Statistika hoan'i rhaj0

1. gasy1zay ( 09/11/2017 20:44)
hono hoy aho rhaj0, mba tokony hoe adiny firy isan'andro ingahy no mamaky sy manoratra eto isan'andro? dia nanomboka taona firy raha tsy mahadiso?
novalian'i rhaj0 ny 12/12/2017 18:07
2. rhaj0 ( 09/11/2017 21:13)
misy pejy misokatra ao ambadika, dia mi-tape-tape matetika eo ee... TSY hoe miandry mibanjina iliay pejy fa "ao ambadika" ilay pejy.. got it?
ka tena mampi-relax ilay izy k'nouh.. mivanitika gaigy @ hagaiganareo eee :-)
toa 3 ve sa 4 taona aho no nitokona teto.. Ka ilay serasera.yahoogroups toa maty dia teto indray ee..

Eto satria tena mba favy kosa ny serasera karakarain'i Hery, Aary tena hiderako azy anokana foana
1- ny seraseran'i Hery ihany no tena hitako manaja ny teny gasy, sady tsy mba ilay mifanompa be ireny (ilay farasisan'ny frantsay ireny)
2- ary ny tena zava-dehibe, dia ny seraseran'i Hery no tsy mba mi-censure voretra izany

Ary ny an'i Gasy1zay mbo ahoana?
Nisy fotoana i Gasy1zay hotsahotsan'ny hoe.. nampazahoin'Atra asa tsara izy teo dia hoe tena mba hifantoka @ asa fa veloma raserasera... Androany nefa i Gasy1zay izany nitokona teto :-)
3. Miharena ( 10/11/2017 05:57)
Dia mba omeo rindran-kevitra milamina avy aminao aza Rhaj0 fa hoatry ny hoe hivanitika hono no hahatongavanao eto!

Asa aloha fa io fitaizam-panahy io anie raha tsy atao dia mitapitapy ilay olona no fiafarany e! Ka sao dia efa lasa lavitra ianao amin'io lalana alehanao efa mibirioka be io.

Na izany aza dia ampiana ihany aloha tsy hiriadriatra. Izany no mba andraisana anjara eto koa e! Manity ny namana Malagasy.
4. endriny ( 10/11/2017 06:07)
Kay misy statistika koa ny finoana ry Havana Malala ao amin'ny Tompo.

Anaovan'ny Polisin-danitra fanadihadiana ny namana Rhaj0.

Asa anefa hoe inona no tena hiampangana azy aloha fa mbola mitohy ny fanadihadiana
5. rhaj0 ( 10/11/2017 14:44)
Io ange ry Endriny dia tohin'ilay resak'i Gasy1zay nanao hoe
" maninona ingahy no mandany fotoana mitsikera ny mpino eto ??
http://forum.serasera.org/forum/message/m59f872ab00a51#m59fb78d43c0d7

Efa novaliana foana, fa hotry ny tsy mety miditra @ zareo, ary dia miverina foana hoe, maninona ny Atheista midikiditra eto @ Finoana/Fivavahana eto?

TEna mitady izay fomba rehetra ampijanona ahy TSY hanoratra eto ry Gasy1zay eee.. Sa ahoana Gasy1zay? Dia io fangoligolika sy mihatsara velatsihy mody hoe fanontaniana moramora sy @ hoe "tsy mahadiso" hono ee... nefa ...

Fa tsy quoi fa .. tsisy miala tsisy mitsoaka eto eee :-)
6. gasy1zay ( 10/11/2017 16:56)
mba nitady tao @ google aho dia nahita fa ny karama isan'ora any canada hono dia manodidina ny 27,70 $ CAD eo ho eo, dia ny $CAD sy ny MGA anio hoy MOOV dia 2 506.69 dia manontany tena aho hoe isan'andro zany i rhaj0 mandany 27,70$ x ??? Ora mandalo eto @ forum fivavahana sy finoana nefa izy HONO tsy mino.

7. rhaj0 ( 10/11/2017 18:04)
Ka tsy "handany andro" hivanitika intsony izany aho ... izay no tian'i Gasy1zay ahatongavana?
8. Miharena ( 10/11/2017 18:17)
Raha handany andro dia mba manovo fahalalana e! Tsara ihany koa ny voasintona mba sitrany hahay misy azonao ihany izay fanitsiana atao eto. Efa misy karazany maro mihitsy izahay ato manome lesona miandalana.
9. gasy1zay ( 10/11/2017 18:36)
Ny tiako ihaviana dia tsy tsapan'i rhaj0 akory ny fatiantoka azony eto nefa tsy mitondra vokatra hoan'ny fanahiny fa vao maika aza toa ampiasain'i Satana izy hanatsafa ireo mino.
10. endriny ( 15/11/2017 06:02)
Ohatrinona indray no karama azon'i Rhaj0 avy amin'i Satana? Sao mbola mandray mpiasa I Satana fa bobaka be ny tsy an'asa izao? Na Izaho koa aza mety hifindra asa any aminy raha tsara ny karama
11. Miharena ( 15/11/2017 17:39)
Betsaka ny asa ao amin'i Satana kah! Io ataon'i Endriny io sahady dia efa asa avy aminy fa tandremo!
12. rhaj0 ( 15/11/2017 18:44)
Sitrapon'Andmntra sa sitrapon'ny Satana azany ry Miharena no miseho eto aa???

hi hi hi .. Iza no matanjaka, iza no mahery????
13. Miharena ( 16/11/2017 08:43)

rhaj0:

Sitrapon'Andmntra sa sitrapon'ny Satana azany ry Miharena no miseho eto aa???

hi hi hi .. Iza no matanjaka, iza no mahery????


