Noravaina ny lalàna ao amin'ny TV

1. tealala ( 25/10/2017 05:09)
Efeziana toko 2 : 15 tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany
novalian'i RBNIR ny 07/11/2017 11:38
2. stahtam ( 25/10/2017 06:15)
Noho ny fisian'io verset notanisainao io dia tonga @ ity conclusion ity ianao: "Noravaina ny lalàna ao amin'ny TV"
1- Azonao aseho @ fomba mazava ve hoe inona avy àry ireo lalàna be didy amam-pitsipika "noravàna" ?
2- i Paoly no nanoratra io verset io. Ny misionera frantsay (Katolika) no nandika azy ho teny gasy. Afaka mandinika ireo versets hafa samy nosoratan'i Paoly ankoatra io verset io ve ianao ?
3. tspoaeta ( 25/10/2017 08:42)
tealala:

Efeziana toko 2 : 15 tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany

Fa maninona moa no noravaina?
Mba azavao kely fa tsy azoko
4. rhaj0 ( 25/10/2017 12:39)
Raha ny fahatakarako azy, dia i Saoly lasa Paoly no mikoraraika io. Nanapa-kevitra izany i Paoly fa izay ilay izy. TSY i Jesosy no niteny, fa i Paoly.

Fa dia ampiasao ilay "fazahoanareo MITSARA" raha tena @ "Voany" sy "Tena Izy" tokoany ve izany revy izany, sa tena i Paoly no befamaritra fotsiny eo.. satria miaraka @ io, dia nampidiriny ho vahoakan'ny "Andrmntrin'ny Jiosy" koa ny Jentilisa. Ny Jenstilisa anefa nanana ny Andrmntrany koa taloha an'io, fa dia no-coloniser-n'i Paoly izany eee... Dia nolazainy fa izay hono no izy
5. Miharena ( 25/10/2017 13:45)

tealala:

Efeziana toko 2 : 15 tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany

Mba tsy hihodinkodinana dia hazavaina ilay andinin-tsoratra eto.

Jesoa no fiampitana mankany amin'Andriamanitra RAY no hevitr'io teny io.

Niato ny fifandraisana mivantana tamin'i Jehovah taorian'ireo mpaminany maro teo aloha izay nanomezana lalana sy didy mba harahan'ny olombelona rehetra.

Jehovah koa anefa dia nampilaza tamin'ny vavan'ny Mpaminany fa Jesoa dia ho avy ary IZY no hampihavanana indray ny olona amin'Andriamanitra amin'ny endriny vaovao.

Olom-baovao isika izay manaiky fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ka manaiky ny hitobiaNY ao anatintsika mba hikambanana amin'Andriamanitra sy ao amin'ny Tenan'IZY Jesoa izay IRAY AO AMIN'NY RAY.

Resaka fiombonan'aina io mba tsy hametrahana hatrany hoe IZY no mandidy dia ny olona manaiky.

Ireo lalana be didy amam-pitsipika dia zary lasa teny poakaty raha tsy miara-miaina amin'ny Mpahary amin'ny alalan'i Jesoa isika ary mahalala ny fomban'ny Lanitra izay tokony efa hiainana eto ambonin'ny tany.

Raha mbola misy fanotaniana dia azo valiana hatrany. Raha mitady andininy ara-Tsoratra dia azo omena ihany koa fa ireo no ambagovangony azo hamaliana ilay fanontaniana izay maha-be resaka ny maro.
6. endriny ( 25/10/2017 13:45)
tao amin'ny nofy

Mazava be ny teny. Dia tsy misy ambara intsony aho fa aleo koa mba manonofy dia mpanoratra
7. Miharena ( 25/10/2017 13:52)

endriny:

tao amin'ny nofy

Mazava be ny teny. Dia tsy misy ambara intsony aho fa aleo koa mba manonofy dia mpanoratra

Na ny nofy aza mety hampahitsy fisainana kokoa noho izay mahiratra mampiasa ireo fitaovana ara-tserasera nefa manao izay hanakianana befahatany ny momba ny Mpahary nefa voary ihany.

Ny olana eto anie tsy manaiky ho VOARY ilay olona dia rehefa ataon'ny olona hafa hoe adala dia mikadradringana e!
8. tspoaeta ( 25/10/2017 19:37)
Tena mba mangataka an'i tealala mihintsy aho aloha mba hanazava an'io resaka fandravana lalàna io.
otrany tena mahaliana be mantsy ilay izy, satria dia hangalatra sy hijangajanga sady hamono olona ve izany ry Miharena sy ry stahtam na dia tsy rava aza izany?
9. tealala ( 26/10/2017 05:56)

tspoaeta:

Tena mba mangataka an'i tealala mihintsy aho aloha mba hanazava an'io resaka fandravana lalàna io.
otrany tena mahaliana be mantsy ilay izy, satria dia hangalatra sy hijangajanga sady hamono olona ve izany ry Miharena sy ry stahtam na dia tsy rava aza izany?

