fampianarana tsy misy kilema

21. endriny ( 21/11/2017 07:24)
Ka angaha moa io baiboly io raha hitan'ny olona any Mikea tsy lazaina fa fifohana sigara
22. Miharena ( 21/11/2017 09:59)

endriny:

Ka angaha moa io baiboly io raha hitan'ny olona any Mikea tsy lazaina fa fifohana sigara


Sao dia diso hevitra Endriny ary! Ny Mikea fantatra ankehitriny aza toa an'i Theo Rakotovao efa mandehandeha eran-tany maneho ny feony izay tena ikoizan'ny maro koa mihevitra ve ianao fa badrahodra izy ireo?

Izay ilay ilazana hoe rehefa miantehitra amin'ny vitsivitsy fantatra dia mitopmpo teny fantatra ary manao bambaray. Sa ahoana? Raha diso moa ny teniko dia avereno amiko ihany.
23. endriny ( 21/11/2017 12:25)
I Theo Rakotovao no mba fantatrao fa tsy ny Mikea re ry Miharena a. Singam-pasika mihoatra ny Mikea rehetra. Dia ento any ny baibolinao ifohan'ny olona paraky aza e
24. Miharena ( 21/11/2017 12:43)
Betsaka Endriny ny toerana efa nanaovana fitoriana Filazantsara fa mandray tsara daholo fa tsy araka ny fiheveranao azy.

Aza dia manao fomba fijery tsy mahomby toa io momba ny mpiray tanindrazana aminao e!
25. endriny ( 21/11/2017 14:13)

Miharena:

Betsaka Endriny ny toerana efa nanaovana fitoriana Filazantsara fa mandray tsara daholo fa tsy araka ny fiheveranao azy.


Eny ho'a any amin'ny tanin'ny jamba mahiratra ny toka-maso. Kepeke naho Goa
26. RBNIR ( 21/11/2017 14:21)
Mampiavaka ny fampianarana tsy misy kilema:

« Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, » (Matio 7:28)
« Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany. » (Matio 22:33)
« Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. » (Marka 1:22)
« Ary nahare izany ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany. » (Marka 11:18)
« Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny. » (Lioka 4:32)
« Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo. » (Asan'ny Apostoly 13:12)


Fampianarana MAHATALANJONA NY OLONA : TSY NAMPIANARIN'OLONA FA ANDRIAMANITRA NO NAMPIANATRA AZY MIVANTANA!!!
27. endriny ( 21/11/2017 14:24)
I Paoly, Lioka, Marka Matio, Jaona... re ry RBNIR dia olona misy kilema daholo a. Ka tsy afaka hamokatra zavatra tsy misy kilema mihintsy.

Ka tsy misy ary tsy hisy mihintsy izany fampianarana tsy misy kilema izany.
28. rhaj0 ( 21/11/2017 15:46)
RBNIR (mivazavaza):
TSY NAMPIANARIN'OLONA FA ANDRIAMANITRA NO NAMPIANATRA AZY MIVANTANA!!!
endriny:
I Paoly, Lioka, Marka Matio, Jaona... re ry RBNIR dia olona misy kilema daholo a. Ka tsy afaka hamokatra zavatra tsy misy kilema mihintsy.

Ka tsy misy ary tsy hisy mihintsy izany fampianarana tsy misy kilema izany.

Io no nilazako hoe, fa maninona i HRNRN no miseho mamaky Baiboly, nefa, angaha ny "fampianarana mivantana" ao anaty Baiboly indray fa TSY direkta avy any @ 7eme dimension?
ilay Asan'ny Apostoly izao toa nosoratan'i Peter, Paul .. ary Mary :-)



(entre-pa fa ny valin-tenin'ny fanontanian'i Peter Paul sy Mary (hiran'i Bob io), dia toa nosarandrorangotin'ny Mpino (Kristiana) hoe resa-Baiboly lalina io.. nefa hozy i Bob hoe,
ny valin-teny dia any @ rivotra nalefa, na mandefa rivotra izany ee :-)
29. Miharena ( 21/11/2017 18:17)

endriny:


Miharena:

Betsaka Endriny ny toerana efa nanaovana fitoriana Filazantsara fa mandray tsara daholo fa tsy araka ny fiheveranao azy.


