Fitsapam-pahaizana Baiboly

41. gasy1zay ( 21/11/2017 21:34)
dia aona ndray ingahy rhaj0 @ ity :
"Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy"

Rehefa tena tafaray @ Jesoa Kristy isika rhaj0 dia ny Fanahy Masina monina ao anatintsika no manambara amintsika hoe inona no tokony ho ataontsika ary inona no tsy tokony ho atao fa fahotana, ao @ baiboly ve ohatra dia ahita i rhaj0 hoe aza misotro whisky? aza mifoka sigara? aza mitsindrona cocaine? aza mijery pornographie? Fa rehefa kristianina ianao dia tsapanao ao amponao fa tsy mety izany na dia tsy mahay tsianjery ny baiboly aza ianao.

Nefa kosa voamarina ao anaty baiboly daoly ny antony mahafahotana ireo.
42. rhaj0 ( 22/11/2017 13:46)
esy e... tsy ny fanontaniana no avalin-dry Gasy1zay sy Miharena, ahitana ny tena fahaizany Baiboly, fa lalala-lalère no betsaka. Averina farany ilay fanontaniana eee..
rhaj0:
1- IZA no miteny, na mandefa fantsy, hoe "mifaninona moa"... i A sy B ohatra, ary TAIZA, na ameo ny toko aman'andininy aiza izany tantara misy izay fantsy izay?

Inty re ny valiny ee..

Jaona 2:4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa [size=20]mifaninona[/size] akory Izaho sy hianao?

hi hi hi ... ndao indray jerena ahoana no hi-spinner-ndry politifikana (kristiana) io tantara io.. mahamenatsa beuh mantsy izy io :-)
43. Miharena ( 22/11/2017 18:50)

Averina indray ny resaka etsy ambony nanazavana io teny io:

Ilay teny hoe "mifaninona" dia fomba fiteny rehefa tsy mifanojo ny tadin-dokanga ary tena voalaza ao anaty Baiboly tokoa satria misy ireo izay efa nandao ela ny Tompo dia tsy te-hahalala ary dia miresaka io teny io rehefa mifanojo tampoka indray.

Ka inona no tianao hahatongavana satria raha ny marina rehefa tonga ny Mpamonjy dia nanambara ny marina fa ny olona nitenenany indray no tsy te-hahalala dia novonoiny tsy ho eo aminy ny Tompo satria mbola tia ny fiainana eto an-tany izy dia manao io fiteny hoe mifaninona io. Raha avy amin'ny Tompo indray ilay teny dia mazava fa izay fitarafan'ny hafa Azy no ambarany mivantana amin'ilay olona.

Toa an-dRhaj0 izao dia afaka tsara miteny ho mifaninona izy sy Jesoa, dia valian'i Jesoa hoe mifaninona akory moa Izaho sy ianao Rhaj0! (sanatria tsy ho any amin'ny fitsarana farany anie! Tena hivavahako mihitsy tsy ho amin'izany fotoana izany no hitranga amin'i Rhaj0 izany an!)
44. rhaj0 ( 22/11/2017 21:15)
Esy e ry Miharena.. mba novakianao ve ry Miharena ilay Jaona 2:4, sa tena tsy takatrao dia nodinganinao (toa ny mahazatra) fa ny an-tsainao ihany no asesinao? Sa koa tena tsy rahirahinao mihintsy izao fiainan-Jesosy izao ee???

Maninona no lalala-lalère hatrany @ Famonjena ity resakao, nefa anie ny tantara dia tsotra beuh ee.. Jereo tsara raha toa ka tsy takatrao:

Jaona 2:4 protestanta raha tsotsorina:
- "lany ny Pi", hozy baofy, miteny tsotra sady malefaka.
- "mifaninona izaho sy ianao", hozy ny zanany mianjonanjona, "Tsy mbola fotoanan'ny famboarana pi izao".

Taiza nama no misy olona miteny toa izany @ baofiny. Efa menatsa beuh anie ny Katolika, dia no-censurer-ny ny teny hoe "mifaninona", ary jereo tsara anie ny Baibolin'i Hery ee..

