"Il se passe quelque chose au centre de la Galaxie"

21. rhaj0 ( 08/02/2018 13:28)
RBNIR:
Raha milamina v inona no tokony hahasahirantsaina azy????

1- Asa inona no dikan'ny "misahiran-tsaina" aminao ry RBNIR. Manao fikarohana ve ny olona, dia mahita "challenge" na koa zava-baovao tsy nampoizina, ary dia mizoto mandalina, inona aby ny fanazavana ny phenomene eo, sy koa mi-prevoir ny mety hitranga @ tranga hafa. Ary izay no "izotoana ifohazana maraina".

Ka "sahirana" @ inona ny olona ry RBNIR? Ny olona anie tsy toa anao, nampihorohoron'izao JEsosy de Belazao izao hoe, "ho avy ny farany ka dia miankohofa amiko", ary dia izay zava-drehetra izao dia akapoka hanamarinana ny tahotrao ao eee??

2- Dia vakio manontolo daholo ny resak'ireo Siantista lazainao fa "sahiran-tsaina" azany. Misy, na dia iray fotsiny azany, misy ve mampifandray ny fikarohany @ resak'i Jesosy de Belazao?

Malalaka tokoany moa ny tany, ka dia savisavihanao @ finoana primitive-nao ao ny resaka Siansa kouh... sahala @ fahazaranao misavisavika ny Baiboly ho @ finoana-primitive-nao ihany io.
22. RBNIR ( 09/02/2018 05:21)

rhaj0:

RBNIR:
Raha milamina v inona no tokony hahasahirantsaina azy????

1- Asa inona no dikan'ny "misahiran-tsaina" aminao ry RBNIR. Manao fikarohana ve ny olona, dia mahita "challenge" na koa zava-baovao tsy nampoizina, ary dia mizoto mandalina, inona aby ny fanazavana ny phenomene eo, sy koa mi-prevoir ny mety hitranga @ tranga hafa. Ary izay no "izotoana ifohazana maraina".

Ka "sahirana" @ inona ny olona ry RBNIR? Ny olona anie tsy toa anao, nampihorohoron'izao JEsosy de Belazao izao hoe, "ho avy ny farany ka dia miankohofa amiko", ary dia izay zava-drehetra izao dia akapoka hanamarinana ny tahotrao ao eee??

2- Dia vakio manontolo daholo ny resak'ireo Siantista lazainao fa "sahiran-tsaina" azany. Misy, na dia iray fotsiny azany, misy ve mampifandray ny fikarohany @ resak'i Jesosy de Belazao?

Malalaka tokoany moa ny tany, ka dia savisavihanao @ finoana primitive-nao ao ny resaka Siansa kouh... sahala @ fahazaranao misavisavika ny Baiboly ho @ finoana-primitive-nao ihany io.


Tsy izaho ange no milaza an'ilay izy fa ry zareo mpilaza vaovao ara-tsiansa e!

https://www.sciencesetavenir.fr/espace/astrophysique/il-se-passe-quelque-chose-au-centre-de-la-galaxie_34718

"Un tel regain d’activité laisse les astrophysiciens perplexes."

Hoy Larousse hoe:

perplexe
adjectif

(latin perplexus, sinueux)

Définitions
Synonymes

Qui hésite dans une situation confuse, indécise, qui est dans le doute ; qui manifeste cet embarras : Rester perplexe devant une réponse confuse.

Ka sahiran-tsaina moa no nandikako eto.....
23. rhaj0 ( 09/02/2018 11:51)
Dia giravy mihintsy ny emprise-n'i Jesosy aminareo ry RBNIR. Tena mampalahelo izany ianao fa hotry ny terrorisé beuh izany an... "Perplexe" ve ny olona amin-javatra iray, tonga dia eritreretinao fa "fin du monde"???

Giravy anie izany ee... Ianao ao angamba izao ry RBNIR, mety ohatra hoe, nisotro divay, dia toa matsatso ilay divay (satria notampohin'Ivadinao rano, satria ianao dia mpigoaka loatra), dia "perplexe" i RBNIR, ary tonga dia miantso an'i Jesosy hamadika indray ny rano ho lasa pi.

