Fiangonana zandriny

61. gasy1zay ( 06/02/2018 14:06)

RBNIR:


gasy1zay:


RBNIR:

Matoa mantsy vitsy ny mpandeha any dia satria mafimafy izay ilay làlana any (ety ny vavahady ary tery ny lalana)


oh ry RBNIR a, ry Billy Graham anie nanao émission en direct tonga dia olona @ tapitrasany ndray nanaraka azy fa tokony ho tonga saina ihany ny mpitory teny raha tsy misy mpandeha mintsy ny lalany sy ny fiangonana entiny, sao dia mba tsy antso avy amin'ny Tompo matoa tsy misy voany?

Tsy azontsika amboamboarina ny tenin'i Jesosy ry gasy1zay a!
Izao no voasoratra:
« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Matio 7:14)


Tena mbola very mintsy nareo zany RBNIR a, tsy resaka fiangonana no resahin'i Jesoa eo fa resaka safidy na ny fahafatesana na fiainana, ny varavaran'ny mitondra makany @ fahafatesana resahina eto dia ny Fahotana ary ny varavarana mitondra fiainana dia i Jesoa Kristy fa tsy antompivavahana akory.
62. RBNIR ( 07/02/2018 05:37)
miresaka vavahady Jesosy gasy 1 izay, hidirana mankaiza ny vavahady? tsy hidirana ao anaty vala? ka inona ny vala aminao?
63. gasy1zay ( 07/02/2018 20:15)

RBNIR:

miresaka vavahady Jesosy gasy 1 izay, hidirana mankaiza ny vavahady? tsy hidirana ao anaty vala? ka inona ny vala aminao?


Vavahady idirana amin'ny fiainana mandrakizay hoy aho no resahiny eto, dia i Jesoa ilay vavahady fa tsy vavahadim-piangonana araka ny eritreretin'i RBNIR akory
64. rhaj0 ( 07/02/2018 20:19)
Matio 7:13: Midira amin'ny vavahady èty...
Gasy1zay : dia i Jesoa ilay vavahady..


Dia ganga ianao hoe, fa maninona no "taitaitra" lava ao Rakrisy.. hoe "èty" i Jesosy???
Ka izany no ao @ imazination-ny kouh...
65. Miharena ( 17/02/2018 12:19)
Ilay resaka vavahady ety dia ara-bakiteny toy ny rameva miditra amin'ny vodim-panjaitra.

Ahoana tokoa moa no tys hahafahanao miditra ny vavahady ety rehefa fanahy ianao fa tsy io vatana be io intsony!

Fa io moa ny fanahy aza tsy eken'izao ateista izao hoe ananany koa hiditra aiza izany izy?!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3655