Jaona Katolika:
Jaona 2:3 Nony inona, lany ny divay ka hoy renin'i Jesoa taminy: Tsy manan-divay izy ireo. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin'izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.

koa na ilay hoe "ahoana @ izany" koa anie mampihomehy eee.. ahoana ahoana ry ilay zanany, fa reninao io aaa...

Dia inona no idiran'ny valin-teny kabary politifikaninao eto ry Miharena?? lalala-lalère be an... Mba mandinihi-tena ihany eee... tena tsisy henatra intsony nareo izany kah..
45. Miharena ( 23/11/2017 06:31)
Aleo ary Rhaj0 valiana tsara arak'izay fisesin'ny fanontaniana izy ity a! Tsy mampaninona mihitsy satria maharitra tsara aho aloha fa efa zatra olona mafy loha ihany.

rhaj0:

Esy e ry Miharena.. mba novakianao ve ry Miharena ilay Jaona 2:4, sa tena tsy takatrao dia nodinganinao (toa ny mahazatra) fa ny an-tsainao ihany no asesinao? Sa koa tena tsy rahirahinao mihintsy izao fiainan-Jesosy izao ee???

Maninona no lalala-lalère hatrany @ Famonjena ity resakao, nefa anie ny tantara dia tsotra beuh ee.. Jereo tsara raha toa ka tsy takatrao:

Jaona 2:4 protestanta raha tsotsorina:
- "lany ny Pi", hozy baofy, miteny tsotra sady malefaka.
- "mifaninona izaho sy ianao", hozy ny zanany mianjonanjona, "Tsy mbola fotoanan'ny famboarana pi izao".

Taiza nama no misy olona miteny toa izany @ baofiny. Efa menatsa beuh anie ny Katolika, dia no-censurer-ny ny teny hoe "mifaninona", ary jereo tsara anie ny Baibolin'i Hery ee..

Jaona Katolika:
Jaona 2:3 Nony inona, lany ny divay ka hoy renin'i Jesoa taminy: Tsy manan-divay izy ireo. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin'izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.

koa na ilay hoe "ahoana @ izany" koa anie mampihomehy eee.. ahoana ahoana ry ilay zanany, fa reninao io aaa...

Dia inona no idiran'ny valin-teny kabary politifikaninao eto ry Miharena?? lalala-lalère be an... Mba mandinihi-tena ihany eee... tena tsisy henatra intsony nareo izany kah..

Ity ohatra dia mazava tsara fa mbola tsy tonga ny fotoana hanehoana ny asa lehibe dia efa noteren'i Reniny izy hanome divay. Efa fanta-dReniny tsara fa io no Mpamonjy fa kitapo nifonosana fotsiny izy. Izay Sitrapon'Andriamanitra tsy fantany fa izay hitan'ny masony eo aloha no tiany hovahana ny olana. Matetika ny olon'izao tontolo izao manana io fomba fijery ny ankehitrininy io ihany fa tsy mihevitra ny mandrakizainy. Tsy misy hidiran'ny kabary polifika izany fa mazava be.

Dia toy izany hatrany no tokony hijerena ny ao anaty Baiboly ao hoe jerena arakaraka ny vanim-potoana ny hevitry ny teny fa tsy anaovana hoe efa misy manana fiheverana raikitra ao.

Iray ihany angamba ny fiheverana raikitra ao dia ny ataon'ny Satana izay tsy te-hahalala fa rehefa ho very ihany dia aleo very hatramin'ny farany dia manamafy ilay hoe mifaninona. Fa raha olona sy Andriamanitra dia misy fetrany ilay mifaninona fa atao ihany ny asa fanasoavana rehefa mifanaraka na dia miteny aza ny iray hoe mifaninona moa isika!

