FANAZAVANA / RENSEIGNEMENTS : Antsahamasina Ambohimanarina

1. tianabeloo ( 12/12/2017 13:44)
Arahaba isika mianakavy,
Sao mba misy mahalala @tsika ato hoe aiza ho aiza eo Ambohimanarina ilay valanjava-boahary an'olon-tsotra atao hoe "parc Antsahamasina" azafady.

Tsara koa raha sendra misy manana contact na toy izany hahafahana manontany ny tompon'andraikitr mivantana.

Misaotra sahady, soava tsarà daholo
2. louloutte ( 14/06/2018 16:29)
Miarahaba,

Tsy haiko na hanampy anao na efa tsy ilainao intsony fa efa tamin'ny taon-dasa koa moa ny fanontanianao fa sendra nandalo tany amin'io toerana io indrindra ny tenako indray andro. Tafandalo tsinahy moa izany. Toa eo amin'ny tsena Ambohimanarina dia ilay lalana mitsofoka mabany iny no midina, midina ihany mandra-pahatonga any amin'ny farany akaikin'ny tanimbary. Tsy nahalala akory aho hoe parc izy io raha tsy io ianao miteny io fa ny fahitako azy dia ala hihi.. Raha tsy diso ny fitadidiako azy dia toa misy takelaka manondro lalana iny midiny any iny. Na afaka koa ianao manontany olona vantany vao tonga eo amin'ny tsena ambohimanarina.
3. Tianabeloo ( 15/06/2018 05:26)

louloutte:

Miarahaba, misaotra lehiroa, tena mbola hilaiko tokoa.
Rary soa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1096