You are here: home > Forum

Andro mety hifindrana trano

Lohahevitra : Kolotsaina
Fitohizan'ny hafatra : Andro mety hifindrana trano
Valiny : 3
Rafarahasina - 07/11/2017 10:40
Miarahaba antsika rehetra, manampikasana hifindra trano, mba te hanontany hevitra avy aminareo izay mahalala ny fomba malagasy ny andro tsara hifindrana; mankasitraka mialoha
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 07/11/2017 13:51
Raha ny Malagasy aloha dia andro fady ny Talata. Ny Alarobia indray, alarobia tsy miverina. Andro ialana amin'ny ratsy sy ny toerana tsy tiana hiverenana intsony.

Fa ny andro Sabotsy no fiakarana, ary fidirana @ trano vaovao.

Ny tapakandro maraina no fidirana @ trano vaovao. Izany hoe ny faniriana dia mba hiakatra ohatra ny masoandro maraina ny fiharian'ilay ankohonana.

Mahavita soa
Valio | Miverina eny ambony
Rafarahasina - 15/11/2017 16:05
Misaotra tompoko tamin'ny famaliana ny fanontaniana fa ny manitikitika ny saiko indray dia ny hoe marina ve fa tokony andro mivady no andro tsara hifindrana trano (chiffre pair) araka ny filazan'ny olona?
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 03/02/2018 15:46
Raha amin'ny maha-malagasy aloha dia mariky ny fahafenoana ny isa ankasa (2). Ry zareo vazaha dia milaza fa ny isa ankasa (2) dia tsara. Saingy ho an'i Ntaolo ny isa ankasa dia isa ho an'ny zavatra tsy tiana hitombo intsony, na tsy hivoatra intsony no isa tsy mari-toerana.

Fa mino aho fa efa tafafindra ianao.
Valio | Miverina eny ambony