Miverina ihany moa ilay teny hoe iza no afaka hiteny izany teny izany satria isika olombelona aza tsy lojika mihitsy no tokony hitenenantsika hoe mifaninona amin'ny Mpahary antsika, fa raha toa ka samy voary kosa toy ny hoe Satana sy isika, dia afaka miteny soa aman-tsara hoe mifaninona moa isika no dia migafy anay fotsiny no ataonareo!? Dia roahina izy amin'izay fa tsy tokony hidikiditra amin'ny fiainana izay tokony hanomezam-boninahitra ny Tompontsika izay nahary antsika olombelona.
46. endriny ( 23/11/2017 07:53)
Ilay Jesosy aloha dia tena mpanao tsinotsinona ny Rainy sy ny Reniny mihintsy e;

Mba nitady azy I MAria reniny sy ny havany indray andro. Mbola niresaka tamin'ny mpianatra izy tamin'io. Dia nisy mpianatra iray niteny hoe: Tonga ao ny Reninao sy ny Havanao. Mitady anao izy ireo.

Inona no valitenin'ilay Jesosy: Iza moa no Reniko sy Havako

Raha ny zanak'ilay ... tsy manao an'izany raha mitady azy eny am-pilalaovana ny Reniny.

Aoka re marina tompoko o.

Fa toa lasa matsiro ohatran'ny mangahazo lo koa ny faniratsirana nataon'i le Jesosy
47. Miharena ( 23/11/2017 08:08)

endriny:

Toa an'i Endriny ihany io kah! Ilay miteny hoe: inoko moa ianao ry Ilay Mpahary ahy! Fa izaho anie nivoaka tamin;ny vato aman-kazo angambany e!
48. endriny ( 23/11/2017 08:34)

Miharena:

endriny:

Ilay Jesosy aloha dia tena mpanao tsinotsinona ny Rainy sy ny Reniny mihintsy e;

Toa an'i Endriny ihany io kah! Ilay miteny hoe: inoko moa ianao ry Ilay Mpahary ahy! Fa izaho anie nivoaka tamin;ny vato aman-kazo angambany e!

Dia mba ivavao ohatran'ilay Jesosy aho izany koa. Fa aza atao ohatran'i Tsaratsara fa izaho ilay Ratsiratsy aminy.
49. Miharena ( 23/11/2017 08:45)
Raha hivavahana ianao Endriny dia resaka famindram-po no angatahana amin'i Jesoa satria izay omenao eto aza toa ratsiratsy tokoa. Tsara raha efa manetry tena. Izaho koa tsy dia tsara loatra raha tsy mahay ny sitrapon'Andriamanitra sady mbola tsy ampy fa manao izay hitsiny tandrify aloha sao dia misy mifoha ihany ny namana.
50. rhaj0 ( 23/11/2017 13:46)
RAha feheziko izany ny resaka ("mifaninona") teto io dia izao no taratro :

1- na inona na inona ataon'i Jesosy, dia "ara-kitsiny" foana izany ho an'ny Kristiana (sasany), fa ny mpijery HONO no TSY mahatakatra ilay "hitsiny" @ Andmntra.
Raha ny marimarina kokoa, dia ilay "hitsiny" dia spin ataon-dry Belazao Kristiana, izay TSISY lojikany (@ olb), na hoe, misy ihany HONO, fa lojikan'Andtrmna HONO (nefa lojika-na Belazao).

2- Ilay n'inon'inona ataon'i Jesosy @ io nefa, dia tena tonga h@ faniratsirana, sy "fanaovana z'inona" ny olona hafa, mety ilay Mpianatra badrahodra io, ary h@ ny Reny Niteraka. Asa nampirimin'i Jesosy taiza ilay Didy hoe "Hajao ny Rainao sy Reninao" izay ohatra.

Fa dia tsy ho lany ny resak'i Bemarenina-Belazao, fa ny argument-dridra-gilony dia "lojikan'Andmntra" daholo HONO izany, ka dia tampenany ny dOmy. Nefa ho'a lojika-na Belazao ilay izy, interpretasio sy imazination-ny irery ao; koa na ny mpandalina Kristiana namany sasany azany TSY mihevitra toa izany akoriny. Teo izao hita fa no-censurer-n'ny Katolika ny resaka. Ary ny mahonena mahatsikaiky, dia na ireo farany ireo azany, dia pehan-dry Bemarenina-Belazao ho "TSY Tena izy" rahefa tsy mitovy interpretasio/imazinasio aminy.