Tena mampalahelo mihintsy nareo itony ry RBNIR kah...

1- Io izany tena marary mihintsy ilay sain-dry RBNIR, mahita fa "fambaran'ny farany" daholo HONO izao phenomene hafahafa tsy takatry ny sainy rehetra izao.

2- Dia any no handanian-dry RBNIR ny jiro... mitady ny mba "hanamarina" izao tahotra beuh novolen'i Jesosy tao aminy izao

3- Tsy lazaina koa ny fanarahany izao soatoavina-de-l'an-zero efa lany andro rehetra izao.. ary dia miaina amin-tahotra ao, satria nataon'ilay Jesosy be dia be ny critères vao ampazahony famonjena HONO.

4- Fa @ ireo, dia tena sampona ny mecanisme de défense-n'ny sain-dRBNIR. Alefany manja fotsiny ny imazination-ny, ary dia lasa toa mandeha @ tsara ihany HONO ny fi(s)ainany. Afangaroaron-dRBNIR ao ny finoana primitivany ny mazia mazia, sy ny Baiboly, ary dia mibontsimbontsiny ety RBNIR fa tena lafatra hono ny fiainany, ary Kristiana lafatra hono izy, ary tsisy an'izany "matahotra" izany hono i RBNIR...
eny ho'a ry RBNIR aaa.. "Tsy matahotra ho'a ianao eeee..."... ary "Tsy mamo ho'a ianao eee..."
24. RBNIR ( 09/02/2018 12:20)
rhaj0:

Dia giravy mihintsy ny emprise-n'i Jesosy aminareo ry RBNIR. Tena mampalahelo izany ianao fa hotry ny terrorisé beuh izany an... "Perplexe" ve ny olona amin-javatra iray, tonga dia eritreretinao fa "fin du monde"???

Tena matahotra tokoa aho satria ilay trou noir natory dia lasa nifoha tampoka teo ary dia tena mandrapaka ireo manodidina azy marina tokoa....

https://www.sciencesetavenir.fr/espace/astrophysique/il-se-passe-quelque-chose-au-centre-de-la-galaxie_34718


Ato mantsy misy galaxie iray hafa levona noho ny trou noir iray izay nifoha tao anatiny tao.....

http://trustmyscience.com/galaxie-detruite-par-son-trou-noir-supermassif/#SuRe8GuP6zmpqgIj.99

Lojika angamba izany reactionko izany rhajo a!!! ianao moa tia manao politikana autruche ka tsy dia omena tsiny loatra e,

Izaho kosa manoro hevitra amin'ny olona hoe ny fanavotana ho antsika re dia ny finoana an'i Jesosy irery ihany satria Izy ange no efa nanambara ny fiavian'io trou noir io (farihy afo) sady nampanantena fa hisy galaxie vaovao hamindrana ireo olona mino Azy ka hovonjena e!

« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apokalypsy 19:20)
« Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. » (Apokalypsy 20:10)
« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14)
« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apokalypsy 20:15)


« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)

25. rhaj0 ( 09/02/2018 12:35)
Raha TSy takatr'i RBNIR ny "echelle des temps" @ io resaka trou noir io, na koa ny univers @ ankapobeny, dia kôpy ihany aho, satria nasisisisika tao an-tsainy hoe, mazia mazia, ny 1 minitra dia arivo taona, juste comme ça. Ary baiboly no mba reference-ny..

Fa TSy takatr'i RBNIR koa ny "echelle de l'espace".. Ka na i Jesosy azany tokoany moa TSY nahatakatra koa, ka dia mahagaga ve izany? Ireo Kintana hozy Ilery ka toa voatsinefy. Ny trou noir HONO toa farihy.

