FALY MIARAHABA ANTSIKA TRATRY NY TAONA VAOVAO INDRAY

21. rhaj0 ( 18/01/2018 01:58)
gasy1zay:
Accessible hoan'izay mino sy vonona ny hanantona azy..

Ireo badrahodra, izay tsy mahay "mino sy vonona", araka ny formule-majikan'i Gasy1zay izany, dia ireny izany ireo matimaty toa valala an-tapitrisany, fa iavonavonan'i Jesosy ny amonjena an-dreo an..

Marina tokoany io fa ny zaza gasy, izay mbola tsy mahalala izay ambonin'ny tany, ka TSY "mino sy vonona", ireo zaza gasy matin'ny fahantrana, zaza 1 isaka ny 5 minitra, ireny izany dia maty noho ny (tsy) ataony ihany. Ary TSisY tsiny ary TSISY adidin'i Jesosy mihintsy ny @ izany.

Voninahitry ny Andrmntra Kristiana daholo izany, hozy ry Gasy1zay.

Ntsss.. .mitapisaona ianao ry Gasy1zay. TSY mitapisoaona indray mantsy, fa kosa, tena manafangaroaro ny Kristianisma sy izay finoana primitive adala anao ao. Ny famonjen'i Jesosy dia ny any an-danitra sy paradisa, fa TSY @ izay resaka vatana sy nofo (mararin'ny cancer izany)
22. Miharena ( 18/01/2018 11:02)
Ilay resaka ataondRhaj0 hatramin'izao dia manilika ny fiasan'ny Mpamorona ka manjary mirirotra hevitra entina hanafoanana ny zavamisy sy tsapan'ny olombelona momba an'Andriamanitra sy Jesoa.

Azo lazaina soa aman-tsara anie hoe ireo izay tsy mino dia manao safidy ny handeha araka ny sitrapony e! Andriamanitra rahateo tsy manery fa mampisafidy.

Misy ireo olona izay tsy te-handre akory an'Andriamanitra dia miaina arak'izay mahadiavolana ny fony ao izy. Tsy misy ifandraisan'ny fahantrana na fananan-karena ny famoronana sy ny fikarakarana avy amin'Andriamanitra. Efa napetrany tsara ny tsara sy ny ratsy ary atao eo anoloan'ny olombelona izany mba hahazoany misafidy. Mampisafidy ny tsara IZY fa izay manentsin-tadigny dia mandeha any amin'ny lalana tsy izy dia manenina any aoriana.

Tsy fahagagana intsony hoy aho ny an'Andriamanitra sy ny mpanara-dia an'i Jesoa fa azo atao tsara ny manazava azy rehefa miasa Andriamanitra Mahalala ny voariNY.

Ilay hoe fanavakavahana izay voizin-dRhaj0 dia tsy izay loatra no izy fa hoy Jehovah hoe : ny fahotanareo no efitra mampisaraka Amiko aminareo. Ka io safidy no mandrindrina dia tsy hirotsahan'ny fahasoavana sy ny asa mivantana avy amin'Andriamanitra. Safidy ny tsy ho sitrana satria tsy matoky IZAY MPANASITRANA mahalala tsara ny voariny sy ny fiasan'io voariny io.

Ny tsy tompon'ny voary toa an'i Satana ohatra dia manaotao foana hatrany.
23. gasy1zay ( 18/01/2018 16:10)

rhaj0:

gasy1zay:
Accessible hoan'izay mino sy vonona ny hanantona azy..

Ireo badrahodra, izay tsy mahay "mino sy vonona", araka ny formule-majikan'i Gasy1zay izany, dia ireny izany ireo matimaty toa valala an-tapitrisany, fa iavonavonan'i Jesosy ny amonjena an-dreo an..

Marina tokoany io fa ny zaza gasy, izay mbola tsy mahalala izay ambonin'ny tany, ka TSY "mino sy vonona", ireo zaza gasy matin'ny fahantrana, zaza 1 isaka ny 5 minitra, ireny izany dia maty noho ny (tsy) ataony ihany. Ary TSisY tsiny ary TSISY adidin'i Jesosy mihintsy ny @ izany.

Voninahitry ny Andrmntra Kristiana daholo izany, hozy ry Gasy1zay.

