FALY MIARAHABA ANTSIKA TRATRY NY TAONA VAOVAO INDRAY

1. RBNIR ( 09/01/2018 09:11)
Dia mbola faly miarahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao indray,

Enga anie ka mba ho taona vaovao hiposahan'ny fahazavana ho an'ny maro ity taona ity..

Dia mbola mamporisika ny tsirairay hifampisera ampitiavana sy ampirahalahina hatrany,

Ny hisavasavana ny raviny hono no hahitana ny fotony hoy ny ntaolo malagasy izay..

Dia samia hotahin'Andriamanitra e!
novalian'i gasy1zay ny 20/02/2018 19:45
2. gasy1zay ( 09/01/2018 20:11)
Tratry ny taona koa i RBNIR dia mirary ny fahasoavan'ny Tompo ho anao sy ny fianakavianao
3. Miharena ( 10/01/2018 04:56)
Miarahaba ny rehetra nomena ity taona ity indray satria mbola manana adidy eto amin'ity planeta ity izany isika ary mirary soa an'i RBNIR sy Gasy1zay.
4. gasy1zay ( 10/01/2018 14:34)
Miharena > misaotra betsaka dia manonona ny fiadanana sy fahasoavan'ny Tompo ho anareo mianakavy koa
5. rhaj0 ( 11/01/2018 11:35)
Dia mandroso tokoany ity ny taona fa dia bônané daholo ee...

Fa aiza ho aiza @ ireto fandrosoana (taona) ireto izany ianareo ry RBNIR sy Gasy1zay ary Miharena??

Bibila:

[size=15]1- Mon livre sacré est la parole de Dieu.
2- Pardon, cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.
3- Désolé, les bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.
4- Je voulais dire que mon interprétation des bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

6. RBNIR ( 11/01/2018 13:01)

rhaj0:

Faly misera indray rhajo a! dia samy ho tahin'Andriamanitra e!

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)
7. RBNIR ( 11/01/2018 14:15)
2 Peter 1:20-21English Standard Version (ESV)
20 knowing this first of all, that no prophecy of Scripture comes from someone's own interpretation. 21 For no prophecy was ever produced by the will of man, but men spoke from God as they were carried along by the Holy Spirit.

2 Pierre 1:20-21Louis Segond (LSG)
20 sachant tout d'abord vous-mêmes qu'aucune prophétie de l'Écriture ne peut être un objet d'interprétation particulière,

21 car ce n'est pas par une volonté d'homme qu'une prophétie a jamais été apportée, mais c'est poussés par le Saint Esprit que des hommes ont parlé de la part de Dieu.
8. RBNIR ( 11/01/2018 14:17)
Hampanaiky antsika anie ny Fanahin'Andriamanitra amin'izany teny izany....

Sarotra inoana sy hoekena ho an'ny ankamaroan'ny olona nefa izay ilay hoe lalana ety (tery) tsy maintsy hirosoana e!

« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)
9. gasy1zay ( 12/01/2018 15:50)

rhaj0:

Dia mandroso tokoany ity ny taona fa dia bônané daholo ee...

Fa aiza ho aiza @ ireto fandrosoana (taona) ireto izany ianareo ry RBNIR sy Gasy1zay ary Miharena??

Bibila:

[size=15]1- Mon livre sacré est la parole de Dieu.
2- Pardon, cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.
3- Désolé, les bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.
4- Je voulais dire que mon interprétation des bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

Bonne année i rhaj0 sy ny fianakaviany dia mirary ny fahasoavan'ny Tompo na dia tsy mino aza ianao.

Tena mandroso @ fahalalana ny Tompo fa tsy mihemotra akory ka. ary ny siansa nareo ve mba mandroso ilay work in progress sa mbola statu quo?
10. gasy1zay ( 12/01/2018 19:58)

rhaj0:

Dia mandroso tokoany ity ny taona fa dia bônané daholo ee...

Fa aiza ho aiza @ ireto fandrosoana (taona) ireto izany ianareo ry RBNIR sy Gasy1zay ary Miharena??

