You are here: home > Forum

ny finoana Kristianina sy ny maha-malagasy

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Heverinao angaha fa ny tany no tena voalohany? Ny ...
Valiny : 0
Pejy:  < 1 2
Miharena - 21/11/2017 19:21
Heverinao angaha fa ny tany no tena voalohany? Ny genesisy voasoratra dia momba ny tany fa tsy ny namoronana ny Lanitra izay itoeran'ny Mpahary.

Ny fanontaniana ary dia hoe taiza ary IZY no niteny hoe misia ny tany sy izay rehetra eo aminy ary ny voana aman-kintana?

Raha voavaly izay dia io toerana nitenenany io no LANITRA.
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 22/11/2017 15:45

Miharena
Ny fanontaniana ary dia hoe taiza ary IZY no niteny hoe misia ny tany sy izay rehetra eo aminy ary ny voana aman-kintana?


tamin'ilay Atra nisonenika teo ambony rano re ry Miharena a. Genesisy 1.1

Sao dia lazainao fa teny amin'ny lanitra indray Atra no nanao ny kintana.

Ireo kintana ireo izao mbola hiraraka ohatran'ny havandra ety ambonin'ny tany rehefa kelikely eo.
Valio | Miverina eny ambony
Miharena - 22/11/2017 19:43
Ary IZY eo ambony seza fiandrianana voalaza ao amin'ny Apokalypsy, aiza hoy ianao?
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 27/11/2017 08:36
Ihihihi hay ve teo ambony seza izy no nilaza hoe misia ny tany e. Fafao ny Genesisy fa mpandainga izany koa inona moa.
Valio | Miverina eny ambony
Miharena - 27/11/2017 10:33

endriny
Ihihihi hay ve teo ambony seza izy no nilaza hoe misia ny tany e. Fafao ny Genesisy fa mpandainga izany koa inona moa.


Raha hamazivazy dia tsy tsara loatra aloha amin'ny firesahana finoana satria mahasimba ny olona mpaniratsira.

Ny tiana lazaina dia mandeha mizotra amin'ny haizina lalina ilay mpaniratsira toa an'i Endriny ka tsy tsara intsony ny fifampiresahana aminy eto raha izao no tohizany hatrany.
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 04/12/2017 07:35
Ka ianao mandainga koa.
Valio | Miverina eny ambony
Miharena - 11/12/2017 15:15

endriny
Ka ianao mandainga koa.


Avoahy ilay lainga iaraha-manitsy ary. Mba mahatsapa tena ihany kay ity Endriny ity! Efa tsara izay aloha.
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 11/12/2017 19:58
Aiza tao amin'ny Genesisy aza ianao no mahita fa teo ambony seza Atra no nanao izao rehetra izao?

Lazainao fa any Atsimo Atsinana eto Madagasikara misy dika baiboly amin'ny teny hebreo.

Lazainao fa nosaforana rano Ka maty ao anaty farihy ny mponin'i Mantasoa

Lazainao fa maheno ny feon'Atra ianao.

Lainga daholo.
Valio | Miverina eny ambony
Miharena - 12/12/2017 11:19
Ny zavatra fantatro ka tantaraiko mety azonao tsy hinoana fa azonao atao hoe lainga daholo rehefa tsy mifanaraka amin'ny tefi-tsainao samirery ao Endriny a!

Ary izany indrindra no tena ataonao eto hatramin'izao aloha. Manda bontolo fotsiny.

Ianao ohatra no milaza fa teo ambony seza fiandrianana Andriamanitra no nanao izao rehetra izao fa tsy izaho.

Izaho manao hoe ny toerana misy Azy ankehitriny dia eo ambony seza fiandrianana araka ny voalazan'ny Baiboly fa tsy tamin'ny fotoana nanaovana izao tontolo izao.

Ny momba an'i Mantasoa dia tantara lovan-tsofina tamin'ny fanadihadiana teny an-toerana no nahalalana izany zava-nisy izany dia lavinao satria angamba tsy voasoratra ao anaty bokinao ao ilay izy. Na ny marina, ny mpanjanaka no nanoratra ny bokinao dia tsy hilaza mihitsy izy hoe namono olona tamin'io fotoana io.

Farany, raha mitantara ny nofinao ianao ohatra dia ekeko fa nofinao no tantarainao fa raha izaho no mitantara aminao fa naheno ny Feon'Andriamanitra dia tsipahinao hatramin'ny farany satria efa lazainao ao anaty tefin-tsainao ao fa tsy misy an'izany!!

Sa holavinao daholo indray koa ireo teniko ireo satria efa otomatika ilay toetra!?
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  < 1 2