Mifanaratsy

1. nalsonrazakariasa2015 ( 11/11/2017 20:07)
Fa manina ary no mifanaratsy eh
samy manana ny finoana sy ny Andriamanitra hivavahany nefa dia mifanaratsy
Nefa angie ilay Andriamanitra dia Iray ihany eh
Marina mihintsy ilay hira izay hoe:izay manaratsy ny hafa eo ihany no tsarainy tantara
novalian'i endriny ny 04/12/2017 06:34
2. stahtam ( 13/11/2017 05:00)
Matoa tsy miaraka dia tsy mitovy, na mifanohitra. Ka raha mifanaratsy no fandraisanao ny resaka eto dia SAFIDY izany ilay izy e:
1°) Na "Tsy hifanaratsy" dia SAMY MARINA DAHOLO izay mipoitra eo ("Iray ihany no ivavahana"). Dia samy mifampihatsaravelatsihy eo e ! Fa samy manao izay saim-pantany.
2°) Na "mifanaratsy" dia miavaka tsara
3. Miharena ( 13/11/2017 07:46)
Tsy hoe mifanaratsy no tokony hijerena azy namana fa matoa mipoitra daholo izao zava-drehetra izao dia misy fikororohana ao satria ny olona efa manomboka manontany tena sy manontany ny namany eto ary indrindra indrindra manomboka manontany ny sitrapon'Andriamanitra dia efa an-dalana hifoha sy hofohazina satria manomboka mangetaheta fahamarinana ny fanahiny.

Hahita rariny anie izay mitady satria izay mitady no hahita ary izay mandondona no hovohana araka ny Tenin'ny Tompo e!
4. endriny ( 13/11/2017 08:11)
Fomba fiangsoana kila mantsy ilay mifanaratsy. Io no atao hoe propagandy
5. Miharena ( 13/11/2017 08:22)
Mety marina mihitsy izay fahazoan'i Endriny azy izay.

Raha jerena amin'ny maso tsy miangatra anie io Baiboly io dia efa voalaza ao daholo ny toetran'olombelona rehetra e!

Efa voalaza ao ny fizaran'ny fanjakana ho roa.

Dia efa voalaza ao ireo olona izay manaraka ny tsara ary ireo manaraka ny ratsy.

Ka ny kliantelisma dia isan'ny mpanao ratsy no manao azy satria tia tena fa tsy tia an'Andriamanitra loatra. Voalaza ao anatin'Isaia 14 teo ilay resaky ny te-hanam-boninahitra sy te-hidehaka fa ambony noho ny Mpanjaka tena IZY. Dia io hita toetra mazava tsara ataon'ny olona te-hangorona ho azy izay tsy an'ny tenany io ilay toetra.

Raha tsy voalaza ilay izy dia izay vao tokony hiteny hoe tena tsy izy ilay Baiboly fa izao zava-mitranga izao aza tsy voambara ao.
6. rhaj0 ( 14/11/2017 19:29)
nalsonrazakariasa2015:
Fa manina ary no mifanaratsy eh

Ny fahazoako azy, ho an'ny Mpino (Kristiana), izay TSY @ finoany sy eritreriny (ara-baiboly hono) dia avy @ RATSY. Ka dia normal be raha "manaratsy" izay TSY mitovy finoana sy eritreritra aminy ny Mpino (Kristiana).

nalsonrazakariasa2015:
Nefa angie ilay Andriamanitra dia Iray ihany eh

Marina tokoany. Ho an'ny (samy) Kristiana, dia na dia mivavaka @ Andrmntr'i Abrahama io azany izy rehetra, dia tena mbola samy mahita fa TSY mitovy finoana sy eritreritra ny isan-tokony. ary dia normal be raha "manaratsy" ny andaniny ny ankilany.


Zavatra iray mila mazava @ Nalsonrazakariasa2015 kosa indray, dia TSY tokana izao Andrmntra izao. Samy manana ny azy ny Fivavahana/Finoana isan'isany, izay mety iraisany ihany koa anefa.

Ary farany, ny Atheista dia TSY manisy consideration-ny @ izany notion-na Andmntra izany; na ny marimarina kokoa, TSY MISY izany Andrmntra izany amin-dreo, fa raha "misy" izany, dia ao @ imazination-n'izay "mino" Azy ao ihany.
7. endriny ( 15/11/2017 05:39)
Fisamborana ondry ho volosana sy hamenoana vala daholo io.

1 Araka ny voalazan'i Rhaj0 sy ny didy 1 dia maro ny Atra fa tsy iray izany.

2 Fa na izany aza ny eo @ samy Kristianina fotsiny dia efa hita taratra ny fifanaratsiana: "Izahay no Kristianina fa irery Sekta".

3 Ny tanora aza moa dia ampiadiana mihintsy amin'ny anarana ny eo amin'ny Katolika sy ny Protestanta: "Ny antsika tsy maintsy asiana anaran'olomasina mliambina ny ankizy, fa ny an'ny ankilany tsy maninona omena ny anaran'ny zavatry ny tany izay an'i Satana"

4 Ny anay ny Skoto ataonay hoe Antily mba Tena hisehoanay fa miady amin'ny Skoto atao hoe Tily izahay.
8. endriny ( 15/11/2017 05:40)
Fa ilay mpitarika amin'io mody mihavana ara-piatsaram-belatsiny amin'ny firaisam-pinoana a
9. Miharena ( 15/11/2017 17:07)
Raha ny marina dia izay tsy mahafantatra tsara ny momba an'Andriamanitra marina no manao fanaratsiana bontolo.