Fa mba mampiasa coco hono izany ry RBNIR, ary rahefa mba takany hono izany ny fandehan'ny univers io eo, dia hoz'i RBNIR, @ "feo mafy", hoe:
Rehefa levona ity galaxie ity dia hisy galaxie vaovao hamindrana ny olona voavonjy rehetra

mouah ha ha... Ary dia tsipindi-tanana fotsiny dia hisy galaksia vaovao miforona eo akaiky eo, Ary izy io dia TSY mba trohin'ilay trou noir, Ary dia hisy navette, tarihin-tsoavaly, hitondra hamindra ny Kristiana préféré-n'i Jesosy toa an'i RBNIR... Ary i Gasy1zay ohatra @ io tsy kaonty, fa satria ilehio toa be dohika @ RBNIR

Tena aok'izay ity havendranana adala ity ry RBNIR aaa... efa nandroso indray anie ny taona io ee...

26. RBNIR ( 09/02/2018 13:01)
Mila mino an'i Jesosy hoe aho rhajo a! ho avy toy ny mpangalatra hoy Izy, noho izany mila miomana mialoha fa tsy miandry efa ......vao hikoropaka sao tara loatra....

« Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy:* Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.[*aviavimbazaha] » (Matio 24:32)
« Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] » (Matio 24:33)
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany. » (Matio 24:34)
« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Matio 24:35)


Koa dia miomana daholo re sao dia ho tratra aoriana eo e!
27. rhaj0 ( 09/02/2018 14:35)
TSISY ho avy toa ny mpangalatra izany eo ry RBNIR aa... Ianao ve tsy nahita ny horonantsary Armaguedon ee???

Eritrereto tsara:
- efa HITAn'ny Siantista ny Trou noir any @ tsy hita pesipesenina, fantany hoe ahoana ny halavirany, ahoana ny fisosany, etsetra... sy rahoviana vao hipaka aty, raha hipaka.
- Dia efa lazaina foana koa ianao, fa ireo bolongana ao @ asteroid belt eo anelanelan'i Mars sy Jupiter, dia efa HAY ny aminy, fa tsisy miraraka toa voatsinefy aty @ Latera izany.

Ianao, eny ianao RBNIR sy Hrnrn no TSy mahafantra sy TSY mahay, dia mitsindrotsindroka resaka Siansa amim-pahavendranana giravy io. Na votoatin-dresaka, na methode sy analizy ao, TSISY takatrao, fa ny tere-ko-marina ara-baiboly araka ny imazination-nao foana no asesikao.

Dia ity ianao conditionné @ ity mazia-mazia ity, dia hotry ny heverinao fa ... mihetsika tampoka ny lohan'ilay bolongana, satria nobanjinin'i Jesosy ve sa nanaovany "fametraha-tanana", dia tonga dia mitrifana mankaty @ latera???

Ampiasao ny coco ry RBNIR aaa... mety efa mba nandalo terminal ihany ianao, dia mba nianatra ny cinématique sy dynamique newtownienne ihany, fa tsisy mivily lalana tampoka izany ireo bolongana ireo.
28. RBNIR ( 12/02/2018 07:18)
Inona tokoa moa no mahatonga an'ilay izy ho avy toy ny mpangalatra?

Ngaha moa tsy hita mialoha hoe iny fa avy ilay trou noir mandrapaka?

Ny zavatra hisy dia tahaka ny zava-misy amin'izao fotoana izao ihany....

Na dia efa hita miharihary aza hoe io fa misy trou noir ngezabe iray natory dia nifoha tampoka ary dia mandrapaka izay manodidina azy, dia misy sahy milaza fa hoe mbola ela be izany e! mety tsy ho tonga aty izany e! sns....

Dia maro no hino azy ireny ka dia tsy hivaky loha tahaka azy ihany koa satria hoe manampahaizana no miteny...

Dia otran'izay, na dia ho efa voarapaka avokoa ary ireo bras spiraux akaikin'io trou noir io, ka efa tonga eo ambaravaran'ny bras d'orion ilay izy, dia mbola hisy ihany sahy hilaza sy hanaporofo, fa tsy handrapaka ny bras d'orion ilay izy fa hivily trajectoire,

Dia maro no hovoafitak'izany ary dia tsy hivaky loha ihany koa satria hoe manampahaizana no miteny,

Indrisy anefa fa ho tampoka amin'izireny ny fitotonan'ny astre voaloha ety ambonin'ny tany....Eo va ho taitra izireny hoe kay tena marina fa iretsy no mpandainga...