Bibila:

[size=15]1- Mon livre sacré est la parole de Dieu.
2- Pardon, cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.
3- Désolé, les bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.
4- Je voulais dire que mon interprétation des bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

tadidiko le fanontanian'i rhaj0 t@ heritaona hoe ahoana ilay feony??? dia ito ny hitako tao @ youtube tao :
https://www.youtube.com/watch?v=UWhcplcl5QE&list=PLQOBRDQmm4PnvjX3eg7USfTY-fyG9S_0m
11. rhaj0 ( 14/01/2018 15:21)
RBNIR:
2 Peter 1:20-21English Standard Version (ESV)...
2 Pierre 1:20-21Louis Segond (LSG)...
bibila:
[size=15]3- Désolé, les bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

hay va re ka efa mba 3 taona izany izao i RBNIR ee... :-)

gasy1zay:
Tena mandroso @ fahalalana ny Tompo
gasy1zay:
[size=15]4- Je voulais dire que mon interprétation des bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

i Gasy1zay indray efa mba 4 taona ;-)

gasy1zay:
ary ny siansa nareo ve mba mandroso ilay work in progress sa mbola statu quo?

Mba mivoaha faingana ho'a avy ao @ box kely ao, dia mba ampiasao ny interinety comme il faut, fa efa mandroso ny taona ry Gasy1zay aaa... Eto raha hijery ny work in progress:
http://lmgtfy.com/?q=latest+science+discovery+madagascar+ry+gasy1zay

12. RBNIR ( 15/01/2018 05:35)
rhaj0:

RBNIR:
2 Peter 1:20-21English Standard Version (ESV)...
2 Pierre 1:20-21Louis Segond (LSG)...
bibila:
[size=15]3- Désolé, les bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

hay va re ka efa mba 3 taona izany izao i RBNIR ee... :-)

Hafa kely mihitsy ity fandikanao teny ity rhajo a!
no prophecy was ever produced sy ny hoe qu'aucune prophétie de l'Écriture ne peut être un objet d'interprétation particulière, dia azo interpretena hoe UNE BONNE PARTIE (izany hoe misy partie tsy azo raisina ho parole de Dieu)....
13. gasy1zay ( 15/01/2018 21:27)

rhaj0:

RBNIR:
2 Peter 1:20-21English Standard Version (ESV)...
2 Pierre 1:20-21Louis Segond (LSG)...
bibila:
[size=15]3- Désolé, les bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

hay va re ka efa mba 3 taona izany izao i RBNIR ee... :-)

gasy1zay:
Tena mandroso @ fahalalana ny Tompo
gasy1zay:
[size=15]4- Je voulais dire que mon interprétation des bonnes parties de cette version de mon livre sacré est la parole de Dieu.[/size]

i Gasy1zay indray efa mba 4 taona ;-)

gasy1zay:
ary ny siansa nareo ve mba mandroso ilay work in progress sa mbola statu quo?

Mba mivoaha faingana ho'a avy ao @ box kely ao, dia mba ampiasao ny interinety comme il faut, fa efa mandroso ny taona ry Gasy1zay aaa... Eto raha hijery ny work in progress:
http://lmgtfy.com/?q=latest+science+discovery+madagascar+ry+gasy1zay

Toa fandrebirebena fotsiny ilay izy rhaj0 fa mba fikaroahana mahasoa ny be sy ny maro toy ny fanafody sida, cancer avoaka raha misy fa tsy fikarohana toy ny nozarainao io.
14. rhaj0 ( 15/01/2018 22:05)
Da tena 4 taona marina ve nareo ry Gasy1zay aa ?? Efa atoro hoe ahoana ny fanaovana azy, nefa dia lazain-dry GAsy1zay fa mandrebireby

ity indray jerena ee...

http://lmgtfy.com/?q=latest+science+discovery+on+cancer
15. Miharena ( 16/01/2018 07:56)

rhaj0:

Da tena 4 taona marina ve nareo ry Gasy1zay aa ?? Efa atoro hoe ahoana ny fanaovana azy, nefa dia lazain-dry GAsy1zay fa mandrebireby

ity indray jerena ee...

http://lmgtfy.com/?q=latest+science+discovery+on+cancer

Iaraha-mahalala fa ny cancer dia isan'ny aretina nirongatra taty aoriana noho ny fisian'ny fikorontanana isan-tokony tsy maintsy nodiavin'ny olombelona taorian'ny fahalavoana izay efa voasoratra ao anaty Soratra Masina.