Matetika ireo izay samy jamba no mifanaratsy satria samy tsy manana ny Mazava ao anatiny.

Azo raisina ohatra na dia eo amin'ny fiaraha-monina tsotra aza fa izay tsy ampy fahalalana no mitana fahamarinana tsy ampy dia milaza fa tsy mety ny an'ny hafa. Raha feno kosa anefa no mijery dia milaza izy hoe tsy ampy ny anao fa izao no atao hoe ampy ary io no tokony hozohina sy tozoina.
10. endriny ( 18/11/2017 05:26)

Miharena:

Raha ny marina dia izay tsy mahafantatra tsara ny momba an'Andriamanitra marina no manao fanaratsiana bontolo.



Fa iza hono no tena mahafantatra an'Atra marina ry tony e?
11. Miharena ( 18/11/2017 12:05)

endriny:


Miharena:

Raha ny marina dia izay tsy mahafantatra tsara ny momba an'Andriamanitra marina no manao fanaratsiana bontolo.



Fa iza hono no tena mahafantatra an'Atra marina ry tony e?

Izay olona mifankazatra AMINY izany hoe izay mivavaka sy mandalina ny fahamarinana ka nomeny Fahazavan-tsaina sy fanahy no mahafantatra AZY.
12. endriny ( 21/11/2017 07:22)
Aleo aho hivanitika aloha fa kay misy olona Tena mahay an'Atra eto. Kanefa raha anontaniana hoe: iza no nanao an'Atra? Dia tsy hainy akory fa ny loha you fotsiny no lanjalanjainy
13. Miharena ( 21/11/2017 10:04)

endriny:

Aleo aho hivanitika aloha fa kay misy olona Tena mahay an'Atra eto. Kanefa raha anontaniana hoe: iza no nanao an'Atra? Dia tsy hainy akory fa ny loha you fotsiny no lanjalanjainy


Andriamanitra ve hisy hanao AZY e! Raha IZY no milaza hoe Fiandohana sy Fiafarana, ahoana no havalinao AZY?

Hanaiky sa hanavandra ohatra ve ilay olona bitika toa an'i Endriny noforoniNY hoe tsy Fiandohana sy Fiafarana izany ianao e!

Dia rehefa tonga ny farany dia hiteny IZY hoe IZAHO NO FIAFARANA dia mbola handa ihany Endriny hoe Tsy IZY IANAO E!

Mba asio lojikany ihany ilay valin-teny sy fomba fisainana fa hoatry ny tena mampahonena raha toa ka izany tokoa an!
14. endriny ( 21/11/2017 12:28)
Izay ve no mba hainao mikasika ilay hoe Atra dia milaza fa Tena mahay an'Atra ianao ry Miharena. Tsianjery masiso fotsiny.
15. Miharena ( 21/11/2017 12:45)
Tsy kely izay fa avohay ny fomba fihevitrao satria rehefa tsy mahita lazaina dia ny tsianjery masiso no avoaka ve?

Mba asio lojika ny valinteny hoy aho hijerena hoe milamina sa tsia ilay miresaka!
16. endriny ( 21/11/2017 14:14)
Aleo indray aza ataoko hoe tsianjery maimbo raha tsy tianao ilay hoe masiso e
17. Miharena ( 21/11/2017 18:18)

endriny:

Aleo indray aza ataoko hoe tsianjery maimbo raha tsy tianao ilay hoe masiso e


Mbola tsy milamina ihany e!
18. endriny ( 22/11/2017 14:30)
Ka aza midera tena ho TENA MAHAY an'Atra izany raha izany koa.

Aza matikambo fa na I Jesosy aza dia efa nilaza fa na izy aza tsy mahafantra ny momba an'Atra rehetra. Ka ianao indray ity no lalalalalalalalla
19. Miharena ( 22/11/2017 18:40)

endriny:

Ka aza midera tena ho TENA MAHAY an'Atra izany raha izany koa.

Aza matikambo fa na I Jesosy aza dia efa nilaza fa na izy aza tsy mahafantra ny momba an'Atra rehetra. Ka ianao indray ity no lalalalalalalalla


Tsy resaka matikambo io fa mazava tsara fa asa hoe inona amin'io resaka io no tsy lanin'ny vavoninao!
20. nalsonrazakariasa2015 ( 23/11/2017 20:32)
Ilay Andriamanitra iray ihany
fa misy ny sasany
ny sasany hoy aho
dia manana Andriamanitra be dia be
nefa izany no adihevitra hoe nahoana no mifanaratsy
fa tsy izay Andriamanitra ivavahany ihany tompony
izaho aloha mandalina ny finoana
protestant
fa tsy hoe akory manaratsy izaho na hoe inonana
fa ilay loha-hevitritsika io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2351