Izay ilay hoe avy toy ny mpangalatra rhajo!!! vokatry ny tsy finoana dia hotanteraka amin'izireny ity tenin'Andriamanitra ity, ka dia ny lainga no hinoany...
« Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, » (2 Tesaloniana 2:11)
« mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. » (2 Tesaloniana 2:12)



Koa Samia mamisavisa e! mahafinaritra hoy aho nefa mba tiako ho fantatra ihany koa ny hevitry ny hafa raha mety e!
29. rhaj0 ( 12/02/2018 13:28)
RBNIR:
... hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina...

Tena mbo sampona koa izany raha revin-dReligion. Marina mouh ououuh..
Izay "TSY mino" HONO dia "ho heloina" ho faty (any @ helo).

TSy mbola nisy, na TSISY akoriny zavatra "mivaingana" nataonao, tsY nanao inon'inona, TSy nanao "actes" akoriny ianao, fa raha vao ny an'eritreritrao, raha vao ny ao an-tsainao fotsiny HONO no tsy "mino" ilay tiany inoanao ao, dia tonga dia direction Helo hono ianao fa "meloka".

Eo anoloan'izany fahavendranana lehibe izany, na dia poritra mitelina lava an'izany ao azany ry RBnir, dia miasa tsara kosany ihany ny mécanisme de défense-n'ny sain-dry RBNIR. Ary dia ampiasaina mafy kokoany koa ny imazination-ny ee... ataony double koa ny ao an-tsainy sy eritreritrany ao eee... mi-imaziner koa ry RBNIR hoe, na inona na inona no eo, dia LAFAtrA foana izy, satria efa tsapany, ary "vavolombelona" ao izy, fa izy RBNIR sy ny tenabeny ao io HONO no "Kristiana préféré" an'i Jesosy.
30. RBNIR ( 12/02/2018 13:39)
ny tsy finoana "ny tenin'Andriamanitra" dia offonse lehibe eo imasony (toy ny faniratsirana faratampony)

ohatra1....« fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. » (Genesisy 2:17)

Voafitak'i satana i adama tamin'ilay teny hoe ....« Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo; » (Genesisy 3:4)

Dia nandrapaka : vokany na dia tokony tsy ho faty aza ny taranak'olombelona fa hanana vie eternel (tahaka ny anjely) dia tsy maintsy maty ihany...satria tsy nino an'Andriamanitra i adama fa nino ny menarana (devoly ihany io)

Ohatra2....« Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. » (Genesisy 19:17)

« Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. » (Genesisy 19:26)

Ny tsy finoana (tsy firaharahina ny teniny) dia tena heloka lehibe eo imasony tokoa


31. rhaj0 ( 12/02/2018 15:43)
Sampona ho'a ee... f'angaha tsy misy ny matoan-teny hoe "manao", izay TSY mira @ "mino"??
- Ny an-dry RBNIR vao "TSY mino" tonga dia efa naman'ny "manao" ary dia "meloka".
- Fa tsisy amin-dry RBNIR izany hoe, TSY mino nefa TSY manao. Mijanona ao @ imazination fotisny io.

Izany no alehany rahefa vonto tototra Finoana ao ry RBNIR aa.. n'inon'inona "voasoratra", dia efa misidina borné @ resaka iray ry RBNIR, ary dia akapokapoka any daholo ny resaka.
TSiSy discernement mihtisny.