Ny fikarohana sisa no azon'ny olombelona atao hanasitranana azy. Fa ny Mpitsabo mahay indrindra dia IZAY NAMORONA ny olombelona ka mahalala tsara hoe inona no kasihina dia afaka io. Tsy vitan'ny mikiraosikaopy io fa FAHEFANA FOTOTRA no manala azy io tsy misy vola be laniana. Maro ireo olona mijoro vavolombelona nihaona tamin'ny Mpamonjy nanasitrana azy tamin'ny homamiadana.
16. gasy1zay ( 16/01/2018 13:58)

rhaj0:

Da tena 4 taona marina ve nareo ry Gasy1zay aa ?? Efa atoro hoe ahoana ny fanaovana azy, nefa dia lazain-dry GAsy1zay fa mandrebireby

ity indray jerena ee...

http://lmgtfy.com/?q=latest+science+discovery+on+cancer

Ela be ny working progress nareo vao ho accessible amin'ny be sy ny maro fa tsy mba ohatran'itony :

http://lmgtfy.com/?q=t%C3%A9moignage+gu%C3%A9rison+divine+cancer
17. rhaj0 ( 16/01/2018 23:59)
Mouah ha ha.. accessible @ besinimaro angaha io fahagaga(i)n'ny Finoana io re ry Gasy1zay?

Ary maninona tsy ampatsiahivinao eto koa i Apostoly Tsaratsara re ry Gasy1zay, ka ny ferin-dahalony no nolazainy fa homamiadana, dia hoe sitran'i Jesosy nidina avy tao ambony tafo fanitso tao???
18. Miharena ( 17/01/2018 07:21)
Ilay hoe accessibilite ny fahagagana dia tsy mitombina loatra ny fanontanian-dRhaj0 satria tsy fahagagana intsony raha fantatra fa ny Mpamorona no mikasika ny fototr'aretina rehetra satria IZY mahalala hoe inona no nikorontana dia averina amin'ny laoniny.

Ny olana anie dia safidy izany ny ho ratsy sy tsy ho salama satria tsy matoky ny Mpahary handrindra sy hiara-dalana amin'ny tenany tsirairay avy ny olombelona (maromaro) noho ny di-doha sy bontolo e!
19. rhaj0 ( 17/01/2018 11:33)
Esy e ry Miharena. i Miharena moa ilay kristiana tonga dia mino beuh raha vao misy olona mijoro ho "vavolombelona @ anaran'i Jesosy". Efa sirika beuh teto ny finoana sy filohalohavan'i Miharena an'i Tsaratsara sy ny ferin-dahalony lazainy fa cancer.

Fa i Miharena koa ilay niino beuh an'i Tatandraza. Ilehio indray moa izao no malaza izao. Ka ahoana io ry Miharena??? Maty dia nitsangana t@ maty, dia io zahavin'ny zandary io ny Apostolin'i Miharena. Efa voasoratsa tanaty Baiboly koa moa izany izao ry Miharena ooo???

Efa mba nitombo taona ianao izao ry Miharena fa aoka @ izay ity finoanoam-poana ity aaa...
20. gasy1zay ( 17/01/2018 14:10)

rhaj0:

Mouah ha ha.. accessible @ besinimaro angaha io fahagaga(i)n'ny Finoana io re ry Gasy1zay?

Ary maninona tsy ampatsiahivinao eto koa i Apostoly Tsaratsara re ry Gasy1zay, ka ny ferin-dahalony no nolazainy fa homamiadana, dia hoe sitran'i Jesosy nidina avy tao ambony tafo fanitso tao???

Accessible hoan'izay mino sy vonona ny hanantona azy ka , efa nilaza i Jesoa hoe famantarana manaraka ny mino ny fanasitranana ny marary
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5813