Ny mpanaraka ny TV no manaraka ilay fandravana, tahaka ny famorana sns, satria tsy fantany no anton'ilay lalàna anefa sarotra aminy ny hanaraka azy.
10. tafita ( 26/10/2017 09:06)
Heveriko fa Lalàna ao amin ny Television hay moa amin ny baoboly Test vaovao ka tsy misy idiranay mpanao gazety ndray aloha io resaka io
11. Miharena ( 26/10/2017 11:40)

tealala:

tspoaeta:

Tena mba mangataka an'i tealala mihintsy aho aloha mba hanazava an'io resaka fandravana lalàna io.
otrany tena mahaliana be mantsy ilay izy, satria dia hangalatra sy hijangajanga sady hamono olona ve izany ry Miharena sy ry stahtam na dia tsy rava aza izany?

Ny mpanaraka ny TV no manaraka ilay fandravana, tahaka ny famorana sns, satria tsy fantany no anton'ilay lalàna anefa sarotra aminy ny hanaraka azy.

Raha misy miteny hoe mpanaraka ny Testamenta Vaovao no mandrava lalana dia diso ihany satria raha ny tokony ho izy dia Boky feno ny Baiboly ary milaza ny tantara nifandimby momba ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Misy ireo lalana izay mahasoa mandrak'ankehitriny raha arahina tsara. Ohatra hoe aza manaraka andriamani-kafa izay fanaon'ny firenena sasany, na ireo didy folo izay milaza mazava ny fitondran-tena tsotra sy feno amin'ny maha-olombanona manaraka ny toetra tsara ananana.

Ny an'Ingahy Samuelson Edouard moa dia hoe rava ny didy folo no filazany azy fa ny fototry ny fampianarany dia hoe mivelona ao amin'i Yahoshuah dia efa tanteraka ho azy ny tsy fanaovan-dratsy izay andraran'ny didy folo.

Dia mivondrona ao daholo ilay anatra mba hitodihan'ny olona amin'Andriamanitra Mpahary irery ihany.

Fa ny tena vontoatiny dia io fampifandraisana avy amin'ny alalan'i Jesoa io ihany.

12. gasy1zay ( 26/10/2017 17:44)
Tao @ testamenta taloha dia ny fanarahan-dalàna no ahazoana ny sitraka avy amin'Andriamanitra ( fanambinana, fanasitranana, fitahiana, ...)

Ao @ testamenta vaovao dia azonao maimaim-poana ( grace ) ireo rehefa mino ianao fa ny fahotanao dia efa nentin'i Jesoa Kristy teo @ hazo fijaliana, tsy ny fitandremanao ny didy no nahavonjy anao fa i Jesoa maty teo @ hazo fijaliana.

Izay ilay hoe tsy miana ambany lalàna isika ( manaraka ny lalàna vao mahazo sitraka) fa ambany fahasoavana ( mahazo sitraka na dia tsy tanteraka aza)

Tsy midika anefa izany fa mahazo manota isika, satria efa voadio t@ ota, efa maty ilay fahotana nangeja antsika dia izay fahadiovana izay ilay mila terizina mandrampiala ety, raha lavo ianao dia miarina dia manohy ny dianao, tanjona dia ny manahaka an'i Kristy
13. rhaj0 ( 26/10/2017 17:55)
hi hi hi.. mba mahay ny Dogma Sola Fide izany i Gasy1zay an..

Ka ario any @ izay azany ilay soratra nakapoka t@ vato fony Mosesy ry Gasy1zay aaa... Ny Dogma navoitran'i Luther mantsy no ambony kokoa aminao Gasy1zay.

Izaho indray ve hi-contredire an'izany :-)
14. stahtam ( 27/10/2017 04:28)

[quote=tspoaeta]
Tena mba mangataka an'i tealala mihintsy aho aloha mba hanazava an'io resaka fandravana lalàna io.
otrany tena mahaliana be mantsy ilay izy, satria dia hangalatra sy hijangajanga sady hamono olona ve izany ry Miharena sy ry stahtam na dia tsy rava aza izany?
[quote=stahtam]
Na dia i tealala aza no novaliako teto dia voatery tsy maintsy mamaly anao ihany aho ry tspoaeta satria nampidirinao tao anaty sobikanao ny pseudo-ko (stahtam). Fombanao tokoa aloha ilay mijoboka @ zavatra tsy fantatra tahaka io. Mihevitra angamba ianao fa mitovy finoana i Miharena sy stahtam... Tsy aleo ve ny tenanao no iasànao saina raha hofoanana tokoa io lalàna io fa ahoanao inona moa ny hafa na haninona izy na haninona ?
15. endriny ( 27/10/2017 06:35)
Miharena:

Na ny nofy aza mety hampahitsy fisainana kokoa noho izay mahiratra mampiasa ireo fitaovana ara-tserasera nefa manao izay hanakianana befahatany ny momba ny Mpahary nefa voary ihany.