Ntsss.. .mitapisaona ianao ry Gasy1zay. TSY mitapisoaona indray mantsy, fa kosa, tena manafangaroaro ny Kristianisma sy izay finoana primitive adala anao ao. Ny famonjen'i Jesosy dia ny any an-danitra sy paradisa, fa TSY @ izay resaka vatana sy nofo (mararin'ny cancer izany)

Calma fotsiny ianao rhaj0 a! Taiza aho no niteny fa avy amin'Andriamanitra ny aretina mamely ny zaza gasy e! Araho tsara ny baiboly, hoy Jesosy hoe sitrano ny marary, i Jesosy nanasitrana ny marary maro, dia izy niteny hoe izaho tsy manao zavatra raha tsy avy amin'ny Ray

Tsotra be izany fa Andriamanitra Ray dia mitady ny fanasitranan'ny Nofo rehetra, tsy misy na dia 1 aza t@ ireo marary nositraniny no nolazainy hoe sitrana nareo refa any an-danitra.

Aminay dia manasitrana Jesosy Kristy na inona na inona aretina mahazo anao na tsy mbola misy fanafody hitan'zareo siantista aza.

Ny tiako ho lazaina dia raha tsy mino ianao fa manasitrana izy ka tsy mangataka fanasitranana aminy ianao dia tsy ho sitrana tokoa.
24. rhaj0 ( 18/01/2018 23:24)
gasy1zay:
Ny tiako ho lazaina dia raha tsy mino ianao fa manasitrana izy ka tsy mangataka fanasitranana aminy ianao dia tsy ho sitrana tokoa.

Eny ho'a ee.. ilay Zaza izany mbola bodo, ary dia tsy mino fa manasitrana izy ka tsy mangataka fanasitranana, ary dia maty nitsitsitra eny isaka ny 5 minitra ee...
Ary TSISY tsiny sady TSY adidin'i Jesosy ny manasitrana azy ireo koa.

mila averina im-piry io izay vao miditra amin-dry Gasy1zay rey olona aa???
25. endriny ( 22/01/2018 13:14)
Arahabaina tratry ny taona e. Dia samy ho tratry ny volana Febroary indray
26. gasy1zay ( 22/01/2018 16:22)

rhaj0:

gasy1zay:
Ny tiako ho lazaina dia raha tsy mino ianao fa manasitrana izy ka tsy mangataka fanasitranana aminy ianao dia tsy ho sitrana tokoa.

Eny ho'a ee.. ilay Zaza izany mbola bodo, ary dia tsy mino fa manasitrana izy ka tsy mangataka fanasitranana, ary dia maty nitsitsitra eny isaka ny 5 minitra ee...
Ary TSISY tsiny sady TSY adidin'i Jesosy ny manasitrana azy ireo koa.

mila averina im-piry io izay vao miditra amin-dry Gasy1zay rey olona aa???

i rhaj0 no tena mbola very tanteraka @ "guerre spirituelle" dia ohatrany faly manome tsiny an'Andriamanitra, avy aiza ny aretina hoy aho : Satana/devoly, iza no manakana ny olona tsy hino : Satana/devoly, inona no manakana ny olombeona tsy hanantona an'ANdriamanitra ; ny fahotana, avy aiza ny fahotana : fakampanahy, iza no maka fanahy = Satana; inona ny vokatry ny fahotana = fahafatesana

Andriamanitra dia efa nanome antsika ny vahaolana momba ny fahafatesana, fahotana, aretina sns... fa ny anjarantsika dia ny mino ny vahaolana nomeny ( Jesoa Kristy) ary mandray azy.
27. rhaj0 ( 23/01/2018 02:25)
gasy1zay:
avy aiza ny aretina hoy aho : Satana/devoly...

Eny ho'a ee.. nidiran-devoly daholo ireo zaza tsy manantsiny maty isaka ny 10 minitra ao Dago ao.
Nidiran-devoly dahol ireo Kristiana an-tapitrisany matin'ny homamiadana...

Ny Kristiana tena lafatra toa an-dry Gasy1zay indray tsy mba marary izany.
28. gasy1zay ( 23/01/2018 14:35)

rhaj0:

gasy1zay:
avy aiza ny aretina hoy aho : Satana/devoly...

