Mahery ilay Andriamanitra ivavahantsika kristianina

1. gasy1zay ( 23/11/2017 17:10)
Mba te hizara fotsiny aho hoe tena mahery ilay Andriamanitra ivavahantsika ary aza matahotra fa na inona na inona olàna mahazo anao anio dia hainy ny mamaha izany fa ankino aminy ny fiainanao.
novalian'i Miharena ny 27/11/2017 08:25
2. rhaj0 ( 23/11/2017 17:37)
(entre-pa: tohin'ny resaka teo, izao ve ry Gasy1zay tsy evanzelizasio ankolaka fangolika?? na hoe, hisy tohiny lojika amina evanzelizasio ankolaka fangolika??)
3. gasy1zay ( 23/11/2017 18:48)

rhaj0:

(entre-pa: tohin'ny resaka teo, izao ve ry Gasy1zay tsy evanzelizasio ankolaka fangolika?? na hoe, hisy tohiny lojika amina evanzelizasio ankolaka fangolika??)

Ny évangélisation nga moa tsy fitoriana ny vaovao mahafaly hoan'ireo izay tsy mahalala? Izaho maneho hevitra @ kristianina eo ambony, ary na i rhaj0 aza no mamaky an'io dia tsy evangelisation intsony satria ingahy efa mahalala ilay vaovao mahafaly fa saingy fotsiny tsy resy lahatra.
4. rhaj0 ( 23/11/2017 19:48)
Eny azany fa ndao jerena ny dika-teny eny @ diksionera, fa tsy atao toa ny fanaon'i Miharena sy ny diksionera-Miharena, arak'izay saim-pantany ao, fa jerena ahoana ny lazain'ny fiaraha-monina eee..

(in Protestant churches) the practice of spreading the Christian gospel, to preach the Christian gospel or a particular interpretation of it

dia misy dikany faha-2 koa
to advocate a cause with the object of making converts

Ka tena siora ianao fa tsy spreading io ataonao io. na koa mitady handresy lahatra olona ho converti... fa toa ny mahazatra, dia abilobiloka atomboka @ mody hoe fotsiny hoe, Mba te hizara fotsiny ...

Rehefa toa izao ny fiodin'ny matoanteny, "aza matahotra", na koa "ankino aminy", dia evengelizasio izany sa tsia??

Fa eny azany fa tsy manao evengelizasio ianao ry Gasy1zay aa...

Dia asa ho'a ahoana ilay iraka nataon'Atra anareo, toa tsy rahirahianareo izany an..
Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry Gasy1zay :-)
5. gasy1zay ( 23/11/2017 22:24)
Raha zay no fahazoan'i rhaj0 ny évangélisation dia tsy maninona fa tsy voarara eto izy io raha tsy diso aho.
6. Miharena ( 24/11/2017 07:05)
Marina tokoa fa Mahery Andriamanitra ary mandray an-tanana tokoa izay manetry tena ary mikapoka izay mafy loha mila fanitsiana.

Fa raha hiverina amin'i Rhaj0 dia hitako hoe efa mamon'ny mpitory angamba izy izay te-hihidy tsy hijery ny Loharano nipoirany.

Ity no fanamarihana hitako amin'ny foto-pisainana manao toa io ataon-dRhaj0 io :

Mamorona trano mirindrina tsy ahitana hirika izy ka ny rindrina dia ireo karazana fanafintohinana mety ateraky ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny Kristianina samy Kristianina.

Mety afangarony amin'ny fampitahana ireo karazana filozifia etsy sy eroa izy io dia lasa rindrina matevina dia matevina ka tsy tafiditra ao intsony ny fahazoana ny Tenin'ny Mpahary azy.

