Noely hoan'ireo namana tsy mino an'Andriamanitra

1. gasy1zay ( 20/12/2017 21:07)
Ho antsika kristianina dia tonga ny mpamonjy 2000 taona lasa izay ary efa vita ny famonjena ka azontsika raisina amin'ny finoana sy fandraina an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy antsika. Hoan'ireo namantsika tsy mino kosa dia ny Noely dia fety faran'ny taona, fetin'ny ankizy, fetin'ny fifanakalozana fanomezana.

Mba saika hanontany aho amin'izy ireo hoe mba tsapany ve hoe misy probabilité 1 chance sur 2 hoe diso tanteraka ny fomba fijerin'izy ireo?

Satria manko na misy Andriamanitra na tsy misy ( probabilité 50% )

Na misy ny afobe na tsy misy ( probabilité 50%)

Na misy ny paradisa na tsy misy ( probabilité 50%)

Na tenin'Andriamanitra ny baiboly na tsia ( probabilité 50%)

Mba raisiko ilay filazan'i rhaj0 hoe efa nivoaka ny box-ny ve ireo tsy mpino ka nanontany tena hoe : RAHA MARINA TOKOA MOA NY VOALAZAN'NY BAIBOLY DIA AHOANA NY MOMBA AHY?

Fa mpamonjy no teraka ho antsika 2000 taona lasa izay ary efa novonjeny isika fa safiditsika no manaiky na tsia ny handray izany.

Mirary noely 2017 sambatra ho antsika rehetra dia ho tahian'ny Tompo ny tsirairay avy mpiserasera eto.
novalian'i rhaj0 ny 24/12/2017 15:08
2. rhaj0 ( 21/12/2017 03:27)
Ahoana no namaritan'i Gasy1zay fa 50/50 ny pirobabilitia??
Esy ee... efa tsy 100% Andrntra intsony an.. tsara fa efa mivoatra ee... :-)

Fa toa ny resaka tatsy @ Siansa/Finoana, dia avy dia faritan'i Gasy1zay ho 50% koa izany ny hampamarina ny "izay voasoratra dia voasoratra" ao anaty Baiboly, ary napetraky ny mpandinika (kristiana) an-tsary ito??

3. gasy1zay ( 21/12/2017 13:56)

rhaj0:

Efa novaliako io hoe na misy ny afobe na tsy misy, tsy misy 3 ème possibilité na dia be imagination toy ny inona ary i rhaj0
4. rhaj0 ( 21/12/2017 15:52)
mouah ha ha.. TSY mahay teny Hebreo marina i Gasy1zay; anarany fotsiny miondana Kristianisma andro aman'aliina ao, fa dia TSY hainao akoriny ve ny basika ry Gasy1zay?? Nefa ohatra ny bonzour dia hainao fa salamalekoum sy namaste sns... Henatra ee... Henatra ...

Sheol re no "afobe" eee...

Ka @ io Kisary io, izay kisarin'ny "voasoratra (dia voasoratra)" ao anaty Baiboly, dia MISY ny Afobe.

Ka dia 50% izany no mampamarina an'io Kisary io, hozy Gasy1zay. :-)
5. rhaj0 ( 21/12/2017 16:36)
oooppss.. samy tsy mahay kay isika ry Gasy1zay. Fa izaho TSy miondana Kristianisma ka dia normal ihany.

Fa kay ilay hoe sheol dia ilay hoe "midina any @ fiainan-tsi-hita". Dia avy eo vao mizara miakatra any @ Heaven sa midina any @ Abyss

Fa na izany na tsy izany, dia 50% HONO hoz'i Gasy1zay no maha-marina io Kisary io eee..

hi hi hi ... mila "isaorana i Jehovah" @ fahalalana malalaka sy lasan-davitr'i Gasy1zay :-)
6. gasy1zay ( 21/12/2017 19:13)

Dia tohizana kely ihany ny resaka, raha sanatria hono isika sy rhaj0 miara maty tampoka anio @ izao toetsika izao dia ny 1 @ ireto no zavatra itsy maintsy hitranga

1- Araka ny hevitr'i rhaj0 zany dia lasa kankana zay maty dia zay ...
2- Araka ny finoako dia misy ny fiainana mandrakizay: izay mino ho any amin'i Jesoa Kristy, izay tsy nino azy koa hoany amin'ny helo

Tsy maintsy diso nefa ny 1 amintsika 2 lahy satria tsy possible ho hevitra mianatsimo sy mianavaratra no ho samy marina.