Eny ho'a ee.. nidiran-devoly daholo ireo zaza tsy manantsiny maty isaka ny 10 minitra ao Dago ao.
Nidiran-devoly dahol ireo Kristiana an-tapitrisany matin'ny homamiadana...

Ny Kristiana tena lafatra toa an-dry Gasy1zay indray tsy mba marary izany.

Joba zao narary fa nisy nilaza ve hoe nidiran'ny devoly izy? Ny kristianina mety marary fa saingy afaka manantona ilay mpanasitrana sy mpamonjy azy e! Na ianao aza anie rhaj0 afaka sitraniny raha manantona azy e, tsy misy hoe lafatra tsy lafatra zany vao tian'Andriamanitra fa asan'ny tanany daoly isika na ny mpivavaka isan'Alahady na ireo tsy mpino iringiriny.
29. rhaj0 ( 24/01/2018 01:25)
gasy1zay:
tian'Andriamanitra fa asan'ny tanany daoly...

Dia pli-vava fotsiny ny anao ry Gasy1zay. Ilazao an'izany ho'a ny ray sy renin'ireo zaza gasy maty isaka ny 10 minitra. Raha tiany ve navelany ho fatifaty foanan'ny fahantrana ao io. Ny harena anefa misy ihany, ohatra ny an'i Vatican sy ry Hrnrn.. sa tsy izany ry RBNIR?

Dia "asan'ny tanan'Andtrmna" daholo koa moa h@ ireo galakzia any @ tsy hita pesipesenina ooo ????
30. RBNIR ( 24/01/2018 05:14)
rhaj0:

sa tsy izany ry RBNIR?

Tsy ao mihitsy ange i rhajo izany e! ny harena misy ihany hoy ianao....

Tsy fantatrao akory ny tena marina fa fitsarana ivelany ny anao...

Fantatrao moa fa raha manao asa fanasoavana na fiantrana ny olona iray dia tsy tokony ho fantatry ny hafa akory?????

« Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[*Na: ny fiantrana] » (Matio 6:1)
« Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. » (Matio 6:2)
« Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, » (Matio 6:3)
« mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. » (Matio 6:4)
31. RBNIR ( 24/01/2018 05:16)
Normal Be raha tena mpivavaka tsy ho hitanao mihitsy izay asa fiantrana ataony any ambadika any..

Raha tena mpivavaka hoy aho an!
32. gasy1zay ( 24/01/2018 14:19)

rhaj0:

gasy1zay:
tian'Andriamanitra fa asan'ny tanany daoly...

Dia pli-vava fotsiny ny anao ry Gasy1zay. Ilazao an'izany ho'a ny ray sy renin'ireo zaza gasy maty isaka ny 10 minitra. Raha tiany ve navelany ho fatifaty foanan'ny fahantrana ao io. Ny harena anefa misy ihany, ohatra ny an'i Vatican sy ry Hrnrn.. sa tsy izany ry RBNIR?

Dia "asan'ny tanan'Andtrmna" daholo koa moa h@ ireo galakzia any @ tsy hita pesipesenina ooo ????

Ny zavatra rehetra akoatra antsika olombelona dia noforoniny t@ teniny : Misia ...dia nisy ary ny galaxia lazainao dia ao anatiny , isika olombelona ihany no asan'ny tanany, novolavolainy, nasiany fofon'Aina.

Mikasika fahantrana sy harena dia mifamaofao be ny fahazoan'i rhaj0 azy zany, tsy hoe manakarena dia sambatra, tsy ny hampanakarena anao no tanjon'Andriamanitra fa ny harena sy zavatra rehetra ( fanasitranana, fiadanana, fanambianana ) dia bonus rehefa azonao ny famonjena ( nandray an'I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy), amiko (hevitro manokana io fa misy kristiana tsy mitovy hevitra @ io) tsy ny kristianina rehetra no hahazo harena be fa araka izay sahaza anao ihany no omen'Andriamanitra anao satria misy vao mahazo harena dia adinony Andriamanitra, misy kosa nefa mahazo harena vao maika manompo azy bebe kokoa. Amiko ny fahasoavana @ harena tsy mitovy hoan'ny tsirairay, fa ny fiadanana sy ny vokatry ny Fanahy hafa dia samy mahazo ny anjarany avy.

