Fiangonana zandriny

1. Tealala ( 11/01/2018 04:12)
Miarahaba ny mpinkambana rehetra
Hono hoy aho ry zareo, mba misy afaka mitanisa hoe iza avy kay ireo mpitarika fiangonana zandriny izay niaraka/nivavaka/ tao amin'ny Apokalipsy?
Dia azo hitokiana ve ny zavatra lazain'izy ireo sa ve hoe nisy tombontsoa tsy azony tao amin'io apokalipsy io dia iny izy fa namorona ny azy manokana?
novalian'i Miharena ny 17/02/2018 12:19
2. gasy1zay ( 11/01/2018 15:12)
Apokalypsy Mailhol ve no tianao ho resahina? Raha liana ny momba ny apokalypsia aloha i tealala dia ny fampianarana tena nanaitra ahy ary hitako fa mifanaraka @ baiboly dia ny an'i Mario Massicotte, tadiavo ao @ youtube fa feno ao.
3. tealala ( 12/01/2018 08:39)
Ie Apokalypsy an'i Mailhol ka
Tsy hoe liana amin'ny fampianarana ny Apokalipsy aho fa mba tiako ho fantatra hoe inona no nahatonga ireo zana-piangonana niala avy tao amin'io antoko-pinoana iray io.
Maromaro manko zareo no avy tao tahaka an'ny "vahao ny oloko"; "Rivolala kohen" sns, ary koa zareo ao amin'ny "Vitao ny asan'ny fahamarinana"
4. RBNIR ( 12/01/2018 08:52)
tealala:

"Vitao ny asan'ny fahamarinana"

Tena marina v izany lainga B izany tealala???? :)
5. RBNIR ( 12/01/2018 08:56)
izaho mantsy izao ohatra efa nandalo fiangonana (maromaro) ihany vao tonga amin'izao fiangonana misy ahy ankehitriny izao....dia azo lazaina v fa izaho izany dia niala avy tamin'ireo fiangonana efa nandalovako ireo daholo?????
6. tealala ( 12/01/2018 09:02)
Misy olona fantatro niteny hoe izy io koa efa tao no niala, fa tsy haiko izay fahamarinany.
Fa raha toa ka efa nandalo fiangonana maromaro i RBNIR dia azo lazaina hoe efa niala t@ ireo fiangonana efa nolalovanao ireo.
7. RBNIR ( 12/01/2018 09:02)
Tsotra e! ampitovio ny fampianarana fa ny an'i mailhol sy ny an'ny VAF tsy misy itovizany mihitsy...

Faka roa samihafa no niandoan'ireo tealala a! mahaiza mandinika tsara.....
8. tealala ( 12/01/2018 09:05)
Loharano iray ihany ireo ry RBNIR a, anontanio aloha i Pasteur Herinirina hoe ianao ve efa tao @ ny Mailhol hoe.
9. tealala ( 12/01/2018 09:05)
Ny hitovizan'ireo be dia be.
10. RBNIR ( 12/01/2018 10:55)
tealala:

Ny hitovizan'ireo be dia be.

tahakan'ilay hoe mino ny trinité ihany io tealala a! be dia be ny mino ny trinité (Ray Zanaka sy Fanahy Masina) fa saingy rehefa hidirana hifotony dia hita ihany....

Ianao moa mpanao jery maika sy ivelany ka dia normal raha mamaly toy izany koa
11. tealala ( 12/01/2018 11:49)

RBNIR:


Ianao moa mpanao jery maika sy ivelany ka dia normal raha mamaly toy izany koa

Mety ho diso aho, fa tsy boky iray ihany moa ny hifotoranareo ao io? Apokalipsy
12. gasy1zay ( 12/01/2018 15:44)
araka ny baiboly dia misy karazany 2 ny kristianina : ny mandeha araka ny Fanahy ( efesiana )sy ny mandeha araka ny nofo ( Korintiana), ka amiko dia ny zava-dehibe dia hoe ny Fanahy ve no nitarika anao niova na niala t@ fiangonana iray sa ny nofonao?
13. rhaj0 ( 14/01/2018 15:16)
RBNIR:
Tsotra e! ampitovio ny fampianarana fa ny an'i mailhol sy ny an'ny VAF tsy misy itovizany mihitsy...