Eny ho'a any amin'ny tanin'ny jamba mahiratra ny toka-maso. Kepeke naho Goa


Porofoy aloha ary fa mahiratra ianao Endriny raha hoarina amin'ny olona hafa!
30. RBNIR ( 22/11/2017 14:06)

endriny:

I Paoly, Lioka, Marka Matio, Jaona... re ry RBNIR dia olona misy kilema daholo a. Ka tsy afaka hamokatra zavatra tsy misy kilema mihintsy.

Ka tsy misy ary tsy hisy mihintsy izany fampianarana tsy misy kilema izany.

Ho an'ireo tsy mahafantatra dia izay voalazanao izay no heveriny fa izy...

Ho an'ny olona mahafantatra kosa dia ity no tena marina....
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)

Vakio tsara fa hoy ny teny hoe fa fantatrareo voalohany indrindra.....Misy olona mahafantatra fa "tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)"
31. RBNIR ( 22/11/2017 14:08)
rhaj0:

Io no nilazako hoe, fa maninona i HRNRN no miseho mamaky Baiboly, nefa, angaha ny "fampianarana mivantana" ao anaty Baiboly indray fa TSY direkta avy any @ 7eme dimension?
ilay Asan'ny Apostoly izao toa nosoratan'i Peter, Paul .. ary Mary :-)

Efa novaliko hoe...

Hoy i Jesosy tamin'ilay olona nampianariny ery ambony hoe "hampianariko aminao daholo ny fahamarinana rehetra ao anatin'ny baiboly, indrindra fa ny bokin'ny apokalipsy....;

Raha niverina nampianatra i Jesosy dia ny Baiboly no nampianariny fa tsy nampianatra zavatra hafa akory IZY.....

Baiboly version Jesosy fa tsy Version rhajo , na endriny na rakoto na rabe......
32. endriny ( 22/11/2017 14:20)

Miharena:

Porofoy aloha ary fa mahiratra ianao Endriny raha hoarina amin'ny olona hafa!


Izany ve dia mila porofoina intsony e. Izaho izao mahiratra dia mahita fa tsy misy Atra. Fa I Miharena manana voamaso 2 sy baiboly kanefa dia mahita fa misy Atra ao anaty rivotra
33. endriny ( 22/11/2017 14:41)

RBNIR:


Ho an'ny olona mahafantatra kosa dia ity no tena marina....
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)



Nisy Arabo lahy izay koa tonga teto Antananarivo tamin'ny andron'ny Vazimba. Ka ity Arabolahy ity te hifehy ny Vazimba dia nilaza izy: "Izaho dia zanak'Atra, ary tonga eto aho hitondra ny tany" Dia natao Mpanjaka izy satria zanak'Atra. TSY NISY KILEMA IO

I TSaratsara koa izao dia milaza fa efa tany an-danitra izy ary nihaona tamin'Atra, ary mipetraka ao anatiny I Jesosy. Ary izy mihintsy no Jesosy izay niverina indray fa efa hifarana ny andron'ny tany. TSY MISY KILEMA IO

Fa i Paoly, i Marka, i Petera, i Jaona, i Lioka, i Matiasy... dia olona NISY KILEMA avokoa, ary ny boky nosoratany dia misy kilema ihany koa. Ireo olona nisafidy ny boky atao ao anaty baiboly dia misy kilema ihany koa.