Raha diso aho dia ahitsio Rhaj0!
7. rhaj0 ( 24/11/2017 12:28)
gasy1zay:
Raha zay no fahazoan'i rhaj0 ny évangélisation dia tsy maninona fa tsy voarara eto izy io raha tsy diso aho.

hi hi hi... manasisika doute kely fotsiny aho io mba hivanitihana kah..
- (Mody) milantolanto avy any i Gasy1zay, hoe "mba te-hizara fotsiny" HONO
- fa notairiko kely ilery hoe, ngo dia manao evengelizasio izato ianao?
- Dia nikorapaka ny anao lahy, dia hoe tsia, fa hotsahotsan'ny hoe, efa mahalala hono aho
- dia niverenako ny diksionera, ary dia tsy quoi azany ho'a, raha tsy mi-evengelizasio ianao, nefa angaha moa tsy izay no didy napetraka taminareo Kristiana
- dia ahoana izany no ataonao ry Gasy1zay??? h-n-manao evengelizasio sa tsia?? :-)
8. gasy1zay ( 24/11/2017 14:10)

Tena tian'i rhaj0 mintsy ity resaka tsy mitondra makaiza ity an! Efa namaly aho hoe amiko ny fankaherezana entre ny samy mpino tsy evangelisation, i rhaj0 miteny hoe izy zany, dia ekeko hoe raiso ho evangelisation ny ataoko raha zay no mampetipety an'i rhaj0 fa tsisy bedy eo.

Fa mahafinaritra ny miaraka amin'i Jesoa Kristy, tsisy olana tsy hainy ny mamaha azy ... :)
9. rhaj0 ( 24/11/2017 14:34)
Ka inona azany no fiantsoanareo ilay "tafika masina" izay "fankaherezana entre ny samy mpino" eee ?
Dia inona no iantsonareo ilay baiko toatoa ny hoe, aparitaho ny revy Kristiana (voasoratra ao @ Baiboly ao).

(mitondra mankaiza hozy Gasy1zay izany? mitondra @ fahalalanao mazava ny ataonao, fa tsy hoe, mandehandeha sy miteniteny foana tahaka ny zombie manantanteraka baiko fotisny)
10. gasy1zay ( 24/11/2017 15:45)

Ny tafika masina raha ny marina dia fankanesana any @ toerana tsy mbola "nifoha" na mbola miaina anaty maizina, zao kosa anefa noho ny fielezan'ny filazantsara dia tsy mionona @ izay intsony izy fa ireo fiangonana any ambany vohitra zay mila vangiana na fampianarana dia tafika masina ny fiantson'ny gasy azy, fa ny vazaha toa tsy mampiasa io termes io fa ny azy dia évangelisation, ary ny évangelisation @ farany miafara foana @ ilay hoe :" Qui veut donner sa vie à Christ"? Qui veut être baptisé? raha io zao dia mitovy @ ilay tafika masina endriny voalohany.

Ny momba ilay hoe aparitaho ny evy kristiana indray amiko dia fijoroana vavolombelona fa tena misy Andriamanitra ary tena miasa eo @ fiainanao izy, tsy voatery mitory teny na mandeha tafika masina fa mijoro @ mahakristiana eo @ zay misy anao, asehonao hoe miaina fiainambaovao ianao fa tsy ilay mpanota fahiny intsony.
11. rhaj0 ( 24/11/2017 16:00)
ilay "tafika masina" izany, izay mifandray @ "guerre sainte", dia ... no-moderniser-nareo ny dikany ee...

ka ny "tafika" dia tsy @ dikany miaraka @ matoan-teny "manafika" (resaka ady) intsony ohatra, fa tena efa nataonareo batisa ny Teny, ary dia lasa tena hotry ny midika hoe, tena revy malefaka am-pitiavana à la Jesosy io, toa ny hoe misafosafo ta fika eee...
12. endriny ( 27/11/2017 07:43)
Ka na mahery aza moa maninona. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
13. Miharena ( 27/11/2017 08:25)

endriny:

Ka na mahery aza moa maninona. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.

Dia avy aiza ary ilay fanahy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3288