Dia asa ho'a.. aiza ho aiza @ ireo toetra-na BMBL ireo izao "voninahitr'Andmntra" lolohavin-dry BMBL ireo ao izao ee...
51. gasy1zay ( 23/11/2017 14:59)
i rhaj0 vao niainga ny sujet-ny dia efa haiko ny tiany hiaviana hihihihi

jereo rhaj0 ilay valiteny nataoko anao ao ambonimbony aho a!

Vao nahita an'i Jesoa ilay devoly tonga dia nandohalika ary niteny hoe mifaninona akory izaho sy ianao , ka io no nambarako hoe marika fanajana hoy aho io fomba fiteny io satria ianao tsy mandohalika anoloan'ny olona tsy hananao haja? Raha mitady dikateny frantsay hafa ianao rhaj0 dia hahita hoe : " Que me veux-tu fils de Dieu puissant"

Dia toy izany koa ilay Jesoa namaly an'i Maria hoe Mifaninona akory ....tena marika fanajana io fa tsy araka ilay eritreretin'i rhaj0 ... alohan'ny hitsarana dia mba manaova aloha recoupement @ ireo traduction hafa fa efa mivelatra ny bible en ligne rhaj0 a
52. gasy1zay ( 23/11/2017 16:08)
Ka efa zay no tian'i rhaj0 hahatongavana ka na manazava aza ny hafa dia tsy hanaiky mintsy izy hono e!
53. rhaj0 ( 23/11/2017 16:27)
Tere-ko manja (toa ny mahazatra) ny anao ry Gasy1zay.
Aleo apetraka eto ny toko aman'andininy, dia aleo ny tsi11 no hitsara

Jaona 2:3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 Hoy Jesosy raminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao? tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.

Jereo ilay "mifaninona" iray ity

IIMpanjaka 3:13 Ary hoy Elisa tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely : Moa mifaninona akory izaho sy hianao ? Mandehana any amin'ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao...

Sy koa ity

IISamoela 19:23 Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio?

ka inona no dikan'ny "mifaninona":
- "Manontany ny fifandraisana ara-pihavanana" hozy ny diksionera
- "marika fanajana", hozy i Gasy1zay, indrindra @ ilay resaka "tsy fotoanan'ny pi"
- "fanilihana" na "fanavahana" ny tena na ny andaniny, hoy aho, @ ireo resaka rehetra ireo

Dia marihiko farany @ ilay resaka pi :
- Efa reninao izao no miteny, koa inona no mbola antsafainao hoe mifaninona mifaninona eo??
- dia inona izany no fonosin'iilay "Fa.." rahefa tohizana ny tantara?
Lasa Raneny misiosio, mi-calmer ny olona hafa, fa dia ratsy toetra-ndoza loatra ity zanaka. Tsy ampahafirin'ny mahay mamadika ny rano ho lasa pi.
54. gasy1zay ( 23/11/2017 16:29)
Tsy za no nandika araka izay tiako fa mba nitady hoan'i rhaj0 ao

Traduction Parole de vie : Mère, qu’est-ce que tu me veux ? Ce n’est pas encore le moment pour moi

Traduction français courant : Mère, est-ce à toi de me dire ce que j’ai à faire ? Mon heure n’est pas encore venue

Traduction parole vivante : Écoute, lui répond Jésus, en quoi cela nous concerne-t-il, que me demandes-tu ? Le moment où je dois agir n’est pas encore venu.

Traduction World english bible : Jesus said to her, "Woman, what does that have to do with you and me? My hour has not yet come."

Ito ny source nakana azy sao lazain'i rhaj0 fa noforonoko tato ireo hihihi
https://topbible.topchretien.com
55. rhaj0 ( 23/11/2017 16:46)
mouah ha ha... tsara rahefa mivoaka @ ilay box-kely, baiboly gasin'Andrianaivoravelona. Io foana no nololohavina tao hoe, "izay voasoratra dia voasoratra" ary "Tenin'Andriamanitra" io, tsisy nanampîana tsisy nanalana.