Raha milina fanjairana mitsambikina no nanjairana akanjo, ary mangozoho ilay mpanjaitra. Pahana ilay mpameta-bokotra. Belelo ny mpivaotra ilay akanjo. Dia ho lazain'i RBNIR fa maodely ve ilay ankajo varotana e?
34. rhaj0 ( 22/11/2017 18:20)

rhaj0:
Io no nilazako hoe, fa maninona i HRNRN no miseho mamaky Baiboly, nefa, angaha ny "fampianarana mivantana" ao anaty Baiboly indray fa TSY direkta avy any @ 7eme dimension?
ilay Asan'ny Apostoly izao toa nosoratan'i Peter, Paul .. ary Mary :-)

RBNIR:
Hoy i Jesosy tamin'ilay olona nampianariny ery ambony hoe "hampianariko aminao daholo ny fahamarinana rehetra ao anatin'ny baiboly, indrindra fa ny bokin'ny apokalipsy....

Tsy mipi-maso miintsy ry RBNIR sy ny malhonnetete-ny.. I Jesosy hono "mampianatra ny Bokin'Apokalipsia". Efa 200 taona taty aorian'ny nahafatesan'i Jesosy i John The Apostle vao nanoratra ny Bokin'Apokalipsy..

Toa izany koa ry HRNRN ee... mahazo "fampianarana mivantana" HONO izy, nefa kay ny Baiboly no avilambilany ao.

Henatra ho anao ry RBNIR (sy HRNRN).
35. Miharena ( 23/11/2017 06:44)
Mamaly aho eto Rhaj0 hoe raha Jesoa maty dia marina ny teninao satria Jaona dia IZY Velona avy any an-danitra no nampanoratra io boky io.

Azony atao tsara ny miteny amin'ny olona izay tiany hisehoana na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona.

Inona koa moa izay fotoana eo anatrehan'ny Fiandohana sy Fiafarana e!?

Ka aza manao fiheveran-jazakely hoy aho Rhaj0!
36. RBNIR ( 24/11/2017 11:16)
rhaj0:

Bokin'Apokalipsia". Efa 200 taona taty aorian'ny nahafatesan'i Jesosy i John The Apostle vao nanoratra ny Bokin'Apokalipsy..

i Jaona, tsy nisoratena mihitsy hoe izy no nanoratra ny boky fa hoy izy hoe.....« nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana* fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.[Gr. eklesia] » (Apokalypsy 1:11)


Nisy nampanoratra hono i Jaona fa tsy hoe i Jaona no nanoratra ilay boky........
37. rhaj0 ( 24/11/2017 12:35)
hay va re...

- hozy i Jesosy t@ olona nampianariny t@ l'an 33 hoe, na ny marimarina kokoa, hozy i RBNIR hoe hozy Jesosy hoe: "ho ampianariko anareo ny bokin'Apoakatsimisy"
- taty aoriana, t@ l'an 233, dia "nahare" an-Jesosy i John The Apostle, ary izay vao voasoratra ny Bokin'Apoakatsilisy

Fa pensée mazika fotsiny io, hozy i RBNIR sy Miharena ee... Ilay boky nosoratana dans le futur, l'an 233, dia hain-Jesosy ny "nampianatra azy" t@ l'an 33.

ntss.. inona no tsy vitan'i Jesosy?? Izay ilay izy ooo???
38. RBNIR ( 24/11/2017 12:41)
rhaj0:

ntss.. inona no tsy vitan'i Jesosy?? Izay ilay izy ooo???

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)
39. endriny ( 27/11/2017 07:42)
Tsy misy kilema hono Kanefa im-polo kely no anaovana edisiona ny baiboly, ilay hoe tenin'Atra. Esy aho hoe.

Ka raha tsy Misy Kilema izy izany dia tsy Kilemaina. Izany hoe Kilelena izy izany.
40. Miharena ( 27/11/2017 08:55)

endriny:

Tsy misy kilema hono Kanefa im-polo kely no anaovana edisiona ny baiboly, ilay hoe tenin'Atra. Esy aho hoe.

Ka raha tsy Misy Kilema izy izany dia tsy Kilemaina. Izany hoe Kilelena izy izany.


Rehefa tsy mahita soratana intsony dia ajanony Endriny fa hahavoa ny fanahinao io any amin'ny farany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1144