Ka nofy ririnina sa nofy fahavaratra hono.

Aza fady fa izaho mbola tsy nanankiana an'izany MPahary izany mihintsy teto. Fa ireo misoratena ho mpitondrateniny sy mpisolovava azy no kianiko eto. Ary zo sy adidiko izany, mba tsy hisian'ny fanambakana eo amin'ny tany ama-monina
16. Miharena ( 27/10/2017 18:16)

Mety ho marina ny fieritreretanao manakiana fa raha fanakianana be fahatany dia hita eny hatrany ary valiana ihany tsindraindray.
17. tspoaeta ( 01/11/2017 08:39)
stahtam:

[quote=tspoaeta]
Tena mba mangataka an'i tealala mihintsy aho aloha mba hanazava an'io resaka fandravana lalàna io.
otrany tena mahaliana be mantsy ilay izy, satria dia hangalatra sy hijangajanga sady hamono olona ve izany ry Miharena sy ry stahtam na dia tsy rava aza izany?
[quote=stahtam]
Na dia i tealala aza no novaliako teto dia voatery tsy maintsy mamaly anao ihany aho ry tspoaeta satria nampidirinao tao anaty sobikanao ny pseudo-ko (stahtam). Fombanao tokoa aloha ilay mijoboka @ zavatra tsy fantatra tahaka io. Mihevitra angamba ianao fa mitovy finoana i Miharena sy stahtam... Tsy aleo ve ny tenanao no iasànao saina raha hofoanana tokoa io lalàna io fa ahoanao inona moa ny hafa na haninona izy na haninona ?

Na dia tsy mitovy finoana aza ianao sy Miharena dia tena mahay miray saina be otranareo sy tealala ihany. jereo anie ato forum.serasera.org/forum/message/m59881f0d49bf6 fa tena mpinamana be nareo sy tealala
18. tspoaeta ( 01/11/2017 08:49)
tealala:

Ny mpanaraka ny TV no manaraka ilay fandravana, tahaka ny famorana sns, satria tsy fantany no anton'ilay lalàna anefa sarotra aminy ny hanaraka azy.

Dia enao io mpanaraka ny TV sa mpanohitra otran'i stahtam?
Inona no anton'ny lalàna raha mba milaza fa mahafantatra ianao? fa ny fanazavanao an'izany no ilaina eto, fa rehefa ts mahavita manazava ianao dia ianao ihany no fatoran'ny teninao eo.
19. stahtam ( 02/11/2017 04:55)

tspoaeta:

[quote=tealala]
Ny mpanaraka ny TV no manaraka ilay fandravana, tahaka ny famorana sns, satria tsy fantany no anton'ilay lalàna anefa sarotra aminy ny hanaraka azy.

Dia enao io mpanaraka ny TV sa mpanohitra otran'i stahtam?
Inona no anton'ny lalàna raha mba milaza fa mahafantatra ianao? fa ny fanazavanao an'izany no ilaina eto, fa rehefa ts mahavita manazava ianao dia ianao ihany no fatoran'ny teninao eo.
[quote=stahtam]
1°) "Na dia tsy mitovy finoana aza ianao sy Miharena dia tena mahay miray saina be otranareo sy tealala ihany. jereo anie ato forum.serasera.org/forum/message/m59881f0d49bf6 fa tena mpinamana be nareo sy tealala"
Ka raha mahita adi-hevitra tany aloha aho mampifanohitra ny hevitray dia inona indray no hambaranao ? Mba akaro ilay fisainana fa mirefarefa e !
20. stahtam ( 02/11/2017 14:33)
Ahiako, raha mbola miteny eo ianao dia ho tratra eto koa ny zavatra afeninao satria efa hitakitako taratra eto izany. Zavatra kely fotsiny sisa no porofoiko dia ho vaky barara indray ny zavatra afeninao. Saika h... mantsy ianao saingy nihemotra tampoka satria mipoitra tsikelikely ny marina dia nanao tsobo-dranon-dRamiangaly indray aloha. Rehefa kibokiboin'ny marina anefa tsy maintsy hibaradaka eo ihany fa fotoana no andrasana. Andao ange ho hitantsika eo e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4491