Mampiasa Coco fa misy ny fiainana mandrakizay

1. endriny ( 29/01/2018 17:28)
Dia mba nampiasa aho ary nahita fa misy ny fiainana mandrakizay

novalian'i bichette ny 22/03/2018 15:31
2. rhaj0 ( 30/01/2018 12:03)
Aiza no hahitana an'io eto @ interinety ry Endriny?

Toa tsy ao @ ilay __hds.to__ falehako kouh.. :-)

Fa dia mila mijoro ho "vavolombelona" ianao izany eee... :-)
3. endriny ( 30/01/2018 14:46)
Efa mijoro vavolombelona mihintsy aho izao, ary efa indro ny porofo lehibe tamin'ny fampiasana Coco.

Youtube, Asan'i Disney, nosoratan'i Pixar: Toko faha 2017, andininy faha 0 ka hatramin'ny fin
4. endriny ( 03/02/2018 14:54)
Raha nijery io oronan-tsary io hatramin'ny farany isika dia mahita fa tena ohatran'io mihintsy ny fomban'ireo olo-malaza sy ankalazaina eo amin'ny finoana.

Misy misoratena hoe irak'Atra, vavolom-belon'Atra, mpianatr'i Jesosy. Dia ireny no iankohofana sy mandidy ny fiainan'ny tena. Ary hevrina fa ireny no miakatra voalohany sy mandova ny fiainana mandrakizay.

Samia ho tratry ny alahady indray e. Dia ataovy bebe ny rakitra amin'izay falifaly tsara aminao Atra.
5. endriny ( 12/02/2018 13:15)
Ny eto an-tany Tanaka ny any an-danitra hoy Coco
6. Miharena ( 17/02/2018 12:08)
Raha ny hevitrao izany dia rehefa misy mitory aminao dia iankohofanao??

Izaho izao mitory aminao dia iankohofanao ve?

Ianao aza no voalohany tsy manaiky izany fiankohofana aman'olona izany ary natoraly tsara izany satria izay no lazain'ny Baiboly hoe ny Mpamorona anao ihany no iankohofanao.

Dia aholakolaho ao ihany ny coco anao hamorona hevitra tsy misy fotony e!
7. endriny ( 07/03/2018 03:12)
Izay no zava-misy Sa

Misoratena ho mpaminany ry Tsaratsara dia lasa daholo ity adala sy hendry ity mamelatra ny lambany andehanan’i Tsaratsara.

Misoratena ry Kohen dia lasa ity hendry rehetra ity mialoha lalana, mamafa izay ho diavin’i Kohen.

Nandalo teto Madagasikara ny Papa dia lasa namboarina daholo sy nodiovina izay nandalovany. Izay nahita azy niankohoka daholo.
8. bichette ( 22/03/2018 15:31)
ny olona tsy hiankohofana mihtisy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1349