eto moa dia ireo zavatra hitan-tsika eny amin'ny lanitra ireny (masoandro, kintana, volana sns....) Ireny izany dia holevonina miaraka amin'ity tany ity hoy i Jesosy

Holevonina amin'ny inona hoy i Jesosy?

« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Petera 3:10)

Araka io teny io dia Afo no handevonana ny tenan'ny zavatra rehetra (masoandro, volana, kintana ary ny tany)

Ka afo tahaka ny inona ary no handevona ny masoandro, volana, kintana ary ny tany?

Ny afo handevonana ny tany no voalaza ao anaty anaty baiboly :

« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14)

Martin Bible
Et la mort et l'enfer furent jetés dans l'étang de feu : c'est la mort seconde.

ny enfer eto dia tsy inona fa ny helo (ilay afo ao anaty tany ao) ny fahafatesana moa dia manambara ity tany hitsahina ity izay fitoeran'ny fahafatesana ankehitriny.

ny fahafatesana sy fiainan-tsi-hita araka izany dia manambara ity globe terestre ity izay voalaza eto fa hatsipy any amin'ny farihy afo...

Farihy Afo na koa hoe AFOBE araka izany no afo handevonana ny tany, dia io ihany koa no afo handevona ny masoandro ny volana ary ny kintana....tokony hoe AFO LEHIBE DIA LEHIBE TOKOA io AFO io vao afaka handevona ny masoandro izy io.

Tokony mahavita mandevona galaxie iray araka izany io Afobe na farihy afo io...


Ankoatran'izany dia izao: rehefa ho tonga io Afo io dia tokony « ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra. » (Marka 13:25)

Rehefa ho tonga io afo io dia tokony hiraraka ety an-tany ny kintana ary ny hery izay ao amin'ny lanitra hisy hanozongozona...

En s'approchant de nous, le trou noir commencerait par rencontrer le nuage d'Oort, une zone où les comètes s'accumulent. Cela projetterait violemment un grand nombre de ces astres vers la Terre et les autres planète

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Rehefa manakaiky ety koa io dia tokony hisy horohorontany mafy dia mafy tsy misy otran'izany...

« Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. » (Lioka 21:11)

« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. » (Apokalypsy 16:19)
« Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. » (Apokalypsy 16:20)

Quand la Terre serait assez proche, son atmosphère elle-même serait arrachée par le trou noir, avant qu'il n'avale la planète entière, morceau par morceau. Un cataclysme qui provoquerait de terribles tremblements de terre et l'apparition de super-volcans.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Ireo rehetra ireo no nahafahana nanatsoaka fa TROU NOIR marina tokoa no nambaran'i Jesosy fa handevonana ny lanitra sy ny tany rehefa ho tonga izany fotoana izany...

Ny teny atsipy dia ity: tamin'ny fomba ahoana moa no nahafantaran'i Jesosy an'izany zavatra miafina dia miafina izany (tamin'ny fotoanany tsy mbola nisy telescope na vidéo satelite)?

Tsotra ny vailny : marina ny filazany : Andriamanitra Izy fa tsy olona,

Efa noporofoiny rahateo izany tamin'ireo asa lehibe maro samihafa vitany teo anoloan'ny vavolombelona maro dia maro (tadidio fa ankoatran'ny apostoly dia marobe ny olona nanatrika ny fahagagana vitan'i Jesosy)

« Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. » (Matio 11:5)


Ary ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fitsanganany tamin'ny maty, izay manamarina sy manaporofo fa tena misy ny fitsanganana amin'ny maty...

« Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. » (1 Korintiana 15:15)
« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)

Niseho tamin'ny apostoly paoly Izy taorian'ny nahafatesany...

« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asan'ny Apostoly 9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asan'ny Apostoly 9:5)

Niseho sy nampianatra ity olona ity koa IZY ankehitriny...




Koa raha kristianina ianao dia hoy aho hoe aoreno mafy tsara ny finoanao fa tsy diso lalàna mihitsy akory ianao fa zavatra marina no iorenanano, saingy tadidio ilay tenin'i Jesosy nanao hoe : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Mila manao ny sitrapon'Andriamanitra isika fa tsy ampy ny finoana fotsiny ihany.

Raha tsy mpino ianao dia mba minoa amin'izay ary ataovy ny sitrapon'Andriamanitra

Raha hafa finoana kosa dia ekeo amin'izay re i Jesosy e! ireo no porofo fa Izy irery no manana ny marina ka azo arahihana....

Ho an'ny rehetra, tsy ampy ho aho ny finoana fotsiny fa tsy maintsy manao ny sitrapony ihany koa isika ka dia araho io fandaharana io isa-maraina ao amin'ny kolo TV amin'ny 5ora sy sasany ka hatramin'ny 6 ora maraina isaky ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma...Efa hita amin'ny canal sat koa io ankehitriny ho an'ny province sns.....


Dia MAZOTOA DAHOLO MIANATRA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA SY MANARADIA AMIN'I JESOSY!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4815