33. rhaj0 ( 25/01/2018 11:55)
gasy1zay:
ny harena sy zavatra rehetra ( fanasitranana, fiadanana, fanambianana ) dia bonus rehefa azonao ny famonjena

io ho'a eritrereto tsara ao ry Gasy1zay, fa izany bonus bonus-nao izany dia TSY fampianaran'i Kristy, fa tena "finoana primitiva"-nao manokana ao.

Amoahy toko aman'andininy, fampianaran'i Kristy, momba ny "bonus"-nao izany azany eto ry Gasy1zay, ahitana raha mba mahay baiboly ary manaraka izany tokoany ianao, fa tsy hoe, izao revirevinao maziamazia manokana anao ao foana no asavisavikao @ Kristianisma.
34. gasy1zay ( 25/01/2018 16:51)

Matio 6:33 :" Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany"

Cherchez premièrement le royaume et la justice de Dieu; et toutes ces choses vous seront données par-dessus

35. rhaj0 ( 27/01/2018 21:18)
Ary ahoana ny lojikan'ilay vodi-fanjaitra sy lohan-drameva ary Rampanankarena eee... Aiza ny bonus-nao @ izany ry Gasy1zay aa??

Efa nampazahon'Andrmntrao Rampanana, ka inona intsony ny hanaovany vavaka (fangatahana) Aminy eo...
36. Miharena ( 29/01/2018 06:06)

rhaj0:

Ary ahoana ny lojikan'ilay vodi-fanjaitra sy lohan-drameva ary Rampanankarena eee... Aiza ny bonus-nao @ izany ry Gasy1zay aa??

Efa nampazahon'Andrmntrao Rampanana, ka inona intsony ny hanaovany vavaka (fangatahana) Aminy eo...

Lojikan'ny vody fanjaitra sy Rameva no fanontaniana eto dia valiana hoe rehefa lasan'ny hareny ny fon'ny mpanankarena dia tsy misy efitra ho an'ny Tompo intsony ao.

izany hoe rehefa ny harena no voalohan-daharana dia feno ilay fo ka ho sarotra ny hanokafana izany hidirany any amin'ny Fanjakana. Raha toa kosa ka ny Tompo aloha no voalohan-daharana ao am-po dia manaraka ho azy ireo harena fa ny tena harena tsara indrindra dia ny Fanjakan'ny lanitra. Izany hoe taimboraka ilay harena ety an-tany nanompanan'ilay mpanankarena (ara-nofo) ny fiainany.

Raha tsy mazava amin-dRhaj0 izay lojika tsotra izay dia efa tena tsy misy olombelona manan-tsaina intsony eto ambonin'ny tany. Indrindra ireo mihevitra fa tsy misy ny Tompo niteny io lojika io, dia efa kilasiana ho olona donto aloha izy ka mila jiro.
37. RBNIR ( 29/01/2018 08:49)

rhaj0:

Ary ahoana ny lojikan'ilay vodi-fanjaitra sy lohan-drameva ary Rampanankarena eee... Aiza ny bonus-nao @ izany ry Gasy1zay aa??

Efa nampazahon'Andrmntrao Rampanana, ka inona intsony ny hanaovany vavaka (fangatahana) Aminy eo...

Izay ilay problema,

Fantaro tsara aloha hoe inona marina no dikan'ilay vodi-fanjaitra resahin'i Jesosy

Andriamanitra tsy mila voa tsy ary.....
38. RBNIR ( 29/01/2018 11:17)
rehefa hiditra ny tananan'i Jerosalema dia misy vavahady kely izay nolazaina hoe vodifanjaitra ary dia sarotra ho an'ny rameva tokoa ny niditra tamin'io.

https://jeremyaffeldt.wordpress.com/2013/09/16/eye-of-the-needle-2/
39. RBNIR ( 29/01/2018 11:18)
40. RBNIR ( 29/01/2018 11:23)
« Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lioka 13:24)

Tsy aleo v misisika miditra eo ihany na dia somary tery aza ilay izy....

Jereo tsara ny sary fa ny fidirana no somary tery fa rehefa tafiditra kosa......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7869