Sitrapon'ny olona aloha no miseho dia tarafina hoe iza no tena hironany: any amin'Ilay Mpahary ve sa any amin'ny mpamitaka?
14. rhaj0 ( 17/11/2017 12:09)
Ka Sitrapon'Andmntra sa sitrapon'ny Satana sa sitrapon'olona no matanjaka mahery ry Miharena?

Izay ilay fanontaniana dia valio, fa aza ampiana lalalalala intsony re ry Miharena
15. Miharena ( 17/11/2017 17:21)
Ny olombelona dia anisan'ny nitokisana hitahiry ny Maha-Andriamanitra satria nataoNY sahala amin'ny endriny.

Ny Anjely toa an'i Satana dia tsy manana fahefana mihoatra ny olombelona raha ny tokony ho izy.


Izany no nanirahana an'i Jesoa izay natao nofo mba hahafantaran'ny olona fa azony atao ny mandresy an'i Satana.

Ka arak'izay tantara izay, fantatrao ve hoe iza no mahery ? Mba valio aloha dia aza ampiana lalalalala intsony e!
16. rhaj0 ( 17/11/2017 20:57)
tena TSy takatro fa mba lazao ee.. miodikodina be ilay lalalalalere-n'i Miharena eee...

Valio tsotra ee:
Atra sa ny Satana sa Raolona no mahery? ary dia ny sitra-pony no mihatra eto an-tany..
17. Miharena ( 18/11/2017 04:35)
Hazavaina tsara ary:

Ny Mpahary sy ny anjely rehetra tsy an-kanavaka dia niaina mirindra teo am-boalohany. Rehefa nandeha ny fotoana dia nisy ireo izay nanohitra noho ny fahitana ny voary nomen'Andriamanitra ny Endriny. Ny anjely dia natao hanompo fa tsy hotompoina araka ny lalanan'ny fianana an-danitra. Ny fanompoana dia tsy hoe manao hoe tompoko tompoko fa manao asa tsara sy mirindra araka ny Sitrapo Fototra izay ao amin'ny Mpahary hatrany.

Nihodina anefa ny lahatra noho ny fandavana ny asa tokony hataon'ny Arkanjely lehibe iray izay nitaona ny namany avy eo.

Dia io nikorontana ambony ambany mbola hitantsika taratra io hatramin'izao.

Ka io dia asa ataon'ny tsirairay fa raha tsy misy ny famindram-po dia efa ringana daholo.

Izany no antony ananarana avy amin'ny Mpahary fa raha tsy izay no izy dia loza kokoa noho izao ny mahazo ny olombelona.

Ny mahery eto dia ny Mpahary sy izay manaiky arindraNY.

Dia mila mifoha ny tsirairay mibanjina ny Lalana nosoritan'ny Mpahary mba handova Fiainana Mandrakizay.
18. rhaj0 ( 20/11/2017 16:31)
Miharena:
Ny mahery eto dia ny Mpahary sy izay manaiky arindraNY.

Dia inona ny vokatrin'ny herinareo ry Miharena?? Lapesta.

Jereo nefa ny Atheista any @ Oniversitia fa mahita fahalalana izay ampiarin'ny teknolozia, dia tsentsafinareo tsy an-kenatra ao, h@ fanafody lapesta.

Nefa ny Mpahary HONO efa naniraka Jesosy hanasitrana (ny lapesta ohatra), ary ny Mpianatr'i Jesosy dia efa nampianariny hanasitrana koa. Izay TSY mahasitrana dia "Taranaka Tsy Mino Sy Ratsy Fanahy", hozy Jesosy.


Ary nefa toa mihazakazaka any @ fanafody novokarin'ny Atheista ihany ho'a ry Miharena ao an...
19. Miharena ( 20/11/2017 18:37)

rhaj0:

Ary nefa toa mihazakazaka any @ fanafody novokarin'ny Atheista ihany ho'a ry Miharena ao an...


Aoka ho fantatrao Rhaj0 fa zavamisy ny tsy ampy finoana sy ny ampy finoana izay samy hitan'ny Tompo avokoa ary IZY ihany no manapaka hoe iza no mahazo fanasitranana ary iza no tsy mahazo.

Fa io resaka lazainao fa hoe fanafody teknolojika io hoy aho dia ati-doha namboarin;ny Mpahary no niasa tao. Sa hoe aaa hoy ianao fa tsy nisy namorona ny atidohanao misaina io dia nahavita nandinika dia nahay izany atao hoe teknolojia?!

Raha manao hoe aaa dia hazavao tsara.
20. endriny ( 21/11/2017 12:32)
Tokony mitovy daholo izany ny sain'ny olona raha nisy namorona ny atidoha koa. Na tokony mitovy daholo ny olona rehetra raha nisy namorona. Ohatran'ilay 4 l noforonin 'i Renault e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2144