Izaho mino 100% fa marina ny inoako, i rhaj0 koa hono dia tena resy lahatra amin'ny heviny.

Raha izaho no diso dia tsy dia misy impact firy ny miandry ahy aorin'ny fahafatesana fa lasa kankana zany dia zay, fa raha i rhaj0 no diso dia tena asa raha tsapany fa fiainana mandrakizay any @ fahaverezana no miandry azy raha tsy miova izy. Nefa anie dia tsotra ny mandray ilay famonjena nentin'ilay zazakely teraka 2000 taona lasa izay e!

7. rhaj0 ( 21/12/2017 20:18)
mouah ha ha... k'efa hoe ilay teo @ ankavanan'i Jesosy azany tafita, fa ilay tary iray izay mpanankarena nefa mpivavaka be (toa an'i Gasy1zay) tsy tafiditra ny fanjaitran-drameva akoriny.
Ngo dia mihevitra i Gasy1zay fa automatique ilay fidirana an.. ;-)

Fa ianao anie izao, ao @ fiainanao ao ry Gasy1zay, noho ny finoanao, dia ...
Sa aleo azany hanontaniana: mitovy ve ny fi(s)ainantsika 2 lahy??

8. gasy1zay ( 21/12/2017 20:46)

Mora kely hoy aho ny miditra ao rehefa manaiky an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary vonona ny hiala amin'ny fahotana natao fahiny

Tsy mitovy ny fiainantsika fa saingy samy manana ny fifaliana sy ny fahasambarany avy ( raha ny hevitro) fa ny fomba hahazoana ilay fifaliana no tsy mitovy.
9. rhaj0 ( 22/12/2017 13:51)
Ekena ary tsoriko eto fa tena (mety) "sambatra" noho izaho i Gasy1zay. Fa ilay "fahasambaran'i Gasy1zay" dia mifanandrify @ fisainany sy izay tadiaviny ao, fa kosa TSY mifanandrify @ fisainako sy izay tadiaviko.

Raha tsotsoriko, ny fahitako azy, ny fahasambaran'i Gasy1zay, izay mino ny finoany ao, dia mitovy @ fahasambaran'ny ankizy (zaza@garabola) sy ny finoany (pere@noel) ao.

Diniho @ saina tsy miangatra anie ny "fahasambaran'izy roaroa ireo" eee...
Ny zaza@garabola izao sambatsambatra er? manofinofy lutins manafosafo azy ao..
Ry Gasy1zay koa (angamba) ao safosafoin'ny Anjely ao HONO dia faly er? fa afa-bizana..

Fa izaho moa ho'a efa nandika ilay tsipika hoe, TSY mino an'izany intsony. Ary dia kôpy ho'a ianao fa TSy miverina @ izany intsony ee..
Hafa indray ny fiainana rehefa "lehibe"; hafa no manafosafo :-)
10. SederaMioty ( 22/12/2017 19:11)
Enga anie ka hitsijo antsika ny Tompo Jesoa ka hanome fety sambatra watsika reetr.mrary fety sambatr oh!
11. rhaj0 ( 24/12/2017 15:08)
Ka ny NORAD ( Siansa) izany afaka manaraka an'i Père noel mizara fanomezana.. Mahery an.. ka dia tsy mila "mino" (manaiky-tsisy-porofo) fotsiny izany ny Ankizy fa io misy "porofo mivaingana" io ny ataon'i Santa.. Efa ho tonga ao Mada hono IZY @ izao izaho manoratra izao io eee...

https://www.noradsanta.org/

Rahoviana ny NORAD no hanaraka ny ANjely koa??
Ary tena mety ho voatiliny rahefa miverina koa i Jesosy an... :-)

Zoyé Naohely eee.... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1783