ny 01 NOVEMBRE dia hankalazana ny fetin'ny olomas...

1. damah ( 06/11/2017 10:17)
ny 01 NOVEMBRE dia hankalazana ny fetin'ny olomasina rehetra (Tous les saints, saintes). ao anatin'ny taona dia misy 365 andro , ary misy olomasina 1na 2 ankalazaina isan'andro , Tsy 365 ihany anefa no olomasina fa araka ny voalazan'ny Apokalipse amin'irao chiffre marobe tsisy fetrany dia maro tsy voatanisa ireo olomasina na ny ao anaty calendrier na ny tsy voasoratra ao dia ankalazaina miaraka io 01 nov io (mety ny anaran'ny olo-masina mpiaro anao aza tsy hita ao ) noho izany ankalazaina @ io andro io ny olomasin-drehetra ! ny 02 nov kosa dia fahatsiarovana ireo nody mandry , satria mino ny kristianina fa ny razana no mpanelanelana antsika @Atra , ka entina ambavaka , sy mivavaka ho antsika izy ireo , ireo koa no akaiky ny olomasina
novalian'i endriny ny 08/11/2017 07:04
2. rhaj0 ( 06/11/2017 13:20)
Ka iza azany ho'a ny olo-masina favori-nareo ee... ka ny fankalazana izao fetiny izao no TSY iasanareo..

Dia toatoa ny ahoana koa ny "'fankalazana fetin'olo-masina" izany?? Misy gatô sy misotrosotro ve?

Sa TSY MISY favori ianareo, ary TSY tena mba "mankalaza" akoriny, fa mba manararao-paty ny tsy miasa ao fotisny..

Fa ny fahantrana rey olona anefa efa tsy eran'ny aina, dia mbola fetifety @ tsy antony ao ihany ve k'le... nefa anie officiellement, dia mbola eo 50% eo foana ny hoe gasy Kristiana ee..

Zahay aty Kanada izao TSY mankalaza izany Novambra 1 izany
3. endriny ( 06/11/2017 15:16)
Araka ny baiboly aloha dia tokony Atra irery ihany no ankalazaina eo amin'ny finoana. Ao amin'ny didy 10 mihintsy io.
4. stahtam ( 07/11/2017 04:48)

[quote=damah]
ny 01 NOVEMBRE dia hankalazana ny fetin'ny olomasina rehetra (Tous les saints, saintes). ao anatin'ny taona dia misy 365 andro , ary misy olomasina 1na 2 ankalazaina isan'andro , Tsy 365 ihany anefa no olomasina fa araka ny voalazan'ny Apokalipse amin'irao chiffre marobe tsisy fetrany dia maro tsy voatanisa ireo olomasina na ny ao anaty calendrier na ny tsy voasoratra ao dia ankalazaina miaraka io 01 nov io (mety ny anaran'ny olo-masina mpiaro anao aza tsy hita ao ) noho izany ankalazaina @ io andro io ny olomasin-drehetra ! ny 02 nov kosa dia fahatsiarovana ireo nody mandry , satria mino ny kristianina fa ny razana no mpanelanelana antsika @Atra , ka entina ambavaka , sy mivavaka ho antsika izy ireo , ireo koa no akaiky ny olomasina

[quote=stahtam]
Ohatra iray no omeko anao ry damah mba hampihiratra ny masonao ao anatin'io fivavahana kristiana amitahan'ny eoropeana antsika io:
1°) Ny lehiben'ny fiangonana namoro(mporo)na io daty io sy nametraka ny anaran'ireo fatim-bazaha marobe ao anaty calendrier-m-bazaha ireo dia antsoina hoe: Papa Ray MASINA raha MBOLA VELONA.
2°) Rehefa MATY kosa anefa io olona io dia mahagaga fa mbola IADIAN-KEVITRA hoe : olo-MASINA sa TSY IZY (ary be dia be ireo papa ray masina fony fahavelony no tsy lasa olo-masina intsony rehefa maty).
3°) Dia mipetraka àry ny fanontaniana: masina ilay olona sa tsy tsy azo antoka tsara fa masina? nahoana izy no masina rehefa velona fa tsy azo antoka ho masina intsony rehefa maty ?
4°) Satria ilaina ampiesonina tsara ilay mpanaraka (mpivavaka ao) mba hahazoana mitsentsitra ny harena eo @ taniny.
5. endriny ( 07/11/2017 05:36)
Sady efa Papa no mbola Ray Masina. Siora konikoa e. Azy ny lapa volamena koa
6. rhaj0 ( 07/11/2017 13:25)
Sady Papa no Masina.. @ ankapobeny anie, ny olana @ Kristiana, dia TSY mieritreritra tsara akoriny ny dikan'ny teny ampiasaina zareo, fa dia pli-vava ao fotsiny eee... Ny olona "ivelan'ny Kristianisma" no ganga foana hoe, inona no dikan'izao teny ampiasaina izao.

Hita eto foana izao ny karazan-dry Miharena.. atambatambatra ao fotsiny ny teny fehezan-teny, dia mibontsimbontsina, nefa ny fanontanian'ny olona (mba mamaky azy comme il faut) aman-taoniny.. lalalalalala.. fa vao mainka asesisesiny foana ny azy ee...

Io izany ny Papa ataony hoe Masina, Saint, nefa kay mbola tsy Saint araka ny famaritana mahazatra, fa toa mety Saint araka ny karazana diksionera-Miharena indray.

Ohatra efa noresahina teto koa, izao "vavaka nampianarin'ny Tompo" izao, ka rahefa misakafo, dia "ameo anay ny hanina sahaza ho anay".. Nefa ny hanina eo ambony tsihy TSY sahaza ny fahasalamany akoriny. Dia i Jesosy ivavahany izany no manolo-bato-mafana ee...
7. endriny ( 08/11/2017 07:04)
Ny tsihy fihinanana na fandanbanana kosa tsy mitovy amin'ny tsihy itsahina koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2545