Mifanaratsy

21. stahtam ( 24/11/2017 04:37)

[quote=nalsonrazakariasa2015]
Ilay Andriamanitra iray ihany
fa misy ny sasany
ny sasany hoy aho
dia manana Andriamanitra be dia be
nefa izany no adihevitra hoe nahoana no
fa tsy izay Andriamanitra ivavahany ihany tompony
izaho aloha mandalina ny finoana
protestant
fa tsy hoe akory manaratsy izaho na hoe inonana
fa ilay loha-hevitritsika io
[quote=stahtam]
Ny ivavahana aoha dia betsaka fa tsy iray ihany. Andriamanitra dia nivavahan'ny Malagasy t@ andron'ny faha-mpanjaka ka rehefa mitso-drano izy dia manao hoe: " Hotahian'A/tra sy ny razana e!". Dia nangalarin'ny mpandika teny kristiana io (misionera vazaha) mba hampilamina ny fijanonany eto ka tsy hahitàny olana @ mpanjaka, dia nampidiriny tao anaty baiboly. Fa raha ny Ivavahana ao anaty baiboly (ivavahan'ny Israeliana) dia hafa mihitsy. Elôhym no fiantso Azy fa YHWH no fanoratra ny anaran-tsamireriny. Hafa noho ilay Andriamanitra(o) io. Ka tahotra ny ho tratra @ izay fahasamihafana izay no mampihatsaravelatsihy anareo hoe: "Izaho tsy manaratsy, iray ihany no ivavahana". Dia saronana @ hoe "finoanao ihany tazonina" ny resaka nefa ianao aza tsy mahasahy mandika ny teny hoe "protestant" akory @ teny malagasy! Antony? Tsy maintsy ho tratra eo ny tay an-tsalaka afeninareo protestants rehetra. Adikao @ teny malagasy ange io raha sahy ianao e ! Finoanao mantsy io ka tsy tokony hahamenatra raha ny tokony ho izy. Ho sahy ve ianao ?
22. endriny ( 27/11/2017 07:39)
Tsy misy dikan'ny teny hoe Protestanta na Katolika ao anaty baiboly Tompoko!
23. rhaj0 ( 27/11/2017 18:29)
endriny:
Tsy misy dikan'ny teny hoe Protestanta na Katolika ao anaty baiboly Tompoko!

Mampihomehy mahonena tokoany an.. ilay teny @ io dia ampiasaina eny, pli-vava eny nefa ny "Dikany" kay tena TSY jerena akoriny.

Io izao sahala @ ilay hoe Kerobima. Dia io no antsoitsoiny tontolo andro avy eny abony alitara. Dia mi-imaziner ry Kristiana hoe, izany Kerobima izany izao dia Anjely amina ela-boromailala. Nefa kay Chérubin no nogasian'Andrianaivoravelona tao. RAha nakana teny gasy, toa ny nampiasana ny teny hoe "andriamanitra" io izao dia ... tokony "vazimba" ve ohatra no noraisina??Sa hoe "bodo" (avy @ zaza bodo)..

Mila ahitsy koa io izany fa mibilobiloka eee...
24. Miharena ( 28/11/2017 18:58)

rhaj0:

Efa fantatra avokoa ny tantara nahazoana ny teny tsirairay mitranga eto amin'ny planeta tany sy izay fomba fitenenana any an-danitra ary fantatra hoe inona no mibiloka sy tsia.

Ka tsy hahalavo izay afaka manazava ny teny ianareo tsy akory fa rehefa misy manazava ny teny sy izay antony nitenenana sy ny fotoana nivoahany arakaraka ny vanim-potoana dia tokony hekena.

Ny fatra-panda fahamarinana na fanazavana dia olona efa mandeha amin'ny lalan'ny fanoheran-kevitra bontolo fotsiny.
25. endriny ( 29/11/2017 05:28)

Miharena:

Efa fantatra avokoa ny tantara nahazoana ny teny tsirairay mitranga eto amin'ny planeta tany sy izay fomba fitenenana any an-danitra ary fantatra hoe inona no mibiloka sy tsia.

Saika tsy nanoratra ihany aho saingy ataoko ahoana no hangina amin'ity lainga mankadiry ity rey olona a. Efa fantatra avokoa hono ny tantara nahazoana ny teny tsirairay mitranga eto amin'ny planeta tany.

Mba hazavao anay aza ny nahatonga ny teny hoe Tany e? Dia ny hoe Olona, dia ny hoe Atra?
26. Miharena ( 01/12/2017 18:11)

Tsy ny fanazavana ny niavian'ny teny nolazainao ireo no tiana lazaina fa ny teny voarakitra hatraiza hatraiza, na io eto an-tany, na io any an-danitra fa aza manao fohy fisainana mandray ny resaka atosaka eto.
27. endriny ( 04/12/2017 06:34)

nalsonrazakariasa2015:

Fa manina ary no mifanaratsy eh

Angaha hita e! Izay no maha Malagasy angamba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1709