Faka roa samihafa no niandoan'ireo tealala a! mahaiza mandinika tsara.....

hi hi hi.. ilay "faka" ve tsy "niandoha" tany @ Andrmntr'i Abrahama na koa Genesisy...

Fa dia SAMIHAFA hono izany ireo ho an'i Mailhol sy VAF eee...

Tsara fa tohizo ry RBNIR aa... izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :-)

gasy1zay:
misy karazany 2 ny kristianina : ny mandeha araka ny Fanahy ( efesiana )sy ny mandeha araka ny nofo ( Korintiana)

mouah ha ha... dia nefa i Paoly daholo no nanoratra ireo bokin'i Efesiana SY Korintiana.

Ka dia halalino ao izany ry Gasy1zay dia zarazarao aminay eto eee...
14. RBNIR ( 15/01/2018 05:30)

rhaj0:

RBNIR:
Tsotra e! ampitovio ny fampianarana fa ny an'i mailhol sy ny an'ny VAF tsy misy itovizany mihitsy...

Faka roa samihafa no niandoan'ireo tealala a! mahaiza mandinika tsara.....

hi hi hi.. ilay "faka" ve tsy "niandoha" tany @ Andrmntr'i Abrahama na koa Genesisy...

Fa dia SAMIHAFA hono izany ireo ho an'i Mailhol sy VAF eee...

Tsara fa tohizo ry RBNIR aa... izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :-)

Raha faka iray dia tokony ho fampianarana iray ihany fa matoa samihafa dia faka samihafa rhajo a!
15. tealala ( 15/01/2018 07:00)
Ireo rehetra niata tao Apokalipsy an'i Mailhol (Dédé olona iray ao amin'ny fianakaviko ihany izy io mifandray tsara amiko) dia samy miteny avokoa fa antson'Andriamanitra ny azy ireo anefa dia samy mitory ny azy dia i RBNIR milaza fa samihafa izy ireo.
16. tealala ( 15/01/2018 08:31)
Ny fahitako hoe fitaka ny ao @ VAF dia ilay t@ resaka peste teto amitsika iny natahotra zareo dia tsy nandeha nivavaka tao Ampefiloha, raha toa ka tena marina nanohy ny vavaka tao amin'ny toerana mahazatra ihany izy fa tsy hoe any an trano no mivavaka fa misy pesta.
17. tealala ( 15/01/2018 09:03)
Sady raha toa ka marina izy ka efa mino hoe efa ho avy i Jesosy tsy misy dikany mihitsy ny hanaovany trano raha izany :D, sa ts efa manao trano indray i Pasteur Herinirina Fitiavana ao?
Zavatra tany efa ho rava ity afaka atsy ho atsy hoy ny toriteniny aminareo ao ry RBNIR.
18. rrgmt ( 15/01/2018 11:08)
Ka arebirebiny fotsiny ianareo fa ry zalahy mpitarika mangoron-karena
19. RBNIR ( 15/01/2018 11:10)
Hoy i Jesosy tamin'ny mpianany fahiny hoe:

« Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. » (Matio 6:19)


Nefa rehefa nanontanian'i petera izy hoe « Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. » (Marka 10:28)


Dia hoy i Jesosy hoe:
« Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Marka 10:29)
« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Marka 10:30)


handray zato heny dia trano........

Diso v i petera raha nandray trano zato ry tealala????
20. RBNIR ( 15/01/2018 11:14)
Mila madio fo ny olona iray dia hofantany ny marina rehetra ary tsy mba ho isan'ny olona mpimonomonona, sy mpanaratsy mpanompon'Andriamanitra mihitsy izy amin'izany.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1508