Ohatra nampivanitika mampahonena teo izao dia ilay RBNIR vontovontom-pinoana ao, dia akapokapokany ao fotsiny ny resaka teo. Samy galaksia izao ihany HONO no eo, fa ny galaksian-Jesosy HONO TSY tian'ny trou noir.. Ary dia hozy RBNIR:
Rehefa levona ity galaxie ity dia hisy galaxie vaovao hamindrana ny olona voavonjy rehetra

Fa dia ndao hiarahana ihomehezana ho'a eee .. :-)

mouah ha ha... Ary dia tsipindi-tanana fotsiny dia hisy galaksia vaovao miforona eo akaiky eo, Ary izy io dia TSY mba trohin'ilay trou noir, Ary dia hisy navette, tarihin-tsoavaly, hitondra hamindra ny Kristiana préféré-n'i Jesosy toa an'i RBNIR... Ary i Gasy1zay ohatra @ io tsy kaonty, fa satria ilehio toa be dohika @ RBNIR
32. RBNIR ( 13/02/2018 06:55)
rhaj0:

Sampona ho'a ee... f'angaha tsy misy ny matoan-teny hoe "manao", izay TSY mira @ "mino"??
- Ny an-dry RBNIR vao "TSY mino" tonga dia efa naman'ny "manao" ary dia "meloka".
- Fa tsisy amin-dry RBNIR izany hoe, TSY mino nefa TSY manao. Mijanona ao @ imazination fotisny io.

Matoa ange i adama sy eva nitelina dia tsy nino izireo hoe ho faty fa ny an'i satana no ninoany hoe tsy ho faty e....

Matoa koa ny vadin'i lota nierika dia tsy nino izy hoe hisy zavatra hihatra aminy,

Dia otran'izany, matoa ny olona iray tsy miraharaha ny tenin'i Jesosy dia tsy mino izy hoe hisy Afobe iray miendrika farihy ho avy, handevona ny masoandro sy ny volana ary ny kintana sy ny tany...sy hanipazana ny olona rehetra tsy nanaraka ny teniny, sy ny bibidia, sy ny mpaminany sandoka sy ny devoly.....



33. RBNIR ( 13/02/2018 07:04)
« [Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)

Io ny definition'ny finoana ara-baiboly, zavatra mbola tsy tonga aminao no asaina antenainao (fiainana mandrakizay aorianan'ny fahafatesana), zavatra mbola tsy hitan'ny masonao no asaina hinoanao (Afobe miendrika farihy) ho avy hadevona izao tontolo izao...sy hanipazana ny bibidia sns....


Ny finoana, dia manao teny fikasana ho an'ny olona Andriamanitra dia tokony hino ny olona na dia mbola tsy tonga sy miseho aza izany...

Abrahama no ohatra iray velona amin'ny finonana:

« Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. » (Genesisy 15:5)
« Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. » (Genesisy 15:6)


« Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). » (Galatiana 3:6)
34. RBNIR ( 13/02/2018 07:50)
ny olona mino dia tokony hanantanteraka fa tsy tahaka an'i adama sy eva, na tahaka ny vadin'i lota...

tena takiana ny asa fa tsy ampy ny finonana.. (eny fa na dia tamin'i abrahama aza....

« Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. » (Jakoba 2:19)
« Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? » (Jakoba 2:20)
« Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? » (Jakoba 2:21)
« Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; » (Jakoba 2:22)




35. RBNIR ( 13/02/2018 08:13)
rhaj0:

Fa dia ndao hiarahana ihomehezana ho'a eee .. :-)

Tsy izaho ange no hihomehezanao fa IZY e! « Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lioka 10:16)

Enga anie fotsiny ka tsy hotanteraka aminao ity teny ity...


« Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana? » (Ohabolana 1:22)
« Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. » (Ohabolana 1:23)
« Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; » (Ohabolana 1:24)
« Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: » (Ohabolana 1:25)
« Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
« Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, » (Ohabolana 1:27)
« Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. » (Ohabolana 1:28)
« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
« Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, » (Ohabolana 1:30)
« Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. » (Ohabolana 1:31)
« Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy. » (Ohabolana 1:32)
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)

36. RBNIR ( 13/02/2018 08:29)
io ihany koa ny teny manaporofo fa izao ny olona no tokony hibebaka fa tsy rehefa tonga akory izany rehetra izany,

KOA MANAINGA MAVESATRA NY TSIRAIRAY HANDINIKA TSARA SY HANAPAKEVITRA FA io efa asehon'Andriamitra fa tsy nandainga i Jesosy raha nilaza fa hisy Afobe (miendrika farihy) handevona ny tenan'ny zavatra rehetra (masoandro, volana, kintana, ary ny tany)

« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Petera 3:10)


Afaka adika tahaka an'izao koa io teny io mantsy....


« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.  » (2 Petera 3:10)
37. endriny ( 13/02/2018 12:47)
Mivavaha mafy ry RBNIR mba hivily lalana ilay lavaka mainty a.

Ny pesta aza anefa tsy afaky ny fivavahana moa koa.

Ny an'i Malagasy ihany ho ny ahy. Tokonana tsy afaka ka rindrina no ianihana
38. RBNIR ( 13/02/2018 13:03)

endriny:

Mivavaha mafy ry RBNIR mba hivily lalana ilay lavaka mainty a.

Ny pesta aza anefa tsy afaky ny fivavahana moa koa.

Ny an'i Malagasy ihany ho ny ahy. Tokonana tsy afaka ka rindrina no ianihana

Hevitra iray koa izay isaorana anao, saingy ity fanamarihina fotsiny,

« Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa; » (Romana 3:29)


Andriamanitra dia ho an'ny rehetra fa tsy ho an'ny jiosy irery ihany, fa isika indraindray no manavaka ny tenantsika eo anoloany...

39. endriny ( 13/02/2018 13:31)
Raha mitaingina Toyota ianao ry RBNIR dia mitaingina fiara Japaoney ianao fa tsy mitaingina fiara Malagasy akory.

Raha mitaingina Hyundai indray ianao ry RBNIR dia mitaingina fiara Kaoreanina ianao fa tsy mitaingina fiara Malagasy akory.

Ka raha mivavaka amin'ny Atry ny Jiosy ianao, dia mampiasa ny Atry ny Jiosy ianao izany fa tsy Atry ny Malagasy akory.

Ka aza dia varimbariana ho'a e. Jereo izay ahafahana an'ilay tokonana vao mianika rindrina
40. rhaj0 ( 13/02/2018 13:44)
rhaj0:
Fa dia ndao hiarahana ihomehezana ho'a eee .. :-)
mouah ha ha... Ary dia tsipindi-tanana fotsiny dia hisy galaksia vaovao miforona eo akaiky eo, Ary izy io dia TSY mba trohin'ilay trou noir, Ary dia hisy navette, tarihin-tsoavaly, hitondra hamindra ny Kristiana préféré-n'i Jesosy toa an'i RBNIR... Ary i Gasy1zay ohatra @ io tsy kaonty, fa satria ilehio toa be dohika @ RBNIR
RBNIR:

Tsy izaho ange no hihomehezanao fa IZY e! « Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lioka 10:16)

Dia giravy miihntsy 'le RbNIR 'ty..

1- F'angaha ianao ry RBNIR dia isan'ireo 72 notondroin'i Jesosy ka resahiny ireo? Ireo 72 ireo no noresahin'i JEsosy ao @ io Lioka 10:16 io FA TSY IANAO.
Fa malalaka moa ny tany, ary dia manindrahindra-tena ao ianao, ao @ imazination-nao ao.. Tsindrotsindrohina izay fehezan-teny metimety ao, dia savisavihana hoe, IANAO RBNIR ao koa hono dia personazim-Baiboly ao koa, ary dia nirahin'i JEsosy arak'io Lioka io koa.

2- taiza nisy Jesosy niresaka GALAKSIA? Ianao RBNIR no mirediredy resaka tsy takatrao akoriny fa akapokapoka arak'izay TSY-fahatakaranao fizika bazika, dia mamariparitra eo ianao RBNIR hoe "hisy galaxie vaovao hamindrana ireo olona mino"


Fa raha hoz'ianao RBNIR hoe, i JEsosy mihintsy no miteniteny foana toa io "galaksia vaovao tsy trohin'ny trou noir" io, dia ....
bravo RBNIR.. tsara fa tohizo.. Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5578