Hay va re miaiky ihany fa bilobiloka izy io, ka dia mila ahitsihitsy avy any @ version hafa eee...
56. gasy1zay ( 23/11/2017 16:59)

Mety amin'i rhaj0 @ zay ve zany le dikateny e? Manaja tsara an'i reniny ve Jesoa e?
57. rhaj0 ( 23/11/2017 17:05)
censure io ry Gasy1zay aa... Araho ny historique-n'ny version isan'isany, na anglisy io na gasy, na Andrianaivoravelona io na katolika, dia ho kôpy ianao ee...

Dia ndana mihintsy koa ho'a mianatra Aramaic raha tena tia hanaja ny tenin'i Jesosy, fa tsy izao mibilobiloka rehetra izao no ahitsihitsy ampihatsarana velatsihy sy @ fomba fangolika eto foana ee...
58. Miharena ( 24/11/2017 07:33)
Ilay lojikan'ny fehezan-teny mihitsy no mety tsy azo raha tsy mijery azy rehetra.

Tsy hiditra amin'ny fandikan-teny hafa aho fa tonga dia raisina ilay

Jaona 2:3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 Hoy Jesosy raminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao? tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.

Efa fantatra mialoha ny tian'i Maria ahatongavana dia jereo fa hoy izy hoe ataovy izay asainy ataonareo!

Tsy tokony hiditra amin'ilay olana akory Jesoa eto fa dia io nobaikon'i Maria io IZY.

Ka raha tsy manaja IZY eto dia nanao hoe : tsia tsy hanaiky hanome divay ireo AHO.

Dia aza abilobiloka ilay fisainana fa jereo feno ny tantara fa aza manao tsindroka izay mamily ny marina satria ilay lafy ratsiny no voizina fa tsy ny fahafenoan'ny Teny rehetra Rhaj0.

Ka raha hanohy ihany ianao dia aleo ohatra manao fanadihadiana toko iray manontolo fa tsy maka andininy iray na teny iray dia iny no roritina hanaratsiana ny Baiboly ary anomezan-tsiny ny Mpahary aza (zava-doza an!).
59. rhaj0 ( 24/11/2017 12:42)
sampona mihintsy ilay paolifikana toa an-dry Miharena rahefa te-handoko ny kapa ho lasa paka..

- "nobaikon'i Maria" hono i Jesosy, hoy Miharena, nefa ny tantaran-Jaona dia, hozy i Maria hoe "Tsy manana divay izy"
- "manaja an'i Maria" hono i Jesosy, hoy Miharena, nefa ny tantaran-Jaona dia, hozy Jesosy hoe "mifaninona izaho sy hianao"?? f'angaha hadinon-Jesosy ny rohim-pihavanana, fa kay Reniny io miresaka azy io?

Nefa anie ny divay efa lany ee... hum... izay vao azoko :-)
60. gasy1zay ( 24/11/2017 15:33)
Tena tsy takatr'i rhaj0 ny ao ambadik'io tranga io fa aleo mba ampiana kely izy.

Ny Andriamanitra ivavahanay Kristiana rhaj0 dia hafa noho ny hafa fa tena azo iadiana varotra, azo hidongiana, azo hihantana, tena zay no nitranga teto, tsy tao anaty programen'i Jesoa mintsy ny hanova rano ho divay fa i Maria reniny no niangavy azy SATRIA fantany fa mahay ny zavatra rehetra i Jesoa, dia zay io resaka mahatonga adihevitra be io, Jesoa namaly hoe tsy tokony anjarako na anjaranao ny manao izany fa anjaran'ny mpampakatra, ary tsy nanova ny rano ho divay mintsy i Jesoa raha tsy ni-insiste i Maria ka niteny t@ ireo mpiasa hoe "ATAOVY IZAY TENENINY ANAREO"

Tena afaka atao mintsy no midongy amin'Andriamanitra, ka raha zavatra tsy hanimba anao no dongianao dia tanterahiny izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1061