Fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy

1. MilanRan ( 01/01/2018 07:49)
Azo eritreretina eto Madagasikara ve ny lahy sy vavy tena mitovy zo tanteraka? Raha tsahivina dia mifanohitra amin'ny kolontsaina malagasy ny hoe vehivavy mampitovy tena amin'ny lehilahy. Eo amin'ny Malagasy dia ny lehilahy foana no lohan'ny tokatrano ary ny lehilahy no mandidy manapaka! Ahoana ny hevitrao?
novalian'i booboo ny 08/01/2018 10:27
2. shafira ( 06/01/2018 10:53)
mbola tsy azo eritreretina aloh hatreto tsy mbola zakan' ny toe tsaina malagasy aloha zany .
3. booboo ( 08/01/2018 10:27)
Asa...fa raha ny nianarana dia hoe taloha hono, asa taloha oviana io, dia ny vehivavy no manapaka ao an-trano, inona no kaly ho vidiana, inona no entana ilaina, ahoana no ampiasaina ny vola sy ny tariny, inona sy aiza indray ny masomboly @ saison manaraka, sady afaka nomena anarana mahaizy azy fa tsy anaran-dray tsy anaran-dreny, afaka misitanka rehefa mandaginina ny vady. Zo n'ny vehivavy malagasy daholo ireo. Ny @ zao vanim-potoana izao no tsy haiko : karama ? asa ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1894